Aza Manaiky ho Resin’ny Fanahiana
“AZA manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy.” (Matio 6:34). Azo antoka fa mety tsara io torohevitra nomen’i Jesosy Kristy io, ho antsika rehetra izay miaina eto amin’ity fiaraha-monina ankehitriny mihazakaza-dava sy mampisy fihenjanana ity.
Raha jerena amin’ny zava-misy anefa, dia mety ho vitantsika tokoa ve ny tsy hanahy ny amin’ireo olana mahazo antsika, ireo fanapahan-kevitra ataontsika, ireo adidy sy andraikitsika? Olona an-tapitrisany maro no mahatsiaro tena ho ketraka sy ory ary mizaka ny tsy eran’ny aina. Fandraharahana mampidi-bola an’arivony tapitrisa dolara maro, noho izany, ny fivarotana fanafody mampitony.
Hatraiza ny fetra?
Mila manao planina sy fiomanana isika mahakasika ireo adidintsika, ireo asa anendrena antsika, ireo fanapahan-kevitra ataontsika, sy ireo olana mahazo antsika, na maika izy ireny na tsia. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hipetraka aloha hihevitra izay ho lany’, vao mirotsaka amin’izay mety ho fanaovan-javatra lehibe. (Lioka 14:28-30). Tafiditra amin’izany ny fandinihana amim-pitandremana ireo safidy azo atao sy ny famakafakana izay mety ho fiantraikan’ny vokatr’izany, ary ny fanombanana izay fotoana sy hery ary vola ho lany amin’izany.
Na dia tokony hodinihina amim-pitandremana aza izay zavatra azo inoana fa hitranga, dia tsy ho vita no sady tsy manatsara zavatra ny fanandramana hieritreritra ny amin’izay rehetra mety hitranga. Mba hiarovana ny fianakaviana amin’ny loza, ohatra, dia mety hihevitra izay hatao ianao, raha sanatria ka may ny tranonao. Mety hividy sy hametaka fitaovana mpitily setroka sy fitaovana famonoana afo, ianao. Mety hanoritra ireo lalana fandosirana avy ao amin’ny faritra samy hafa amin’ny trano ianao ka hanao fanazaran-tena momba izany. Hatraiza anefa no mifarana ny planina azo ampiharina sy feno fahendrena, ka manomboka kosa ny fanahiana tafahoatra sy tsy marim-pototra? Miandoha ny fanahiana toy izany rehefa manomboka mampitaintaina anao ireo toe-javatra tsy tambo isaina izay vinavinaina fa hitranga, na dia mety hoforomporonin’ny saina fotsiny aza ny maro aminy. Mety tsy ho afaka ao an-tsainao ny eritreritra tsy mampandry mandry, ka hampiaiky anao fa tsy maintsy nisy zavatra nataonao tsirambina, na tsy ampy ny nataonao mba hiarovanao ny fianakavianao. Mety hitambesatra mafy ao an-tsainao io fampijalianao tena amin’ny tebiteby io, ka mety tsy hampahita tory anao.
Mosesy teo anatrehan’i Farao
Notendren’i Jehovah Andriamanitra ho amin’ny asa iray nanahirana, i Mosesy mpaminaniny. Tsy maintsy niseho teo anatrehan’ireo Isiraelita aloha i Mosesy, ka hampiaiky azy ireo fa i Jehovah no nanendry azy hitarika azy ireo hivoaka avy tany Ejipta. Tsy maintsy niseho teo anatrehan’i Farao i Mosesy avy eo, ka nangataka azy mba handefa ny Isiraelita. Tamin’ny farany i Mosesy dia tsy maintsy nitarika vahoaka sesehena niisa an-tapitrisany maro hamakivaky ny efitra, hankany amin’ny tany iray nonenan’ny olona nitsangan-ko fahavalo. (Eksodosy 3:1-10). Nety ho faran’izay nampahatahotra tokoa izany rehetra izany, kanefa navelan’i Mosesy ho feno fanahiana izaitsizy ve ny sainy, noho izany andraikitra izany?
