Ny fomba fanariana ny resadresa-poana manimba
“Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ny vavako; ambeno ny varavaran’ny molotro.” — SALAMO 141:3.
1. Inona avy ireo fahafahana ananan’ny atidoha izay nomen’Andriamanitra antsika?
NOMEN’I Jehovah taova mahatalanjona tokoa isika: ny atidoha. Niresaka ny amin’izy io toy izao ilay boky hoe Ilay milina mahagaga (anglisy): “Na dia ny ôrdinatera faran’izay ary fomba aza dia tsizarizary raha oharina amin’ny atidohan’ny olombelona be kojakojany sy mahay manovaova asa tsy hita fetra (. . .). Mampita fanazavana maro be mampitolagaga ireo mpandefa baiko an-tapitrisany maro mivoaka tsy tapaka avy ao amin’ny atidoha. Mandefa filazana ho ao anatiny sy any ivelan’ny tenanao izany (. . .). Raha mbola mikarakara sy mamakafaka ireo fanazavana ireo mpanome baiko hafa, dia miteraka fihetseham-po, fahatsiarovana, hevitra na volavolan-kevitra mitarika ho amin’ny fanapahan-kevitra izy ireo. Saika avy hatrany ireo mpanome baiko avy amin’ny atidohanao dia milaza amin’ny faritra hafa amin’ny tenanao izay tokony hataony (. . .). Miaraka amin’izany koa, tsy tsapanao akory, dia mifehy ny fisefonao sy izay raketin’ny ranao ary ny hafananao sy ny fiasan’ny tenanao hafa tena lehibe ny atidohanao.” — Pejy faha-326.
2. Fanontaniana inona no mendrika hoheverina izao?
2 Tsy azo lavina fa tsy tokony hampiasaintsika na oviana na oviana ho toy ny fanariam-pako io fanomezana tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra io. Hampiasa ny atidohantsika amin’ny fomba ratsy anefa isika raha mihaino ka mampiely resadresa-poana manimba. Ahoana no azontsika anariana io karazana teny io sy anampiana ny hafa hanao toy izany koa?
Aoka isika hankamamy ny fahaizana ara-tsaina izay nomen’Andriamanitra antsika
3. Nahoana ny kristiana marina no tsy maniry hihaino na hanely resadresa-poana manimba na oviana na oviana?
3 Raha mankamamy ny fahaizana ara-tsaina nomen’Andriamanitra antsika isika, dia tsy hihaino na hampiely resadresa-poana manimba mihitsy. Azo antoka fa ny fanahin’i Jehovah dia tsy hamporisika olona hihaino resadresaka toy izany na hampiasa ny lelany andratrana na iza na iza. Milaza kosa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny.” (Isaia 55:7). Feno hevi-dratsy ny sain’ny ratsy fanahy, ary mailaka izy manendrikendrika ny olona mahitsy. Tsy azo saintsainina anefa ny handrenesana teny toy izany avy amin’ny vavan’ireo mihevitra ho zava-dehibe ny saina izay nomen’Andriamanitra azy.
4. Raha ankamamintsika ny atidohantsika sy ny fahafahantsika miteny, dia hampiasaintsika ho amin’inona ny saintsika sy ny lelantsika?
4 Raha mankamamy ny saintsika sy ny lelantsika araka izay mety isika, dia tsy hampiasa izany mba hanomezana fahafaham-po ny nofontsika tsy tanteraka. Hotanantsika ho ambony hatrany kosa ny fisainantsika sy ny teny ataontsika. Afaka manary ny resadresa-poana manimba isika amin’ny fianteherana ao amin’ny vavaka amin’Ilay manana fisainana ambony lavitra noho ny antsika. Manome izao torohevitra izao ny apostoly Paoly: “Na inona na inona marina [fa tsy diso na manendrikendrika], na inona na inona manan-kaja [izany hoe tsy misy fahambaniana], na inona na inona mahitsy [fa tsy masiaka na manimba], na inona na inona madio [fa tsy manala baraka na be ahiahy], na inona na inona mahate-ho-tia [fa tsy feno fankahalana na mampietry], na inona na inona tsara laza [fa tsy ratsy laza], raha misy hatsaram-panahy [fa tsy fahazaran-dratsy], ary raha misy dera [fa tsy zavatra voaheloka], dia hevero izany.” — Filipiana 4:8.
