Hevitra mahaliana ao amin’ny Baiboly — Salamo 42 ka hatramin’ny 72
Aoka isika hiantehitra amin’i Jehovah
Afaka mampiseho fiaretana ireo mpanompon’i Jehovah rehefa sedraina ny finoany, satria Andriamanitra no fialofany sy Ilay manafaka azy ireo. Izany no miharihary tsara tokoa amin’ny boky faharoan’ny Salamo. Eny, ny Salamo 42 ka hatramin’ny 72 dia manaporofo fa afaka miaritra isika raha miandry izay hataon’i Jehovah ho antsika, sady miantehitra aminy ao amin’ny vavaka.
“Manantenà an’Andriamanitra”
Mba vakio ny Salamo 42 ka hatramin’ny 45. Ory ny Levita babo iray tsy afaka nankany amin’ny fitoerana masin’i Jehovah, kanefa vonona ny ‘hiandry ny hanafahan’Andriamanitra’ azy izy (Salamo 42, 43). Manaraka izany ny vavaka amin-kafanam-po iray ho an’ny firenena iray mahita loza, angamba fanasiana fitenenana ny nanafihan’i Asyria ny Joda tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia (Salamo 44). Rehefa avy eo, ny hiram-pampakaram-badin’ny mpanjaka dia mampahatsiahy ny Mesia, Jesosy Kristy. — Salamo 45.
◆ 42:1 — Tamin’ny heviny ahoana moa ny mpanao salamo no tahaka ny “diera mihanahana maniry ny rano an-ony”?
Noho ny antony tsy fantatra, dia tany amin’ny fahababoana ilay Levita. Nalahelo aoka izany ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny fitoerana masin’i Jehovah izy ka nahatsiaro tena ho toy ny dieravavy voa mafy sy matin-ketaheta maniry fatratra rano mandeha ao amin’ny faritra karankaina. ‘Nangetaheta’ — naniry fatratra — an’i Jehovah sy ny tombontsoa hivavaka taminy tao amin’ny Fitoerany masina izy. — Andininy faha-2.
◆ 45:1 — “Teny [zavatra, MN ] tsara” inona no nampiboiboika ny fon’ny mpanao salamo?
Ny tapany tamin’io salamo io dia nampiharina tamin’i Jesosy Kristy (Salamo 45:6, 7; Hebreo 1:8, 9). Niboiboika àry ny fon’ilay mpanao salamo rehefa nieritreritra zavatra iray hiseho amin’ny ho avy: ny fanorenana ny Fanjakana mesianika amin’ny 1914. Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatsiaro ho voatosika hanambara izany “zavatra tsara” izany.
Fianarana ho antsika: Izay nitranga tamin’ilay mpanao salamo tany amin’ny fahababoana dia tokony hanosika antsika hankamamy amin’ny fomba feno ny fiarahana amin’ny olon’i Jehovah azontsika atao izao. Raha iharan’ny fanenjehana isika ka misakana antsika tsy hiaraka amin’ireo rahalahintsika ny fidirana an-tranomaizina vetivety, dia afaka misaintsaina ireo fifaliana nandramantsika teo amin’ny asa masina isika, ary tokony hivavaka mba hahafahana hiaritra, sady ‘miandry’ izay hampahitan’Andriamanitra antsika indray ny fiarahana hiasa amin’ireo mpivavaka aminy. — Salamo 42:4, 5, 11; 43:3-5, MN.
Ny fialofantsika feno famindrampo
Vakio ny Salamo 46 ka hatramin’ny 51. Hampitsahatra ny ady Jehovah Fialofantsika (Salamo 46). “Mpanjaka amin’ny tany rehetra” izy ary Andriamanitsika mandrakizay io Mpiaro tsy mety resy io (Salamo 47, 48). Izay ampahorina dia tokony hiankina amin’i Jehovah, fa izay rehetra ‘manatitra fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra (...) dia hanehoana ny famonjen’Andriamanitra’. (Salamo 49, 50.) Raha mibebaka noho ny fahadisoantsika, sahala amin’ny nataon’i Davida taorian’ny fahotany tamin’i Batseba isika, dia hanafaka antsika amin’ny trosan-drantsika Andriamanitra, satria ‘ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba ataony tsinontsinona’. — Salamo 51.
