Hevitra araka ny Baiboly mahaliana Estera 1:1 ka hatramin’ny 10:3
Nataon’Andriamanitra tsy nahomby ny fanandramana handripaka foko iray
Tsy hitsimbina na iza na iza ny famonoana olona: haringana tsy misy indrafo na tanora na antitra, na kely na vehivavy. Tsy hisy ho sahy hanohitra an’io volavolan-kevitra io, satria ny baiko handringana dia voaisy tombo-kasen’ny mpanjaka. Eny, hovonoina toy ny biby tsy manam-piarovana ny Jiosy.
Izany fara faharatsiny no noeritreretin’i Hamana, praiminisitra tany Persia taloha. Namoron-tsain-dratsy hanao izany famonoana izany izy satria namelona fankahalana tsy nifaditrovana ny Jiosy iray nantsoina hoe Mordekay. Kanefa raha mbola niandry ny fandreseny tamin-toky feno fieboeboana i Hamana, dia nivavaka ho an’ny fanafahana ny tenany ny firenena jiosy. Ahoana no niafaran’izany? Nampiharihary izany ny Baiboly tao amin’ny bokin’i Estera mahavariana. Io boky io, nosoratan’ny tenan’i Mordekay, dia manatanjaka ny finoana amin’ny fitantarana ny fomba namonjena firenena iray noho ny fanampian’Andriamanitra — sy ny finoan’ny vehivavy tanora iray.
Tonga vadin’ny mpanjaka i Estera
Mba vakio ny Estera 1:1 ka hatramin’ny 2:23. Tany amin’ny 484 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nanao fanasana lehibe dia lehibe Ahasoerosy (Kserksesy I) mpanjaka persiana. Tsy nety nanaraka ny baikon’ny mpanjaka hiseho tao anefa i Vasty vadin’ny mpanjaka. Nisafoaka ny mpanjaka ka nanongana azy tamin’ny laharany ary nanomboka nitady vady vaovao. Rehefa avy nandinika ireo vehivavy tsara tarehy indrindra tao amin’ny fanjakana izy, dia nifidy vehivavy Jiosy nanetry tena iray nantsoina hoe Hadasa, izay nomanin’i Mordekay, zanak’olo-mpiraitampo taminy ho amin’io toerana io. Nafenin’ilay vehivavy tanora ny naha-jiosy azy tamin’ny fanaovana izay hiantsoana azy tamin’ny anarany persiana hoe Estera.
◆ 1:3-5 — Noho ny fikasana inona no nandaminana izany firavoravoana izany?
Araka ny filazan’ilay mpanoratra tantara atao hoe Hérodote, indray andro i Kserksesy dia niantso fivoriambe mba hanomanana fanafihana ara-tafika ho famelezana an’i Grisia. Angamba izany no fihaonambe mitana ny saintsika. Azo inoana fa nasehon’i Kserksesy an’ireo andriana ny haren’ny fanjakana mba hanaporofoana tamin’izy ireo fa afaka nanohana ny fanafihana an’i Grisia izy.
◆ 1:8 — Inona moa ny lalàna momba ny fisotro?
Tamin’ny fihaonambe toy izany ny Persiana dia toa zatra ny nifampitarika handray fisotro voafetra ny habetsahany. Nasain’ny mpanjaka nanao zavatra naningana anefa izy ireo tamin’io fotoana io. Tsy milaza mazava ny Baiboly raha nanararaotra izany fahafahana izany ireo nasaina mba hisotroana kely kokoa noho ny mahazatra na hisotroana tafahoatra.
◆ 2:19, 20 — Nahoana moa i Mordekay no “nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka”?
Toa mpanao raharahan’i Ahasoerosy mpanjaka i Mordekay. Mandrakariva, ny mpanao raharaha ambony tahaka azy dia nipetraka teo am-baravarana, vonona ny hanome fahafahampo amin’izay rehetra mety ho fangatahan’ny mpanjaka. Tsy isalasalana fa nanana andraikitra lehibebe ihany i Mordekay. Raha tsy izany, dia azo inoana fa ho nandroaka azy tsy nisy hataka andro i Hamana. Tsara toerana tamin’izany i Mordekay mba hahita sy hanao izay tsy hahombiazan’ny teti-dratsy natao hamonoana ny mpanjaka.
