“Misaora An’i Jehovah, ry Fanahiko”
“TATO anatin’ny volana vitsivitsy izay, dia nanjary dridralava sy tsy nahitam-pifaliana ny fanompoako”, hoy i Nancy.a Efa hatramin’ny folo taona teo ho eo no naha mpisava lalana, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, azy. Nanampy teny toy izao anefa izy: “Tsy tiako izao mahazo ahy izao. Toa tsy manana risi-po firy aho mampiseho ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary toa tsy avy amin’ny fo ny fanaovako izany. Inona àry no tokony hataoko?”
Hevero koa ity nanjo an’i Keith, loholona iray ao amin’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ity. Akory ny hagagany raha nandre ny vadiny niteny hoe: “Tsy maintsy misy zavatra mampiasa loha anao mihitsy ka! Aiza ve ka dia nanao fisaorana noho ny sakafo ianao tao amin’ilay vavaka vao nataonao teo iny, kanefa tsy fotoam-pisakafoana akory izao!” Niaiky toy izao i Keith: “Hitako fa nanjary piliavava fotsiny ny vavaka nataoko.”
Tsy isalasalana fa tsy irinao ho mangatsiaka na hatao amim-pahazarana fotsiny ny fanoloranao teny fiderana an’i Jehovah Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany, fa irinao hatao amim-pahatsorana izy ireny, avy amin’ny fihetseham-po feno fankasitrahana. Tsy azo anaovana sy esorina toy ny fitafiana anefa ny fihetseham-po. Tsy maintsy mipoitra avy ao anatin’ny olona iray izy io. Ahoana no hahafahan’ny olona iray hahatsapa fankasitrahana avy amin’ny fo? Manampy antsika hanana fahatakarana lalina amin’io lafiny io ny Salamo faha-103.
I Davida Mpanjakan’ny Isiraely fahiny no nanao ny Salamo faha-103. Toy izao ny teny fanokafany: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.” (Salamo 103:1). “Rehefa ampiharina amin’Andriamanitra ilay teny hoe misaotra”, hoy ny loharanon-kevitra iray, “dia midika hoe midera, ary milaza an-kolaka foana hoe miraiki-po be aminy sy mahatsapa fankasitrahana.” Naniry hidera an’i Jehovah tamin’ny fo feno fitiavana sy fankasitrahana i Davida, ka nampirisika ny fanahiny, izany hoe ny tenany mihitsy, mba ‘hisaotra an’i Jehovah’. Inona anefa no niteraka io fihetseham-po tao amin’i Davida io, izay nananany tamin’ilay Andriamanitra nivavahany?
Nanohy ny teniny toy izao i Davida: “Aza misy hadinoinao ny fitahian[’i Jehovah] rehetra”. (Salamo 103:2). Miharihary fa ny fahatsapana fankasitrahana an’i Jehovah dia mifandray amin’ny fisaintsainana amim-pankasitrahana ireo “fitahiany”, na “zava-bitany” (NW ). Zava-bitan’i Jehovah inona marina moa no tao an-tsain’i Davida? Mahatonga ny fo ho feno fankasitrahana ny Mpamorona tokoa, ny fijerena ny zavatra noforonin’i Jehovah Andriamanitra, toy ny lanitra feno kintana amin’ny alina tsy semban-drahona. Nanohina lalina an’i Davida ny lanitra feno kintana. (Salamo 8:3, 4; 19:1). Nahatsiaro karazany hafa tamin’ny fitahian’i Jehovah anefa i Davida, ao amin’ny Salamo faha-103.
“Mamela ny helokao rehetra” i Jehovah
Mitantara ny asa anehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy miharo fitiavana i Davida, ao amin’io salamo io. Niresaka ny amin’ilay lehibe indrindra amin’ireny izy, ka nihira hoe: ‘Jehovah mamela ny helokao rehetra’. (Salamo 103:3). Azo antoka fa takatr’i Davida fa mpanota ny tenany. Rehefa avy nabaribarin’i Natana tamin’i Davida ilay fijangajangany tamin’i Batseba, dia niaiky toy izao i Davida: “Taminao dia taminao ihany [Jehovah] no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko”. (Salamo 51:4). Tamin’ny fo torotoro no nanaovany izao fitalahoana izao: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.” (Salamo 51:1, 2). Tsy maintsy ho velom-pankasitrahana tokoa i Davida fa navela heloka! Noho izy olombelona tsy lavorary, dia nanao fahotana hafa izy teo amin’ny fiainany, kanefa tsy hadinony mihitsy ny nibebaka sy nanaiky fananarana ary nanitsy ny lalany. Nanosika an’i Davida hisaotra an’i Jehovah ny fisaintsainany an’ireo asa mahatalanjona nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy taminy.
