Ny fijanonana ho mpitovo: Fomba fiaina mitondra soa be dia be
‘Afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Nefa sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany.’ — 1 KORINTIANA 7:39, 40.
1. Na manambady isika na tsia, inona no adidy ananantsika eo anatrehan’i Jehovah?
MENDRIKA ny hotompoin’izay rehetra nanolo-tena ho azy amin’ny fanahiny rehetra Jehovah. Na manambady àry isika na tsia, dia manana adidy isika ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny saintsika rehetra sy ny herintsika rehetra (Marka 12:30). Marina fa ny kristiana tsy manambady dia tsy mivezivezy saina kokoa eo amin’ny asa ataony ho an’Andriamanitra tahaka ny mahazo ny kristiana manambady. Nefa moa ve mety ho sambatra tanteraka izy?
2, 3. a) Raha fintinina, inona no lazain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:39, 40? b) Fanontaniana inona avy no mendrika ny hodinihina?
2 Eny no avalin’ny apostoly Paoly. Ny amin’ireo izay efa nanambady, nefa niova ny toerany, dia izao no nosoratany: “Ny vavy voafehin’ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 7:39, 40.
3 Koa satria nasehon’i Paoly fa afaka ny ho sambatra ny kristiana tsy manambady, moa ve ny sasany tsy ho afaka hikasa ara-drariny ny hijanona ho mpitovo, fara faharatsiny mandritra ny fotoana sasantsasany? Inona no mitondra fahasambarana ho an’ny kristiana tsy manambady? Ary amin’ny ahoana ny fijanonana ho mpitovo no mety ho fomba fiaina mitondra soa be dia be?
Taona maro maha-mpitovo mitondra soa be dia be
4. Inona moa no mampiavaka ny fahatanorana?
4 Nanao izao fananarana izao i Solomona mpanjaka hendry: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory [amin’ny fahanterana], ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao.” (Mpitoriteny 12:1). Mandritra ny fahatanorana dia matetika ny tena no feno hery sy salama tsara. Tsara tokoa ny hanararaotana izany tombontsoa izany mba hanompoana an’i Jehovah tsy hivezivezy saina! Mety koa ny hanararaotana izany taonan’ny fahatanorana izany mba hahazoana fanandraman-javatra sy tsy fihilangilanana sasany. Mandritra io vanim-potoana io koa anefa ireo tanora eo amin’izao tontolo izao no milalao fitia. Ny fitsapana natao tamin’ny tanora 1079, 18 ka hatramin’ny 24 taona, dia nampiseho fa ny tsirairay avy taminy raha atao ara-keviny dia efa nisetra “zavatra misy nofinofy” fito teo amin’ny fiainany. Izy rehetra dia samy nilazalaza ny niainany tamin’ny fotoana nanadinana azy ireny ho toy ny fitiavana fa tsy ho toy ny filalaovana fitia.
5. Inona avy no fanontaniana manokana mahakasika ny fanambadiana azon’ny tanora apetraka amin’ny tenany amin’ny fomba mahasoa?
5 Ny filazalazana isan-javatra momba ny habetsahan’ny fisarahan-toerana sy ny fisaraham-panambadiana mbamin’ny antony hafa miteraka fisaratsarahan’ny fianakaviana dia mampiseho mazava fa tsy fahendrena ny hanambadiana mbola tanora loatra. Tsy tokony ho dodona hifanerasera sy hanambady àry ireo tanora kristiana izay maneho fahendrena fa hieritreritra tsara ny fomba azony anararaotana, fara faharatsiny ireo taona fanombohan’ny fahatanorany mba hanompoana an’i Jehovah tsy hivezivezy saina. Ry tanora, amin’ny fieritreretana ny toeranao, dia manontania tena toy izao: Matotra eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po ve aho ankehitriny ka vonona ny hihevitra tsara ny fanambadiana? Ampy fanandraman-javatra eo amin’ny fiainana ve aho mba ho vady tsara? Ho afaka hiantsoroka tsara ireo andraikitra entin’ny fanambadiana ve aho ka hitaiza zanaka? Koa satria aho nanolo-tena ho an’i Jehovah, moa ve aho tsy tokony hanome azy ny hery sy ny tanjaka ananako mandritra ny fahatanorako sady tsy ho voasakantsakan’ny andraikitra mifamatotra amin’ny fanambadiana?