Fianarana ho antsika: Nampiseho ny hasarobidin’ny fanetren-tena i Estera tamin’ny tsy fangatahana firavaka na fitafiana sarobidy talohan’ny hidirana teo anatrehan’ny mpanjaka. Navelany ny toetra niafina tao am-pony, niaraka tamin’ny ‘sainy tony sy malefaka’, hahazo ny fankasitrahan’ny mpanjaka (I Petera 3:1-5, MN). Toy izany koa, ireo anisan’ny sisa voahosotra novorina nanomboka tamin’ny 1919 dia nahazo ny fankasitrahan’i Jesosy Kristy Mpanjaka.
Ny teti-dratsin’i Hamana
Vakio Estera 3:1 ka hatramin’ny 5:14. Nantsoin’i Ahasoerosy ho amin’ny raharahan’ny praiminisitra ny Amalekita iray nantsoina hoe Hamana. Kanefa, noho ny fahatsiarovan’i Mordekay fa nanapa-kevitra i Jehovah ny ‘hiady amin’ny Amalekita hatramin’ny taranany fara mandimby’, dia tsy nety niankohoka teo anoloan’io lehilahy io izy (Eksodosy 17:8-16). Mba hamaliana faty, dia nitaona ny mpanjaka i Hamana mba hanafoana ny Jiosy.
Nangataka an’i Estera mba handray anjara i Mordekay, tamin’ny fampahatsiarovana azy fa raha mangina izy “dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ny fitoerana hafa ho an’ny Jiosy”. Koa satria tafiditra ny fiafaran’ny olon’i Jehovah sy ny fitsaran’i Jehovah ny Amalekita, dia natoky i Mordekay fa hataony izay hahafahan’izy ireo (I Samoela 12:22). Nanatona ny mpanjaka tsy nasaina i Estera — ka izany dia nety ho noheverina ho heloka nahafaty! Tsy namono azy anefa i Ahasoerosy ary nanatrika fanasana iray nataony. Rehefa tafaverina tany an-tranony i Hamana, nisafoaka noho Mordekay tsy nety nitsaoka azy foana, dia nikasa ny hamono ilay fahavalony.
◆ 3:7 — Inona no dikan’ny hoe manao pora?
Ny hoe “pora” dia teny persiana izay ny dikany dia hoe “filokana”. Ireo mpanandro dia matetika no nanao filokana mba hanaovana fankatovana. Azo inoana fa nampiasa izany i Hamana mba hamerana hoe fotoana inona no ho tsara indrindra mba hampiharana ny volavolan-keviny handripaka foko iray manontolo.
◆ 4:3 — Nahoana i Mordekay sy ny Jiosy no nifady hanina?
Koa satria hamely ny firenen’izy ireo ny loza, dia fotoana tokony hieritreretana mafy tokoa tamin’izay (Mpitoriteny 3:4). Nila dia nila ny fitarihan’Andriamanitra izy ireo. Tamin’ny fifadiana hanina, dia nasehon’izy ireo fa nitodika tany amin’i Jehovah izy mba handraisana ny hery sy ny fahendrena ilaina tamin’io toe-javatra io. Rehefa tojo fitsapana ianao, moa ve ianao mitodika any amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka koa? — Hebreo 5:7.
◆ 5:6-8 — Nahoana moa no niandry i Estera mba hiresahana tamin’ny mpanjaka?
Azo antoka fa tsy hoe tsy ampy herim-po akory Estera, satria efa nanao vy very ny ainy izy. Azo inoana fa naleony aloha nanao izay hahazoana sitraka tamin’ny mpanjaka. Izany no antony nanasany azy ho amin’ny fanasana faharoa. Nisy fandraisan’Andriamanitra anjara koa tamin’izany, satria nisy fisehoan-javatra nitranga sasany teo anelanelam-potoana nanaraka.
