KIRIHITRA
[Heb.: siah].
Hazo madinidinika be sampantsampany na mitsitokotoko. Miverina inefatra monja ny hoe siah (heb.) ao amin’ny Baiboly. (Ge 2:5; 21:15; Jb 30:4, 7) Azo lazaina hoe kirihitra ny hazo sasany any Palestina, toy ny zenevrie botry kely, lamoty, ary anjavidy. Misy indray mitovy bika sy habe amin’ny kirihitra, toy ny akasia, mirta, stiraksa, tamariska ary hazomalahelo.
Kivy i Hagara ka nadabony teo ambanin’ny kirihitra i Ismaela, tany an-tany efitr’i Beri-sheba. (Ge 21:15) “Mitsongo ahitra masira eny akaikin’ny kirihitra” ny olona any amin’ny faritra karakaina, ary mitaraindraina eny amin’ny kirihitra.—Jb 30:4, 7.
Toa karazana kirihitra (heb.: seneh) ilay voaroy nirehitra nisarika ny sain’i Mosesy. Teo amin’io ny anjelin’i Jehovah no niresaka taminy. (Ek 3:2-5; De 33:16) Batôs (gr.), midika hoe tsilo na kirihitra misy tsilony, izy io, hoy ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. (Mr 12:26; Lk 20:37; As 7:30, 35) Voaroimainty (Rubus sanctus), izay fahita eran’i Syria sy saika manerana an’i Palestina, ilay kirihitra misy tsilony (seneh), hoy ny mpanao diksionera sasany, satria batôn (gr.; avy amin’ny hoe batôs) ny voaroimainty. Tsy misy voaroimainty maniry ho azy anefa izao any amin’ny Saikinosin’i Sinay. Misy àry milaza fa karazana hazo akasia misy tsilony sy maniry toy ny kirihitra ilay seneh, satria io no fahita eran’ny faritr’i Sinay. Tsy tena fantatra anefa hoe inona ny seneh.