Hanao fanambarana ho an’ilay Andriamanitra marina ve ianao?
“Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary izaho no Andriamanitra.” — ISAIA 43:12.
1. Nahoana isika no tokony hanome voninahitra ilay Andriamanitra marina?
FOTOANA fohy talohan’ny nahafatesany, Jesosy dia ‘nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra” ka nivavaka. Niantso Ilay nivavahany ho “Andriamanitra tokana sady marina” izy. (Jaona 17:1, 3.) Tsy mety hisy, ary mora takatra izany, afa-tsy Andriamanitra marina tokana sady velona, ny Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, ny Mpamorona. Koa satria ilay Andriamanitra marina no ahazoantsika ny fiainana, dia tokony homentsika azy ny voninahitra mendrika azy, araka izay asehon’ny Apokalypsy 4:11 toy izao: “Hianao Tomponay [Jehovah, MN ] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny haja ny voninahitra sy ny hafa ary ny hery, fa hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.”
2. a) Inona no ara-dalàna ny hiheverantsika azy momba ilay Andriamanitra marina? b) Ahoana no fomba ifandraisan’ilay Andriamanitra marina amin’ny olona maniry hivavaka aminy?
2 Araka ny fifandrindran-kevitra dia mety ny hiheverana fa ilay Andriamanitra marina dia tsy hilefitra tsy misy farany amin’ny tarehin-javatra mampalahelo nitondra fahavoazana ho an’ny zavaboariny teto an-tany hatramin’izao; ara-dalàna koa ny hiheverana fa nampahafantatra ny mpivavaka taminy izay kasainy hatao sy izay andrasany avy amin’izy ireo izy alohan’ny hampiharany ny fitsarany (Amosa 3:7). Amin’ny fomba ahoana no ifandraisany amin’ny olona mitady ny fahamarinana? Mampiasa olombelona izay manolo-tena an-tsitrapo mba ho mpitondra-teniny izy. “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah (...). Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby ahy. Izaho dia izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.” (Isaia 43:10, 11). Ahoana anefa no ahafantarana ireo olona izay ampiasain’Andriamanitra marina ho vavolombelony? Inona no fahasamihafana asehon’ny mpanompony sy ny hafatra entiny amin’ireo mpivavaka amin’andriamani-kafa?
Fahaikana alefa amin’ny andriamani-kafa
3. Fihaikana inona moa no alefan’i Jehovah amin’ireo andriamanitra hafa rehetra?
3 Isaia, nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, dia nanambara ny fihaikana alefan’i Jehovah amin’ireo andriamanitra hafa rehetra: “Iza aminareo [ny andriamanitr’ireo firenena] no mahalaza izany [izany faminaniana marina izany]? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha [izay mbola ho avy]. Aoka ho entiny [satria andriamanitra izy ireo] ny vavolombelona hahamarina azy [ireny andriamanitra ireny], ary aoka hihaino ireo [ny olona avy amin’ireo firenena] ka hiaiky hoe: Marina izany.” (Isaia 43:9). Amin’ireo teny ireo, dia mihaika ny andriamanitra rehetra ivavahan’ny olombelona Jehovah mba hanaporofo fa andriamanitra tokoa izy ireo. Ny vavolombelony dia tokony hanome porofo manamarina fa azo itokisana izy ireny ka andriamanitra mendrika ivavahana.
4. Ahoana no ahalalantsika fa tsy misy vidiny ny andriamanitr’ireo firenena fahiny?
4 Vokatra inona avy no nentin’ireny andriamanitra ireny sy ny mpivavaka aminy? Moa ve nitondra ny fiadanana sy ny fanambinana ary ny fahasalamana sy ny tena fiainana izy ireo? Ny Tantara dia manamarina fa ny andriamanitra maron’ireo firenena fahiny dia tsy nisy vidiny sady tsy nanam-pahefana. Ankehitriny koa dia tsy misy olona mivavaka amin’izy ireny intsony. Tsy misy intsony izy ireny. Ireo andriamanitra maro be nomem-boninahitra fahiny tany Egypta, Asyria, Babylona, tany amin’ny empira mediana sy persiana, tany Grisia sy Roma ary tany an-tany hafa, dia niharihary ho andriamanitra diso. Ao anatin’ny bokin-tantara sisa no ahitana azy ireny sy any amin’ny trano fitehirizana rakitry ny ela, izay isehoan’ny tsangambatony eo amin’ny fahalianan’ny olombelona.
