Megido: saha fiadiana taloha sy ohatra ara-paminaniana
“HO LEVONA tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô!” Nifarana toy izany ny hiram-pandresena iray noforonina taonjato 32 mahery lasa izay. Izany dia nankalazana fandresena ara-tafika azo teo akaikin’ny tanànan’i Megido fahiny.
Araka ny fitantaran’ny Baiboly, Andriamanitra dia nandidy an’i Baraka, mpitsara ny Isiraely, hametraka lehilahy nitam-piadiana 10 000 teo amin’ny tendrombohitra Tabora. Nety hanaitra ny saina ve izany? Angamba. Ratsy fitaovana anefa ireo mpilatsaka an-tsitrapo 10 000 ‘tsy nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita’. (Mpitsara 5:8). Tsy mba toy izany kosa ny tao amin’ny toby fahavalo. Notarihin’i Sisera mpitari-tafika ny andiany kananita, nanana fiadiana vao haingana indrindra tamin’izany fotoana izany: “kalesy vy sivin-jato.” (Mpitsara 4:3). Izany dia nanome ho an’ny Kananita fahafainganana sy fahaiza-manovaova araka ny toe-javatra ambony mbamin’ny tombontsoa lehibe teo amin’ny lafiny ara-toe-tsaina.
Tsy hiankina amin’ny fahasahiana sy ny fitaovana ara-tafika anefa ny fandresena. Notarihina ho ao amin’ny reniranon’i Kisona ritra tamin’izay ny andian-tafik’i Sisera faran’izay nahery kokoa. Nomen’i Jehovah baiko hidina ny tendrombohitra nony avy eo Baraka. Alao sary an-tsaina ireo lehilahy 10 000 nidina mandra-pahatonga tao amin’ny tany lemaka! Tamin’izay Jehovah no nanapoaka ranonoram-baratra tampoka. Nifafy tamin’ny endrik’ireo fahavalon’ny Isiraely ny rivotra sy ny ranonorana. Nanjary riaka nisafoaka Kisona ka nampihitsoka ny kalesy fiadian’i Sisera tao amin’ny fotaka nandrevo. Raiki-tahotra sy feno fifanjevoana ireo olon’i Sisera ka vaky nandositra; nenjehina sy novonoina anefa izy ireo. “Tsy nisy niangana na dia iray akory aza.” — Mpitsara toko faha-4 sy 5.
Tsy mahagaga raha niteraka izao teny manaraka izao izany fandresena nahatalanjona izany: “Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô! fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ny heriny izy.” (Mpitsara 5:31). Mariho anefa ny fampiasana ny fitenenana hoe “tahaka izany”. Izany dia mahatonga hihevitra fa ara-paminaniana io ady io, nanambara ady iray lehibe kokoa handringanana ny fahavalon’Andriamanitra rehetra.
Vetivety anefa dia hadinon’ireo vahoaka feno fankahalana nanodidina ny Isiraely io ady nampidi-doza io. 47 taona monja taty aoriana, ny fitambaram-pirenena maromaro notarihin’ny Midiana dia “nivory (...) ka nitoby teny amin’ny tany lemaka Jezirela”, dia tany lemaka tao amin’ny fitohizan’ny lohasahan’i Megido (Mpitsara 6:33). “Maro tahaka ny valala” ireo fahavalo nitoby. Izao kosa anefa ny tafiky ny Isiraely dia voaforon’ny lehilahy be herim-po 300 monja teo ambany fitarihan’i Gideona. Ireo miaramila 300 ireo dia nitsangana “nanodidina ny toby manontolo” ary rehefa nalefa ny baiko nifanarahana, dia nampaneno anjomara izy ireo, namaky mafy ny siny, nanainga fanilo ary nanao izao antsoantson’ady naharaiki-tahotra izao: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Nihorohoro tampoka ny Midianita. “Nampifamelezin’i Jehovah tamin’ny sabatra” tamin’izay izy ireo ary nahazo ny fandresena azy ireo ny antokon’olom-bitsy niaraka tamin’i Gideona. — Mpitsara toko faha-7.
