Ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ireo Mpampianatra Sandoka
“Tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy (...) Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.” — JEREMIA 23:14.
1. Nahoana no mandray andraikitra tena mavesatra izay mandray anjara amin’ny asa fampianarana araka an’Andriamanitra?
NA IZA na iza mandray anjara amin’ny asa fampianarana araka an’Andriamanitra dia mandray andraikitra tena mavesatra. Mampitandrina toy izao ny Jakoba 3:1: “Aza dia samy ho mpampianatra be ihany hianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.” Eny, ireo mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra dia miantsoroka andraikitra lehibe kokoa noho ny Kristiana amin’ny ankapobeny rehefa ampamoahina. Inona no ho dikan’izany ho an’ireo izay hita fa mpampianatra sandoka? Aoka isika hijery ny tarehin-javatra tamin’ny andron’i Jeremia. Ho hitantsika ny fomba ampisehoan’izany an-tsary mialoha izay mitranga amin’izao andro izao.
2, 3. Didim-pitsarana inona no nomen’i Jehovah an’ireo mpampianatra sandok’i Jerosalema tamin’ny alalan’i Jeremia?
2 Tamin’ny 647 al.f.i., ny taona faha-13 nanjakan’i Josia Mpanjaka, dia voatendry ho mpaminanin’i Jehovah i Jeremia. Nanana fitarainana hatao tamin’ny Joda i Jehovah, ka naniraka an’i Jeremia hanambara izany. Nanao ‘zavatra nahatsiravina’ teo imason’Andriamanitra ireo mpaminany, na mpampianatra sandok’i Jerosalema. Lehibe aoka izany ny faharatsian’izy ireo, hany ka nampitaha an’i Jerosalema sy ny Joda tamin’i Sodoma sy i Gomora i Jehovah. Milaza amintsika ny amin’izany ny Jeremia 23 toko faha-23. Hoy ny Je 23:14 andininy faha-14:
3 “Tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tànan’ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ny faharatsiany; eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.”
4. Amin’ny ahoana ny ohatra ratsy ara-pitondran-tenan’ireo mpampianatra tao Jerosalema no mifanitsy amin’ny an’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao?
4 Eny, ny tenan’ireo mpaminany na mpampianatra ireo, dia nanome ohatra tena ratsy ara-pitondran-tena, ary, raha ny marina, dia nampirisika ny olona hanao toy izany koa. Jereo ny toe-piainana misy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao! Moa ve izany tsy mitovy tsy misy hafa amin’izay hita tamin’ny andron’i Jeremia? Amin’izao andro izao, ny klerjy dia mamela ireo mpanitsakitsa-bady sy ireo mpandry amin’ny lahy na vavy tahaka ny tenany ho eo anivony, ary mamela azy ireo hitarika fotoam-pivavahana ao am-piangonana mihitsy aza. Mahagaga ve raha be dia be aoka izany amin’ireo mpiangona no maloto fitondran-tena koa?
5. Nahoana ny fahalotoam-pitondran-tenan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no ratsy kokoa noho ny an’i Sodoma sy i Gomora?
5 Nampitaha ireo mponin’i Jerosalema tamin’ny an’i Sodoma sy i Gomora i Jehovah. Ratsy kokoa noho ny an’i Sodoma sy i Gomora anefa ny fahalotoam-pitondran-tenan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Eny, azo tsinìna kokoa eo imason’i Jehovah mihitsy aza izy io. Ireo mpampianatra ao aminy dia manivaiva ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena kristiana. Ary izany dia miteraka rivo-piainana feno fikororosiana ara-pitondran-tena izay misy izao karazana fanangolena an-kolaka rehetra izao mba hanao ratsy. Manjaka aoka izany io tarehin-javatra ara-pitondran-tena io, hany ka heverina ho ara-dalàna ny faharatsiana amin’izao andro izao.
“Mandeha araka ny lainga”
6. Inona no nolazain’i Jeremia mikasika ny faharatsian’ireo mpaminanin’i Jerosalema?
6 Izao dia mariho izay ambaran’ny Je 23:14 andininy faha-14 momba ireo mpaminanin’i Jerosalema. ‘Nandeha araka ny lainga’ izy ireny. Ary ny tapany farany amin’ny Je 23:15 andininy faha-15 dia milaza hoe: “Avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny [fivadiham-pinoana, NW ] ho any amin’ny tany rehetra.” Avy eo dia manampy teny toy izao ny Je 23:16 andininy faha-16: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Jehovah.”
7, 8. Nahoana ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no mitovy amin’ireo mpaminany sandok’i Jerosalema, ary tamin’ny ahoana izany no nisy akony teo amin’ny mpiangona?
