Ry Tanora — Zaro Ampiasaina ny Fahaizanareo Mandinika!
“Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana [ny fahaizany mandinika nozarina nampiasaina mba hahay hanavaka, NW ] ny tsara sy ny ratsy.” — HEBREO 5:14.
1, 2. a) Amin’ny ahoana ny toe-javatra misy antsika ankehitriny no mitovy amin’ny an’ny Kristianina fahiny tany Efesosy? b) Fahaizana inona avy no afaka miaro anao amin’ny loza, ary ahoana no azonao ampitomboana azy ireo?
“TANDREMO tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” (Efesiana 5:15, 16). Hatramin’ny nanoratan’ny apostoly Paoly ireo teny ireo, roa arivo taona lasa izay, ‘ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky dia nandroso niharatsiratsy kokoa’. Isika dia miaina ao anatin’ny “andro mahory”, na fotoana “feno loza”, araka ny fandikan-teny hafa iray. — 2 Timoty 3:1-5, 13; Phillips.
2 Azonao atao anefa ny misoroka ireo loza mety hamitsaka eny amin’ny lalanao, amin’ny fampitomboanao ‘fahendrena, fahalalana, sy fisainana mazava [“fahaiza-misaina”, NW ]’. (Ohabolana 1:4). Hoy ny Ohabolana 2:10-12: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny [fahaiza-misaina, NW ], ary hiambina anao ny [fahaiza-manavaka, NW ], ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka”. Ahoana anefa no ahafahanao mampitombo ireo fahaizana ireo? Hoy ny Hebreo 5:14: “Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana [ny fahaizany mandinika nozarina nampiasaina mba hanavaka, NW ] ny tsara sy ny ratsy.” Tsy maintsy zarina ampiasaina ny fahaiza-mandinika vao voafolaka tsara, toy ny amin’ny fahaizana rehetra ihany. Ilay teny grika nampiasain’i Paoly dia midika ara-bakiteny hoe ‘nampiofanina toy ny mpanao fanatanjahan-tena iray’. Ahoana no anombohanao manao izany?
Zaro ampiasaina ny fahaiza-mandinika
3. Ahoana no azonao ampiasana ny fahaizanao mandinika, rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ianao?
3 Mariho fa zarina amin’ny alalan’ny ‘fampiasana’ azy ny fahaizanao mandinika, dia ny fahaizanao manavaka ny tsara sy ny ratsy. Rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ianao, dia mahalana vao manampy anao hanao safidy amim-pahendrena ny manombantombana, ny manao zavatra amim-pahataitairana tampoka, na ny manara-drian-drano. Tsy maintsy mampiasa ny fahaizanao mandinika ianao, mba hanapahan-kevitra amim-pahendrena. Amin’ny fomba ahoana? Voalohany indrindra, dia amin’ny famotopotorana tanteraka ny amin’ilay toe-javatra, mba hahafantarana ny zava-misy rehetra. Mametraha fanontaniana raha ilaina izany. Fantaro hoe inona avy no safidy eo anoloanao. Hoy ny Ohabolana 13:16: “Ny mahira-tsaina rehetra miasa amin’ny fahalalana”. Avy eo dia miezaha hamantatra ny hoe inona avy no lalàna na foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ilay raharaha. (Ohabolana 3:5). Tsy maintsy manana fahalalana ny Baiboly ianao, mazava ho azy, mba hamantaranao izany. Izany no antony nampirisihan’i Paoly antsika mba hihinana “ventin-kanina”, izany hoe mba hianatra “izay sakany sy lavany ary hahavony sy halalin[’ny fahamarinana]”. — Efesiana 3:18.
4. Nahoana no tena ilaina ny fahalalana ireo foto-pitsipik’Andriamanitra?
4 Tena ilaina ny fanaovana izany, satria tsy lavorary isika, ka mirona hanota. (Genesisy 8:21; Romana 5:12). “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”, hoy ny Jeremia 17:9. Raha tsy misy foto-pitsipika avy amin’Andriamanitra mitarika antsika, dia mety hamita-tena isika ka hihevitra fa tsara ny zavatra ratsy iray, satria fotsiny hoe maniry mafy an’ilay izy ny nofontsika. (Ampitahao amin’ny Isaia 5:20.) Izao no nosoratan’ny mpanao salamo: “Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny làlam-pitaka rehetra.” — Salamo 119:9, 104.
