Mpitsara
5 Dia nihira+ toy izao i Debora+ sy Baraka+ zanak’i Abinoama, tamin’iny andro iny:
2 “Derao i Jehovah,
Satria nirotsaka an-tsitrapo ny Israely,+
Ary tsy nofatorana ny volon’ireo miaramila.*
3 Mihainoa ry mpanjaka! Mihainoa ry mpitondra!
Hihira ho an’i Jehovah aho.
Hihira fiderana* ho an’i Jehovah+ Andriamanitry ny Israely+ aho.
4 Tamin’ianao avy tany Seira, Jehovah ô,+
Tamin’ianao niala avy tany amin’ny faritr’i Edoma,
Dia nihovotrovotra ny tany, nandrotsaka orana ny lanitra,
Ary nandraraka rano ny rahona.
5 Nitsonika* teo anoloan’i Jehovah ny tendrombohitra,+
Na i Sinay aza nitsonika teo anoloan’i Jehovah+ Andriamanitry ny Israely.+
6 Tamin’ny andron’i Samgara,+ zanak’i Anata,
Tamin’ny andron’i Jaela,+ dia tsy nisy mpandeha ny lalana,
Fa nandeha tamin’ny lalan-kafa ny mpanao dia lavitra.
7 Tsy nisy mponina intsony tany amin’ireo tanàna kelin’ny Israely,
Tsy nisy olona intsony tany mandra-panendry ahy, dia izaho Debora,+
Mandra-panendry ahy ho toy ny reny teo amin’ny Israely.+
Ary tsy nanana ampinga na lefona
Ireo olona 40 000 teo amin’ny Israely.
9 Manohana an’ireo mpitari-tafika eo amin’ny Israely aho,+
Dia ireo nirotsaka an-tsitrapo niaraka tamin’ny vahoaka.+
Derao i Jehovah!
10 Ianareo izay mitaingina ampondra volontany,
Ianareo izay mipetraka eo ambony lamba matevina lafo vidy,
Ary ianareo izay mandeha eny an-dalana,
Mba diniho izao:
11 Heno teny am-pantsakana ny feon’ny mpizara rano.
Teny izy ireo no nitantara ny zavatra ara-drariny nataon’i Jehovah,
Sy ny zavatra ara-drariny nataon’ny olony tany amin’ireo tanàna kelin’ny Israely.
Dia nidina teny am-bavahady ny vahoakan’i Jehovah.
12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora+ ô!
Mifohaza, mifohaza, ka mihirà!+
Mitsangàna ry Baraka!+ Ento manaraka anao ireo olona azonao babo, ry zanak’i Abinoama!
13 Dia nidina tany amin’ny olo-manan-kaja ny sisa tsy maty.
Nidina nankatỳ amiko ny vahoakan’i Jehovah mba hiady amin’ny olo-mahery.
14 Avy tamin’ny fokon’i Efraima ireo nankeny amin’ny lohasaha.*
Niaraka taminao sy ny vahoakanao izy ireo, ry Benjamina ô!
Avy tamin’i Makira+ ireo mpitari-tafika nidina tany,
Ary avy tamin’i Zebolona ireo niantso olona hanao miaramila.*
15 Niaraka tamin’i Debora ny andriana teo amin’ny fokon’i Isakara,
Ary toy ny nataon’i Isakara ihany ny nataon’i Baraka.+
Nirahina handeha an-tongotra hankeny amin’ny tany lemaka* izy.+
Nisy tamin’ny fokon’i Robena nisalasala be.
16 Nahoana ianao no nipetraka toy ny biby anankiray mitondra kitapon-dasely roa,
Mba hihaino an’ireo mpiandry ondry nitsoka sodina hibaikoana andian’ondry?+
Nisy tamin’ny fokon’i Robena nisalasala be.
Nipetra-potsiny teo amoron-dranomasina i Asera,
Ary nijanona teo amin’ny seranan-tsambony izy.+
19 Nisy mpanjaka tonga hiady,
Dia niady ireo mpanjakan’i Kanana+
Tao Tanàka, teo amoron’ny ranon’i Megido.+
Tsy nahazo volafotsy anefa izy ireo.+
21 Nifaoka an’ireo fahavalo ny reniranon’i Kisona,+
Dia ilay renirano efa nisy hatry ny ela, izany hoe ny reniranon’i Kisona.
Nanitsakitsaka an’ireo olo-mahery aho.
23 ‘Ozòny i Meroza’, hoy ilay anjelin’i Jehovah,
‘Ozòny ny mponina ao,
Satria tsy mba tonga nanampy an’i Jehovah,
Tsy niaraka tamin’ireo olo-mahery mba hanampy an’i Jehovah.’
24 Tahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra i Jaela,+
Vadin’i Hebera+ Kenita,
Tahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra mipetraka any anaty tranolay izy.
25 Rano no nangatahin’i Sisera, fa ronono no nomeny azy,
Habobo* no natolony tao anaty vilia baolina lehibe tsara tarehy.+
26 Dia nalainy ny fantsika be fanenjanan-day,
Noraisiny tamin’ny tanana havanana ny marotoa,
Dia nasiany tamin’iny i Sisera, ka vaky ny lohany.
Nokapohiny mafy be ny fihirifany ary nolavahany.+
27 Teo anelanelan’ny tongotr’i Jaela izy no nianjera sy nitsitra.
Teo anelanelan’ny tongony izy no nianjera,
Ary teo amin’izay nianjerany izy no resy.
28 Nisy vehivavy nitazana teo am-baravarankely,
Nitazana teo amin’ny makarakaran’ny varavarankely ny renin’i Sisera, ka niteny hoe:
‘Fa maninona àry no mbola tsy tonga foana ny kalesy fitondrany miady?
Fa maninona àry no mbola tsy re mikatrokatroka foana ny kitron’ny soavaliny?’+
29 Izay hendry indrindra tamin’ny vehivavy nanan-kaja teo aminy no namaly azy;
Izy koa aza mba nieritreritra hoe:
30 ‘Efa nahazo babo izay ry zareo, dia nizara an’izany,
Ankizivavy* iray na ankizivavy* roa no anjaran’ny miaramila tsirairay.
Lamba miloko no azon’i Sisera, eny, lamba miloko,
Akanjo iray misy peta-kofehy, lamba miloko, akanjo roa misy peta-kofehy
No eny am-bozon’ireo nahazo babo.’
31 Ho faty toy izany koa anie ny fahavalonao rehetra,+ Jehovah ô!
Fa izay tia anao kosa ho tahaka ny masoandro mibaliaka.”
Ary nilamina nandritra ny 40 taona ilay tany.+