Fianarana ho antsika: Naneho finoana sy herim-po ary finiavana i Estera mba hampiharana ireo torohevitr’i Mordekay. Ireo izay tonga anisan’ny sisa voahosotra nanomboka tamin’ny 1919 dia naneho finoana, herim-po sy finiavana sahala amin’izany mba hiasana miaraka amin’ireo anisan’ny ampakarin’i Kristy be taona kokoa. Ohatra tsara dia tsara re izany!
Voasakana ny teti-dratsy
Vakio Estera 6:1 ka hatramin’ny 7:10. Nijaly noho ny tsy fahitan-tory azo antoka fa avy tamin’Andriamanitra i Ahasoerosy. Nieritreritra ve izy fa nanao ratsy na tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa? Na dia izany aza dia nasainy novakina ny bokin’ny tantara voalahatra, angamba ny gazetim-piandrianana. Rehefa hitany fa tsy mbola novalian-tsoa mihitsy i Mordekay noho ny nampahafantarany ny fiokoana hamono iray, dia nangataka an’i Hamana ny mpanjaka mba hanome hevitra azy ny amin’ny valisoa noho ny nanaovan-javatra tahaka izany. Nihevitra i Hamana fa izy no homena voninahitra ka nanolotra hevitra ny amin’ny hanaovana fombafomba fanomezam-boninahitra hisahiranana mafy izy. Tsiravina aoka izany anefa izy satria nahazo baiko hanome izany voninahitra izany an’i Mordekay! Hitan’ireo mpanolo-tsaina an’i Hamana ho fanambarana ny hianjerany izany zava-niseho izany.
Taorian’io fanandraman-javatra nampietry io indrindra, dia nanotrona ny fanasana faharoa nataon’i Estera i Hamana. Tao i Ahasoerosy dia nanasa ny vadin’ny mpanjaka hampiseho fangatahana iray. Izao no fangatahany tamin-kerim-po: “Aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako!” Naharihariny fa Jiosy izy, ary nalany sarona ny teti-dratsin’i Hamana. Raiki-tahotra io ka nitalaho mba tsy hamonoana azy, kanefa dia nomelohina haringana izy... teo amin’ilay hazo nataony ho an’i Mordekay mihitsy!
◆ 7:4 — Tamin’ny ahoana ny fandringanana ny Jiosy no ho nitondra fahavoazana ho an’ny mpanjaka?
Raha toa i Hamana ka nikasa ny hivarotra ny Jiosy ho andevo, dia azo inoana fa ho nitondra tombontsoa lehibe ho an’i Ahasoerosy izany. Nefa kosa ny fandringanana firenena iray manontolo dia ho nampanary vola be kokoa noho ny talenta volafotsy 10 000 nampanantenain’i Hamana fa haloa. Raha tanteraka ilay fandripahana foko iray manontolo nokasaina hatao, dia ho namoy ny vadiny koa ny mpanjaka — ka mazava ho azy fa fatiantoka manokana lehibe izany.
◆ 7:8 — Nahoana no nisy nanarona ny tavan’i Hamana.
Tsy ny tenan’i Hamana akory no nanarona ny tavany noho ny henatra na ny nenina. Miharihary fa ireo mpanao raharaham-panjakana tao an-dapa no nanao izany, angamba ho mariky ny fampietrena na ny fanamelohana. Azo inoana fa izany dia ny fandaharana voalohany natao ho fampiharana ny fanamelohana ho faty.
Fianarana ho antsika: Nanao vy very ny ainy i Estera raha nanambara tamin-kerim-po fa jiosy ny tenany. Nanomboka tamin’ny 1931, ireo izay mahaforona ny vahoakan’Andriamanitra dia nisetra fanenjehana toy izany tamin’ny fampahafantarana ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah (Isaia 43:10-12). Mampiseho herim-po toy izany ve ianao?
