FIVAVAHANA JIOSY, OLONA NIOVA HO AMIN’NY
Antsoina koa hoe “proselyta.” (Mt 23:15, Prot.) Noforana izy raha lehilahy. Samy mampiasa ny teny grika hoe prôselytôs ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Soratra Grika Kristianina.
Vahoaka voafidin’i Jehovah ny fianakavian’i Abrahama sy ny taranany, indrindra fa ny firenen’Israely, nandritra ny 1 900 taona mahery. Afaka nanompo an’i Jehovah sy nanaraka ny fivavahana marina anefa izay tsy Hebreo na tsy Israelita, saingy tsy maintsy niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy. Nahazo nanompo an’i Jehovah ny hafa firenena na “vahiny” nipetraka tany Israely, araka ny Lalàn’i Mosesy. Noforana izy raha lehilahy, ho mariky ny fanarahany ny fivavahana marina. (Ek 12:48, 49) Tsy maintsy nankatò ny Lalàna manontolo izy, ary tokony hoentin’ny Jiosy toy ny rahalahiny. (Le 19:33, 34; 24:22; Ga 5:3; jereo VAHINY, MPIVAHINY.) Tsy voatery ho olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ilay hoe “vahiny” na “mpivahiny”, avy amin’ny teny hebreo hoe ger. (Ge 15:13; Ek 2:22; Je 14:8) Nampiasa ny hoe prôselytôs im-70 mahery anefa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, rehefa noheveriny hoe olona toy izany no dikan’ilay teny hebreo.
Toy ny hoe nindrana an’ireto teny nolazain’i Rota Moabita tamin’i Naomy ireto ny tsy Jiosy rehetra niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rt 1:16; Js 6:25; Mt 1:5) Vonona handray hafa firenena te hanompo Azy Andriamanitra, araka ny vavak’i Solomona tamin’izy nitokana ny tempoly. (1Mp 8:41-43) Anisan’ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy i Doega Edomita (1Sa 21:7), Oria Hetita (2Sa 11:3, 11), ary Ebeda-meleka Etiopianina (Je 38:7-13). Nahazo niaro tena ny Jiosy tamin’ny andron’i Mordekay, ka “maro koa ny olona tao amin’ilay tany no nilaza ny tenany ho Jiosy.” (Es 8:17) Hoy ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo: “Maro ny hafa firenena no nanaiky hoforana sy tonga Jiosy.”—Estera Grika 8:17, DIEM.
Jiosy nafana fo nitaona olon-kafa. Niely ny Fivavahana Jiosy, rehefa natao sesitany tany Babylona ny Jiosy. Lasa nifandray tamin’ny firenena mpanompo sampy maro koa ireo Jiosy niely patrana. Nanorina synagoga izy ireo, ary nampiasa ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika. Afaka nianatra momba ny Fivavahana Jiosy àry ny olona nanerana ny faritra nofehezin’ny Romanina. Olona maro tany amin’ny tany samihafa no niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, hoy i Horace sy Sénèque, mpanoratra fahiny. Nilaza koa i Josèphe fa “nitaona Grika maro hanaraka ny fivavahany foana” ny Jiosy tany Antiokia any Syria, “ka azo lazaina hoe lasa anisan’ny Jiosy koa ireny.” (Ny Adin’ny Jiosy, VII, 45, [iii, 3]) Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny: “Nafana fo tafahoatra nitaona olona hanaraka ny fivavahany ny Jiosy tao Roma, ka nampangaina ho nitady hanimba ny finoan’ny Romanina. Noroahin’ny fanjakana niala tao àry ireo lehiben’ny mpitory tamin’ny 139 T.K.” (Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-3, p. 925) Mety ho nitarina na tsy marina io fiampangana io, satria mety ho natao noho ny antony ara-politika na noho ny fanavakavahana an’ireo Jiosy sy ny fivavahany. Hoy anefa i Jesosy tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy: “Mitety ranomasina sy mitety tany ianareo mba hampiova finoana olona iray, ary rehefa miova finoana izy, dia ataonareo mendrika ny Gehena avo roa heny noho ianareo.”—Mt 23:15.
Natao an-tery. Noterena hiova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ny olona sasany. Resin’i Joany Hirkana I, ohatra, ny Idomeanina (t. 125 T.K.) ka nilazany fa mahazo mijanona ao amin’ilay tany izy ireo raha manaiky hoforana, hoy i Josèphe mpahay tantara. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 257, 258 [ix, 1]) Toy izany koa no nolazain’i Aristobolo zanak’i Joany Hirkana tamin’ny Itorianina. (XIII, 318 [xi, 3]) Noravan’ny Jiosy notarihin’i Aleksandra Janay koa ny tanànan’i Pela, satria tsy nety niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ny mponina tao. (XIII, 397 [xv, 4]) Antony ara-politika no nanaovan’izy rehetra ireo izany, fa tsy hoe nazoto nitory akory izy ireo.
Lasa Kristianina. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa nisy tso-po ireo voafora nanaraka ny Fivavahana Jiosy. “Jiosy sy olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy” ireo olona maro nihaino an’i Petera sy lasa Kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:10) Nankatò ny lalàn’i Jehovah ireo olona avy any amin’ny tany maro ireo matoa tonga tao Jerosalema. Nankany Jerosalema koa ilay tandapa etiopianina nataon’i Filipo batisa, ary namaky ny Tenin’Andriamanitra rehefa nody. (As 8:27-38) Tsy lehilahy novosirina izy matoa afaka nanaraka ny Fivavahana Jiosy. (De 23:1; jereo ETIOPIA, ETIOPIANINA.) Lehilahy “feno fanahy masina sy fahendrena” teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany i “Nikoleo avy any Antiokia, ilay niova ho amin’ny fivavahana jiosy.” Nomena andraikitra hizara sakafo izy.—As 6:2-6.
Niely teo amin’ny hafa firenena ny vaovao tsara. Tsy nitory afa-tsy tamin’ny Jiosy sy ny hafa firenena niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ary ny Samaritanina ny Kristianina hatramin’ny taona 36. Miaramila italianina i Kornelio, ary “mpivavaka be sady natahotra an’Andriamanitra”, ka “nanome zavatra be dia be ho fiantrana ny mahantra ary nitalaho mandrakariva tamin’Andriamanitra.” Tsy niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy anefa izy, sady tsy nifora. (As 10:1, 2; ampit. Lk 7:2-10.) Nitety firenena maro ny misionera kristianina, taorian’ny nitoriana tamin’i Kornelio. Matetika anefa no nitory tamin’ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy aloha i Paoly, isan-tanàna. Tena tiany mantsy ireo Jiosy rahalahiny ka niriny ho voavonjy. (Ro 9:3; 10:1) Nahafantatra an’i Jehovah sy ny lalàny ary niandry ny Mesia koa ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Izay tso-po tamin’izy ireo àry dia mora nanaiky hoe i Jesosy Kristy ilay Mesia nantenainy. Lasa mpitory be zotom-po teo anivon’ny fiangonana izy ireo, ary afaka nampianatra an’ireo hafa firenena, izay tsy nahalala mihitsy an’i Jehovah sy ny Teniny.