“Tsy Mahitsy” ve ny Fomba Fiasan’Andriamanitra?
“DEUS ESCREVE CERTO POR LINHAS TORTAS” (“MARINA NY ZAVATRA soratan’Andriamanitra saingy tsy mahitsy ny tsipika arahiny”). Fitenenana iray mahazatra any Brezila izany. Tian’izany holazaina fa zavatra marina foana no ataon’Andriamanitra, saingy tsy mahitsy ny fahitan’ny olona ny fomba anaovany izany indraindray. Rehefa misy olona maty ao anatin’ny taonan’ny fahavitrihany, ohatra, dia olona maro no manao hoe: ‘Nantsoin’Andriamanitra hody any aminy izy.’ Raha misy mijaly noho ny fahasembanany na miatrika loza iray, dia misy manao fanamarihana hoe: ‘Izany no sitrapon’Andriamanitra.’ Koa satria Andriamanitra no omen-tsiny rehefa misy fahafatesana, fijalian’ny vatana, sy antony mampalahelo hafa, dia toa manondro ireo fitenenana ireo hoe ‘tsy mahitsy soratra’ Andriamanitra, izany hoe tsy takatry ny sain’olombelona ny fomba fanaovany zavatra.
Nahoana ny olona mpivavaka maro no mino fa tompon’andraikitra amin’ny fahafatesana sy ny fahoriana Andriamanitra? Matetika no miorina amin’ny tsy fahazoana ny hevitry ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly izany zavatra inoana izany. Andeha isika handinika vetivety ny vitsivitsy amin’izy ireny.
● “Iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va?” — Eksodosy 4:11.
Midika ve izany fa Andriamanitra no tokony homen-tsiny noho ny fijalian’izay rehetra manana fahasembanana maro samihafa? Tsia. Tsy mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra izany. Hoy ny Baiboly amintsika: “Ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa”. (1 Timoty 4:4). Tsy tokony homen-tsiny izy raha misy teraka jamba, moana, na marenina. Izay hahasoa ny zavaboariny ihany no iriny, satria izy no Loharanon’ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. — Jakoba 1:17.
I Adama sy i Eva, ireo ray aman-drenintsika voalohany, no nifidy ny hikomy tamin’Andriamanitra ka namoy ny fahalavorariany, ary dia tsy afaka niteraka zaza lavorary intsony izy ireo. (Genesisy 3:1-6, 16, 19; Joba 14:4). Rehefa nanambady ka niteraka ireo taranany, dia nihaniseho teo amin’ny olombelona ny tsy fahalavorariana, anisan’izany ny kilema ara-batana. Na dia tsy i Jehovah Andriamanitra aza no nahatonga izany, dia navelany hitranga izany. Noho izany, dia afaka nilaza izy fa ny tenany no ‘nampahamoana, nampaharenina, sy nampahajamba’.
● “Ny [natao, NW ] meloka tsy mety tonga mahitsy”. — Mpitoriteny 1:15.
Andriamanitra ve no nanao ny zavatra ho meloka na tsy mahitsy? Miharihary fa tsia. Hoy ny fanamarihan’ny Mpitoriteny 7:29: “Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.” Hoy ny filazan’ny Contemporary English Version an’io andinin-teny io: “Olo-marina tanteraka isika fony namorona antsika Andriamanitra, saingy voaolana ny fisainantsika izao.” Tsy niaina nifanaraka tamin’ny fari-pitsipika marin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona, na lahy na vavy, fa nifidy an-tsitrapo ny hanaraka izay nokasainy sy notetehiny sy novolavolainy ary izay lalana tiany, ka dia nitondra fahavoazana ho an’ny tenany ihany. — 1 Timoty 2:14.
Afa-tsy izany koa, araka ny nomarihin’ny apostoly Paoly, “izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana”, noho ny fahotan’olombelona. (Romana 8:20). Ary “tsy mety tonga mahitsy” io toe-javatra io, raha avy amin’ny ezak’olombelona fotsiny. Ny fisalovanan’Andriamanitra ihany no hahesotra ireo zavatra tsy mahitsy sy ireo zava-poana rehetra amin’ny raharahan’ny tany.
● “Saino ny asan’Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?” — Mpitoriteny 7:13.
Toy izao io fanontanian’i Solomona Mpanjaka io, raha lazaina amin’ny teny hafa: ‘Iza amin’ny olombelona no mahahitsy ireo kilema sy tsy fahalavorariana avelan’Andriamanitra hisy?’ Tsy misy na dia iray aza, satria misy antony matoa i Jehovah Andriamanitra mamela ireny zavatra ireny hitranga.
Noho izany, dia manoro hevitra toy izao i Solomona: “Amin’ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ny andro mahory mieritrereta; fa nampifanandrifin’Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ny olona akory izay ho avy any aoriany.” (Mpitoriteny 7:14). Tokony ho velom-pankasitrahana ny olona iray rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra ao anatin’ny andro iray, ka haneho ny fankasitrahany amin’ny fifaliana. Tokony hihevitra ny andro mahafaly iray ho fanomezana avy amin’Andriamanitra izy. Ahoana anefa raha mitondra loza ny andro iray? Tsara ny ‘mieritreritra’, izany hoe ny manaiky fa navelan’Andriamanitra hitranga ilay loza. Nahoana izy no nanao izany? Hoy i Solomona: “Mba tsy hahitan’ny olona akory izay ho avy any aoriany.” Inona no hevitr’izany?
Ny famelan’Andriamanitra ny hiatrehantsika fifaliana sy fahoriana dia mampahatsiahy antsika fa tsy afaka milaza izay hoentin’ny hoavy isika. Mety ho tonga na amin’ny olo-marina na amin’ny ratsy fanahy ny loza. Tsy misy olona maningana. Izany dia tokony hahatonga antsika hahatakatra fa zava-dehibe ny mametraka ny fitokisantsika, tsy amin’ny tenantsika, fa amin’Andriamanitra, ka mitadidy fa “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Na dia mety tsy ho takatsika aza izao ny anton’ny zavatra sasany, dia afaka matoky isika fa nokendrena hahasoa ny olona rehetra voakasika izay zavatra navelan’Andriamanitra hitranga, rehefa nizotra hatramin’ny farany ny zava-drehetra.
Tsy hiteraka fahavoazana mandrakizay ho an’ny olona mahitsy fo na oviana na oviana izay zavatra avelan’Andriamanitra hitranga. Nilaza izany mazava toy izao ny apostoly Petera fony izy niresaka momba ny fahoriana nanjo ny mpiray finoana taminy tamin’ny androny: “Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” — 1 Petera 5:10.
Fotoana handaminan-javatra izao
Omen’i Jehovah tanjaka isika mba hiaretantsika ny fisedrana mahazo antsika amin’izao fotoana izao. Mampanantena koa izy fa ‘hanavao ny zavatra rehetra’. (Apokalypsy 21:5). Eny, izao no fikasany: Tsy ho ela ny Fanjakany any an-danitra dia hamerina ny fahasalaman’ireo izay mijaly noho ny fahasembanany, ary hiandraikitra ny fananganana ny maty. Hanafoana ilay tena tsy mahitsy lalana, dia i Satana Devoly, koa io fitondram-panjakana io. (Jaona 5:28, 29; Romana 16:20; 1 Korintiana 15:26; 2 Petera 3:13). Hisy fitahiana tokoa ho an’ny olona matahotra an’Andriamanitra maneran-tany rehefa ho tonga ny fotoana handaminan’Andriamanitra ny zava-drehetra!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Joba Nahare ny Fahavoazany/The Doré Bible Illustrations/Dover Publications