Miharihary fa nisy raharaha lehibe maro nampanahy an’i Mosesy. Nanontany an’i Jehovah toy izao izy: “Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?” Nanome azy valiny, i Jehovah. (Eksodosy 3:13, 14). Nampanahy an’i Mosesy koa izay mety hitranga raha tsy nety nino azy i Farao. Namaly ilay mpaminany indray i Jehovah. Ny olana iray farany, dia ny nieken’i Mosesy fa “tsy mahay mandaha-teny” izy. Ahoana no azo nanitsiana an’izany? Nomen’i Jehovah i Arona mba hisolo toerana an’i Mosesy amin’ny fitenenana. — Eksodosy 4:1-5, 10-16.
Vonona i Mosesy, satria nahazo ny valim-panontaniany no sady nanana finoana an’Andriamanitra, ka nanomboka nanao araka izay nandidian’i Jehovah azy. ‘Nanao araka izany’ i Mosesy, fa tsy nampitaintaina ny tenany tamin’ny eritreritra nampahatahotra ny amin’izay mety hitranga rehefa hifanatrika amin’i Farao izy. (Eksodosy 7:6). Raha navelany handresy azy mantsy ny fanahiana, dia tena nety ho nihanalemy noho izany ilay finoana sy fahasahiana nilaina mba hanatanterahana ny asa nanendrena azy.
Ilay fomba voalanjalanja nitondran’i Mosesy ny asa nanendrena azy dia ohatra iray ny amin’ilay nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “saina mahay mitsara zavatra”. (2 Timoty 1:7, NW; Titosy 2:2-6, NW ). Raha tsy nampiasa saina nahay nitsara zavatra i Mosesy, dia nety ho tonga mora foana tamin’ny fiheverana fa tototr’ireo asa tsy toko tsy forohana nanendrena azy ny tenany, hany ka azo inoana fa tsy ho nanaiky ilay asa.
Fifehezana ny eritreritrao
Manao ahoana ny fihetsikao rehefa miatrika fitsapana ny finoanao ianao, na miatrika fisedrana eo amin’ny fiainanao andavanandro? Mirona hisahotaka ve ianao raha vao mieritreritra fotsiny ireo sakana sy zava-tsarotra miandry anao? Sa ianao mihevitra azy ireny amin’ny fomba voalanjalanja? Misy milaza hoe: ‘Aza miampita ny tetezana raha tsy efa tonga eo ianao.’ Mety tsy hisy hilana hiampita io tetezana an’eritreritra io akory anie e! Koa nahoana no hitaintaina noho izay zavatra mety tsy hitranga akory? Hoy ny Baiboly: “Ny [fanahiana, NW ] ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy”. (Ohabolana 12:25). Ny vokatr’izany matetika dia fangatahana andro lava rehefa manao fanapahan-kevitra, ka mampihemotra ny fanaovan-javatra ambara-pahatongany ho diso aoriana loatra.
Mbola ratsy lavitra ny fahavoazana ara-panahy mety hateraky ny fanahiana tafahoatra. Nasehon’i Jesosy Kristy fa ny hery mamitaky ny harena sy ny “fiahiahiana izao fiainana izao” dia mety hangeja tanteraka ny fankasitrahana “ny tenin’ny fanjakana”. (Matio 13:19, 22). Afaka misakana ny zana-kazo tsy hihalehibe sy hamoa ny tsilo. Toy izany koa fa afaka misakana antsika tsy hanao fandrosoana ara-panahy sy hitondra voa ho fiderana an’Andriamanitra, ny fanahiana tsy voafehy. Nanakana ny sasany tsy hanolo-tena ho an’i Jehovah mihitsy aza ny fampijaliany tena tamin’ny tebiteby manimba. Hoy ny fanahian’izy ireo: ‘Ahoana raha tsy miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenako aho?’
Nilaza tamintsika ny apostoly Paoly fa eo amin’ilay ady ara-panahy ataontsika, dia miezaka “mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy” isika. (2 Korintiana 10:5). Ho faly erỳ i Satana Devoly, fahavalontsika lehibe indrindra, hanararaotra ny fanahiantsika mba hanakiviana antsika sy hanaovana izay hampahosa antsika ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy. Manam-pahaizana manokana izy eo amin’ny fampiasana ny fisalasalana mba hamandrihana ireo tsy mailo. Izany no nahatonga an’i Paoly hampitandrina koa ny Kristianina mba tsy ‘hanome toerana ho an’ny Devoly’. (Efesiana 4:27). Noho i Satana “andriamanitr’izao tontolo izao”, dia vitany ny ‘nanajamba ny sain’ny tsy mino’. (2 Korintiana 4:4). Enga anie isika tsy hamela azy mihitsy hifehy ny saintsika!