Ireo soa entin’ny fijanonana ho mpitovo amim-pahadiovana
6, 7. a) Inona moa no tombontsoa entin’ny fijanonana ho mpitovo amin’ny ankapobeny? b) Ny amin’izany, inona moa no nolazain’ny misionera mpitovo iray nirahina ho any Afrika?
6 Ny kristiana mpitovo dia tsy voatanan’ny adidy ara-panambadiana, ary afaka ‘mahefa be amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Korintiana 7:32-34; 15:58.) Tsy tokony hihevitra manokana lehilahy iray na vehivavy iray ny mpitovo fa afaka mihamalalaka amin’ny fitiavana kristiana amin’ny fiahiana mpikambana maro ao amin’ny kongregasiona, anisan’izany ireo be taona na mila fiheverana voamariky ny fitiavana (Salamo 41:1). Mandrakariva ny kristiana mpitovo dia manana fotoana misimisy kokoa mba hianarana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra (Ohabolana 15:28). Azony atao mora foana ny mitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, mianatra mitoky tanteraka aminy sy mitady ny fitarihany (Salamo 37:5; Filipiana 4:6, 7; Jakoba 4:8). Ny mpitovo iray izay nanompo an’i Jehovah tamin’ny naha-misionera tany Afrika nandritra ny taona maro dia nilaza toy izao indray andro:
7 “Nandritra ireo taona rehetra ireo, ny fiainana tany amin’ireo vohitra afrikana dia tsotra, tsy misy fialam-boly maro atolotry ny sivilizasiona amin’ny andro ankehitriny. Noho ny tsy fisian’izany, dia nanana fahafahana be dia be aho nianatra sy nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. Nahatonga ahy ho afaka hitoetra ho matanjaka izany. Ny fiainana misionera tokoa dia tena fitahiana sy fiarovana amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Ao anatin’ireo takariva tropikaly mahafinaritra, dia manana fotoana be dia be hisaintsainana sy hieritreretana ny amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah sy hanatonana azy ny tena. Ny fahasambarako lehibe indrindra dia tonga amiko isan-kariva rehefa, amin’ny saina mifoha, afaka mandany fotoana vitsivitsy irery aho, eo ambanin’ny lanitra feno kintana, handehanana sy hiresahana amin’i Jehovah. Izany dia mampanatona ahy bebe kokoa azy.”
8. Inona moa no nolazain’ny vehivavy kristiana tsy nanambady iray izay niasa nandritra ny taona maro tao amin’ny foiben’ny Fikambanana, momba ny fijanonana ho mpitovo?
8 Ny vehivavy kristiana mpitovo iray izay niasa taona maro tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower dia milaza amintsika ny fientanan’ny fony toy izao: “Nifidy ny hiaina irery aho mba hanompo an’i Jehovah. Tena irery tokoa ve aho? Azo antoka fa tsy izany. Raha ny marina, ireo fotoana laniko irery no anisan’ny sarobidy indrindra. Amin’izany aho dia manana fahafahana hiresaka amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka, hisaintsaina sy hianatra tsy misy zavatra mampivezivezy ny saina. (...) Nitondra fifaliana be dia be ho ahy ny fijanonana ho mpitovo.”