5. Inona no hitan’ireo kristiana sy reny ny amin’i Paoly?
5 Nanampy toy izao i Paoly: “Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” (Filipiana 4:9). Inona no hita sy ren’ireo nanoratan’i Paoly raha ny amin’ny tenany? Zavatra madio sy mampandroso. Tsy nitantara taminy ny fifosana farany mikasika an’i Lydia na i Timoty izy. Azo antoka fa tsy nihaino na nampiely tsaho mikasika ny loholona tao Jerosalema i Paolya. Azo inoana fa nanampy azy hanary izay mety ho resadresa-poana manimba ny fanajany ny saina nomen’Andriamanitra azy. Raha tena mankamamy ny saina sy ny lela izay nomen’i Jehovah antsika isika, dia hanaraka ny ohatra navelany.
Aoka isika hanaja an’Andriamanitra sy ny Teniny
6, 7. a) Ahoana no teny ilazalazan’i Jakoba ny vokatry ny lela tsy voafehy? b) Inona no tsy hitranga raha manaja an’Andriamanitra sy ny Teniny isika?
6 Ny fanajana amim-pahatsorana an’Andriamanitra sy ny Teniny masina dia hanampy antsika koa handroaka ny resadresa-poana manimba. Eny, hanampy antsika hanaraka ny torohevitr’i Jakoba mpianatra izay nanakiana ny lela io fanajana io (Jakoba 3:2-12). Raha afaka mifehy ny lelany ny olona iray, dia hahay hifehy ny tenany manontolo izy toy ny amelan’ny vin-damboridy eo amin’ny vavan-tsoavaly itarihana azy. Toy ny ahafahan’ny pitik’afo kely mampirehitra ala, dia toy izany koa ny rantsana kely toy ny lela dia mety ho lasa afo mandoro ny kodian’ny fiainana. Afaka mamolaka ny biby dia, ny vorona ary ny biby mandady sy ny biby any anaty ranomasina ny olombelona, “fa tsy misy olona mahafolaka ny lela”, hoy ny nosoratan’i Jakoba. Tsy fialan-tsiny anefa izany mba tsy hiezahana hanary ny resadresa-poana manimba.
7 Nampian’i Jakoba fa mamoaka ny fisaorana sy ny fanozonana avy amin’ny vava iray ihany ny lela. Tsy mety izany, satria tsy mamoaka rano mamy sy rano mangidy miaraka ny loharano iray. Tsy afaka mamoa voan’oliva ny aviavy iray, ary tsy mamoaka rano mamy koa ny rano masirasira. Marina fa raha mbola tsy tanteraka ny kristiana, dia tsy ho afaka ny hifehy tanteraka ny lelany. Tokony hamindra fo amin’ireo nanafintohina mibebaka àry isika, kanefa izany dia tsy manala tsiny velively ny resadresa-poana manimba. Raha tena manaja an’Andriamanitra sy ny Teniny isika, dia hataontsika izay rehetra azo atao mba tsy hananana lela feno poizina intsony.
Ny fanampian’ny vavaka
8. Ahoana no mety hanampian’ny vavaka antsika hanary ny resadresa-poana manimba?
8 Mety ho tena mahery ny fakam-panahy hihaino resadresa-poana manimba ka avy eo dia hanely izany. Raha resin’izany fakam-panahy izany àry ianao tamin’ny lasa, moa ve ianao tsy tokony hangataka amin’Andriamanitra hamela sy hanampy anao? Nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy: “Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” (Matio 6:13). Ireo kristiana izay mivavaka amim-pahatsorana amin’Andriamanitra mba tsy hamela azy hanao resadresaka mampitsiriritra, nefa ratsy toy izany, dia tsy ho latsaka ao amin’io hafetsen’i Satana io; ho voaro amin’ilay mpanendrikendrika lehibe izy ireo.