Amin’izao androntsika izao, dia azo antoka fa tsy ho tiantsika ny hanao fahadisoana sahala amin’ny nataon’ireo Midianita ka hinia tsy hahalala izay asehon’i Megido ho an’ny androntsika. Tononin’ny Baiboly in-12 io saha fiadiana taloha io. Ambonin’izany, ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa ireo zava-niseho tao Megido dia mifono heviny lehibe ho an’ny androntsika. Hodinihintsika miaraka àry izay ambaran’ny Baiboly sy ny arkeolojia momba io toerana manan-tantara io.
Fihaonan-dalana teo amin’izao tontolo izao fahizay
Megido mbamin’ny tanànan’i Hazora sy Gazera taloha dia nifehy ny anankiray tamin’ireo lalana ara-tafika sy ara-barotra lehibe indrindra nampitohy an’i Azia tamin’i Afrika. Teo anelanelan’ireo tanàna roa ireo i Megido ka noho izany dia nitana toeram-pamaharana tsara. Avy any amin’ny faritra rehetra, ireo lalana araka ny natiora, ireo hadilanana sy ireo arabe dia nihaona nankany amin’io tany lemaka io daholo. “Megido, hoy ny fanazavan’ny Jeografian’ny Baiboly (anglisy) dia teo amin’ny fihaonan’ny soritra maromaro; raha ny marina dia anankiray tamin’ireo fihaonan-dalana lehibe indrindra teto amin’izao tontolo izao fahizay izy io.”
Megido dia nanerinerina teo ambonin’ny lohasaha sy tany lemaka lehibe nanaraka ny lafiny avaratra atsinanan’ny tendrombohitra mitomandavan’i Karmela teo amin’ny 32 kilaometatra teo ho eo. Nandritra ny ririnina nanorana, ny rano nivarina avy any amin’ireo tendrombohitra teny amin’ny manodidina dia nampisondrotra ny reniranon’i Kisona teo akaiky kely teo. Izany no antony niantsoana koa an’io faritra io hoe “ony Kisona”. (Mpitsara 4:13.) Izao no nohazavain’ilay boky hoe Jeografian’Isiraely (anglisy): “Noho ny ranonoran-dririnina, ny tany tao amin’ilay lohasaha dia “nety ho niova ho tena honahona. (...) Kely dia kely ny fidinana tamin’i [K]isona, ary voasakana mora foana ny fikorianan’ny rano; koa nisy honahona niforona teo amin’io toerana io”. Tsapan’i Sisera sy ny tafiny fa tena nety hanjary feno fotaka mandrevo io lohasaha io. Tamin’ny main-tany anefa io tany lemaka tsy nisy na inona na inona io dia tena nety tamin’ny fametrahana kalesy fitondra miady (jereo Tonon-kiran’i Solomona 6:11, 12). Afaka niangona mora foana teo koa ny andian-tafika.
Tsy mahagaga àry raha nanao fandaharana i Solomona mpanjaka mba hanamafisana ny tanànan’i Megido: “Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ny nanaovany (...) ny mandan’i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera.” (I Mpanjaka 9:15). Ny havoana kely 21 metatra ny haavony eo ambonin’ny lohasaha foana malalaka iray no manamarika amin’izao andro izao ny nisy an’i Megido taloha. Taloha, dia matetika no nisy zavatra naorina vaovao teo amin’ny toerana naharavan’ireo teo aloha. Noho izany, ny ambaratongam-panorenana tsirairay avy dia mifandray amin’ny fotoana manokana iray. Eo an-tampony ireo arkeology no manomboka ny fikarohany ary fongariny misesy ny sosony. Ambaratonga arkeolojika 20 fara fahakeliny no voalazalaza mazava tao Megido, ka izany dia mampiseho fa naorina indray imbetsaka io tanàna io. Fa ahoana no nanampian’ny Baiboly ireny fikarohana tsy ankijanona ireny?
