ANTSY FANAOVANA SOKITRA
Avy amin’ny teny hebreo hoe maʽatsad, ary ilazana fitaovana fanaovana sokitra hazo na vy. (Je 10:3; Is 44:12) Toa misy ifandraisany amin’ny fiteny hafa (mitovitovy amin’ny teny hebreo) midika hoe “mijinja; mikapa” ny fototeny niavian’io teny io. Nadikan’i Koehler sy Baumgartner hoe “antsy fanaovana sokitra” àry ny hoe maʽatsad. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 550) Misy tahony sy lelany mifaingoka ny antsy toy izany ankehitriny. Misy koa milaza fa karazana famaky fanafisahana hazo ilay hoe maʽatsad, satria izay no dikan’io teny hebreo io izao.