9. Raha alaim-panahy hanendrikendrika olona isika, vavaka inona no ho azontsika atao?
9 Raha voan’ny fakam-panahy hanendrikendrika olona isika, dia afaka manao ity vavaka ity: “Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ny vavako; ambeno ny varavaran’ny molotro.” (Salamo 141:3). Mety hamoy izay rehetra mety ho fanantenana fiainana mandrakizay isika raha resin’ny fakam-panahy ka manahaka ny Devoly amin’ny fahatongavana ho mpanendrikendrika feno fankahalana, sy mpandainga ary mpamono olona (Jaona 8:44). Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.” — 1 Jaona 3:15.
Mandroaka ny resadresa-poana ny fitiavana
10. Toy izay hanao resadresa-poana mikasika ny hafa, trosa inona moa no tokony haloantsika aminy?
10 Ananan’ny hafa trosa daholo isika rehetra, nefa azo antoka fa tsy fankahalana izay miteraka resadresa-poana manimba. “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany”, hoy ny nosoratan’i Paoly (Romana 13:8). Tokony honerantsika isan’andro izany trosa izany, fa tsy hiteny ratsy ny hafa na handoto ny lazany isika. Tsy afaka manendrikendrika ny iray amin’ny namantsika ao amin’ny finoana isika raha milaza fa tia an’i Jehovah, satria “izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?” — 1 Jaona 4:20.
11. Mampianatra antsika inona momba ny resadresa-poana moa ny fanoharana nomen’i Jesosy mikasika ny ondry sy ny osy?
11 Ao amin’ny fanoharana nataony mikasika ny ondry sy ny osy, Jesosy dia nilaza tamin’ireo olona azo oharina amin’ny osy fa izay nataony tamin’ireo rahalahiny dia taminy no nanaovany izany. Hanao resadresa-poana mikasika an’i Kristy ve ianao? Raha tsy te-hiteny ratsy ny Tomponao sady Mpampianatra anao ianao, dia aza miteny ratsy ny rahalahiny voahosotra. Aza manao fahadisoana mitovy amin’ireo osy, izay “ho any amin’ny fanafoanana mandrakizay”. Raha tia ireo rahalahin’i Jesosy ianao, dia asehoy amin’izay lazainao mikasika azy izany. — Matio 25:31-46, MN.
12. Inona no ventin-kevitra voalaza ao amin’ny Ohabolana 16:2, ary inona no tokony ho herin’izany eo amin’ny fisainantsika, ny asantsika ary ny tenintsika?
12 Noho isika rehetra mpanota sy mila ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia hanan-javatra maro holazaina izay ta-hanao fanamarihana mahasosotra momba antsika (1 Jaona 2:1, 2). Miharihary fa mety ho somary afa-po amin’ny tenantsika isika. “Ataon’ny olona ho madio avokoa ny làlana rehetra alehany; fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.” Tsy nodisoin’ny fiangarana na ny fizahan-tavan’olona akory ny mizanan’Andriamanitra (Ohabolana 16:2; Asan’ny apostoly 10:34, 35). Lanjain’i Jehovah ny saintsika, dinihiny ny fironantsika sy ny antony manosika antsika hisaina, hanao zavatra na hiteny toy ny ataontsika. Tsy irintsika tokoa ny hahatonga an’Andriamanitra hahita fa amin’ny fomba diso dia mihevi-tena ho madio isika ary mihevitra ny hafa ho maloto ka mendrika ny hahazo fanamarihana mandratra. Sahala amin’i Jehovah, dia tokony haneho tsy fizahan-tavan’olona sy famindrampo ary fitiavana isika.
