AHIA
(Ahìa).
[1-9: Rahalahy (Rahalahiko) i Jehovah]
1. Iray amin’ireo zanakalahin’i Jeramela avy amin’ny fokon’i Joda, ary ny anarany no voatonona fahadimy.—1Ta 2:25.
2. Lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Benjamina. (1Ta 8:6, 7) Misy mihevitra azy ho ilay Ahoa resahin’ny 1 Tantara 8:4.
3. Zanakalahin’i Ahitoba ary zafiafin’i Ely. Izy no mpisoronabe tao Silo tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 14:3, 18) Misy milaza fa mety ho rahalahin’i Ahimeleka izy, na mety ho izy ihany no Ahimeleka satria rehefa soloana hoe “meleka” ilay “a” farany ao amin’ny anarany dia lasa hoe Ahimeleka.—1Sa 22:9.
4. Iray tamin’ireo lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. Pelonita izy.—1Ta 11:36.
5. Levita voatendry hiandraikitra an’ireo zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah, tamin’ny andro nanjakan’i Davida.—1Ta 26:20.
6. Zanakalahin’i Sisa. Andriana mpitan-tsoratra tamin’ny andron’i Solomona izy sy Elihorefa rahalahiny.—1Mp 4:2, 3.
7. Mpaminanin’i Jehovah nonina tao Silo. Izy no naminany fa hizarazara ny fanjakan’i Solomona. Naka akanjo vaovao i Ahia ka norovidrovitiny ho 12, ary nomeny an’i Jeroboama ny 10. Nampanantena an’i Jeroboama izy fa raha tsy mivadika i Jeroboama, dia ‘hampaharitra ny taranany’ i Jehovah. (1Mp 11:29-39; 12:15; 2Ta 10:15) Mpanjaka ratsy fanahy nandritra ny taona maro i Jeroboama. Nirahiny nankany amin’i Ahia ny vadiny mba hanontany raha ho tsara ihany ilay zanany lahy narary. Nilaza ilay mpaminany efa zokiolona sady pahina, fa tsy ho ela dia ho faty ilay zaza ary ‘hofafana tsy hisy intsony ny ankohonan’i Jeroboama toy ny famafa diky.’ (1Mp 14:2-18; 15:29) Tamin’ny fotoana nanoratan’i Ezra ny bokin’ny Tantara dia mbola nisy “ny faminanian’i Ahia”, izany hoe ilay fitantarana an-tsoratra ahitana koa ny tantaran’i Solomona.—2Ta 9:29.
8. Rain’ilay Basa nanao tetika hamelezana an’i Nadaba ka nanao ny tenany ho mpanjakan’ny Israely. Avy amin’ny fokon’i Isakara ity Ahia ity.—1Mp 15:27, 33; 2Mp 9:9.
9. Iray tamin’ireo lohandohany 44 teo amin’ny vahoaka, izay nianiana fa hankatò ny lalàn’i Jehovah, tamin’ny andron’i Nehemia. Anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” izy, na ny taranany.—Ne 10:26; 9:38.
[10, 11: Avy amin’ny fototeny midika hoe “rahalahy”]
10. Zanakalahin’i Abdiela, ary loham-pianakaviana avy amin’ny fokon’i Gada.—1Ta 5:15.
11. Iray tamin’izy efatra mirahalahy zanak’i Samera. Mpiadidy avy amin’ny fokon’i Asera i Ahia, ary anisan’ny fianakavian’i Beria.—1Ta 7:30, 31, 34, 40.