5. Fanontaniana inona moa no azo apetraka ny amin’ireo andriamanitra amin’izao androntsika izao?
5 Moa ve anefa ireo andriamanitra amin’izao androntsika izao sy ny mpivavaka aminy, amin’ny fomba sasany, tsaratsara kokoa noho ireo razany? Ny fivavahana hindoa fotsiny dia manana andriamanitra an-tapitrisany maro. Ny bodista, ny katolika, ny konfisianista, ny jiosy, ny miozililmana, ny pretestanta, ny shintoista, ny taoista sy ny mpino maro hafa dia samy manana ny andriamaniny manokana. Any Afrika sy Azia ary any amin’ny faritra hafa eto ambonin’ny tany, dia ivavahana ny herin’ny natiora, ny biby ary koa zavatra manana aina. Ny fanindrahindram-pirenena, ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo ary na dia ny izaho aza dia tonga andriamanitra amin’ny heviny hoe olona maro no manolotra fifikirana manokana amin’izy ireny. Endrim-panompoam-pivavahana inona no tena mampiseho ilay manambara toy izao: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho”? — Isaia 45:5.
“Ny voany no hahafantaranareo azy”
6. Ahoana no azo anavahana ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny diso?
6 Jesosy dia nanorina fitsipika ahafahana manavaka amin’ny fomba azo antoka ny fivavahana marina amin’ny diso. Izao no voalazany: “Ny voany no hahafantaranareo azy. (...) Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” (Matio 7:16-19). Noho izany, mba hahitana hoe amin’ny ahoana no tsy itovian’ny Andriamanitra marina amin’ny andriamani-diso, dia tokony hodinihintsika ny voa avoakany. Moa ve izany voa “tsara”, sa kosa voa “ratsy”?
7. Inona no ampianarin’ny tantaran’ny taonjato faha-20 antsika ny amin’ireo fivavahana?
7 Ohatra, fivavahana inona no nahomby raha ny amin’ny fanorenana ny tena fiadanana teo amin’ireo mpanaraka azy maneran-tany? Ny mpikambana amin’ny fivavahana marina, izay mpirahalahy ara-panahy dia azo antoka fa tsy tokony hifamono. Kanefa dia olombelona an-jatony tapitrisa maro no maty nandritra ireo ady nisy tamin’izao taonjato faha-20 izao, ary ireny ady rehetra ireny dia nahazo ny fanohanan’ny fivavahana. Noho izany, dia nisy mpino namono mpino hafa, matetika samy mpiray finoana. Namono katolika ny katolika, namono protestanta ny protestanta, namono miozilmana ny miozilmana, ary mbola voamarina koa izany amin’ny mpikambana amin’ny fivavahana hafa.