13. a) Amin’ny ahoana ny maha-‘mahari-po sy mora fanahy ny fitiavana’ no afaka manampy amin’ny fanariana ny resadresa-poana manimba? b) Lafiny inona avy amin’ny fitiavana no hanakana antsika tsy hanaratsy olona nahazo tombontsoam-panompoana tsy ananantsika?
13 Ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-8 i Paoly dia manonona hevitra izay mety hanampy antsika hanary ny resadresa-poana manimba. Izao no nosoratany: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy.” Mety hisy kristiana izay iharan’ny fanenjehana ao anatin’ny tokantrano voazarazara tsy hiarahaba antsika amim-pifaliana. Na koa, angamba votsa ny sasany noho ny tsy fahasalamana, ohatra. Moa ve ny fitiavana tsy tokony hanosika antsika hahari-po sy ho mora fanahy amin’ireny olona ireny, fa tsy hanakiana azy? ‘Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo.’ Noho izany, raha misy kristiana mahazo tombontsoam-panompoana izay tsy ananantsika, ny fitiavana dia hanakana antsika tsy hanaratsy azy na hilaza fa tsy antonona ny asa nampiandraiketina azy izy. Ny fitiavana koa dia hanakana antsika tsy hirehareha amin’izay vitantsika, ka hanambany amin’izany ireo tsy manana tombontsoa kokoa.
14. Lafin’ny fitiavana hafa inona avy no manan-kery eo amin’ny fomba firesatsika ny hafa?
14 Nilaza koa i Paoly fa ‘ny fitiavana tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo’. Toy izay hanao resadresaka mahamenatra izay tsy mendrika ny kristiana, dia tokony havelantsika ny fitiavana hanosika antsika hiresaka zavatra tsara ny amin’ny hafa sy hitady ny tombontsoany. Izany fihetsika izany dia hanakana antsika tsy ho sosotra sy hiteny ratsy ny hafa noho ny fahavoazana tena nisy na an’eritreritra fotsiny. Koa satria ‘ny fitiavana tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana kosa’, dia hitana antsika tsy hanao resadresa-poana manimba izany, na dia mikasika fahavalo iharan’ny tsy rariny aza.
15. a) Inona no tokony ho herin’ny ‘fitiavana mino sy manantena ny zavatra rehetra’ eo amintsika? b) Inona no hanampy antsika hifikitra hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah, na dia manaratsy azy aza ny sasany?
15 ‘Mino sy manantena ny zavatra rehetra’ lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny fitiavana; manampy antsika hankamamy ny sakafo ara-panahy omen’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky” sy tsy hanongilan-tsofina amin’ny fanambarana feno lainga sy fanalam-baraka ataon’ny mpivadi-pinoana izany (Matio 24:45-47; 1 Jaona 2:18-21). Koa satria ‘ny fitiavana maharitra ny zavatra rehetra ary tsy ho levona mandrakizay’, dia manampy antsika koa izy tsy hivadika hatrany amin’ny fandaminan’Andriamanitra na dia misy aza “rahalahy sandoka” na olon-kafa manaratsy azy na ny mpikambana ao aminy. — Galatiana 2:4.
Manosika hanary ny resadresa-poana ny fanajana
16. Ahoana no nitondran’ny rahalahy sandoka tany Korinto an’i Paoly?
16 Manampy antsika hanary ny resadresa-poana manimba koa ny fanajana ireo namantsika kristiana. Koa satria Andriamanitra mankasitraka azy, dia tsy tokony hanakiana azy ireny isika. Aoka isika tsy hanahaka na oviana na oviana ireo “rahalahy sandoka” nifanehatra tamin’i Paoly. Miharihary fa nanao resadresaka ratsy momba azy izy ireo (2 Korintiana 11:26). Tsy maintsy nanala baraka azy koa ny mpivadi-pinoana maro (jereo Joda 3, 4). Tany Korinto, dia nilaza toy izao ny sasany: ‘Fa ny epistiliny dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.’ (2 Korintiana 10:10). Tsy anaovana fanamarihana toy izany ny olona tiana.
