GOLIATA
(Gôliàta).
Lehilahy goavam-be avy any an-tanànan’i Gata, solontenan’ny tafika filistinina. Novonoin’i Davida izy io. Ranjanana be izy satria enina hakiho sy irain-jehy (2,9 m) ny halavany. Nanao akanjo nisy takela-barahina nifanindritsindry toy ny kiran-trondro izy, ka sekely 5000 (57 kg) ny lanjan’ny varahina tamin’ilay akanjo, ary sekely 600 (6,8 kg) ny lanjan’ny vy tamin’ny lela lefony. (1Sa 17:4, 5, 7) Anisan’ny Refaima i Goliata. Toa mpikarama an’ady tao amin’ny tafiky ny Filistinina izy.—1Ta 20:5, 8; jereo REFAIMA.
Niangona tao Soko ny Filistinina ary nitoby tao Efesa-damima mba hiady tamin’ny Israely, taoriana kelin’ny nanosoran’i Samoela an’i Davida, sy nialan’ny fanahin’i Jehovah tamin’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 16:13, 14) Lohasaha no nanelanelana ny tafiky ny Filistinina sy ny an’i Saoly. Nivoaka avy tao amin’ny tobin’ny Filistinina i Goliata, mpiady goavam-be, ary nasainy nanome lehilahy iray ny Israelita mba hifanandrina taminy, ka ny tafik’izay resy no hanompo an’izay mandresy. Nampitahoriny toy izany marain-tsy hariva nandritra ny 40 andro ny tafika israelita, ka tsy nisy sahy nifanandrina taminy.—1Sa 17:1-11, 16.
Nitady loza i Goliata tamin’izy nihantsy ady ny tafik’i Jehovah, Andriamanitra velona. Nanana ny fanahin’Andriamanitra i Davida, tovolahy mpiandry ondry, ka vonona hifanandrina taminy. Nandeha teo alohan’i Goliata ny mpitondra ny fitaovam-piadiany, ary nitondra ny ampingany. Niantso ny anaran’ireo andriamaniny i Goliata mba hanozonana an’i Davida. Namaly azy i Davida hoe: “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy lefona ary lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nohantsinao.” (SARY, Boky 1, p. 745) Nampiasa pilotra i Davida mba hitorahana an’i Goliata, ka nilentika teo an-tampon-kandriny ilay vato, ary lavo tamin’ny tany izy. Nitsangana teo amin’i Goliata i Davida, ka nanapaka ny lohany tamin’ny sabatr’ilay lehilahy goavam-be ihany. Vao nahita izany ny Filistinina dia nirifatra nandositra ary naripaky ny Israely.—1Sa 17:26, 41-53.
“Nalain’i Davida ny lohan’ilay Filistinina ka nentiny tany Jerosalema, fa ny fitaovam-piadian’ilay Filistinina kosa nataony tao an-tranolainy.” (1Sa 17:54) Efa ela ny Israelita no nonina tao Jerosalema niaraka tamin’ny Jebosita (Js 15:63; Mpts 1:8), na dia taona maro tatỳ aoriana aza vao voababon’i Davida ny tanàna voaro mafin’i Ziona. (2Sa 5:7) Azo inoana hoe naterin’i Davida tany amin’ny toerana masina ny sabatr’i Goliata, taorian’izay, matoa io no nomen’i Ahimeleka mpisorona azy, tamin’izy nandositra an’i Saoly.—1Sa 21:8, 9.
Miteraka adihevitra ny 2 Samoela 21:19, izay milaza fa “novonoin’i Elanana zanak’i Jare-oregima Betlehemita i Goliata Gatita. Toy ny voditenon’ny mpanenona ny tahon-defon’i Goliata.” Andininy mifanitsy amin’io ny 1 Tantara 20:5, izay milaza fa “novonoin’i Elanana zanak’i Jaira i Lamy rahalahin’i Goliata Gatita. Toy ny voditenon’ny mpanenona ny tahon-defon’i Lamy.”
Maromaro ny soso-kevitra entina hanazavana an’izany. Milaza, ohatra, ny Targoma fa i Davida ihany no Elanana, araka ny lovantsofina. Milaza kosa ny boky iray fa mety ho nisy Goliata roa, ka mety ho anaram-boninahitra toy ny hoe “Farao”, “Rabsake”, ary “Mpanjaka” ny hoe Goliata. (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1951, 1952) Milaza anefa ny ankamaroan’ny mpivaofy teny fa nisy fahadisoan’ny mpanao dika soratra tao matoa “Jare-oregima” no lazain’ny andininy iray, fa “Jaira” kosa no ao amin’ilay andininy hafa. Ny bokin’i Samoela Faharoa irery koa no ahitana an’ilay hoe “Betlehemita [heb.: beht hallahmi]”, ary ny bokin’ny Tantara irery no miresaka an’i “Lamy [ʼet-Lahmi].”—Jereo JARE-OREGIMA; LAMY.