5. a) Nahoana ny tanora sasany no manaraka lalam-pitaka? b) Ahoana no nataon’ny tanora iray mba ho ny tenany mihitsy no nandray ny fahamarinana?
5 Nahoana ny tanora sasany izay notezaina tao amin’ny ankohonana kristianina no nanaraka lalam-pitaka? Nety ho tsy ‘nanamarina mihitsy ve ny tenan’izy ireo fa tsara sy azo ekena ary lavorary ny sitrapon’Andriamanitra’? (Romana 12:2, NW ). Angamba manatrika fivoriana miaraka amin’ny ray aman-dreniny ny tanora sasany, ary afaka manonona fampianarana fototra sasany ao amin’ny Baiboly. Rehefa asaina manome porofon’ny zavatra inoany anefa izy ireo, na asaina manazava ny sasany amin’ireo zavatra lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mandiso fanantenana ny fahitana fa marivo kely ny fahalalan’izy ireo. Mety ho voafitaka mora foana ny tanora toy izany. (Efesiana 4:14). Raha izany no izy ny aminao, nahoana no tsy manapa-kevitra ny hanao fiovana? Izao no tsaroan’ny anabavy tanora iray: “Nanao fikarohana aho. Nanontany tena aho hoe: ‘Ahoana no ahafantarako fa ity no fivavahana marina? Ahoana no ahafantarako fa misy izany Andriamanitra atao hoe Jehovah izany?’ ”a Nampiaiky azy ny fandinihana tamim-pitandremana ny Soratra Masina, fa tena marina tokoa ireo zavatra nianarany tamin’ny ray aman-dreniny! — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:11.
6. Ahoana no ahafahanao ‘mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo’, dia i Jehovah?
6 Rehefa manana fahalalana ny foto-pitsipik’i Jehovah ianao, dia ho mora kokoa aminao ny ‘hamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo’. (Efesiana 5:10). Ahoana anefa raha tsy azonao antoka hoe inona no lalam-pahendrena tokony harahina ao anatin’ny toe-javatra iray? Mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana fitarihan-dalana. (Salamo 119:144). Miezaha hiresaka ny amin’ilay raharaha amin’ny ray aman-dreninao, na amin’ny Kristianina matotra iray. (Ohabolana 15:22; 27:17). Azo atao koa ny mitady fitarihan-dalana mahasoa, amin’ny fanaovana fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. (Ohabolana 2:3-5). Arakaraka ny ampiasanao ny fahaizanao mandinika no hahatonga azy io haranitra kokoa.
Fanehoana fahaiza-manavaka eo amin’ny fialam-boly
7, 8. a) Ahoana no azonao ampiasana ny fahaizanao mandinika mba hamantarana raha ho any amin’ny fiaraha-mikorana iray ianao na tsia? b) Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ny fialam-boly?
7 Andeha isika izao hijery ny fomba azonao ampiasana ny fahaizanao mandinika, ao anatin’ny toe-javatra voafaritra tsara sasany. Alao sary an-tsaina, ohatra, hoe asaina ho any amin’ny fiaraha-mikorana iray ianao. Angamba aza nahazo taratasy filazana ny amin’ilay fiaraha-mikorana ianao. Ilazana ianao fa hisy tanora Vavolombelona maro be ho tonga any. Hisy vola tsy maintsy aloa anefa, mba hisahanana ireo fandaniana. Tokony ho any ve ianao?