8. Inona no nosoratana ny amin’ny tsy fahombiazan’ireo fivavahana amin’izao androntsika izao?
8 Tao amin’ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Herisetra amin’ny anaran’Andriamanitra”, Mike Royko, toy ny miresaka amin’Andriamanitra, dia nilaza izao momba ny fivavahana: “Ny mpikambana ao aminy dia mampiseho ny fifikirany aminao amin’ny fifamonoana aman’an-jatony. Amiko, dia mihevitra izy ireny fa raha toa ny tobiny mandresy ny ankilany, dia hanaporofo izy ireo fa ny fomba fivavahany no tsara indrindra.” Raha mbola mitsangana ho olona tia filaminana ny papa, hoy ny anampin’ilay lahatsoratra, “ny mpino azy dia fantatra ho mpandatsa-dra mikoriana rehefa tezitra”. Dia tahaka izany koa fa ilay filoham-pirenen’i Etazonia taloha, Jimmy Carter, izay nanao fanamarihana indray andro fa ‘lasa adala izao tontolo izao’, dia nanambara hoe: “Ny finoana lalina ara-pivavahana, izay tokony hampiray akaiky ny olona ao amin’ny fitiavana, dia toa matetika no tonga endrika iray amin’io hadalana tahamono io.”
9. Nahoana isika no tsy tokony hivavaka amin’ny “andriamani-tsi-izy”?
9 Ireny voa tsy misy vidiny ireny dia mifanohitra amin’ireo izay tokony hovokarin’ny mpivavaka amin’Andriamanitra marina (Galatiana 5:19-23). Noho izany, ny olombelona izay mitondra ny fanohanany ny fivavahana sy fomba fisaina tia ady dia tena anisan’ny fanompoam-pivavahana diso toy ny Egyptiana, ny Asyriana sy ny Babyloniana ary ny vahoaka hafa fahiny izay natoky “Sampy moana”. (Habokoka 2:18.) Koa tahaka ny nahatanterahan’ny teny ara-paminanian’ilay Andriamanitra marina tamin’ny fanompoam-pivavahan-diso fahiny, dia ho tahaka izany koa amin’izao androntsika izao. “Ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.” (Isaia 2:18). Aoka àry horaisintsika ho zava-dehibe ity fampitandreman’i Jehovah ity: “Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy.” — Levitikosy 19:4.
Iza no manao fanambarana ho an’i Jehovah?
10. Manao fanambarana ho an’ilay Andriamanitra marina ve ny mpikambana amin’ireo fivavahana?
10 Ny vavolombelon’ilay Andriamanitra marina dia tokony ho olona manao fanambarana ho an’Andriamanitra. Manome izany fanambarana izany ve ny mpikambana ao amin’ireo fivavahana? Moa ve izy ireny miresaka aminao matetika ny amin’ny finoany? Moa ve tonga mitsidika anao any an-tokantranonao izy ireny mba hanao fanambarana ho an’ny andriamaniny? Ny fihaikana nalefan’ilay Andriamanitra marina tamin’ireo andriamani-diso mba hamoahany ny vavolombelony dia tsy nisy vokany. Tsy nanome izany fanambarana izany ny mpikambana ao amin’ireo fivavahana. Tsy afaka milaza aminao izy hoe iza no Andriamanitra marina sy hoe inona no fikasany. Tsy nampianatra azy ireny ny fahamarinana ny klerjiny. “Mpitarika jamba izy. Ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” — Matio 15:14.
11. Olona iza ihany moa no manao fanambarana ho an’ny anaran’ilay Andriamanitra marina?
11 Olona iza moa no manaiky hahafoy ny fotoanany, ny fananany ara-nofo, ary na dia ny ainy mihitsy aza mba hanaovana fanambarana ho an’ilay Andriamanitra marina? Iza moa no mampitandrina ny olombelona amin’izay ambaran’ilay Andriamanitra marina toy izao: “Izaho no Jehovah, izany no anarako”? (Isaia 42:8.) Iza no mampianatra ny namany ny amin’Ilay anambarana hoe: “Hianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”? (Salamo 83:18.) Fony izy teo amin’ny olombelona, dia afaka nilaza tamin’ilay Andriamanitra marina Jesosy hoe: “Nasehoko tamin’ny olona (...) ny anaranao.” (Jaona 17:6). Amin’izao androntsika izao, dia ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no afaka mamerina ireo teny ireo. Mifanentana amin’izany tokoa lahy ny anarany hoe Vavolombelon’i Jehovah!