◆ 46:2 — Ahoana no mety ‘hahalevona ny [hiovan’ny, MN ] tany’?
Na dia manjavona ao anaty ranomasina aza ireo tendrombohitra noho ny fiakaran’ny hodi-tany araka ny natiora, ireo izay mitoky amin’i Jehovah dia tsy hanana antony tokony hatahorana mihitsy. Na inona na inona mitranga, dia afaka manana fitokisana tsy azo hozongozonina an’i Jehovah Fialofany, izy ireo.
◆ 51:5 — Ota inona no noeritreretin’i Davida?
Tsy te-hilaza akory izy fa ny firaisan’ny mpivady, ny fananana anaka sy ny fiterahana dia heloka; tsy nanisy fitenenana ny amin’ny heloky ny reniny manokana koa izy. Noho izy taranak’i Adama kosa, dia niaiky ny amin’ny toe-tenany mpanota izy (Joba 14:4; Romana 5:12). Niseho ho namindra fo tamin’i Davida i Jehovah, tsy noho ny fanekena momba ilay Fanjakana ihany, fa noho ilay mpanao salamo nibebaka koa. — II Samoela 7:12-16.
Fianarana ho antsika: Ny Salamo 46 dia tena ho azo ampiharina tokoa amin’ny fotoana nandrahonan’ny Asyriana an’i Jerosalema. Noho ny fahafantarana fa ‘aro sy Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Andriamanitra’, dia nivavaka tamin’i Jehovah i Hezekia mpanjaka, ka novonjena tamin’ny fomba mahagaga ilay tanàna (II Mpanjaka, toko faha-19). Rehefa ao anatin’ny fahoriana isika, dia tokony hanao an’Andriamanitra ho arontsika koa. Ahoana izany? Amin’ny fitokisana aminy sy amin’ny fifikirana hatrany amin’ny Teniny sy ny fandaminany.
Azo antoka ny fanafahana
Vakio ny Salamo 52 ka hatramin’ny 57. Jehovah dia hamongotra ny ratsy fanahy “tsy ho eo amin’ny tanin’ny velona” ary ‘haeliny ny taolan’izay’ rehetra manohitra ny Olony (Salamo 52, 53). Fony izy nenjehin’i Saoly, dia natoky i Davida fa hanafaka azy Andriamanitra, ary rehefa niharam-pahavoazana noho ny famitahana izy, dia nametraka ny entany tamin’i Jehovah (Salamo 54, 55). Vonona hiandry ny hanaperan’Andriamanitra ny fahoriany ilay mpanao salamo. — Salamo 56, 57.
◆ 52:8 — Amin’ny heviny ahoana moa ny marina no toy ny hazo oliva?
Ny hazo oliva dia mety hampiseho ny fahavokarana, ny hatsaran-tarehy sy ny fahamendrehana (Jeremia 11:16; Hosea 14:7). Ao amin’io salamo io, izay mamorona volavolan-kevitra ratsy dia ho tojo fiafarana mampangitakitaka, fa ny marina kosa dia arovana sy ambinina toy ny hazo oliva midoroboka.
◆ 54:1 — Nahoana i Davida no nilaza hoe: “Vonjeo amin’ny anaranao aho”?
Tsy manana hery mifono zava-miafina akory ny anaran’Andriamanitra, fa mety hampiseho ny tenan’Andriamanitra mihitsy. Noho izany, Davida dia niaiky tamin’io vavaka tamin-kafanam-po io fa afaka mamonjy ny Olony Jehovah (Eksodosy 6:1-8). Na dia nampahafantarin’ny Zifita an’i Saoly mpanjaka aza ny toerana niafenan’i Davida, ny fanafihan’ny Filistina ny Isiraely dia nanery an’i Saoly hampitsahatra ny fanenjehany (I Samoela 23:13-29; Salamo 54, filazana eo am-piandohana). Tamin’izany no namonjen’i Jehovah an’i Davida.
Fianarana ho antsika: Namela-pandrika haningotra ny diany ireo fahavalon’i Davida (Salamo 57:6). Izany lavaka izany, famandrihana olona, dia azo inoana fa toe-javatra niseho nampidi-doza sasany na firaisan-tetika mahatandindomin-doza ireo mpanompon’Andriamanitra. Ireo izay manohitra ny olon’Andriamanitra anefa dia mety ho azon’ny haratony ihany. Koa raha miantehitra amin’i Jehovah isika ka maneho fahamalinana, dia azo antoka ny fanafahana antsika. — Ohabolana 11:21; 26:27.
