Tantara Voalohany
20 Fiandohan’ny taona tamin’izay,* sady fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady. Nitarika miaramila àry i Joaba+ dia noravany ny tanin’ny Amonita. Nanao fahirano an’i Raba+ izy tamin’izay, fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema.+ Notafihin’i Joaba i Raba avy eo, dia noravany.+ 2 Taorian’izay dia nesorin’i Davida ilay satroboninahitra volamena teny an-dohan’i Malkama, ary hitany fa iray talenta* no lanjan’izy io, ary nisy vatosoa ilay izy. Dia natao teo amin’ny lohan’i Davida ilay izy. Naka zavatra be dia be avy tao amin’ilay tanàna koa izy.+ 3 Nentiny koa ny olona tao, ka nampiasainy+ mba hanatsofa vato, sy hiasa amin’ny fitaovana vy maranitra sy famaky. Nataon’i Davida hoatr’izany daholo ny tanànan’ny Amonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny miaramila rehetra.
4 Taorian’izay, dia raikitra ny ady tamin’ny Filistinina, tao Gazera. Tamin’izay i Sibekay+ Hosatita no nahafaty an’i Sipay, taranaky ny Refaima,+ ka resy ny Filistinina.
5 Ary raikitra indray ny ady tamin’ny Filistinina. Dia novonoin’i Elanana zanak’i Jaira i Lamy, rahalahin’i Goliata+ Gatita, ilay nanana tahon-defona hoatran’ny voditenon’ny mpanenona.+
6 Raikitra indray ny ady tany Gata,+ ary nisy lehilahy iray goavam-be tao.+ Enina avy ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ka 24 ny fitambarany. Taranaky ny Refaima koa izy.+ 7 Nila ady+ tamin’ny Israely foana izy, ka novonoin’i Jonatana zanak’i Simea+ rahalahin’i Davida.
8 Ireo no taranaky ny Refaima+ tany Gata,+ ary ny tanan’i Davida sy ny mpanompony no namono azy ireo.