Ny fanambarana momba ny Fanjakana
12. Fampianarana lehibe inona moa no tokony hampitain’ny vavolombelona marina?
12 Antenaina avy amin’ny vavolombelon’ilay Andriamanitra marina ny hampahafantarany ny anarany; kanefa ankoatra izany, endrika manokana inona amin’ny fikasany moa no tokony horesahiny? Jesosy dia nanondro izany rehefa nampianatra ny mpianany hivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina tamin’izao teny izao izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” (Matio 6:10). Ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra dia ny Fitondram-panjakana izay hitantana ny tany irey manontolo indray andro any (Daniela 2:44). Izany no nataon’i Jesosy ho foto-kevitry ny fampianarany (Matio 4:23). Koa satria ilay Fanjakana ihany no afaka hitondra ny fanafodin’ny zavatra mampijaly ny olombelona, ny Zanak’Andriamanitra dia nilaza izao famporisihina izao: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” — Matio 6:33.
13. a) Raha ny amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra ataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah, inona no porofoin’ny zava-misy? b) Amin’ny ahoana ny fitoriana ilay Fanjakana no mampiseho fa Jehovah no hany Andriamanitra izay ny faminaniana ataony dia marina?
13 Iza amin’izao andro izao no manao fanambarana ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra? Ny profesora Braden, izay nandinika akaiky ireo fivavahana dia namaly an’izany fanontaniana izany rehefa nilaza izy hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nameno ara-bakiteny ny tany tamin’ny fitoriany (...). Azo lazaina tsy misy diso, fa tsy nisy mihitsy antokom-pivavahana teto amin’izao tontolo izao, nampiseho fahazotoana sy faharetana mihoatra noho ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fanandramana hampiely ny vaovao tsaran’ny Fanjakana.” Kanefa ireo teny ireo dia nosoratana efa ho 40 taona izao. Ankehitriny dia misy fanambarana mbola lehibe lavitra atao ho an’ilay Fanjakana, satria nitombo mihoatra ny avo folo heny ny isan’ny Vavolombelona. Efa ho telo tapitrisa sy sasany amin’izy ireo tokoa — voangona ao amin’ny kongregasiona 54900 mahery maneran-tany — no manao fanambarana ho an’ilay Fanjakana, ary mitombo haingana ny isany. Izany vokatra tsara izany dia mampiharihary fa Jehovah no ilay Andriamanitry ny faminaniana marina. Teo ambany tsindrimandriny no nanaovan’i Jesosy Zanany izao faminaniana manaraka izao ho an’ny androntsika: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN ] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14; Jaona 8:28.
Aoka hotahafintsika ny fitiavan’Andriamanitra
14. Toetra inona no tokony hotahafin’ny tena vavolombelon’Andriamanitra, ary inona no azo lazaina ny amin’ireo izay tsy manaraka izany baiko izany?
14 Ny tena vavolombelon’Andriamanitra dia tokony hanahaka ny toetrany lehibe indrindra: ny fitiavana. “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra, fa Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Eny, ‘izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly: tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Noho izany, tsy maintsy mifankatia isika; tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny’. — 1 Jaona 3:10-12.
15. Amin’ny inona no ahitana fa maneho ny tena fitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah?
15 Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mampiseho izany endriky ny fitiavana izany. Tsy manaiky an’ireo andriamanitry ny ady sy ny fanindrahindram-pirenena na ny fanavakavaham-bolon-koditra izy ireo. Izy ireo dia tsy manohana ady na inona na inona, ka noho izany dia tsy ao anatin’ny tarehin-javatra izay hahatongavany ho mpiray tsikombakomba amin’ny famonoana ireo rahalahiny ara-panahy any amin’ny tapany hafa etỳ ambonin’ny tany mihitsy izy ireo. Araka ny voalazan’i Jesosy dia “tsy naman’izao tontolo izao” izy ka ‘mampiditra amin’ny tranony ny sabatra’. — Jaona 17:14; Matio 26:52.