‘Miandrasa mangina’
Vakio ny Salamo 58 ka hatramin’ny 64. Noho ny fiahiana ny hampiharana ny rariny, dia nivavaka i Davida mba hamelezan’ny fanasazian’Andriamanitra ny ratsy fanahy (Salamo 58, 59). Rehefa nadiva ho resy izy, dia nitalaho ny famonjen’Andriamanitra, ary natoky izy fa hanitsakitsaka ireo fahavalony Andriamanitra (Salamo 60). Efa fialofana ho an’i Davida i Jehovah; koa niandry mangina ny famonjena izy (Salamo 61, 62). Rehefa voatery nandositra tany an’efitra i Davida, angamba noho ny fikomian’i Absaloma, dia nahita fifaliana izy ‘tao ambanin’ny aloky ny elatr’Andriamanitra’. (Salamo 63.) Nivavaka koa ilay mpanao salamo mba ho voaro amin’ny “mpanao ratsy” ary natoky izy fa hahita fialofana eo anilan’i Jehovah ny marina. — Salamo 64.
◆ 58:3-5 — Amin’ny heviny ahoana moa ny ratsy fanahy no sahala amin’ny bibilava?
Ny fanambarana feno lainga sy fanendrikendrehana ataon’ny ratsy fanahy dia mety hanimba laza, toy ny poizin’ny bibilava mety hahafaty (Salamo 140:3; Romana 3:13; Jakoba 3:8). Afa-tsy izany koa, ny ratsy fanahy dia “tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadìny”, satria tsy mety mihaino sy manaiky ny fitarihana izy.
◆ 63:3 (MN ) — Nahoana moa no azo atao ny milaza fa “tsara noho ny aina” ny hatsaram-pon’i Jehovah?
Ny fiainana iray tsy misy toerana ho an’Andriamanitra dia tsy tena misy heviny. Nefa kosa ny fitiavan’i Jehovah an’i Davida tamim-pahatokiana dia nameno soa aoka izany ny fiainany. Mitondra fiainana feno heviny foana ho an’ireo mpanompony mahatoky ny fifankazarana amin’Andriamanitra, manome antoka azy ireo ny amin’ny fanampiana sy ny fitarihan’Andriamanitra ary mahatonga azy ireo ho afaka hanantena ny hiaina sambatra mandrakizay.
Fianarana ho antsika: Vonona ny ‘hiandry mangina’ ny hanaovan’Andriamanitra zavatra ho azy i Davida (Salamo 62:1-7, MN ). Noho izy nanaiky ny sitrapon’i Jehovah, dia nahatsiaro tena ho tsy nanana ahiahy izy ary nitoky tamin’i Jehovah tamim-pilaminana tanteraka. Raha matoky an’i Jehovah toy izany isika, “ny fiadanan’Andriamanitra” dia hiaro ny fontsika sy ny saintsika eo am-piandrasana ny hanafahany antsika amin’ny fahavalontsika sy ny fahoriana. — Filipiana 4:6, 7; Salamo 33:20.
Aoka isika hidera an’Ilay manafaka antsika
Vakio ny Salamo 65 ka hatramin’ny 72. Deraina Jehovah noho ny vokatra betsaka, ny ranonorana mivatravatra, ny ahi-maitso mandrobona sy ny andiam-biby maro omeny ny olombelona (Salamo 65). Misy tononkira tokony hatao ho “voninahitry ny anarany”. (Salamo 66.) Tokony hoderaina izy, ary ankalazaina ho “Andriamanitry ny famonjena” izy. (Salamo 67, 68.) Ambara ny fijalian’ny Mesia, ary asandratra ho “Mpanafaka” Jehovah, ho Ilay hanantenan’ny mpanao salamo famonjena (Salamo 69 ka hatramin’ny 71). Hovalian-tsoa ny fitokisana toy izany, satria misy antoka omena fa mandritra ny fanjakana mahatalanjon’i Kristy, ny tany manontolo dia hahita fanambinana sy hafahana amin’ny fampahoriana. — Salamo 72.
◆ 68:11 — Iza no mahaforona ny “antokony lehibe” amin’ny vehivavy?
