Hevitra araka ny Baiboly mahaliana Salamo 1 ka hatramin’ny 41
Mihira fiderana an’i Jehovah ny mpanao salamo
“Fiderana.” Izany no hevitry ny anarana entin’ny bokin’ny Salamo amin’ny teny hebreo, ka mety aminy tanteraka izany. Io boky io manontolo tokoa dia tsy mahaforona afa-tsy hira fiderana an’i Jehovah lava. Ny Salamo dia mampahatsiahy ireo toetran’Andriamanitra sy ireo asa lehibe nataony. Mirakitra faminaniana izy ary mampiharihary amintsika koa izay tsapan’ireo mpanoratra azy ara-tsindrimandry rehefa nenjehina, nofitahina, kivy ireo mpanoratra azy, ary na dia rehefa nenjehin’ny fieritreretana koa aza izy ireny. Kristiana maro, rehefa tojo fitsapana sahala amin’izany, no nanovo hery avy ao amin’ny Salamo.
Misy fizarana dimy ny bokin’ny Salamo. Horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity ny voalohany izay mahafaoka ny Salamo 1 ka hatramin’ny 41.
Aoka isika hanaiky ireo fikasan’i Jehovah
Mba vakio ny Salamo 1 ka hatramin’ny 14. Io fitohitohizan-tsalamo io dia mampiseho ny sasany amin’ireo foto-kevitra lehibe ao amin’io boky io: ny maha-zava-dehibe ny Lalàna, faminaniana ny amin’ny hahatongavan’ilay Mpanjaka mesianika ary fitalahoana ao anatin’ny fitsapana mafy. Ampahafantariny antsika koa fa na dia ao aza ny fanapahan’ny ratsy fanahy vetivety, dia hotahina ny marina.
◆ 2:1 — “Anoano foana” [zava-poana, MN ] inona moa no ‘nosainin’ireo’ firenena?
Ireo firenena dia ‘nisaina’ (na “nisaintsaina”) ny amin’ny faharetan’ny fahefan’izy ireo, fa tsy nanaiky ny Voahosotr’i Jehovah. Nisy fampiharana azy ireo teny ireo tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana rehefa niara-nioko hamono ny Mpanjaka voahosotr’i Jehovah, Jesosy Kristy, ireo manam-pahefana romana sy jiosy (Asan’ny apostoly 4:26-28). Ny fahatanterahany feno anefa dia nitranga nanomboka tamin’ny 1914 rehefa nanda ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra ny firenena rehetra ka nanandrana nanandratra ny fanapahan’ny tenany.
◆ 2:12 — Ahoana no hanazavana ny baiko hoe “Manoroha ny Zanaka”?
Tamin’ny andro nanoratana ny Baiboly, ny fanorohana olona dia fomba fanehoana fisakaizana aminy, ary nampiasaina io fanao io mba hiarahabana tonga soa aman-tsara ireo vahiny raisina ao an-tranon’ny tena. Ao amin’io andininy io, dia omen’i Jehovah baiko ireo firenena mba hanoroka na hiarahaba tonga soa aman-tsara ny Zanany amin’ny maha-Mpanjaka voahosotra. — Salamo 2:2, 6-8.
◆ 9:12 — Nahoana moa Jehovah no “manadin-dra”?
Sahala amin’ny mpitsara iray mipetraka ao amin’ny fitsarana, dia tadiavin’i Jehovah ireo izay nivesatra trosan-dra tamin’ny fandatsahana ny ran’ny olony tsy nanan-tsiny (Genesisy 9:5, 6; Lioka 11:49, 50). Ary manasazy ireo meloka izy. Tsy mampihatra an-jamba ireo saziny anefa izy. Manome toky antsika toy izao Davida mpanao salamo: ‘Tsy hanadino ny fitarainan’ny ory izy.’ — Jereo II Petera 2:9.
◆ 11:3 — “Fanorenana” inona no rava?
Izany fanorenana izany dia ny rariny, ny lalàna sy ny filaminana iankinan’izay rehetra mety ho fitambaran’olona. Rehefa mirodana ny fandaharana naorina ka tsy ampiharina intsony ny rariny, inona no tokony hataon’ny olona iray izay matahotra an’Andriamanitra? Mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah. Avy any amin’ny seza fiandrianany any an-danitra, dia mahita ny zavatra rehetra izy ka tsy hahafoy antsika.
