Henoin’i Jehovah Ireo fangataham-panampiana maika ataontsika
NILAINA maika ny fanampiana. Niharihary izany tamin’ny alahelom-po lehibe hita teo amin’ny endriky ny mpitondra kapoaky ny mpanjaka. Rehefa nanontaniana ny antony ilay mpitondra kapoaka dia nanambara ny alahelony ny amin’ny naharavan’i Jerosalema sy ny mandany. Nipoitra avy teo ny fanontaniana hoe: “Inona ary no angatahinao?” “Dia nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha”, hoy ny nosoratan’i Nehemia mpitondra kapoaka, tatỳ aoriana. Izany dia fitarainana haingana sy nangina ary maika mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah. Ary inona no vokany? Nanome lalana avy hatrany an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’i Jerosalema i Artaksersesy mpanjakan’i Persia! — Nehemia 2:1-6.
Eny, Andriamanitra dia mihaino ny fangatahana maika ataon’ireo izay tia azy. (Salamo 65:2). Noho izany, raha toa lehibe loatra ka mila tsy ho zakanao ny fitsapana iray, dia azonao atao ny mivavaka toy ny nataon’i Davida mpanao salamo, ao amin’ny Salamo 70, rehefa nila haingana ny fanampian’Andriamanitra izy. Ny soratra eo am-piandohan’io salamo io dia mampiseho fa natao “ho fampahatsiarovana” izy io. Ankoatra ny fiovana kely, izy io dia famerenana ny Salamo 40:13-17. Nefa, amin’ny ahoana ny Salamo 70 no afaka manampy antsika amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah?
Fangatahana fanafahana haingana
Nanomboka tamin’izao hataka izao i Davida: “Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.” (Salamo 70:1). Rehefa ao anatin’ny fahoriana isika dia afaka mivavaka mba ho tonga haingana hamonjy antsika i Jehovah. Tsy mitsapa antsika amin’ny zavatra ratsy i Jehovah, ary ‘fantany izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy [fitsapana, MN]’. (2 Petera 2:9; Jakoba 1:13, MN). Nefa ahoana raha avelany hitohy ny fitsapana iray, angamba mba hampianarana antsika zavatra? Amin’izay indray isika dia afaka mangataka fahendrena aminy mba handaminana izany. Raha mangataka amim-pinoana isika dia hanome fahendrena antsika izy. (Jakoba 1:5-8). Manome antsika ny tanjaka ilaina mba hiaretana ny fitsapana antsika koa Andriamanitra. ‘Hanohana antsika eo amin’ny farafara itsaboana antsika’ izy, ohatra. — Salamo 41:1-3; Hebreo 10:36.
Ny fahotantsika nolovana, ary koa ny fiatrehana fakam-panahy tsy tapaka sy ny fiezahan’ny Devoly hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, dia tokony hanosika antsika hivavaka isan’andro mba hahazo ny fanampian’Andriamanitra. (Salamo 51:1-5; Romana 5:12; 12:12). Mendrika ny hodinihina ireto teny voarakitra ao amin’ny vavaka fakan-tahaka nataon’i Jesosy ireto: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny [ilay, MN] ratsy.” (Matio 6:13). Eny, afaka mangataka amin’Andriamanitra isika mba tsy hamelany antsika ho resy rehefa alaim-panahy tsy hankatò azy, sy mba hisakanany an’i Satana, “ilay ratsy”, tsy hahazo antsika. Nefa aoka isika hampiaraka ny fitarainantsika mba hahazo fanafahana amin’ny fanaovana ny dingana hanalavirana ireo toe-javatra mahatonga antsika hisetra tsy amin’ny antony ny fakam-panahy sy ireo fandrik’i Satana. — 2 Korintiana 2:11.
Ireo izay manao hoe: “Hia! sakoa izay!”
Mety ho voasedra mafy isika satria manakiana ny finoantsika ireo fahavalo. Raha iharan’izany ianao dia eritrereto ireto tenin’i Davida ireto: “Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko [fanahiko, MN]; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ny manjo ahy; aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hia! sakoa izay! (Salamo 70:2, 3). Naniry ny hahita azy maty ireo fahavalon’i Davida; ‘nitady ny fanahiny’, na ny ainy izy ireo. Tsy nanandrana namaly azy araka ny nataony izy fa naneho finoana fa hanao izay hahamenatra azy ireo Andriamanitra. Nivavaka i Davida mba ho “menatra sy hangaihay”, ho saikatra, ho afa-baraka, ho sanganehana, ho diso fanantenana ireo fahavalony amin’ny fanandramana manatanteraka ireo teti-dratsiny. Eny, avelao ireo nanao izay hahavoa azy sady faly amin’ny manjo azy, hanjary ho menatra sy hahita fahafaham-baraka.