17. Karazan-dresaka inona no nataon’i Diotrefa ny amin’ny apostoly Jaona?
17 Aoka hojerentsika ny nanjo ny apostoly Jaona izay noharatsin’i Diotrefa. “Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho, hoy i Jaona; nefa Diotrefa izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. Koa amin’izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy.” (3 Jaona 9, 10). Tena ratsy ny fifosana toy izany; raha ny amintsika, raha mihaino na manely resaka toy izany isika, dia tokony hitsahatra tsy hanao izany avy hatrany.
18. Amin’ny ahoana no mifanohitra amin’ny fihetsik’i Demetrio ny an’i Diotrefa, ary tokony hisy vokany inona eo amin’ny fitondrantenantsika izany fifanoherana izany?
18 Raha namporisika ny hanajana izay mahitsy i Jaona, dia nilaza izao tamin’i Gaio izy: “Aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra. Demetrio dia tsara laza amin’ny olona rehetra sy amin’ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.” (3 Jaona 1, 11, 12). Afaka manontany tena toy izao ny tsirairay amintsika: Moa ve aho Diotrefa mpanaratsy, sa Demetrio mahatoky? Raha manaja ireo namantsika kristiana isika dia tsy hanao fanamarihana mahasosotra momba azy ka hanome ny hafa antony iheverana antsika ho mpanaratsy.
19. Tamin’ny fomba ahoana no nitadiavan’ny rahalahy sandoka hanala baraka an’i Charles Russell?
19 Tsy tamin’ny taonjato voalohany ihany akory no nisy rahalahy sandoka. Nandritra ireo taona 1890, dia nisy olona maty eritreritra nikambana tamin’ny fandaminan’Andriamanitra nanandrana nandrombaka ny fitantanana ny Fikambanana Watch Tower. Nanao teti-dratsy hanoherana an’i Charles Russell izy ireo noho ny fikendreny hamarana ny fanendrena azy amin’ny maha-prezidàn’ny Fikambanana voalohany azy. Rehefa nikotrika nandritra ny roa taona tetika fikomiana, dia nipoaka tamin’ny 1894. Ny fiampangana lainga namelezana an’i Russel dia nikasika indrindra izay nolazaina ho tsy fahamarinany teo amin’ny raharaha. Nasehon’ny sasany tamin’ireny fiampangana tsy nisy antony ireny ny fikasan’ireo mpanao azy: ta-hanala baraka an’i Russell izy ireo. Nisy kristiana tsy nizaha tavan’olona nanao famotopotorana ary tonga tamin’ny famaranan-kevitra fa tsy diso i Russell. Tsy nahomby tanteraka àry ilay fikomiana natao “hanapotika an’Atoa Russel sy ny asany”. Araka izany, sahala amin’ny apostoly Paoly dia notafihin’ny rahalahy sandoka i Russell, nefa hita fa avy tamin’i Satana io fisedrana io ary noheverina ho tsy mendrika ny hifaly amin’ny fiarahana amin’ny kristiana ireo mpikomy.
Mampangina ny resadresa-poana manimba ny asa tsara
20. Fihetsika inona nananan’ny mpitondratena tanora sasany no nampalahelo an’i Paoly?
20 Fantatr’i Paoly fa mifandray matetika amin’ny fidonanaham-poana ny resadresa-poana manimba fa tsy amin’ny fanaovana asa tsara tsy tapaka. Nalahelo izy noho ny nandraisan’ireo mpitondratena tanora fahazarana “mandany ny fotoanany mitety trano; ary ny mbola ratsy aza, hoy ny nanampiny, dia manjary be resaka sy tia mitsofoka amin’ny raharahan’olona izy ka miresaka ny amin’ny raharaha tsy tokony hidirany”. Inona no fanafodiny? Asa mahasoa. Izao no nosoratan’i Paoly: “Koa tiako ny mpitondratena tanora hanambady indray sy hanana zanaka ary hikarakara ny tokantranony, mba tsy hanomezana fahafahana ny fahavalontsika hiteny ratsy antsika.” — 1 Timoty 5:11-14, Français courant.