Ireo lehilahy mpiady isiraelita dia nampiasain’i Jehovah mba handresy ny fahavalo; taorian’izany, ireo vehivavy teo amin’ny Isiraely dia nanambara ny vaovao tsaran’ny fandresena tamin’ny alalan’ny mozika, ny hira sy ny dihy (I Samoela 18:6, 7; jereo Eksodosy 15:20, 21). Nanaraka ny “teny” — na ny baiko — avy amin’i Jehovah ireo lehilahy teo amin’ny Isiraely ka niady tamin’ireo firenena fahavalo izay nipetraka tao amin’ny tany nampanantenaina ka nampifanaritaka azy ireo. Izany dia nanome ho an’ireo vehivavy teo amin’ny Isiraely, vaovao tsara hambara amin’ny endriky ny tononkiram-pandresena. Amin’izao androntsika izao, ireo vehivavy mpitory dia mandray anjara miavaka eo amin’ny fanambarana ilay Fanjakana; manambara ny vaovao tsara momba ny ‘tenin’i Jehovah’ izy ireny, indrindra fa tamin’ny fampahafantarana tamin’ireo firenena fa tsy ho ela izy ireny dia ho babon’ilay Mpanjaka mesianika, Jesosy Kristy.
◆ 69:23 — Nahoana moa Davida no nangataka tamin’Andriamanitra mba hampangozohozo ny valahan’ireo fahavalony?
Rehefa fehezina ireo nofo aman-kozatra mahery eo amin’ny valahana, dia manan-kery lehibe izay veriny raha mangovitra na mangozohozo, angamba noho ny tahotra, ny valahana. Raha nivavaka mba hafahana Davida, dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hanaisotra tamin’ireo fahavalony izany hery ampiasain’izy ireo ho amin’ny ratsy izany.
◆ 72:16 — Milaza inona io vokatra tsara dia tsara io?
Ny hoe “hirondròna tahaka ny any Libanona ny fahavokarany” dia mety hampiseho fa ny voa dia ho vaventy aoka izany sy ho avo dia avo ka ho sahala amin’ny hazo fihinam-boa maitso mavana sy avo any Libanona. Angamba maniry amin’ny tany marin-tampona mifanao ambaratonga hatrany an-tampon-tendrombohitra ny taho lava sy matanjaka nitondra salohy feno voa ka azo noharina tamin’ny sederan’i Libanona, midoroboka sy lehibe. Izany dia manambara vokatra miavaka amin’ny fahatondrahana eo ambany fiandrianan’ny Mesia. Ary ny hoe “ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra” dia mampiseho fa tena ho maro tokoa ireo vahoakan’i Jesosy ho eto an-tany.
Fianarana ho antsika: Nivavaka tamin’izao teny izao ilay mpanao salamo: “Hianao [Jehovah] Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no [enga anie, MN ] hamelona ahy indray.” (Salamo 71:20). Na dia tsy fototry ny fahoriana toy izany aza Andriamanitra, dia mamela antsika hosedraina sy hanome valiny an’ilay mihaika azy, dia ny Devoly (Jakoba 1:13; Ohabolana 27:11). Ataon’i Jehovah izay tsy hakana fanahy antsika mihitsy mihoatra noho izay mety ho zakantsika, ary afaka manampy antsika handresy ireo fitsapana izy amin’ny fanomezana antsika finoana matanjaka (I Korintiana 10:13; I Petera 1:6, 7). Ireo kristiana voahosotra dia nahita “fahoriana be sady mafy” rehefa nenjehina tao anatin’ny herin’ny Ady Lehibe Voalohany. ‘Novelomin’i Jehovah indray anefa izy ireny tamin’ny 1919; narisika tamin’ny asan’ilay Fanjakana izy ireny, ka taty aoriana dia narahin’ny “olona betsaka”. (Apokalypsy 7:9.) Noho ny nanafahana azy ireny toy izany, dia tena mendrika ny hoderaina ilay Mpanafaka Lehibe.
Mila finoana isika mba hiandrasana ny hanaovan’Andriamanitra zavatra ho antsika. Mety ho tsy maintsy miandry mangina isika, satria tsy misy na inona na inona azontsika atao mba hanatsarana ny toerantsika. Ho afaka hiaritra anefa isika, sahala amin’ny nataon’ireo mpanao salamo, raha vonona ny hiantehitra amin’i Jehovah.