Raha manana ilay atao hoe fifaliana amin-dolompo isika rehefa idonam-pahoriana ny fahavalo iray, dia hampamoahin’i Jehovah noho ny heloka vitantsika isika. (Ohabolana 17:5; 24:17, 18). Kanefa kosa, rehefa misy fahavalo manaratsy an’Andriamanitra sy ny vahoakany, dia afaka mivavaka isika mba hanaovan’i Jehovah, noho ny anarany masina, izay ‘hampiamboho azy ireny sy hahitany fahafaham-baraka’ eo imason’izay olona ilàny dera. An’Andriamanitra ny famaliana, ary afaka manao izay hahasaikatra sy hahafa-baraka ireo fahavalony sy ny antsika izy. (Deoteronomia 32:35). Ohatra, i Adolf Hitler, filohan’ny Nazia dia nanao izay hanafoanana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Tsy nahomby tamin’alahelo toy inona moa izy, satria an’arivony maro amin’izy ireny izao no manambara ny hafatra momba ilay Fanjakana any!
Amim-panesoana sy fihomehezana no mety hitenenan’ny fahavalontsika amintsika hoe: “Hia! sakoa izay!” Koa satria ireny mpanota ireny manaraby an’Andriamanitra sy ny vahoakany, dia aoka izy ireo “hiamboho noho ny fahamenarany”, ka hiaritra fahafaham-baraka. Raha eo am-pivavahana mba hisian’izany isika, dia aoka hihazona ny tsy fivadihantsika sy hanao izay hampifaly ny fon’i Jehovah, satria izy hamaly an’i Satana sy ny hafa rehetra manaraby Azy. (Ohabolana 27:11). Ary tsy tokony hatahotra ireo fahavalontsika mirehareha na oviana na oviana isika, satria “izay matoky an’i Jehovah no hovonjena”. (Ohabolana 29:25). Ilay mpanjaka babyloniana niavonavona, i Nebokadnezara, izay naka ho babo ny vahoakan’Andriamanitra, dia nahita fahafaham-baraka sy niaiky fa ‘ny Mpanjakan’ny lanitra dia mahay mampietry ireo izay mandeha amim-piavonavonana’. — Daniela 4:34, [4:37, MN].
“Hankalazaina anie Andriamanitra.”
Na dia manelingelina antsika aza ireo fahavalo, dia aoka isika hanandratra an’i Jehovah mandrakariva miaraka amin’ireo mpiara-manompo amintsika. Toy izay hamela ny tenany ho resin’ny fahoriana noho ny tsy nahombiazany tamin’ny fankalazana an’Andriamanitra, dia niteny toy izao i Davida: “Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: Hankalazaina anie Andriamanitra.” (Salamo 70:4). Ny vahoakan’i Jehovah dia tena falifaly hatrany satria ‘faly sy ravo’ ao aminy izy ireo. Amin’ny maha-Vavolombelony nanolo-tena sy vita batisa azy, dia manana ny fifaliana lehibe vokatry ny fifandraisana akaiky aminy izy ireo. (Salamo 25:14). Amin’izany no mety hiheverana azy ireo ho mpikatsaka feno fanetren-tena an’Andriamanitra. Noho izy ireo mpino mitandrina ny didin’Andriamanitra, dia tsy mitsahatra mikatsaka fahalalana fanampiny momba azy sy ny Teniny izy. — Mpitoriteny 3:11; 12:13, 14; Isaia 54:13.
Rehefa manambara ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, dia miteny tsy tapaka toy izao izy, raha ny marina: “Hankalazaina anie Andriamanitra”. Manandratra an’i Jehovah izy ireo, ary manome azy ny fanajana ambony indrindra. Amim-pifaliana, dia manampy ireo mpikatsaka ny fahamarinana izy ireo mba hianatra momba an’Andriamanitra ary koa mba hanome voninahitra azy. Tsy sahala amin’ireo mpitia fahafinaretana eo amin’izao tontolo izao ny vahoakan’i Jehovah fa ‘tia ny famonjeny’. (2 Timoty 3:1-5). Noho ny fahatakarany ny amin’ny ota nolovany, izy ireo dia mankasitraka lalina ny fandaharana feno fitiavan’i Jehovah Andriamanitra ho famonjena mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, izay natao nety tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’ny Zanaka malalany, Jesosy Kristy. (Jaona 3:16; Romana 5:8; 1 Jaona 2:1,2). Moa ve ianao eo am-pankalazana an’Andriamanitra ka mampiseho fa ‘tia ny famonjeny’ amin’ny fanarahana fanompoam-pivavahana marina ho fiderana azy? — Jaona 4:23, 24.