Fianarana ho antsika: Ny Salamo 4:5 dia mamporisika ny olona matahotra an’Andriamanitra ‘hanatitra fanati-pahamarinana’. Tamin’ny andron’i Davida, ny Isiraelita dia tokony hanolotra fanatitra teo amin’ny alitaran’i Jehovah. Nilain’izy ireo koa anefa ny hanana antony tsara manosika sy ny hibebaka amim-pahatsorana (Isaia 1:11-17). Rehefa manolotra ny fanatiny ara-panahy ny kristiana, dia tokony hanana antony tsara manosika koa sy hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah ambony. — Hebreo 13:4, 5, 15, 16; I Petera 2:1, 5.
Ilay Andriamanitra tsy manan-tsahala
Vakio ny Salamo 15 ka hatramin’ny 24. Io fitohitohizan-tsalamo io dia mirakitra fitenenana maro izay manandratra an’i Jehovah. Antsoina hoe Mpiaro ny olony izy (18), Mpamorona sy Mpanao lalàna (19), Mpamonjy (20), Mpiaro an’ilay Mpanjaka nofidiny (21), Mpiandry lehibe (23) sy Mpanjaka be voninahitra (24).
◆ 16:10 — Iza moa no ‘Iray Masina [Mahatoky, MN ]’ tononina eo?
Ny mpandinika Baiboly sasany dia mampihatra an’io andininy io amin’ireo olo-mahatoky amin’ny ankapobeny, amin’ny fiankinana amin’ny hoe ao amin’ny soratanana amin’ny teny hebreo sasany, ny teny hoe ‘mahatoky’ dia manondro maro. Rehefa tononina ao amin’ny Soratra grika kristiana anefa io andininy io, dia milaza tokana ny teny; tsy misy firesahana afa-tsy ‘mahatoky’ iray monja. Iza izany? Voalohany indrindra dia azo inoana fa ny tenan’i Davida mihitsy. Ara-paminaniana anefa, Petera sy Paoly dia samy mampihatra an’io andininy io amin’i Jesosy. — Asan’ny apostoly 2:25-32; 13:35-37.
◆ 21:3 — Inona moa izany “satroboninahitra tena volamena” izany?
Angamba izany tena satroboninahitra sahala amin’ilay nesorina tamin’ny sampy Malkama (jereo II Samoela 12:29, 30). Na mety ho tsy misy firesahana afa-tsy ny amin’ny satroboninahitra amin’ny heviny ara-panoharana, mariky ny famirapiratana nanampin’ny fandresen’i Davida ny fiandrianany be voninahitra. Io salamo io anefa dia milazalaza ara-paminaniana ny nanomezana satroboninahitra an’i Jesosy izay nomen’i Jehovah fahefana tamin’ny 1914. Ilay “satroboninahitra tena volamena” dia mampiseho fa ny fanapahany no ho tsara indrindra amin’izay nisy.
◆ 22:1 — Nahafoy an’i Davida ve Andriamanitra?
Tsia, kanefa nety ho toy izany ny fiheverana rehefa nahita an’i Davida niharan’ny fanerena nahery vaika avy tamin’ireo fahavalony. Ny fihetsika fahita amin’olombelona nananan’i Davida tao anatin’ny toerany nampamoifo anefa dia tsy nampiseho tsy fahampiam-pinoana, satria izy nanohy nivavaka tamin-toky ho an’ny fanafahana azy (Sl 22 andininy faha-16 ka hatramin’ny 19). Tsara ny manamarika fa nanonona tapany tamin’io salamo io i Jesosy talohan’ny hahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Tamin’ny fanontaniana hoe “nahoana?” dia nanambara ny halehiben’ny fihenjanana nahazo azy izy, sady nanantitrantitra koa fa tsy nanan-tsiny izy tamin’ireo fiampangana lainga natao taminy mba hamonoana azy ho faty.
