EZIONA-GEBERA
(Eziòna-gebèra).
Anisan’ny toerana nitobian’ny Israelita rehefa hifarana ireo 40 taona nivezivezen’izy ireo tany an-tany efitra, ary izay no firesahana azy io voalohany. Tao Kadesy, tany “an-tany efitr’i Zina”, izy ireo no nitoby avy eo. (No 33:35, 36) Avy tao Kadesy ny Israelita no nangataka alalana tamin’ny mpanjakan’i Edoma mba havela handalo tao amin’ny taniny, kanjo tsy nahazo. (No 20:14-22) Hoy i Mosesy, tatỳ aoriana: “Koa nandalo lavidavitra an’ireo taranak’i Esao rahalahintsika monina any Seira isika, ary nialantsika ny lalana mankany Araba sy Elata ary Eziona-gebera.” (De 2:8) Misy andininy milaza fa tany amin’ny Ranomasina Mena no nisy an’i Elata (Elota) sy Eziona-gebera. Azo inoana hoe teo amin’ny sampany avaratratsinanana tamin’ny Ranomasina Mena no nisy azy ireo, izany hoe teo amin’ny zoron’ny Hoalan’i ʽAkaba.—1Mp 9:26; 2Ta 8:17.
Hoy ny Nomery 21:4: “Niala teo amin’ny Tendrombohitra Hora [teo no maty i Arona] izy ireo, ka nizotra ho amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena mba hanodidina ny tanin’i Edoma.” Mifanaraka amin’ny Deoteronomia 2:8, izay nosoratana tatỳ aoriana kokoa izany. Misy manam-pahaizana anefa milaza fa rehefa niala teo amin’ny Tendrombohitra Hora ny Israelita dia nandeha teo amin’ny zorony atsimo amin’ny Ranomasina Maty, ka niakatra nanaraka ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda (sisin-tany manasaraka an’i Edoma sy Moaba). Maro anefa ny mpivaofy teny milaza fa tsy maintsy nanalavi-dalana ny Israelita mba tsy hidirana tao amin’ny tanin’i Edoma, izany hoe nanaraka ny “lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena” indray izy ireo, ka nandalo ny faritr’i Eziona-gebera. Midika izany fa nianatsimo nankany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba ny Israelita, ary rehefa tonga teo avaratr’i Eziona-gebera izy ireo, dia azo inoana fa nihodina nianavaratratsinanana nanaraka ny Lohasaha Falehan-driaka Yatm, ka nanaraka ny sisiny atsimo tamin’ny ilany atsimo tamin’ny tandavan-tendrombohitr’i Edoma.
Tamin’ny andro nanjakan’i Solomona. Efa 400 taona mahery tatỳ aoriana, tamin’ny andro nanjakan’i Solomona (1037-998 T.K.), vao voaresaka indray i Eziona-gebera. Nataon’i Solomona toerana fanamboarana sambo io tanàna amoron’ny Hoalan’i ʽAkaba io. Nanana andian-tsambo izy, ka Fenisianina sy Jodianina no tantsambo. Niara-niombon’antoka tamin’i Solomona tamin’izany i Hirama mpanjakan’i Tyro, izay lehilahy fenisianina. (1Mp 9:26-28; 10:11) Niezaka namelona indray an’io orinasa fanamboaran-tsambo tao Eziona-gebera io i Josafata Mpanjaka, 100 taona teo ho eo tatỳ aoriana (936-t. 911 T.K.), saingy tsy nahomby. Efa nilaza mantsy i Jehovah fa ho rendrika ny sambony.—1Mp 22:48, 49; 2Ta 20:36, 37.
Tsara homarihina fa sady nankany Ofira no nankany Tarsisy ireo sambon’i Solomona sy ny an’i Josafata. (2Ta 9:21; 20:36, 37) Misy tsy mino hoe ny sambo fahiny avy any Eziona-gebera ve dia ho tonga tany Tarsisy, izay voaporofo fa tany Espaina. Miresaka momba izany ny TARSISY No. 4, ka milaza fa nety ho nisy lakandrano teo amin’i Neily sy ny Ranomasina Mena. Mety ho io lakandrano io no nahafahan’i Hirama Mpanjaka nandefa “sambo” fa tsy olona fotsiny, mba hampiasain’i Solomona tany Eziona-gebera sy Elota (Elata). (2Ta 8:17, 18) Misy milaza koa anefa hoe mety ho nalefa tany amin’ny toerana iray teo amoron-tsirak’i Filistia ireny sambo ireny, dia noravana, ka notaterina an-tanety ho any amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, ary tany no natambatra indray. Izany mantsy, hono, no nataon’ireo Katolika niady tamin’ny Silamo fahiny. Na ahoana na ahoana no nandefasana an’ireny sambo ireny, dia azo inoana fa hazo avy tany an-toeran-kafa nisy ala no nalefa tany Eziona-gebera, satria hazo palmie no betsaka tany, ka tsy azo nanaovana sambo.
Toerana nisy azy io. Tsy fantatra izay tena nisy an’ilay Eziona-gebera fahiny. Saika ny manam-pahaizana rehetra anefa no milaza azy io ho i Tell el-Keleifeh (ʽEzyona Gevera), 500 m eo ho eo avy eo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, ary 3 km mahery any avaratrandrefan’ny tanànan’i ʽAkaba ankehitriny. Hita avy tamin’ireo zavatra nofongarina tao fa nisy nonina tao nandritra ny vanim-potoana dimy lehibe, ka heverina fa tamin’ny andron’i Solomona ny tranainy indrindra, fa tsy nisy talohan’izay. Tsy nahitana zavatra nisy tamin’ny fotoana naha tany an-tany efitra ny Israelita mihitsy tao. Misy àry milaza fa mety ho toeran-kafa ilay Eziona-gebera tamin’ny andron’i Mosesy, na trano tsotsotra vita tamin’ny biriky tany ny trano tao tamin’izany ka efa tsy hita soritra intsony.
Trano fanatobiana entana. Anisan’ny zavatra nofongarina tao Tell el-Keleifeh ny sisa tamin’ny vavahady lehibe iray, sy ny trano izay nambara fa orinasa fitrandrahana sy fandrendrehana varahina, ary voalaza fa tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka no nampiasana izany. Vao haingana anefa vao hita hoe hay fanatobiana entana io trano io, na dia azo inoana aza hoe nisy fandrendrehana varahina tany amin’iny faritra iny. Voaro mafy io trano io, ka nety tsara mba hanatobiana volamena, vatosoa, ary hazo algoma avy any Ofira mandra-pahatongan’ny mpanao dia lavitra haka azy ireny ho any amin’izay tokony hitondrana azy. Nisy seranana sy lalana maromaro nifamezivezen’ny mpivarotra mantsy tao. (1Mp 9:26; 10:11, 12) Manazava bebe kokoa momba izany ny ARKEOLOJIA (Palestina sy Syria).