9. Manonona tombontsoam-panompoana atolotra an’ireo kristiana mpitovo.
9 Ny mpitovo koa dia afaka mandray tombontsoam-panompoana angamba tsy mety ho vitan’ny kristiana manambady manana andraikitra ara-pianakaviana. Indraindray izy ireny dia afaka manao ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpitory maharitra, ohatra, any amin’ny faritra iray ilàna indrindra mpitory ilay Fanjakana. Ny tanora mpitovo iray dia mety hotolorana tombontsoa ho tonga mpianakavin’ny Betela ao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower na any amin’ny anankiray amin’ireo sampany. Ny zazavavy iray angamba dia hanana fifaliana hiaraka amin’ny vehivavy kristiana iray be taona kokoa izay mpitory maharitra ao amin’ny kongregasionany na any amin’ny hafa iray tsy voatsidika matetika kokoa ny faritaniny. Nahoana no tsy miresaka ny amin’izany fahafahana izany amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany? Ry kristiana mpitovo, ataovy izay hahafahanareo manao asa mitombo ho fiderana an’i Jehovah. Raha manao izany ianao, dia hitahy anao be dia be izay. — Malakia 3:10.
Ohatra tamin’ny lasa
10. Iza moa no ohatra tsara indrindra ny amin’ny mpanompon’i Jehovah mpitovo, ary nahoana no azo atao ny milaza fa tombontsoa ho azy ny fijanonany ho mpitovo?
10 Jesosy Kristy no ohatra tsara indrindra ny amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy nanambady. Voatana tanteraka tamin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra izy. “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany”, hoy ny nambarany (Jaona 4:34). Sahirana aoka izany izy — nitory, nanasitrana ny marary, sy nanao zavatra maro hafa koa (Matio 14:14). Nihevitra tamim-pahatsorana ny hafa izy ary nahatsiaro ho tsy sakodiavatra niaraka tamin’ny lehilahy, vehivavy sy ankizy. Ny fanompoany dia nitarika azy handeha, niaraka tamin’ny olon-kafa indraindray (Lioka 8:1-3). Ho sarotra taminy anefa izany asa izany raha nanambady sy nanana zanaka kely izy! Tsy azo lavina fa tombontsoa ny fijanonana ho mpitovo araka ny hita tamin’i Jesosy. Amin’izao androntsika izao, dia mety hahitana tombontsoa sahala amin’izany izy io ho an’ny kristiana iray, indrindra fa raha tokony hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny faritra mitokana na mampidi-doza izy.
11, 12. Inona avy moa ireo ohatra miavaka azon’ireo kristiana mpitovo manompo an’i Jehovah amin’izao androntsika izao heverina?
11 Nisy olon-kafa koa nahita fa ny fijanonana ho mpitovo dia fomba fiaina ahitana tombontsoa sy mitondra soa be dia be. Nanatanteraka an-tsitrapo ny voadin-drainy ny zanakavavin’i Jefta tamin’ny fijanonana ho mpitovo teo anivon’ny fitambaran’olona izay nihevitra ho zava-dehibe tokoa ny fanambadiana sy ny fiterahana. Nanovo fifaliana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy, ary homarihina fa nahazo fampaherezana tsy tapaka izy; hita tokoa fa “tonga fanao tamin’ny Isiraely ny fandehanan’ny zazavavin’ny Isiraely isan-taona nankalaza [hidera, MN ] ny zanakavavin’i Jefta Gileadita hefarana isan-taona”. (Mpitsara 11:34-40.) Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, ireo mpanompon’Andriamanitra manambady sy ny hafa koa dia tokony hidera sy hampahery ireo vehivavy kristiana mpitovo izay manompo an’i Jehovah amin-kerim-po.
12 “Naminany” ireo zanakavavin’i Filipo virijina efatra. (Asa. 21:8, 9) Tsy maintsy ho nahita fahafahampo lehibe avy amin’ny asa tamin-jotom-po notanterahiny ho fiderana an’i Jehovah ireo vehivavy ireo. Toy izany amin’izao andro izao, zazavavy mpitovo maro no manana tombontsoa manompo amin’ny maha-mpitory maharitra, na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro. Tena mendrika hoderaina tokoa ireny vehivavy kristiana ireny; anisan’ny ‘antokony lehibe amin’ny vehivavy mpilaza soa’. — Salamo 68:11.
13. Ahoana moa no ampisehoan’ny ohatra ny amin’i Paoly fa mety ho fomba fiaina mitondra soa be dia be ny fijanonana ho mpitovo?
