JEHOVAH-SALOMA
(Jehôvah-salôma) [I Jehovah dia Fiadanana].
Anaran’ilay alitara naorin’i Gideona tany Ofra tany andrefan’i Jordana. Nahita ny anjelin’i Jehovah i Gideona ka natahotra ny ho faty. Nomena toky anefa izy hoe: “Fiadanana anie ho anao! Aza matahotra fa tsy ho faty ianao.” Ho fankasitrahana dia nanorina alitara ho an’i Jehovah i Gideona, tsy hoe mba hanolorana fanatitra fa ho fahatsiarovana an’ilay zava-nitranga.—Mpts 6:22-24.