-
Antokon-kintana KesilaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ANTOKON-KINTANA KESILA
(Kesìla) [heb.: kesil: “adala” na “tsisy saina”].
Midika hoe “adala” na “tsisy saina” io teny io matetika. (Ampit. Sl 49:10; 92:6; Oh 1:22.) Ampiasaina hilazana andian-kintana koa anefa izy io, ao amin’ny Jb 9:9; 38:31; Am 5:8 ary Is 13:10 (amin’ny endriny milaza maro). Ny teny manodidina no ahalalana izany.
Maro no mihevitra fa ilay antokon-kintana Orion, antsoina koa hoe ilay mpihaza, izy io. Antokon-kintana tena lehibe misy an’ireo kintana goavana atao hoe Bételgeuse sy Rigel io Orion io. Nadikan’ny Vulgate latinina hoe Orion ny kesil, ao amin’ny Joba 9:9 sy Amosa 5:8. Nanao toy izany koa ny Baiboly maro satria nihevitra fa i Orion tokoa ny kesil. Ny hoe “goavana” kosa no hita ao amin’ny dikan-teny samihafa toy ny Targoma sy ny Syriàka. Mifanaraka amin’ny anarana hoe gabbar, izay iantsoan’ny Arabo ny Orion, izany. Midika hoe “ilay matanjaka” (heb.: gibbôhr) mantsy ny hoe gabbar. Misy koa Baiboly (Prot., Kat.) miantso an’io antokon-kintana io hoe Telonohorefy.
-
-
Antokon-kintana KimahaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Hita ao amin’ny Joba 9:9; 38:31 sy Amosa 5:8 io anarana io, ary manondro antokon-kintana iray eny amin’ny lanitra. Maro no mihevitra fa ilay atao hoe Pléiades izy io, izany hoe ilay andian-kintana any amin’ny 3600 tapitrisa tapitrisa kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ny masoandro, ary misy kintana lehibe fito sy kintana kely maro toy ny hoe ao anaty zavona. Nanontany an’i Joba i Jehovah raha “mahafatotra mafy tsara ny tadin’ny antokon-kintana Kimaha” izy. (Jb 38:31) Mivangongo ny kintana ao anatin’ny Pléiades, ka misy miteny hoe izany no tiana holazaina amin’ilay hoe antokon-kintana mifatotra mafy tsara. Io mantsy no andian-kintana azo inoana fa hitan’ny mason’ny olombelona. Ny Pléiades tokoa ve, sa antokon-kintana hafa, io Kimaha io? Tsy fantatra marina izany. Ny tena tian’i Jehovah hanontaniana koa dia hoe mahavita manambatra kintana maro mba ho lasa antokon-kintana maharitra ve ny olombelona. Tiany hiaiky i Joba hoe tena ambany ny olona raha oharina amin’ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao.
-
-
KintanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Milamina tsara. Misy andinin-teny maromaro manasongadina fa voalamina tsara ireny zavatra eny amin’ny lanitra ireny. Lazainy mantsy fa misy “lalàna” mifehy azy ireny, ary misy “lalana” natao harahiny (“fihodinkodinana arahiny”, DIEM). (Je 31:35-37; Mpts 5:20; ampit. Jd 13.) Misy hery matanjaka be mamaritra ny toeran’ny kintana sasany araka ny lalàna mifehy ny natiora. Manaporofo izany ny fanontanian’Andriamanitra tamin’i Joba hoe: “Moa ve ianao mahafatotra mafy tsara ny tadin’ny antokon-kintana Kimaha, na mahavaha ny tadin’ny antokon-kintana Kesila? Vitanao ve ny mamoaka ny antokon-kintana Mazarota amin’ny fotoana voatondro? Ary mahatarika ny antokon-kintana Asha sy ny zanany ve ianao? Fantatrao ve ny lalàn’ny lanitra? Ary vitanao ve ny mampihatra izany amin’ny tany?” (Jb 38:31-33; jereo ANTOKON-KINTANA ASHA; ANTOKON-KINTANA KESILA; ANTOKON-KINTANA KIMAHA; ANTOKON-KINTANA MAZAROTA.) Hoy àry Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly: “Sahinay ... ny milaza fa asehon’ny Baiboly iray manontolo hoe tena nisy saina namolavola izao rehetra izao ary tena midadasika. Tsy hoe tongatonga ho azy araka ny fiheveran’ny maro izao rehetra izao, fa tena nisy saina namolavola, ary tsy hoe araka izao hitan’ny maso izao ihany no halehibeny.”—Nataon’i J. Douglas, 1985, p. 1144.
-