Fianarana ho antsika: Ny apostoly Paoly dia manonona ny Salamo 22:22 ary mampihatra azy amin’i Jesosy Kristy izay manome ohatra eo afovoan’ireo rahalahiny voahosotra raha ny amin’ny fanambarana ny anaran’i Jehovah (Hebreo 2:11, 12). Ny Salamo 22:27 dia manambara ny fotoana hiarahan’ny “fokon’ny firenen-tsamy hafa” amin’ny olon’i Jehovah mba hidera an’Andriamanitra. Amin’izao andro izao, dia olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra no mivavaka amin’Andriamanitra eo anilan’ireo rahalahin’i Jesosy (Apokalypsy 7:9). Tokony hifikitra hatrany amin’io fandaminan’Andriamanitra io isika.
Ny hery lehiben’i Jehovah
Vakio ny Salamo 25 ka hatramin’ny 34. Ao amin’ny Salamo 25 sy 26 i Davida dia maneho faniriana ny handeha amin’ny tsy fivadihany. Manaraka izany ny fisehoan’ny fitokisany an’i Jehovah tamin-kerim-po, avy eo, ao amin’ny Salamo 33, dia misy filazalazana mahafinaritra ny amin’ny herin’Andriamanitra.
◆ 28:8 — Iza moa no ‘voahosotr’i Jehovah’?
Ao amin’io andininy io, ny ‘voahosotra’ dia ny vahoaka voafidin’i Jehovah; izany no ampahafantarin’ny andalana mifanitsy aminy eo aloha: “Jehovah no heriny [herin’ny olony, MN ].” Ireo teny ireo dia manana heviny ara-paminaniana mitovy amin’ny voarakitra ao amin’ny Habakoka 3:13. Asehony fa homen’i Jehovah famonjena ny sisa amin’ireo mpanompony voahosotra amin’ny ady Haramagedona.
◆ 29:5, 6 — Amin’ny heviny ahoana moa ny feon’i Jehovah no manorotoro ny hazo sedera?
Io salamo io dia mampiseho amin’ny fomba velona ny herin’i Jehovah amin’ny fampitahana azy amin’ny feon’ny ranonorambaratra. Izany ranonorambaratra izany dia mifindra avy any Libanona, any avaratra, ho any amin’ireo faritra efitra, any atsimo ka mamafy tahotra eny am-pandehanany (Sl 29 andininy 9b). Mampihetsiketsika ny sederan’i Libanona ny rivony, “mampitsambikina azy tahaka ny zanak’omby” ary ny tselany dia manjera hazo sasany, ‘manorotoro azy’. Toy izany koa, ny tafiodrivotra dia ‘mampihorohoro ny efitra’ (Sl 29 andininy 8): kapohiny mafy aoka izany ny fasika, hany ka toa mifanintontsintona ao anatin’ny fialana aina ny efitra.
◆ 33:6 — Inona moa ‘ny fofonain’ny [fanahy (esprit), MN ] vavan’i Jehovah’?
Ny fanahy (esprit) na fofonaina resahina eo dia ny fanahy masin’i Jehovah, ny heriny miasa. Toy ny vavantsika sady mamoaka teny no mamoaka fofonaina, dia toy izany koa fa eo ny tenin’i Jehovah, ny baikony, dia ampiarahina amin’ny fofonaina na fanahy (esprit). Nampiasa ny fanahiny masina Andriamanitra fony izy namorona ny masoandro, ny volana sy ny kintana, izany hoe ny tafika ara-panoharan’ny lanitra hita maso. — Jereo Genesisy 1:1, 2.
Fianarana ho antsika: Ao amin’ny Salamo 26:5 i Davida dia nanoratra fa halany ny fiangonan’ny mpanao ratsy. Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandositra sahala amin’izany ny fiarahana amin’ny mpanao ratsy (I Korintiana 15:33). Tsy misy hafa amin’ny niheveran’i Davida ho zava-dehibe tokoa ny tranon’Andriamanitra, ireny kristiana marina ireny dia faly mifanerasera eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. — Salamo 26:6-8; 122:1.
“Isaorana anie Jehovah”
Vakio ny Salamo 35 ka hatramin’ny 41. Ny miavaka indrindra amin’ireo salamo ireo dia ny Salamo 36 izay milaza an’i Jehovah ho Loharanon’aina, sy ny Salamo 37 izay manome toky antsika fa ireo izay manaiky hampianarina dia hovalian-tsoa amin’ny farany. Ny Salamo 40 koa dia mendrika hoheverina indrindra satria mirakitra sary ara-paminaniana momba an’i Jesosy Kristy.