Tsy isalasalana mihitsy fa rehefa nanomboka nanamafy an’i Megido sy Hazora ary Gazera i Solomona, dia ny fanorenana ny vavahadin’ireo tanàna ireo no zava-dehibe indrindra. Tsy ela izay, dia nahitana vavahady toy izany tao Megido. Fotoana fohy taty aoriana, dia nisy vavahady nitovitovy tamin’izany hita tany Hazora. Noho izany antony izany, tamin’ny fiankinana tamin’ireo fanazavana nomen’ny Baiboly, ireo arkeology dia nanomboka nanao fikarohana tany Gazera. Tsy mahagaga raha nofongarin’izy ireo tany koa ny vavahady iray karazana amin’izany. Fa inona no maha-zava-dehibe izany ho an’ireo izay mianatra ny Baiboly? Ny profesora Yohanan Aharoni, arkeology malaza iray, dia nanambara toy izao:
“Tamin’ny fikarohana natao teo amin’ny toeran’ireo tanàna telo ireo, dia nahitana vavahady nitovy karazana tao amin’ny soson-tany samy hafa tamin’ny taonjato faha-10 alohan’ny fanisan-taona iraisana. (...) Hatramin’izao fotoana izao, ny vavahady mitovy izay misy efitrano telo ao anatiny natao hitoeran’ny mpiambina sy laharana andry efatra amin’ny andaniny roa amin’ny lalana, dia tsy nofongarina afa-tsy tao amin’ny tanàna hafa roa. (...) Noho izany, ny manam-pahaizana rehetra dia saika mifanara-kevitra daholo mba hilaza fa tamin’ny andro nanjakan’i Solomona no nanaovana tany Hazora sy Megido ary Gazera ireo vavahady misy efitrano telo ireo.”
Tonga tamin’izany fanatsoahan-kevitra izany koa i Yigael Yadin: “Ny nahitana toerana voaro mafy nataon’i Solomona tany Hazora sy Megido ary Gazera dia ohatra mahaliana manazava tsara fa mpitari-dalana lehibe sy azo ampiharina tokoa ny Baiboly ho an’ireo arkeology.”
Ady farany
Rehefa hita ny toeram-pamaharana tanan’i Megido, dia takatra mora foana fa nampiasaina aloha be tokoa teo amin’ny Tantara ho saha fiadiana io toerana io. Marina tokoa fa ny teny hebreo nadika hoe “Megido” dia hilaza “fihaonana na fiangonan’ireo andiany”. Izao no nosoratan’ny profesora Aharoni:
“Megido dia tanàna mimanda iray nanan-daza tokoa na dia tsy notononin’ireo tahirin-kevitra ara-tantara aza raha tsy nanomboka tamin’ny taonjato faha-15 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Nanisy fitenenana ny amin’izany tamin’izay ireo soratra nataon’i Thoutmès III. Ireo tantara voalahatra nataon’io farao io dia nitantara fa Megido dia voalohany tamin’ny fitambaran-tanàna kananita nikomy. (...) Ny tafika egyptiana dia nihaona tamin’ireo mpikomy sy ny kalesiny tao amin’ny ady farany iray (...) teo akaikin’i Megido (...). Io no ady ara-tafika tranainy indrindra izay notehirizina ny antsipiriany. Rehefa avy nandresy ny andian-tafika kananita Farao dia naka an-keriny zavatra nobaboina be dia be, anisan’izany ny kalesy 924!”
Zev Vilnay, mpanoratra ny Nouvel atlas d’Israël (anglisy) dia manazava koa fa io lohasaha io dia “nisehoan’ny ady nalaza nanomboka tamin’ny fiandohan’ny Tantara ka hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany”.
Megido: Toerana hisehoan’ny ady farany ve?
Ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly, dia milazalaza fahitana iray anambarana fa “ireo mpanjaka amin’ny tany onenana manontolo” dia angonina “ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” amin’ny “Hara-Magedona” [“tendrombohitr’i Megido”] (Apokalypsy 16:14, 16, MN). Noho ny fifanahafan’ireo anarana roa ireo, ny sasany dia nanatsoaka hevitra fa io ady io dia hitranga ao amin’ny toerana nisy an’i Megido. Sarotra anefa ny hilaza hoe “tendrombohitra” ny havoana kelin’i Megido. Etsy andaniny koa, moa ve ny lohasahan’i Megido ampy fahalalahana mba hitoeran’ny mpitondra rehetra amin’ny tany miaraka amin’ireo tafiny lehibe sy ny fitaovany ara-tafika mampivadi-po? “Fitenenana apokalyptika io, hoy ny fanamarihan’ny “encyclopédie biblique” iray, ka mety ho nampiasaina ny anarana hoe Haramagedona, tsy hoe mba hanondroana toerana hentitra iray, fa mba hampisehoana ara-panoharana ny ady farany sy famaranana iray.” — International Standard Bible Encyclopedia.
Inona àry no atao hoe “Hara-Magedona”? Miharihary tokoa fa amin’ny heviny an’ohatra no tokony handraisana io teny io. Tamin’ny fampiasana ny hoe Megido, dia toerana nisehoan’ny ady farany, ny Apokalypsy dia mampiasa io anarana io ho mariky ny tarehin-javatra izay hisy tsy ho ela, rehefa ho tonga amin’ny fara heriny ny fankahalana tsapan’ny “firenena rehetra” amin’ny olon’Andriamanitra (Matio 24:9, 14). Koa satria ireo kristiana marina manohy manohana amim-pahatokiana ny Fanjakan’Andriamanitra, ireo mpitondra amin’ny tany dia hiray hina ary azo lazaina hoe ‘hiangona’ mba handringana azy ireny. Tsy hanohitra anefa ny Vavolombelon’i Jehovah (Isaia 2:1-4). Jesosy Kristy Tompo, Mpanjakan’izy ireo, dia voatendrin’Andriamanitra mba hiady ho azy ireo. Amin’ny fotoana hisehoan-java-tsarotra, io Mpanjaka any an-danitra io mbamin’ny “antokon’ny miaramila any an-danitra” dia handray anjara ka hamely “ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany”. Ho farany io ady haneran-tany io, sahala amin’ireo ady natao tany Megido. ‘Ho ringana’ ny fahavalon’Andriamanitra eto an-tany rehetra, araka ny voalazan’ny faminaniana tamin’ny hiram-pandresena nataon’i Debora sy Baraka. — Apokalypsy 19:11-21; Mpitsara 5:31.
Ho anisan’ireo izay tia an’i Jehovah ve ianao sa ho anisan’ireo fahavalony? Porofoin’ny Baiboly mazava fa ireo izay tsy hilahatra ho eo anilan’i Jehovah sy ny olony dia mety hamoy ny aina (Zefania 2:3; II Tesaloniana 1:7-9). Noho izany, dia mety ny tsy hangatahana andro. “Indro, avy toy ny mpangalatra Aho”, izany no fampiomanana nalefan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra ho antsika raha niresaka indrindra ny amin’ny fara herin’ny “fahoriana lehibe” amin’ny Hara-Magedona, izy. — Apokalypsy 16:15; Matio 24:21.
Hisy fiafarana halaza “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Izany dia hamoha lalana ho ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hanova ny tany ho paradisa (Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3-5). Nefa ambonin’ny zavatra rehetra, izany dia hanamarina ny anarana lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao amin’ny fanatanterahana amin’ny fomba mahatalanjona ity vavaka ara-paminaniana notononina fahiny ity:
“Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’i Sisera sy Jabina teo amin’ny ony Kisona (...); aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ny tafiodrivotrao. Saròny henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô. Aoka ho menatra sy ho azon-tahotra mandrakizay izy; eny aoka hangaihay sy haringana izy. Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra. — Salamo 83:9, 15-18.
[Sarintany, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
Megido dia nifehy ny anankiray tamin’ireo lalana ara-tafika sy ara-barotra lehibe indrindra nampitohy an’i Azia sy Afrika.
Lalana ara-barotra-------
Hazora
Megido
Gezera
Jerosalema
[Sarintany]
AZIA
AFRIKA
[Sary, pejy 23]
Ho ady farany ny ady Hara-Magedona hatao haneran-tany, sahala amin’ireo ady natao tany Megido. Ho ringana daholo ny fahavalon’Andriamanitra eto an-tany rehetra.