8 Ampiasao ny fahaizanao mandinika. Voalohany, dia fantaro ireo zava-misy. Hanao ahoana ny habetsahan’ny olona ho any amin’ilay fiaraha-mikorana? Iza avy no ho any? Amin’ny firy izy io no hanomboka? Amin’ny firy no hifarana? Inona avy ireo zavatra hatao any? Amin’ny fomba ahoana no hanaraha-maso azy io? Avy eo dia manaova fikarohana, ka jereo ny hoe “Fiaraha-miala Voly” sy hoe “Fialam-boly”, ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower.b Inona no mety hampahafantarin’ny fikarohana ataonao? Voalohany aloha, dia ho hitanao fa tsy melohin’i Jehovah ny fiaraha-mikorana. Raha ny marina, dia milaza ny Mpitoriteny 8:15 fa ankoatra ny asa mafy, dia “tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo”. I Jesosy Kristy mihitsy aza dia nanatrika fanasana manokana sy fampakaram-bady iray, fara fahakeliny. (Lioka 5:27-29; Jaona 2:1-10). Mety hahasoa ny fiaraha-mikorana, rehefa voalanjalanja.
9, 10. a) Loza inona avy no mety hapoitran’ny fiaraha-mikorana sasany? b) Fanontaniana inona avy no azonao apetraka amin’ny tenanao, alohan’ny hanapahan-kevitra raha ho any amin’ny fiaraha-mikorana iray ianao na tsia?
9 Mety hidika ho fahasahiranana anefa ny fiaraha-mikorana tsy voalamina tsara. Vakintsika ao amin’ny 1 Korintiana 10:8, fa ny fifaneraserana tsy nanehoana fahendrena dia nitarika ho amin’ny fijangajangana, ka Isiraelita tsy nahatoky ‘telo arivo amby roa alina no naringana tao anatin’ny indray andro’. Ahitantsika fampitandremana mampieritreritra koa ao amin’ny Romana 13:13, manao hoe: “Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana.” (Ampitahao amin’ny 1 Petera 4:3.) Marina fa tsy misy isa hentitra azo omena momba ny hoe firy no mahazo mankao amin’ny fiaraha-mikorana iray. Asehon’ny zavatra efa nitranga anefa fa, arakaraka ny maha betsaka ny olona ao amin’ny fiaraha-mikorana iray, no maha sarotra ny fanaraha-maso azy io. Tsy azo inoana firy hivadika ho “fikoranana tsy voafehy” ny fiaraha-mikorana vitsy olona kokoa, izay voalamina tsara. — Galatiana 5:21, Byington.
10 Ny fikarohana ataonao dia tsy isalasalana fa hampipoitra fanontaniana hafa, toy ny hoe: Hisy olon-dehibe kristianina matotra ve ao amin’ilay fiaraha-mikorana? Iza tokoa no mandamina azy io? Ny hampiroborobo fiarahana mahasoa ve no zava-kendrena amin’ilay fiaraha-mikorana, sa ny hahazoan’olona iray tombony? Misy fameperana ve ny amin’ny hoe iza no mahazo mankany? Raha mandritra ny faran’ny herinandro ilay fiaraha-mikorana, hifarana amin’ny fotoana araka ny antonony ve ilay izy mba hahafahan’izay tonga eo handray anjara amin’ny fanompoana kristianina ny ampitso? Raha misy mozika sy dihy ao, hifanaraka amin’ny fari-pitsipika kristianina ve ilay izy? (2 Korintiana 6:3). Mety ho tsy mora ny mametraka fanontaniana toy ireo. Hoy anefa ny fampitandreman’ny Ohabolana 22:3: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” Eny, azonao atao ny manalavitra toe-javatra mampidi-doza, amin’ny fampiasanao ny fahaizanao mandinika.