Tsy mpanota koa ve ny tenantsika? (Romana 5:12). Na ny apostoly Paoly aza dia nitaraina toy izao: “Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” (Romana 7:22-24). Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa isika noho izy tsy mitadidy ny fahadisoantsika! Faly izy mikosoka azy ireny, rehefa mibebaka sy mitady famelan-keloka isika.
Nampahatsiaro ny tenany toy izao i Davida: “[Jehovah] manasitrana ny aretinao rehetra”. (Salamo 103:3). Koa satria asa famerenana amin’ny laoniny izany hoe manasitrana izany, dia tsy famelana ny fahadisoana fotsiny no tafiditra amin’izany, fa fanesorana ‘aretina’ koa, dia ireo voka-dratsin’ny hoe diso lalana. Ao amin’ilay tontolo vaovao haoriny, dia hanafoana tokoa ireo vokatry ny ota teo amin’ny vatana, toy ny aretina sy ny fahafatesana, i Jehovah. (Isaia 25:8; Apokalypsy 21:1-4). Na ankehitriny aza anefa, dia manasitrana antsika amin’ny aretina ara-panahy Andriamanitra. Eo amin’ny olona sasany, dia tafiditra amin’izany aretina izany ny feon’ny fieritreretana ratsy sy ny fahatapahan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. ‘Aza misy hadinoina’ izay efa nataon’i Jehovah ho an’ny tenantsika manokana, tamin’io lafiny io.
“Manavotra ny ainao” izy
“[Jehovah] manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka”, hoy ny hiran’i Davida. (Salamo 103:4). Ilay ‘lavaka’ dia ny fasana falehan’ny olombelona, izany hoe ny Sheola na Hadesy. Na dia talohan’ny nahatongavany ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely aza, dia efa saika namoy ny ainy i Davida. Nikotrika fankahalana nahatonga azy hifofo ny ain’i Davida, ohatra, i Saoly Mpanjakan’ny Isiraely, ka niezaka hamono azy imbetsaka. (1 Samoela 18:9-29; 19:10; 23:6–24:1). Naniry hamono an’i Davida koa ny Filistina. (1 Samoela 21:11-16). Tamin’ny fotoana rehetra anefa, dia namonjy azy tsy hidina any “an-davaka” i Jehovah. Tsy maintsy ho velom-pankasitrahana tokoa i Davida rehefa nahatsiaro ireny fitahian’i Jehovah ireny!
Ahoana ny aminao? Nanohana anao ve i Jehovah tao anatin’ny fe-potoana nahaketraka anao na rehefa nidonam-pahoriana ianao? Sa ianao efa nandre ohatra ny amin’ny namonjeny ny ain’ireo Vavolombelony mahatoky tsy hidina any an-davaky ny Sheola, tamin’izao androntsika izao? Angamba nanohina anao ny namaky tantara momba ny nanafahany ny mpanompony, tato amin’ny pejin’ity gazety ity. Nahoana raha maka fotoana mba hisaintsainana amim-pankasitrahana ny amin’ireny fitahian’ilay Andriamanitra marina ireny? Ary mazava ho azy fa manana antony tokony hahatonga antsika ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah koa isika rehetra, noho ny fanantenana ny fitsanganan’ny maty. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.