Misy fanampiana azo raisina
Rehefa miatrika zava-manahirana ny ankizy iray, dia afaka mankany amin’ny ray be fitiavana izy ka mahazo fitarihan-dalana sy fampiononana. Afaka mankany amin’i Jehovah, Raintsika any an-danitra, toy izany koa isika, mitondra ny zava-manahirana antsika. Raha ny marina, dia manasa antsika i Jehovah mba hametraka aminy ny entantsika sy ny fanahiantsika. (Salamo 55:22). Tsy manahy intsony ny amin’ny zava-nanahirana azy ny ankizy iray rehefa avy nahazo toky tamin-drainy. Toy izany koa ny amintsika, tsy vitan’ny hoe tokony hapetratsika amin’i Jehovah fotsiny ny entantsika, fa tokony havelantsika any aminy koa ilay izy. — Jakoba 1:6.
Ahoana no ametrahantsika ny fanahiantsika amin’i Jehovah? Mamaly toy izao ny Filipiana 4:6, 7: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny [herin-tsainareo, NW ] ao amin’i Kristy Jesosy.” Eny, ho valin’ny vavaka sy fitalahoana ataontsika amim-pikirizana, dia azon’i Jehovah omena antsika ny fahatoniana anaty izay afaka miaro ny saintsika mba tsy hikorontana noho ny fanahiana tsy amin’antony. — Jeremia 17:7, 8; Matio 6:25-34.
Mba hiasana mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika anefa, dia tsy tokony hitokantokana isika, na ara-batana izany, na ara-tsaina. (Ohabolana 18:1). Tsara kosa ny handinihantsika ireo foto-pitsipika sy toromarika ara-baiboly mahakasika ilay zava-manahirana antsika, ka amin’izany isika dia tsy hiantehitra amin’ny fahalalantsika manokana. (Ohabolana 3:5, 6). Samy afaka mitodika any amin’ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower ny antitra sy ny tanora, mba hahazoana fanazavana tondraka mahakasika ny fanaovana fanapahan-kevitra sy ny fandaminana zava-manahirana. Ankoatra izany, dia sambatra isika ao amin’ny kôngregasiôna kristianina, manana loholona hendry sy za-draharaha, mbamin’ny Kristianina matotra hafa izay vonona mandrakariva ny hiresaka amintsika. (Ohabolana 11:14; 15:22). Matetika no afaka manampy antsika hijery ny zava-manahirana antsika amin’ny fomba hafa ireo olona izay sady tsy voakasika ara-pihetseham-po amin’ilay olana, no manana ny fomba fisainan’Andriamanitra. Ary na dia tsy hisolo toerana antsika eo amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra aza izy ireo, dia afaka ny ho tonga loharanom-pampaherezana sy fanohanana lehibe ho antsika kosa.
“Manantenà an’Andriamanitra”
Tsy misy afa-mandà fa efa ampy ny fihenjanana entin’ny fiatrehana ireo zava-manahirana tena misy mahazo antsika isan’andro, ka tsy ilaina ny manampy trotraka izany amin’ny fanahiana ny amin’ireo zava-manahirana noforonin’ny saina. Raha mampanahy antsika, na tsy mampilamin-tsaina antsika ny fanahiana ny amin’izay mety hitranga, dia aoka isika hitodika any amin’i Jehovah amin’ny vavaka sy ny fitalahoana. Mitodiha any amin’ny Teniny sy ny fandaminany mba hahazoana fitarihan-dalana sy fahendrena ary saina mahay mitsara zavatra. Ho hitantsika fa na inona na inona tarehin-javatra mety hipoitra, dia misy fanampiana azo raisina mba hiatrehana azy.
Noho ny fahatsapan’ny mpanao salamo fa navesatra ny fony sady tsy nilamina ny sainy, dia nihira toy izao izy: “Nahoana no mitanondrika hianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko hianao? Manantenà an’Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.” (Salamo 42:11). Enga anie mba ho toy izany koa ny fihetseham-pontsika.
Eny, manaova planina ny amin’izay azonao ampoizina ihany fa hitranga, ary avelao ho an’i Jehovah izay tsy ampoizina. “Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” — 1 Petera 5:7.
[Sary, pejy 23]
Moa ve ianao mametraka ny entanao sy ny fanahianao amin’i Jehovah sahala amin’i Davida?