21. Amin’ny ahoana ny teny ao amin’ny 1 Korintiana 15:58 no manampy antsika hanalavitra ireo fandrika mifandray amin’ny resadresa-poana manimba?
21 Rehefa mitantana ny tokantranony ny vehivavy, mitaiza ny zanany araka ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ary manao asa hafa mendri-kaja, dia kely sisa ny fotoana ananany mba hitenenana na hihainoana teniteny foana izay mety hivadika ho resadresa-poana manimba. Ho kely koa ny fotoana hananan’ny lehilahy hanaovana resaka toy izany raha manokan-tena ho amin’ny asa tsara izy. Raha ‘mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo isika’ dia hanalavitra mora foana ny fandrika mifandray amin’ny resadresa-poana feno haratsiam-panahy (1 Korintiana 15:58). Hifantoka hatrany amin’ny raharaha ara-panahy ny saintsika, indrindra raha mandray anjara amin’ny fo manontolo amin’ny fanompoana kristiana sy ny fivorian’ny kongregasiona ary amin’ny asa mampiseho fitiavam-pivavahana hafa isika, hany ka tsy ho tonga mpanao resadresa-poana tsy manan-katao na olona miraharaha ny an’ny hafa.
22. Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny mpanendrikendrika araka ny Ohabolana 6:16-19?
22 Amin’ny fanaovana asam-pitiavam-pivavahana hatrany sy amin’ny fitadiavana hitondra soa ara-panahy ho an’ny mpiara-belona amintsika, dia ho namana mahatoky isika fa tsy ho mpitaria tsy marina (Ohabolana 17:17). Ary raha manary ny resadresa-poana manimba isika dia hahazo ny Sakaiza tsara indrindra: Jehovah Andriamanitra. Aoka hotsaroantsika fa zavatra fito no fahavetavetana eo imasony: “Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.” (Ohabolana 6:16-19). Manitatra sy manolana ny zava-misy ny mpanao resadresa-poana ary manana lela fandainga ny mpanendrikendrika. Manintona ny mpankafy tantara ny teniny. Saika miteraka fifandirana foana izany. Nefa kosa, raha mankahala izay halan’Andriamanitra isika, dia hanary ny resadresa-poana manimba izay mety hitondra fahavoazana ho an’ny olona mahitsy iray sy hampifaly ilay mpanendrikendrika lehibe, dia Satana Devoly.
23. Ahoana no azontsika ampifaliana ny fon’i Jehovah amin’ny tenintsika?
23 Aoka àry isika hampifaly ny fon’i Jehovah (Ohabolana 27:11). Aoka isika hitandrina tsy hanao resaka ankahalainy, sy handa tsy hihaino fanendrikendrehana ary hanao izay rehetra azontsika atao mba hanariana ny resadresa-poana manimba. Ho vitantsika tokoa izany noho ny fanampian’i Jehovah, ilay Andriamanitsika masina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia amin’izao androntsika izao aza, dia tsy amporisihana ny fihainoana sy ny fanelezana tantara mampitolagaga (matetika tsy marim-pototra mihitsy) ny amin’izay na nolazaina ho nataon’ny mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe na ny solontenany.
Ahoana no havalinao?
◻ Amin’ny ahoana no anampian’ny vavaka antsika tsy hanendrikendrika ny hafa?
◻ Amin’ny ahoana ny fampiharana ny 1 Korintiana 13:4-8 no manampy antsika hanary ny resadresa-poana manimba?
◻ Amin’ny ahoana ny fanajan-tena no manampy antsika hanary izay rehetra mety ho fakam-panahy hiresadresa-poana ny amin’ireo namantsika kristiana?
◻ Amin’ny ahoana ny torohevitra omena ao amin’ny 1 Korintiana 15:58 no manampy antsika hanalavitra ny fandrika mifandray amin’ny resadresa-poana manimba?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Sary nalain’ny sampan-draharaha amerikana momba ny Rano sy ny Ala