Fahaiza-manavaka eo amin’ny fandaharana mialoha ny fianarana hataonao
11. Ahoana no ahafahan’ny tanora mampiasa ny fahaizany mandinika, eo amin’ny fanomanana ny hoaviny?
11 Milaza ny Baiboly fa fahendrena ny manomana ny hoavy. (Ohabolana 21:5). Moa ve ianao sy ny ray aman-dreny efa niara-nidinika momba ny hoavinao? Angamba ianao mikasa ny hiditra ao amin’ny fanompoana manontolo andro, amin’ny maha mpisava lalana. Raha ny marina, dia tsy misy asa fidina izay hitondra fahafaham-po kokoa noho io asa io. Raha mamboly fahazarana tsara mianatra ianao, ka mampitombo fahaizana eo amin’ny fanompoana, dia manomana ny tenanao ho amin’io asa mampientanentana io ianao. Efa noeritreretinao ve ny hoe ahoana no hamelomanao tena rehefa hanao ilay fanompoana? Raha mifidy ny hanorina tokantrano ianao amin’ny hoavy, ho afaka ny hiantsoroka io andraikitra fanampiny io ve ianao? Tsy maintsy mampiasa fahaiza-mandinika ianao mba handraisana fanapahan-kevitra voalanjalanja sy mijery ny zava-misy, raha ny amin’ireo zavatra ireo.
12. a) Ahoana no nifidianan’ny fianakaviana sasany ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny fiovan’ny toe-karena? b) Moa ve ny fanaovana fianarana fanampiny voatery hifanipaka amin’ny fametrahana ho tanjona ny asan’ny mpisava lalana? Hazavao.
12 Any amin’ny toerana sasany, dia mbola azo atao ny miofana eo am-perinasa, eo amin’ny sehatry ny fahaizana na ny anton’asa mahasoa iray. Misy tanora mianatra ny fandraharahan’ny fianakaviany, na mahazo fiofanana avy amin’ny namany olon-dehibe izay manana fandraharahana. Ny hafa kosa manao fianarana any an-tsekoly, izay hahasoa azy mba hitadiavany fivelomana any aoriana. Any amin’ny toerana tsy ahafahana manao zavatra toy izany, ny ray aman-dreny izay efa nandinika tsara dia mety hanao fandaharana mba hanaovan’ny zanany fianarana fanampiny, rehefa vita ny any amin’ny lise. Tsy mifanipaka amin’ny fametrahana ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany akory ny fandaharana mialoha toy izany, izay atao mba hahafahana hiantsoroka ny andraikitr’olon-dehibe, ary indrindra indrindra mba hahafahana handray anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, mandritra ny fotoana maharitra. (Matio 6:33). Ary tsy misakana ny firotsahana amin’ny asan’ny mpisava lalana ny fanaovana fianarana fanampiny. Naniry hatramin’ny ela ny hanao ny asan’ny mpisava lalana, ohatra, ny tovovavy Vavolombelona iray. Rehefa nahavita ny fianarany tany amin’ny lise izy, ny ray aman-dreniny, izay mpisava lalana maharitra, dia nanao fandaharana mba hanaovany fianarana fanampiny. Afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana ilay tovovavy, no sady nianatra. Ankehitriny izy dia manana fahaizana izay ahafahany mamelon-tena no sady manohy ny asan’ny mpisava lalana.
13. Ahoana no tokony hanombanan’ny fianakaviana ny ho vidin’ny fianarana fanampiny?
13 Raha ny amin’ny fianarana fanampiny, dia manan-jo sy manana andraikitra handray ny fanapahan-keviny manokana ny fianakaviana tsirairay. Mety hahasoa ny fianarana toy izany, rehefa fidina tsara. Mety ho fandrika koa anefa izany. Raha mieritreritra ny hanohy fianarana toy izany ianao, inona no zava-kendrenao? Ny hanomana ny tenanao hiantsoroka ny andraikitr’olon-dehibe amin’ny fomba mendri-kaja ve? Sa ianao “mitady zavatra lehibe ho anao”? (Jeremia 45:5; 2 Tesaloniana 3:10; 1 Timoty 5:8; 6:9). Ahoana ny amin’ny fandrantoana fianarana fanampiny, lavitra ny misy anao, angamba amin’ny fipetrahana any amin’ny oniversite? Ho fahendrena ve izany, rehefa heverina ny fampitandreman’i Paoly hoe “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”? (1 Korintiana 15:33; 2 Timoty 2:22). Tadidio koa fa “efa fohy ny andro”. (1 Korintiana 7:29). Manao ahoana ny habetsahan’ny fotoana hatokanao ho amin’izany fianarana izany? Moa ve izany handany ny ampahany lehibe amin’ireo taonan’ny fahatanoranao? Raha izany no izy, ahoana no hampiharanao ny fampirisihan’ny Baiboly mba ‘hahatsiaro ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao’? (Mpitoriteny 12:1). Ankoatra izany, moa ve ilay fianarana hamela anao hanam-potoana ho amin’ny asa kristianina tena lehibe, toy ny fanatrehana fivoriana, ny fanompoana eny amin’ny saha, sy ny fianarana manokana? (Matio 24:14; Hebreo 10:24, 25). Raha matsilo ny fahaizanao mandinika, dia tsy hanadino na oviana na oviana ireo tanjona ara-panahy ianao, rehefa miara-manomana ny hoavinao ianao sy ny ray aman-dreninao.