16. Ahoana no anampian’ny soratra sasany antsika hamantatra ny tena vavolombelon’Andriamanitra?
16 Izao no azo novakina tao amin’ny fandinihana iray, mitondra ny foto-kevitra hoe “Fanazavana vaovao ny amin’ny herisetra sy ny fanamarinana izany” (anglisy): “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitana foana ny ‘fialanalanana kristiana’ tsy misy herisetra (...). Ny fandavany tsy miova ny hanao ny fanompoam-pirenena na amin’ny endriny inona izany na amin’ny endriny inona, sivily na ara-miaramila, sy hanaja ireo marika mampiseho ny maha-izy ny firenena dia nahatonga azy ho voaenjika tany amin’ny fitsarana sy natao tany an-tranomaizina ary notafihin’ny vahoaka tany amin’ny tany maro be (...). Ny Vavolombelona anefa, dia tsy namaly tamin’ny herisetra mihitsy.” Ny gazety breziliana mivoaka isan’andro O Tempo dia milaza izao ny amin’izy ireo: “Na dia misy aza fivavahana maro manaitra izay ny fampielezan-keviny dia mahatratra ny faritra rehetra amin’ny tany, dia tsy misy amin’izy ireny mihitsy mampiseho fitiavana toy izany.” Io fitiavana marina io, hoy Jesosy, no marika mampiavaka ny tena vavolombelon’Andriamanitra. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.
Ny fanenjehana dia mitarika fanambarana mitombo
17, 18. Fisehoan-javatra niseho vao haingana inona moa no mampiharihary fa mety hanamora ny fitaran’ny fanambarana momba ny Fanjakana ny fanenjehana?
17 Ny fanenjehana aza dia mety miafara amin’ny fitaran’ny fanambarana momba ilay Fanjakana. Araka izany, India — izay tsy ahitana afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah 8000 eo ho eo — vao haingana dia nandre firesahana betsaka ny amin’ny anarana sy ny fikasan’i Jehovah, noho ny Vavolombelona tanora 11; ireo ankizy ireo dia nanaraka ny ohatr’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany, izay nilaza teo anatrehan’ny fitsarana iray izao teny izao: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asa. 5:29). Noroahina avy tao an-tsekoliny izy ireo satria nanda ny hiredona ny hiram-pirenena, nefa ny Fitsarana tampony tao amin’ilay tany dia nandidy — araka ny tenin’ny Deccan Herald any Bangalore — fa io hira io dia “tsy hoe tsy maintsy atao any India”. Io fitsarana io dia nilaza mazava fa ireo ankizy dia “naneho ny fanajana nilaina” ka ny fandavany ny hihira dia “tsy azo ampitovina velively amin’ny tsy fanekena”; nandidy àry izy mba horaisina indray any an-tsekoliny izy ireo.
18 Nanao izao fanamarihana manaraka izao io gazety io ihany: “Ireo ankizy ireo dia nanda ny hiredona ny hiram-pirenena satria ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra fa kristiana izy ireo sady nanoka-tena tanteraka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra (...). Tsy mandray anjara amin’izay mety ho raharaha ara-politikan’ny firenena àry izy ireo.” Ny Telegraph any Calcutta kosa dia nanambara hoe: “Ankoatr’izany ny fitondrantenan’ireo mpianatra ireo dia nampandroso ny Vavolombelon’i Jehovah ho eo anoloan’ny sehatra (...), kanefa tsy dia fantatra firy izy teo aloha teto amin’ny firenentsika.” Eny, alohan’ny hahatongavan’ny farany dia ‘hotorina ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity’. — Matio 24:14.
