MAHANAIMA
(Mahanàima) [Toby Roa].
Toerana tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Nantsoin’i Jakoba hoe “Mahanaima” ilay toerana, satria teo izy no nahita anjely maromaro, rehefa niala tany amin’i Labana. (Ge 32:1, 2) Midika hoe “Toby Roa” ilay anarana, ka mety ho ilay “Tobin’Andriamanitra” izany hoe ireo anjely nisolo tena Azy, sy ny tobin’i Jakoba no tiana holazaina. Toa tatỳ aoriana kokoa vao nanorenana tanàna tao Mahanaima. Tamin’ny taonjato faha-15 T.K., dia nomena ny Gadita izy io, fa tatỳ aoriana vao nomena ny Levita Merarita.—Js 13:24, 26; 21:34, 38.
Tamin’i Davida nanjaka tao Hebrona, dia i Mahanaima no renivohitry ny fanjakan’i Isboseta (zanak’i Saoly saika handimby azy), izay nanohitra an’i Davida. Mety ho tanàna voaro mafy sy tsara toerana àry i Mahanaima. (2Sa 2:8-11, 29) Toa tao i Isboseta no nisy namono. (2Sa 4:5-7) Nandray tsara an’i Davida ny tao Mahanaima, tatỳ aoriana, tamin’izy tonga tany Gileada rehefa nandositra an’i Absaloma. Tsy namela azy hiala tao ireo mpanohana azy, ka tsy nandray anjara tamin’ilay ady tamin’i Absaloma izy. Resy tanteraka i Absaloma ka tsy afaka nandrombaka ny fanjakana. (2Sa 17:24–18:16; 19:32; 1Mp 2:8) Tanàna niadidian’i Ahinadaba lehibem-paritra i Mahanaima, tamin’ny andro nanjakan’i Solomona, zanak’i Davida.—1Mp 4:7, 14.
Miresaka momba ny “dihy ataon’ny toby roa” ny Tononkiran’i Solomona 6:13. Azo adika koa izy io hoe: “Dihy tahaka ny an’i Mahanaima” (7:1, Prot.) na “dihy any Makanaima.” (7:1, Kat.) Angamba dihy tamin’ny fety fanao tany Mahanaima no tiana holazaina amin’izany.—Ampit. Mpts 21:19, 21.
Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Mahanaima. Tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana anefa no nisy azy io ary toa tany avaratr’i Jaboka. (2Sa 2:29; Ge 31:21; 32:2, 22) Misy milaza an’i Mahanaima ho i Kirbet Mahneh (na Mihna), tokotokony ho 19 km any avaratr’i Jaboka, ary 19 km eo ho eo any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Maro anefa no milaza fa any avaratra lavitra loatra an’i Jaboka izany. I Yohanan Aharoni kosa milaza an’i Mahanaima ho i Tell edh-Dhahab el-Gharbi, eo amin’ny morony avaratr’i Jaboka, tokony ho 12 km any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana.—Ilay Tany Resahin’ny Baiboly, nadika sy nataon’i A. Rainey, 1979, p. 314, 439.