Fihazonana ho mendri-kaja ny fiarahana alohan’ny fanambadiana
14. a) Foto-pitsipika inona avy no tokony hitarika ny olon-droa izay miaraka alohan’ny fanambadiany, raha ny amin’ny fifanehoany firaiketam-po? b) Ahoana no nampisehoan’ny olon-droa sasany fa tsy ampy fahaiza-manavaka izy ireo teo amin’io lafiny io?
14 Sehatra iray hafa ilana ny fahaizanao mandinika, ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Ara-dalàna tsotra izao raha maniry haneho ny firaiketam-ponao amin’ilay olon-tianao ianao. Niharihary fa nifaneho firaiketam-po ilay olon-droa nadio fitondran-tena resahina ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, talohan’ny fanambadiany. (Tonon-kiran’i Solomona 1:2; 2:6; 8:5). Amin’ny andro ankehitriny, dia misy olon-droa miaraka, izay mety hihevitra toy izany koa fa mety ny mifampitantana, ny mifanoroka, sy ny mifamihina, indrindra fa rehefa toa antomotra ny fampakaram-bady. Tadidio anefa fa “izay matoky ny fony dia adala”. (Ohabolana 28:26). Mampalahelo fa olon-droa maromaro no tsy nanana fahaiza-manavaka, ka nampiditra ny tenany tao anatin’ny tarehin-javatra nitondra fakam-panahy ho azy ireo. Nihamafy ny fanehoana firaiketam-po ka nanjary tsy voafehy; fanaovan-javatra maloto no vokatr’izany, ary tonga hatramin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy mihitsy aza.
15, 16. Inona avy no fitandremana araka ny antonony azon’ny olon-droa atao, mba hahazoana antoka fa hitoetra ho manan-kaja ny fiarahany alohan’ny fanambadiana?
15 Raha miaraka amin’ilay ho vadinao ianao, dia haneho fahendrena raha manalavitra ny fiarahana irery aminy, ao anatin’ny tarehin-javatra tsy mety. Koa mety ho tsara indrindra raha mankamamy ny fiarahanareo ianareo roa, eo anivon’ny antokon’olona iray na eny imason’olona. Misy olon-droa mangataka olon-kafa iray hiaraka aminy. Diniho koa ireto teny ao amin’ny Hosea 4:11 ireto: “Divay [sy] ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.” Mety hanimba ny fahaiza-mitsara zavatra ny zava-pisotro misy alkaola, ka hitarika ny olon-droa hanao zavatra izay hanenenany any aoriana.
16 Hoy ny Ohabolana 13:10: “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; fa ao amin’ny [fiaraha-mihevitra, NW ] no misy fahendrena.” Eny, ‘miaraha mihevitra’, ka diniho ny fomba hitondranareo tena. Asio fetra ny fanehoana firaiketam-po, ka samia manaja ny fihetseham-po sy ny feon’ny fieritreretan’ny ankilany. (1 Korintiana 13:5; 1 Tesaloniana 4:3-7; 1 Petera 3:16). Mety ho sarotra ny miresaka momba io foto-kevitra saro-pady io eo am-boalohany, kanefa misakana ny fipoiran’ny olana lehibe any aoriana izany.
Nampianarina ‘hatry ny fony mbola tanora’
17. Ahoana no nanaovan’i Davida an’i Jehovah ho ‘tokiny hatry ny fony izy mbola tanora’, ary inona no fianarana azon’ny tanora ankehitriny raisina avy amin’izany?