Angonina ny Vavolombelon’ilay Andriamanitra marina
19. Inona no tokony hataon’ireo olona tso-po maniry hivavaka amin’ilay Andriamanitra marina?
19 Amin’izao androntsika izao Jehovah, ilay Andriamanitra marina, dia miahy ny hanaovan’ny mpanompony fanambarana ny amin’ny fiandrianany sy ny fikasany. Raha mbola mitory ny hafany amin-kery lehibe kokoa hatrany izy ireo, Jehovah dia manangona avy amin’ny firenena rehetra olona tso-po mitombo isa, izay manatevin-daharana ny mpivavaka aminy (Isaia 2:2-4). Fahiny, Jehovah dia nanafaka ny olombelona naniry hanompo azy sady voatana ho babo tany Babylona — izay nanjakan’ny fanompoam-pivavahana tamin’andriamani-diso; tahaka izany koa ankehitriny, ny olona tso-po dia mandao ny andriamani-tsi-iziny ka manompo ilay Andriamanitra marina. — Isaia 43:14.
20, 21. Nahoana no ilaina maika dia maika ny fialana amin’ireo andriamani-diso dieny izao ary tsy hahatongavana ho mpijery fotsiny?
20 Hanao fanambarana ho an’ilay Andriamanitra marina ve ianao? Hiandany amin’ny fanompoam-pivavahana marina ve ianao, ka tsy hanana anjara mihitsy amin’ireo famonoana olona sy asa maloto ara-pitondrantenan’izao tontolo izao sy ireo andriamani-disony? Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza izao famporisihana izao: “Mialà aminy [ny fivavahan-diso babyloniana] hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apokalypsy 18:4). Eny, “mialà” amin’ny fivavahan-diso, manaova zavatra sao diso aoriana loatra! Aza manahaka ity lehilahy iray, izay nanontanian’ny revio katolika ny amin’ny fivavahana tiany, ka nanambara hoe: “Toy ny mpandinika ihany ny tenako manoloana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitovy hevitra aminy aho amin’ny ankamaroan’ny zavatra inoany, fa tsy te-ho tafiditra amin’izany aho.”
21 Kanefa tsy ho ela ny mponina rehetra amin’ny tany dia ho tafiditra amin’izany raharaha izany rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo andriamani-diso sy ny mpivavaka aminy Jehovah: “Ny amin’ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra ireny.” (Jeremia 10:11). Amin’izay fotoana izay, dia tsy hisy ny mpijery. Tsy hisy afa-tsy ireo izay ho vavolombelon’ilay Andriamanitra marina sy ireo izay tsy ho izy (Matio 24:37-39; 2 Petera 2:5; Apokalypsy 7:9-15). Moa ve ny tenanao ho vavolombelon’ilay Andriamanitra marina? Tokony ho izany. Ny mpanao salamo tokoa dia milaza hoe: “Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ny fahafatesana.” — Salamo 68:20.
Famerenana
◻ Fihaikana inona moa no alefan’ilay Andriamanitra marina amin’ireo andriamani-diso?
◻ Fitsipika inona no mahatonga antsika ho afaka hanavaka amin’ny fomba azo antoka ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny diso?
◻ Voa inona no mampiseho fa ny andriamanitr’ity izao tontolo izao ity dia tsy misy vidiny tahaka ireo andriamanitra fahiny?
◻ Voa tsara inona no tokony hoentin’ny vavolombelon’ilay Andriamanitra marina, ary iza no mitondra ireny voa ireny?
◻ Nahoana no ilaina maika dia maika ny hialana dieny izao amin’ny fanompoam-pivavahana diso?
[Sary, pejy 16]
Tsy misy olona mivavaka intsony amin’ireo andriamanitra tsy misy vidin’ny firenena fahiny.
[Sary, pejy 17]
Tamin’izao taonjato faha-20 izao dia olona eo amin’ny zato tapitrisa no maty tamin’ny ady izay notohanan’ny fivavahana.
[Sary nahazoan-dalana]
Photo U.S. Army
[Sary, pejy 18]
Nilaza i Jesosy fa ho fantatra amin’ny fifankatiavany tena vavolombelona.