13 Noheverin’ny apostoly Paoly fa nisy tombontsoa ny fijanonana ho mpitovo raha ny aminy. Tamin’ny fanompoany, dia nandeha kilaometatra an’arivony maromaro izy, tojo fahasahiranana lehibe sy loza maro izy, nandany alina tsy nahitan-tory ary niaritra hanoanana (2 Korintiana 11:23-27). Tsy azo lavina fa ho sarotra kokoa taminy ny nizaka izany rehetra izany raha nanambady izy. Ambonin’izany, dia azo inoana fa tsy ho nanankinana ireo andraikitra noraisiny tamin’ny naha-“Apostolin’ny jentilisa” izy raha nanana ankohonana hokarakaraina (Romana 11:13). Na dia tao aza ireo fitsapana tsy maintsy niaretany, dia ny tenan’i Paoly mihitsy no nahatsapa fa mety ho fomba fiaina mitondra soa be dia be ny fijanonana ho mpitovo.
Ohatra amin’ny andro ankehitriny
14. Nanao ahoana ny fiainan’ireo “colporteurs” izay mpitovo ny ankamaroany?
14 Sahala amin’i Paoly mbamin’ny kristiana voalohany hafa tsy nanambady, ny sasany tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra nandray anjara tamin’ny asan’ny “colporteur” (natomboka tamin’ny 1881) dia mpitovo tsy nanana andraikitra mihitsy. Nandeha an-tsitrapo nankany amin’ny tanàna, kely sy lehibe, izy ireny, nankany amin’ny faritra ambanivohitra tsy fantany mba hitady ireo olona tso-po sy hametraka boky momba ny Baiboly ho azy ireny. Nandeha tamin’ny fiarandalamby, tamin’ny bisikileta, tamin’ny kalesin-tsoavaly na tamin’ny fiarakodia izy ireny. Matetika izy ireny dia nitety trano an-tongotra tamin-pifaliana (Asa. 20:20, 21). Nahatsiaro toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah iray: “Indraindray izy ireny dia nanakalo boky tamin’ny zavatra vita amin’ny ronono, tamin’ny akoho, savony, ets., dia zavatra notehiriziny na namidiny tamin’ny olon-kafa. Tany amin’ireo faritra vitsy mponina, dia nisy fotoana nandanian’izy ireny ny alina tany an-tranon’ny mpamboly, ny mpiompy na tany amin’ny sompitra iray aza. (...) Ireny kristiana nahatoky ireny [izay mpitovo ny ankamaroany] dia naharitra ny taona maro, mandra-panerin’ny taona azy hitsahatra.” Tsy isalasalana fa ny vehivavy kristiana iray dia maneho ny fihetseham-pon’ny “colporteurs”rehetra tamin’izany fotoana izany rehefa milaza hoe: “Tanora sy sambatra izahay teo amin’ny asa, ka tamim-pifaliana no nandanianay ny herinay hanompoana an’i Jah.”
15. Varavarana mivoha ho amin’ny asa lehibe kokoa inona no nivoha, 45 taona teo ho eo izay, ho an’ny mpitory maharitra mpitovo maro?
15 Atỳ akaikintsika kokoa, ireo mpitory maharitra, anarana niantsoana tatỳ aoriana ireo mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, dia nahitana mpitovo maro koa teo amin’ny laharany. Matetika izy ireny no nanao fanambarana tany amin’ireo faritra mitokana, nandray anjara tamin’ny famoronana kongregasiona vaovao, ary nahita fifaliana hafa teo amin’ny asan’i Jehovah. Ny sasany tamin’izy ireny dia faly nahita varavarana nivoha ho amin’ny asa lehibe kokoa rehefa nanokatra ny varavarany ny Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 1943, raha mbola nirehitra ny Ady lehibe Faharoa (1 Korintiana 16:9). Maro be tamin’ireny mpitory maharitra mpitovo ireny tokoa no nahazo fampiofanana tao amin’ny Sekolin’i Gileada mba hahatongavana ho misionera, ka rehefa avy eo izy ireo dia nanomboka nanambara haingana ny hafatra momba ilay Fanjakana tany amin’ny faritany vaovao. Noho izy ireny tsy manana andraikitra ara-pianakaviana mihitsy, dia nanjary afaka nanao ny asan’i Jehovah izy ireny. Ny sasany amin’ireo nahazo diplaoma avy tao amin’ireo kilasy voalohandohany amin’io sekoly io dia mbola mpitovo foana ary marisika amin’ny asa misionera na ao amin’ny endriny hafa amin’ny asa manontolo andro.