Sady manome antsika fiainana i Jehovah no manao izay hahatonga azy io hahafinaritra sy ho mendrika ny hiainana. Nambaran’ny mpanao salamo fa “manarona famindrampo sy fiantrana anao”, Andriamanitra. (Salamo 103:4). Amin’ny fotoana ilantsika fanampiana, dia tsy mandao antsika i Jehovah, fa manampy antsika kosa amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso sy ireo loholona voatendry, na mpiandry ondry, ao anatin’ny kôngregasiôna. Ny fanampiana toy izany dia mahatonga antsika ho afaka hiatrika toe-javatra misedra, kanefa tsy hamoy ny hajan’ny tenantsika sy ny fahamendrehantsika. Miahy fatratra ny ondry ireo mpiandry kristianina. Mampahery ireo marary sy ketraka izy ireo, ary manao izay rehetra azony atao mba hanarenana ireo lavo. (Isaia 32:1, 2; 1 Petera 5:2, 3; Joda 22, 23). Manosika ireny mpiandry ireny ho be fangoraham-po sy ho be fitiavana amin’ny andian’ondry, ny fanahin’i Jehovah. Manarona toy ny satroboninahitra, izay mampihaingo sy mampahamendrika antsika tokoa, ny ‘famindram-pony sy ny fiantrany’! Aoka isika tsy hanadino mihitsy ireo fitahiany, ka hisaotra an’i Jehovah sy ny anarany masina.
Nanohy ny fananarany ny tenany i Davida mpanao salamo, tamin’ny nihirany hoe: “[Jehovah] mahavoky soa ny vavanao; ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery.” (Salamo 103:5). Fiainana feno fahafaham-po sy fifaliana no omen’i Jehovah. Ny fahalalana ny fahamarinana fotsiny dia efa harena tsy manan-tsahala no sady loharanom-pifaliana tsy omby tratra! Ary hevero ny fahafaham-po lalina entin’ilay asa nomen’i Jehovah antsika, dia ilay asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. Toy inona moa ny fahafinaretana mahita olona liana amin’ny fianarana momba an’ilay Andriamanitra marina, sy manampy izany olona izany hahafantatra an’i Jehovah sy hisaotra azy! Kanefa, na misy mihaino na tsia eo amin’ny faritra misy antsika, dia tombontsoa lehibe ny mandray anjara amin’ny asa iray mifandray amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny fiandrianany.
Iza moa no tsy reraka na sasatra eo am-pikirizana manao ilay asa fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra? Tsy mitsahatra manavao ny tanjaky ny mpanompony anefa i Jehovah, ka manao azy ireo ho ‘toy ny voromahery’, izay manana elatra matanjaka sy misidina ambony be eny amin’ny lanitra. Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana tokoa isika, satria manome izany “hery” izany ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, mba hahafahantsika hanatontosa amim-pahatokiana ny fanompoantsika isan’andro! — Isaia 40:29-31.
Indro misy ohatra: Manao asa fivelomana manontolo andro i Clara no sady mandany 50 ora eo ho eo isam-bolana anompoana eny amin’ny saha. Hoy izy: “Indraindray aho reraka, ka manery tena mba hivoaka hanao fanompoana eny amin’ny saha, satria fotsiny efa nanao fandaharana mba hiara-miasa amin’olona iray. Raha vantany vao eny amin’ny saha anefa aho, dia mahatsapa foana fa mahazo hery.” Ny tenanao koa angamba efa nahatsapa ilay tanjaka vokatry ny fanohanan’Andriamanitra teo amin’ny fanompoana kristianina. Enga anie ianao ho voatosika hilaza toa an’i Davida tao amin’ny teny fanokafana ity salamo ity, manao hoe: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.”
Manafaka ny vahoakany i Jehovah
Nihira toy izao koa ilay mpanao salamo: “Jehovah manao fahamarinana sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina. Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny làlan-kalehany Izy; ny Zanak’Isiraely nampahafantariny ny asany.” (Salamo 103:6, 7). Azo inoana fa ny noeritreretin’i Davida dia ny amin’ilay ‘nampahoriana’ ny Isiraelita teo ambany ziogan’ny Ejipsianina, tamin’ny andron’i Mosesy. Tsy maintsy ho nahatonga an’i Davida hahatsapa fankasitrahana tao am-pony, ny fisaintsainana ny nampahafantaran’i Jehovah an’i Mosesy ny fomba fanafahany.
