ZAVAMANIRY, AHITRA
Izay rehetra mitsiry avy amin’ny tany no atao hoe zavamaniry. Tamin’ny “andro” famoronana fahatelo Andriamanitra no nampitsiry tamin’ny tany “zavamaniry araka ny karazany avy izay misy voa famboly” hanome zavamaniry vaovao. (Ge 1:11-13) Toa miresaka ny tamin’io “andro” io mbola tsy nisy ahitra sy zavamaniry misy voa famboly ary hazo mamoa, raha vao nipoitra ny tany maina, ny Genesisy 2:5, 6. Nasian’i Jehovah zavona niakatra foana avy tamin’ny tany handena ny nofon-tany hanirian’ny zavamaniry. Velona tsara àry ny zavamaniry eran-tany, na tsy nisy orana aza. Tamin’ny “andro” famoronana fahefatra vao tazana tsara teny amin’ny habakabaka ireo zavatra manome hazavana (Ge 1:14-16), kanefa efa ampy hampitombo ny zavamaniry ny hazavana nanjavozavo tamin’ny “andro” fahatelo.
Nomen’Andriamanitra ho sakafon’ny olona sy biby ny zava-maitso, fa tatỳ aoriana vao nihinana hena efa nalatsa-dra koa ny olona. (Ge 1:29, 30; 9:3, 4) Tsy maintsy niasa mafy ny olona mpanota raha te hihinana zavamaniry. (Ge 3:18, 19) I Jehovah foana anefa no tena nanome zavamaniry ho an’ny olona sy biby, satria avy aminy ny tara-masoandro sy orana ilain’izy io.—Sl 104:14; 106:20; Mi 5:7; Za 10:1; He 6:7; ampit. De 32:2.
Fehezin’Andriamanitra ny fitomboan’ny zavamaniry, arakaraka ny fikasany. Homeny orana sy zavamaniry ho an’ny biby fiompiny ny Israelita, hoy izy, raha mankatò. (De 11:13-15) Tsy hisy zavamaniry intsony kosa ny tanin’izy ireo, raha mivadika amin’ny fifanekena nataony taminy izy ireo. (De 29:22-25; ampit. Is 42:15; Je 12:4; 14:6.) Potiky ny havandra avy tamin’i Jehovah ny karazan-javamaniry rehetra tany Ejipta fahiny, ary nohanin’ny valala nalefany taorian’izay ny zavamaniry sisa navelan’ny havandra.—Ek 9:22, 25; 10:12, 15; Sl 105:34, 35; ampit. Am 7:1-3.
Heviny an’ohatra. Vetivety dia malazo ny zavamaniry any Palestina rehefa main-tany, satria main’ny hainandro na ny rivotra mahamay avy any atsinanana. Toy ny ‘zavamaniry eny an-tsaha sy ny ahi-maitso marefo, ary tahaka ny ahitra eny amin’ny tafo, izay mainan’ny rivotra mafana avy any atsinanana’ àry ny firenena efa ho resin’ny fahavalo. (2Mp 19:25, 26; Is 37:26, 27) Hoy koa ny mpanao salamo, rehefa ory mafy izy: “Toy ny ahitra nodanihin’ny hainandro ny foko ka malazo.” “Malazo toy ny ahitra aho.”—Sl 102:4, 11.
Mirobona ny zavamaniry azon-drano tsara, ka azo ilazana taranaka maro be. (Jb 5:25) “Maro be”, ohatra, “ny Joda sy ny Israely, sady nihinana sy nisotro ary nifaly” tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. (1Mp 4:20) Nilaza an-kolaka izany ity salamo momba an’i Solomona ity: “Hiroborobo toy ny ahitra amin’ny tany ny olona ao an-tanàna.” (Sl 72:16) Mety hitsiry tahaka ny ahitra koa ny ratsy fanahy, nefa tsy hoe notahin’Andriamanitra akory. “Ho ringana mandrakizay” kosa izy ireo.—Sl 92:7.
Ilazan’ny Baiboly manam-pahefana sy olona ambony ny hoe hazo indraindray (ampit. Ezk 31:2-14), fa vahoaka kosa ny hoe ahitra, tsilo, na harefo. (Ampit. Mpts 9:8-15; 2Mp 14:8-10; Is 19:15; 40:6, 7.) Ireo àry no “ampahatelon’ny hazo” sy ny “ahi-maitso rehetra” ho may, resahin’ny Apokalypsy 8:7.