SEMINITA
(Seminìta).
Teny fampiasa tamin’ny mozika ary midika ara-bakiteny hoe “laharana fahavalo”, saingy tsy fantatra ny tena dikany. Toa ilazana feo ambany izy io, ary raha nampiasana zavamaneno, dia zavamaneno namoaka feo ambany toy ny beso angamba no nampiasaina.
Nisy harpa “nampanarahina feo Seminita [“angamba ny kile fahavalo na oktavy ambany”, Rbi8, f.a.p.; “gadom-peo ambany”, DIEM].” (1Ta 15:21) Izao koa no teny mampiditra ny Salamo faha-6 sy 12 (samy hira malahelohelo): “Ho an’ny mpitarika. (Ampiarahina amin’ny lokanga ary) atao oktavy ambany [sheminit].” Toa midika izany hoe feo ambany no nanaovana ny mozika sy ny hira.—Jereo ALAMOTA.