Mety ho voatosika ho velom-pankasitrahana toy izany koa isika, rehefa misaintsaina ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ireo Isiraelita. Tsy tokony hohadinointsika anefa ny misaintsaina ireo zavatra niainan’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, toy ireo voalaza ao amin’ny toko faha-29 sy faha-30 amin’ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu. Ny fitantarana voarakitra ao amin’io boky io, sy ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra hafan’ny Fikambanana Watch Tower, dia mahatonga antsika hahita ny fomba nanampian’i Jehovah ny vahoakany amin’andro ankehitriny, mba hiaritra fanaovana am-ponja, fanafihan’ny vahoaka romotra, fandrarana, toby fitanana, sy toby fiasana an-tery vozona. Teo ireo fisedrana tany amin’ny tany rotidrotiky ny ady, toa an’i Burundi, i Liberia, i Rwanda, ary i Iogoslavia teo aloha. Nanohana ny mpanompony mahatoky foana ny tanan’i Jehovah, isaky ny nisy fanenjehana. Ny fisaintsainana ireny fitahian’i Jehovah, ilay Andriamanitsika lehibe, ireny, dia miteraka vokany eo amintsika toy ny teo amin’i Davida, fony izy nisaintsaina ny tantaran’ny fanafahana tany Ejipta.
Hevero koa ny fomba nanafahan’i Jehovah antsika tamim-pitiavana tamin’ny enta-mavesatry ny ota. Nanome ny “ran’i Kristy” izy mba ‘hanadiovana ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty’. (Hebreo 9:14). Rehefa mibebaka noho ny fahotantsika isika ka mitady famelan-keloka miorina amin’ny ra nalatsak’i Kristy, dia esorin’Andriamanitra lavitra antsika, “tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana”, ny fahadisoantsika, ary dia ataony mahazo sitraka aminy indray isika. Ary eritrereto ange ireto fandaharana nataon’i Jehovah ireto e: fivoriana kristianina, fifaneraserana mampahery, mpiandry ao amin’ny kôngregasiôna, sy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly izay raisintsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45, NW ). Moa ve ireo fitahian’i Jehovah rehetra ireo tsy manampy antsika hanatanjaka ny fifandraisantsika aminy? Izao no nambaran’i Davida: “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. (...) Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika.” (Salamo 103:8-14). Ny fisaintsainana ny fikarakaran’i Jehovah amim-pitiavana dia azo antoka fa manosika antsika hanome voninahitra azy sy hankalaza ny anarany masina.
“Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra”
Fohy tokoa ny “andron’ny zanak’olombelona”, “tahaka ny ahitra”, raha oharina amin’ny an’i Jehovah, “Andriamanitra Mandrakizay”, izay tsy mety maty. Nisaintsaina tamim-pankasitrahana toy izao anefa i Davida: “Ny famindrampon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy, ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.” (Genesisy 21:33; Salamo 103:15-18). Tsy manadino an’izay matahotra azy i Jehovah. Amin’ny fotoana voatondrony, dia hanome azy ireo fiainana mandrakizay izy. — Jaona 3:16; 17:3.
Nilaza ny fankasitrahany ny fanjakan’i Jehovah i Davida, nanao hoe: “Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.” (Salamo 103:19). Na dia nisy fotoana nampisehoana tamin’ny fomba hita maso ny fanjakan’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny fanjakan’ny Isiraely, aza, dia any an-danitra ny seza fiandrianany, raha ny marina. Noho izy Mpamorona, dia i Jehovah no Mpanjaka Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, ary ampihariny any an-danitra sy etỳ an-tany ny sitrapony, araka ny fikasan’ny tenany manokana.
Nampirisihin’i Davida mihitsy aza ireo anjely any an-danitra, tamin’izao hirany izao: “Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny, dia hianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra, dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany; misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.” (Salamo 103:20-22). Tsy tokony hanosika antsika hisaotra an’i Jehovah koa ve ny fisaintsainantsika ireo asa anehoany hatsaram-panahy miharo fitiavana amintsika? Izany dia izany tokoa! Ary afaka matoky isika fa ho re ny feontsika manokana midera an’Andriamanitra, ao anatin’ilay amboarampeo mahery voaforon’ireo mpidera azy, izay mahafaoka ireo anjely marina mihitsy aza. Enga anie isika hidera amin’ny fo manontolo ilay Raintsika any an-danitra, ka hilaza zavatra tsara momba azy mandrakariva. Eny tokoa, aoka isika handray am-po ny tenin’i Davida manao hoe: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
[Sary, pejy 23]
Nisaintsaina ireo asa nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy miharo fitiavana i Davida. Manao izany ve ianao?