Afaka ny olon’Andriamanitra
Vakio Estera 8:1 ka hatramin’ny 10:3. Tonga praiminisitra ho solon’i Hamana i Mordekay. Nanao vy very ny ainy indray Estera ka niditra nanatona ny mpanjaka nefa tsy nasaina ho amin’izany ka niangavy azy mba hanao fandaharana ho fanafoanana ny volavolan-kevitr’i Hamana. Nanaiky ilay mpanjaka ka namela an’i Mordekay hamoaka didy vaovao tamin’ny anaran’i Ahasoerosy. Na dia nandrara ny fanafoanana ny baiko handringana teo aloha aza ny fanao persiana, ilay lalàna vaovao dia nanome ho an’ny Jiosy, zo hiaro tena.
Nanakoako ny firavoravoana teo amin’ny Jiosy! Tsy olona niharam-pahavoazana tsy nanam-piarovana intsony izy ireo, fa nanana volana maromaro izao mba handaminana ny fiarovan-tenany. Farany, dia tonga ny andro faha-13 tamin’ny volana Adara (febroary–martsa). Nahafaty olona teo amin’ny 75 000 “fahavalony” ny Jiosy. Mba tsy hanadinoany fa avy tamin’i Jehovah io fandresena io, dia namoaka didy i Mordekay fa hankalazaina ny andro firavoravoana Porima ny 14 sy 15 Adara isan-taona.
◆ 8:5 — Ahoana no nampisehoan’i Estera fahazavan-tsaina?
Nolanjalanjainy tamim-pitandremana ny teniny rehefa nila fanampiana tamin’ny mpanjaka izy mba hanafoanany ireo soratra nisy ny volavolan-kevitr’i Hamana “izay nosoratany”. Tamim-pahaiza-mandanjalanja no niahiany ny amin’ny tsy hiresahana ny andraikitry ny mpanjaka tamin’io raharaha io. Mampiasa toetra tsara toy izany ny kristiana rehefa manao fanambarana eo anatrehan’ireo mpanao raharaham-panjakana ao amin’ny fitondram-panjakana.
◆ 8:17 — Ahoana no ‘nahatonga Jiosy’ firenena hafa?
Lazain’ny Septante fa ireny Persiana ireny dia “noforana sy nanaraka ny fombam-pivavahan’ny Jiosy”. Noho ny fiheverana niharihary ilay didy vaovao ho famantarana fa nanohana ny Jiosy Andriamanitra, dia Persiana maro no tonga proselyta jiosy. Toy izany koa amin’izao andro izao, “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” no niandany tamin’ny sisa voahosotra. — Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; Zakaria 8:23.
◆ 9:10, 15, 16 — Nahoana no tsy nandroba fananana ny Jiosy?
Nanome lalana azy handroba fananana ny didin’ny mpanjaka. Noho ny fandavana tsy handray soa avy tamin’izany anefa, dia noporofoiny fa nitady izay hiarovana ny ainy izy fa tsy izay hampanan-karena.
Fianarana ho antsika: Sahala amin’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Estera, ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia mitady fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny fitsarana mba hiarovana azy ireny amin’ny fahavalony. Nilaina indrindra ny hanaovana toy izany nandritra ny Ady Lehibe Faharoa noho ny fanafihana ny olon’Andriamanitra namporisihin’ny klerjy. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia ady ara-pitsarana lehibe maro no nahazoana fandresena.
Loharanom-panantenana sy fampaherezana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ny bokin’i Estera. Fantany fa ny fankahalana lalina azy ireo avy amin’i Satana dia hahatratra tsy ho ela ny fara heriny rehefa hanandrana amin’ny heriny rehetra hanafoana azy ireny izy. Tsy fantatra marina ny fomba hiarovan’i Jehovah azy ireo amin’izay (Ezekiela 38:16-23). Matoky izy ireo fa, sahala amin’ny tamin’ny andron’i Estera, Jehovah dia tsy hahafoy ny olony. Amin’ny fotoana voatendriny, dia hanome azy ireo “fanamaivanana sy fanafahana” izy.