17 Tsy maintsy ho mailo tsy an-kijanona ianao, ary indraindray tsy maintsy ho be herim-po, mba hanalavirana ny fandrik’i Satana. Misy fotoana indraindray mety hiheveranao tena ho miady amin’izao tontolo izao manontolo, fa tsy amin’ireo tanora toa anao ihany. Hoy ny vavaka nataon’i Davida mpanao salamo: “Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.” (Salamo 71:5, 17).c Fanta-daza noho ny herim-pony i Davida. Oviana anefa no nanombohany nanana izany? Hatry ny fony izy mbola tanora! Na dia talohan’ilay fifandonany nalaza tamin’i Goliata aza, dia naneho herim-po niavaka i Davida, rehefa niaro ny andian’ondrin-drainy, ka namono liona iray sy orsa iray. (1 Samoela 17:34-37). I Jehovah anefa no nomen’i Davida ny voninahitra feno noho izay rehetra nety ho herim-po nasehony, ka nantsoiny hoe “tokiko hatry ny fony aho mbola tanora” i Jehovah. Nahatonga an’i Davida ho afaka hiatrika izay nety ho fisedrana tojo azy, ny fahaizany niantehitra tamin’i Jehovah. Ho hitanao koa fa raha miantehitra amin’i Jehovah ianao, dia hanome anao ny herim-po sy ny tanjaka ‘handresena izao tontolo izao’ izy. — 1 Jaona 5:4.
18. Inona no fampirisihana omena ny tanora tia an’Andriamanitra ankehitriny?
18 Tanora an’arivony maro tahaka anao no sahy nijoro tamin-kerim-po, ka tonga mpitory ny vaovao tsara vita batisa ankehitriny. Misaotra an’Andriamanitra izahay noho ny finoana sy ny herim-po asehonareo tanora! Aoka ianareo ho tapa-kevitra hatrany ny handositra ny fahalotoan’izao tontolo izao. (2 Petera 1:4). Ampiasao hatrany ny fahaizanareo mandinika voataiza araka ny Baiboly. Hiaro anareo dieny izao amin’ny loza ny fanaovana izany, ary hahatonga ny famonjena anareo ho azo antoka, amin’ny farany. Eny tokoa, hanao izay hahombiazan’ny fiainanareo ianareo, araka ny hasehon’ny lahatsoratra farany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Ataoko mba Handraisan’ny Tenako Mihitsy ny Fahamarinana?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 1998.
b Mirakitra fanazavana maro be momba io foto-kevitra io, ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiaraha-miala Voly — Ankafizo Ireo Soa Atolony, Halaviro Ireo Fandrika Entiny”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1992.
c Ny Salamo faha-71 dia toa tohin’ny Salamo faha-70, izay fantatra ho salamo nataon’i Davida, araka ilay teny mampiditra azy io.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Ahoana no izaran’ny tanora iray mampiasa ny fahaizany mandinika?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora iray mampiasa ny fahaizany mandinika, raha ny amin’ny fandehanana ho any amin’ny fiaraha-mikorana kristianina?
◻ Lafin-javatra inona avy no azo dinihina, rehefa manao fandaharana mialoha ny amin’ny fianarana hatao?
◻ Ahoana no ahafahan’ny olon-droa manalavitra ny fandriky ny fahalotoam-pitondran-tena, mandritra ny fiarahany alohan’ny fanambadiana?
[Sary, pejy 15]
Hanampy anao ho zatra hampiasa ny fahaizanao mandinika, ny fianarana manao fikarohana
[Sary, pejy 16]
Mora arahi-maso kokoa ny fiaraha-mikorana vitsy olona kokoa, ary tsy azo inoana firy hivadika ho korana anaranam-po tsy voafehy
[Sary, pejy 16]
Tokony hanampy ny zanany eo amin’ny fandaharana mialoha ny fianarana hataony, ny ray aman-dreny
[Sary, pejy 17]
Fiarovana ny fiarahana eo anivon’ny antokon’olona iray