AMANDIE
[Heb.: loz (Ge 30:37); shaked (Ge 43:11)].
Avy any Palestina, Libanona, ary ny faritra sasany any Mezopotamia ny amandie (Amygdalus communis), izay anisan’ny fianakaviamben’ny raozy. Naniry ho azy izy io, na nambolena.
Midika ara-bakiteny hoe “ilay mifoha” ny hoe shaked (heb.). Anisan’ny hazo mamelana voalohany indrindra amin’ny faramparan’ny Janoary na voalohandohan’ny Febroary aorian’ny ririnina mantsy ny amandie, any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Misy tsilalaon-teny ao amin’ny Jeremia 1:11, 12, satria ahitana hoe shaked (heb.; “hazo amandie”) sy hoe shôked (heb.; ‘mifoha foana’). Mety hahatratra 5 m ny haavon’ilay hazo, ary rakotra voninkazo mavokely na fotsy miaraka tsiroaroa ilay izy, rehefa mamony. Oharina amin’ny hazo amandie mamony ny volofotsin’ny zokiolona. (Mpto 12:5) Boribory lavalava mikinifinify ny raviny. Boribory lavalava koa ny voany, ka ny tendrony iray boribory fa ny iray kosa matsokotsoko. Ankafizin’ny olona ny amandy, ary anisan’ny fanomezana nampitondrain’i Jakoba an’ireo zanany niverina tany Ejipta. (Ge 43:11) Be mpitia koa ny menaka azo avy aminy. Ahazoana menaka 20 kg eo ho eo ny voany 45 kg.
Tsara tarehy ny voninkazon’amandie. Natao hoatr’azy io àry ny haingon’ny sampan’ny fitoeran-jiron’ny tranolay masina. (Ek 25:33, 34; 37:19, 20) Sampan’amandie koa ny tehin’i Arona. Nataon’Andriamanitra nitsimoka sy namoa amandy masaka tao anatin’ny indray alina izy io, satria nekeny sy nohosorany ho mpisoronabe i Arona.—No 17:8.