16. Inona no mampiseho fa nisy mpitovo mpianakavin’ny Betela nahita fomba fiaina nitondra soa be dia be tamin’ny fijanonana ho mpitovo?
16 Kristiana mpitovo maro be no mpianakavin’ny Betela ao amin’ny foiben’ny Fikambanana na ao amin’ny anankiray amin’ireo sampany miely patrana maneran-tany hatramin’ny taona maro. Mihevitra ve izy ireny fa mitondra soa be ny fijanonana ho mpitovo? Izany dia izany tokoa. Izao, ohatra, no nolazain’ny Vavolombelona mpitovo iray rehefa avy niasa tao amin’ny Betela any Brooklyn nandritra ny taona maro izy: “Ny fifaliana nahita ireo gazety sy boky hafa an-tapitrisany maro mpitondra hafatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, voazara hatrany amin’ny faran’ny tany, dia efa valisoa mahatalanjona.” Rehefa niasa hatramin’ny 45 taona teo ho eo tao amin’ny Betela ny mpitovo hafa iray dia nanambara hoe: “Isan’andro dia mangataka ao amin’ny vavaka amin’ny Ray malalantsika any an-danitra aho mba hanome ahy ny fanampiany sy ny fahendreny mba hananana tanjaka ara-panahy sy ara-batana hatrany sy ho salama tsara mba hanohizana hanatanteraka ny sitrapony. (...) Nanana fomba fiaina nahafinaritra, voatahy sy nitondra fahafahampo lehibe ho ahy aho.”
Mpitovo madio hatrany
17. Manonona zavatra roa mety hanampy ny kristiana mpitovo hadio hatrany.
17 Araka ny efa hitantsika, dia manana ohatra araka ny Baiboly sy amin’ny andro ankehitriny isika, izay manaporofo fa mety ho fomba fiaina mitondra soa be ny fijanonana ho mpitovo. Mazava ho azy anefa fa mandritra ny fotoana rehetra aharetan’ny fijanonany ho mpitovo, ilay kristiana dia tokony ‘hikasa tsara ao am-pony’ hatrany. Inona no mety hanampy azy hadio hatrany? Jehovah, “Mpihaino vavaka”, izay afaka manome azy ny fanampiana sarobidy indrindra (Salamo 65:2). Ry kristiana mpitovo, mandraisa àry ho fahazarana ny manao fangatahana matetika amin’Andriamanitra. “Mahareta amin’ny fivavahana”, mangataha aminy mba hanome anareo ny fanahiny sy hanampy anareo haneho ny vokatr’izany, indrindra fa ny fiadanana sy ny fifehezan-tena (Romana 12:12; Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23). Afa-tsy izany koa, dia saintsaino tsy tapaka ao amin’ny vavaka ireo torohevitr’Andriamanitra ka ampiharo mandrakariva.
18. Amin’ny ahoana moa ny torohevitra omena ao amin’ny 1 Korintiana 14:20 no mety hanampy mpitovo iray hitoetra ho madio?
18 Ny fomba hafa iray hitoerana ho madio dia ny fanalavirana izay rehetra manaitaitra ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy, anisan’izany, mazava ho azy, ny sary maloto sy ny fialam-boly tsy madio. Izao no nolazain’i Paoly: “Raha amin’ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.” (1 Korintiana 14:20). Aza mitady izay hahalala na hanandramana ny ratsy, fa noho ny fanampian’Andriamanitra, dia manehoa fahendrena amin’ny fitoerana ho tsy za-draharaha sy tsy manan-tsiny toy ny zaza-bodo amin’io lafiny io. Aza hadinoina koa fa melohin’i Jehovah ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fitondrantena ratsy.