Matokia an’ilay Mpanafaka
Rehefa nilaza ny heviny i Davida tao amin’ny salamo nosoratany, dia nahatsapa filana toy izany tamim-pahakiviana, ka niteny hoe: “Fa izaho dia ory sy malahelo [mahantra, MN]; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô. (Salamo 70:5). Noho isika iharan’ny fisedrana manafika ny mpino — ireo fahoriana toy ny fanenjehana, fakam-panahy, ary famelezana avy amin’i Satana — dia mety ho toa “mahantra” isika. Na dia mety tsy hahantra aza isika, dia toa tsy manam-piarovana amin’ireo fahavalo maty eritreritra. Kanefa, afaka matoky isika fa afaka mamonjy antsika ary hamonjy antsika i Jehovah amin’ny maha-mpanompony mahatoky antsika. — Salamo 9:17-20.
I Jehovah dia “Mpamonjy sy Mpanafaka” rehefa mila izany isika. Ny tsy fahatanterahantsika manokana dia mety hitondra antsika ho amin’ny toe-javatra iray isian’ny fitsapana. Nefa raha ‘ny fahadalantsika no mahasimba ny alehantsika’, dia aoka ny fontsika mba tsy ho ‘sosotra amin’i Jehovah’. (Ohabolana 19:3). Tsy mendrika ny homen-tsiny izy, ary vonona ny hanampy antsika raha mivavaka aminy amin’ny finoana isika. (Salamo 37:5). Ary raha eo am-piadiana mba tsy hanota isika? Raha izany no izy, dia aoka isika hamaritra izany tsara ao amin’ny vavaka ataontsika, ka hangataka ny fanampian’Andriamanitra mba hanohizana hanaraka lalana marina iray. (Matio 5:6; Romana 7:21-25). Hamaly ny vavaka amim-pahatsoram-po ataontsika Andriamanitra, ary hambinina amin’ny ara-panahy isika raha manaiky ny fitarihan’ny fanahiny masina. — Salamo 51:17; Efesiana 4:30.
Rehefa mijaly mafy noho ny fisedrana ny finoana isika, dia mety hahatsapa ho tsy afaka hiaritra maharitra kokoa. Koa satria malemy ny nofontsika mpanota, dia mety haniry mafy hahazo famonjena haingana izy io. (Marka 14:38). Koa mety hitaraina isika hoe: “Aza ela, Jehovah ô.” Indrindra raha ory noho ny fanamavoana ny anaran’Andriamanitra isika, dia mety ho voatosika hivavaka aminy tahaka ny nataon’ny mpaminany Daniela hoe: “Jehovah ô, mihainoa. Jehovah ô, mamelà heloka. Jehovah ô, mihainoa ka manaova zavatra. Aza mangataka andro, noho ny aminao, ry Andriamanitro ô, satria ny anaranao dia nantsoina (...) teo amin’ny vahoakanao.” (Daniela 9:19, MN). Afaka mino isika fa tsy ho tratra aoriana loatra ilay Raintsika any an-danitra, satria nanome izao antoka izao ny apostoly Paoly: “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.” — Hebreo 4:16.
Aza hadinoina na oviana na oviana fa i Jehovah no ilay Mpanafaka. Amin’ny maha-mpanompony antsika, dia tsara ho antsika ny mitadidy izany sy ilay fihetsehampo ombam-bavaka ao amin’ny Salamo 70. Indraindray dia mety hilaintsika ny mivavaka miverimberina momba ny raharaha iray tena lehibe. (1 Tesaloniana 5:17). Amin’izany dia mety ho toa tsy misy vahaolana ho an’ny zava-manahirana manokana iray, na lalana hivoahana amin’ny toe-draharaha mahasanganehana antsika. Nefa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra dia hanatanjaka antsika ka tsy hamela antsika hosedraina mihoatra noho izay azontsika zakaina. Noho izany, dia aoka tsy ho sasatra na oviana na oviana isika ny hankeo anatrehan’ny seza fiandrianan’ilay Mpanjaka mandrakizay ao amin’ny vavaka amim-pahatsoram-po. (1 Korintiana 10:13; Filipiana 4:6, 7, 13; Apokalypsy 15:3). Mivavaha amin’ny finoana, ary matokia azy tsy amim-pisalasalana, satria i Jehovah dia mihaino ireo fangataham-panampiana maika ataontsika.