◆ 35:19 — Nahoana moa ireo fahavalon’i Davida no “hamì-maso”?
Ny teny hebreo dia miantso azy ireny ara-bakiteny hoe ‘fahavalony [ao amin’ny] lainga’. Milaza izany fa ny fankahalany dia avy amin’ny antony manosika maloto. Tsy nisy na inona na inona nataon’i Davida ka nahamendrika ny hankahalan’izy ireo azy, ary nivavaka izy mba tsy hananan’izy ireo mihitsy fahafahana hifaly na hientan-kafaliana noho ny aminy (andininy 19a). Rehefa avy eo dia nangataka izy mba tsy hahitan’ireo fahavalony ratsy fanahy antony hahatonga azy “hamì-maso”, satria ny py maso toy izany, amin’ny heviny ara-bakiteny, dia hanaporofo fa hifaly noho ny fahombiazan’ny firaisany tetika tamin-kasomparana izy ireo (Ohabolana 10:10; 16:29, 30). Nanonona io andininy io i Jesosy ary nampihatra izany tamin’ireo izay nankahala azy. — Jaona 15:24, 25.
◆ 36:3 — Moa ve efa nisy andro nampahira-tsaina ny ratsy fanahy lazalazaina eo?
Ampahafantarin’io andininy io fa nisy fiovana nitranga teo amin’ny fitondrantenan’io olona io ka tsy sahala amin’izay nolazainy ho naha-izy azy taloha intsony mihitsy izy. Angamba nisy fotoana nanehoany fahendrena sy nanarahany ny tsara. Niala tamin’izany lalana izany anefa izy tamin’ny fahatongavana ho mpivadi-pinoana. Anisan’ireo izay niala tamin’ny lalan’ny fahendrena i Saoly mpanjaka, satria nankahala an’i Davida izy (I Samoela toko 18). Ny mpandinika Baiboly sasany aza dia manombana fa nieritreritra an’i Saoly i Davida raha nanoratra an’io andinin-teny ao amin’ny Salamo 36 io.
◆ 40:6 — Inona no dikan’ireto teny ireto: “Ny sofiko nataonao malady”?
Mety hilaza izany fa nozarin’i Jehovah hihaino ireo toromariny ny sofin’i Davida, na koa hoe izy no Mpamorona ny sofina izay nahatonga an’i Davida hahafantatra ny didiny. Tsara ny manamarika fa ao amin’ny Septante dia adika toy izao ireo teny ireo: “Nanamboatra tena ho ahy ianao.” Na inona na inona fiandohan’izany fandikan-teny izany, dia mitovy amin’ny teny hebreo ny heviny lehibe indrindra: soritany ny ilàna hankatò (jereo I Samoela 15:22; Hosea 6:6). Nampiharin’i Paoly tamin’i Jesosy Kristy io andininy io (Hebreo 10:5-10). Noho izy nanonona ny Septante ka nanoratra hoe “tena no namboarinao ho Ahy”, ankehitriny io fehezanteny io dia anisan’ny “soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. — II Timoty 3:16.
Fianarana ho antsika: Ny Salamo 37 dia mirakitra fianarana maro ho antsika izay miaina eo afovoan’ny taranaka ratsy fanahy. Na dia ambinina aza ny mpanao ratsy, dia tsy tokony hitsiriritra azy ireny isika na hanandrana hanahaka azy. Tokony ‘hangina eo anatrehan’i Jehovah’ kosa isika: tsy himonomonona isika fa aoka hatoky tanteraka hatrany fa handray anjara ho fanohanana antsika izy amin’ny fotoana voatendry. — Salamo 37:5, 7, MN.
Eny, mirakitra teny mampahery sy manatanjaka maro ny Salamo. Ireo salamo 41 voalohany dia nampiseho imbetsaka tamintsika fa tsy hahafoy antsika Jehovah na dia sarotra indrindra aza ny tarehin-javatra iainantsika. Marina tokoa fa rehefa avy namaky izany isika, dia tokony hahatsiaro ho voatosika hiray feo amin’ny teny famaranana ny Salamo 41 hoe: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.”