19. Andinin-teny hafa inona ao amin’ny Baiboly no manome torohevitra mety hanampy ireo kristiana mpitovo hitoetra ho madio?
19 Ho azonareo atao mora kokoa ihany koa ny hitoetra ho madio raha mitandrina ny fifaneraseranareo ianareo (1 Korintiana 15:33). Halaviro ny fiarahana amin’ireo izay mihevitra ho zava-dehibe tokoa ny raharaha ny amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fanambadiana eo amin’ny fiainany sy ny resaka ataony. Andosiro indrindra ny vazivazy ratsy. Manome izao torohevitra izao i Paoly: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.” — Efesiana 5:3, 4.
Ho avy sambatra
20. Inona avy no soa raisin’ireo kristiana izay manararaotra ireo taona maha-mpitovo mba hanompoana tsara an’i Jehovah araka izay azo atao?
20 Ireo kristiana mpitovo izay manararaotra ny toerany mba hanompoana an’i Jehovah araka izay farany azo atao dia mahazo dieny izao, fahafahampo lehibe sy fiadanan-tsaina. Mampitombo koa ny fahamasahany sy ny fijoroany ara-panahy izany. Raha mijanona ho mpitovo noho ilay Fanjakana izy ireny mandra-pahatongan’ny fahataperan’izao fandehan-javatra ratsy izao, dia tsy hohadinoin’i Jehovah ny fiezahana ho nataony tamim-pahafoizan-tena tao amin’ny asany masina.
21. Raha tapa-kevitra ny hanambady ianao rehefa avy amin’ny fijanonana ho mpitovo, ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no hanaovanao izany?
21 Ry mpanompon’Andriamanitra izay mpitovo, soa maro no miandry anareo raha miasa amin-jotom-po ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana ianareo (Ohabolana 10:22). Raha tapa-kevitra ny hanambady ianareo any aoriana, dia hanao izany amin’ny fananana fanandraman-javatra lehibe kokoa eo amin’ny fiainana sy fahasalamana ara-panahy tsara. Ambonin’izany, mifanaraka amin’ny torohevitry ny Soratra masina, dia hifidy vady nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy mahatoky izay hanampy anareo hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ianareo. Mandra-pahatongan’izay, dia ho tsapanareo fa fomba fiaina mitondra soa be dia be ny fijanonana ho mpitovo rehefa ilay Andriamanitsika tia, Jehovah, no tompoina.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona avy moa no tombontsoa entin’ny fijanonana ho mpitovo amim-pahadiovana ho an’ireo mpanompon’i Jehovah?
◻ Inona avy moa no ohatra araka ny Baiboly mampiseho fa mety ho fomba fiaina mitondra soa be dia be ny fijanonana ho mpitovo?
◻ Amin’izao androntsika izao, ohatra inona avy ny amin’ny mpitovo ampoky ny soa no ananantsika?
◻ Inona no mety hanampy kristiana mpitovo iray hitoetra ho madio?
[Efajoro, pejy 19]
◆ Mivavaha tsy tapaka amin’Andriamanitra mba hanomezany anareo ny fanahiny sy hanampiany anareo hamoa ny vokatr’izany.
◆ Saintsaino sy ampiharo hatrany ireo torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
◆ Andosiro ny sary maloto sy ny fialam-boly tsy madio.
◆ Tandremo ny fifaneraseranareo.
◆ Ario ny teny sy ny vazivazy ratsy.
[Sary, pejy 18]
Ny zanakavavin’i Jefta, ny apostoly Paoly sy y mpanompon’i Jehovah hafa dia nahita tao amin’ny fijanonana ho mpitovo, fomba fiaina nitondra soa be dia be. Ary ianao?