7 Toy ireo mpaminany sandok’i Jerosalema, dia mandeha araka ny lainga koa ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Manao izany izy ireo amin’ny fampielezana foto-pampianaran’ny mpivadi-pinoana, dia fampianarana tsy hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Inona no sasany amin’izany fampianaran-diso izany? Ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme), ny Trinite sy ny afo fandiovana ary ny afobe mirehitra ampijaliana ny olona mandrakizay. Mampifaly ny sofin’ireo mpihaino azy izy ireo amin’ny fitoriana izay zavatra tian’ny olona ho re. Ataon’izy ireo ambentinteny ny hoe tsy hisy loza hanjo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana satria hoe manana ny fiadanan’Andriamanitra izy io. Milaza “ny fahitana avy ao am-pony” anefa ny klerjy. Diso izany fahitana izany. Voapoizina ara-panahy ireo izay mino lainga toy izany. Voafitaka izy ireo ka hitarika azy ho any amin’ny fandringanana izany!
8 Diniho izay lazain’i Jehovah momba ireo mpampianatra sandoka ireo, eo amin’ny Je 23:21 andininy faha-21: “Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy; tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.” Koa amin’izao andro izao àry, ny klerjy dia tsy nirahin’Andriamanitra, sady tsy mampianatra ireo fahamarinany. Ny vokany? Misy tsy fahaiza-mamaky Baiboly mahazendana eo anivon’ireo mpiangona, satria ny mpitondra fivavahana ao aminy dia mamahana azy ireo amin’ny filozofia araka an’izao tontolo izao.
9, 10. a) Karazana nofy inona no azon’ireo mpampianatra sandok’i Jerosalema? b) Tamin’ny ahoana ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nampianatra “nofy lainga” toy izany koa?
9 Fanampin’izany, ny klerjy amin’izao andro izao dia manambara fanantenana sandoka. Mariho ny Je 23:25 andininy faha-25 manao hoe: “Efa reko ny nolazain’ny mpaminany, izay naminany lainga tamin’ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.” Karazana nofy inona izany? Milaza izany amintsika ny Je 23:32 andininy faha-32: “Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.”
10 Nofy, na fanantenana lainga inona no nampianarin’ny klerjy? Izany dia ny hoe: Ny hany fanantenan’ny olombelona hahazo fiadanana sy filaminana amin’izao andro izao dia ny Firenena Mikambana. Tamin’ireo taona faramparany izy ireo dia niantso ny Firenena Mikambana hoe “ny fara fanantenam-pifanarahana sy fandriampahalemana”, “ny toeram-pitsarana fara tampony hitondra fandriampahalemana sy rariny”, “ny fanantenana tsy ara-pivavahana lehibe indrindra ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany”. Fampanantenana sandoka re izany! Ny hany fanantenana ho an’ny olombelona dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny klerjy anefa dia tsy mitory na mampianatra ny fahamarinana momba io fitondram-panjakana any an-danitra io, izay ny loha hevitra fototry ny fitorian’i Jesosy.
11. a) Nitondra voka-dratsy inona teo amin’ny anaran’Andriamanitra manokana moa ireo mpampianatra sandok’i Jerosalema? b) Mifanohitra amin’ny kilasin’i Jeremia, inona no nataon’ireo mpampianatra ara-pivavahana sandoka amin’izao andro izao mikasika ny anaran’Andriamanitra?
11 Milaza zavatra bebe kokoa amintsika ny Je 23:27 andininy faha-27. “[Mihevitra izy ireo, NW ] ny hampanadino ny oloko ny anarako amin’ny nofiny izay lazainy amin’ny namany avy, toy ny nanadinoan’ny razany ny anarako noho ny amin’i Bala”. Ireo mpaminany sandok’i Jerosalema dia nampanadino ny vahoaka ny anaran’Andriamanitra. Tsy nanao zavatra toy izany ve ireo mpampianatra ara-pivavahana sandoka amin’izao andro izao? Ratsy kokoa aza, fa manafina ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, izy ireo. Ampianarin’izy ireo fa tsy ilaina ny mampiasa azy io, ary esoriny tsy ho ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly avoakany izy io. Toherin’izy ireo mafy izay rehetra mampianatra amin’ny hafa hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Ny kilasin’i Jeremia anefa, izany hoe ny sisa amin’ireo Kristiana voahosotry ny fanahy, miaraka amin’ny namany, dia nanao tsy misy hafa amin’ny nataon’i Jesosy. Nampianatra olona an-tapitrisany maro momba ny anaran’Andriamanitra izy ireo. — Jaona 17:6.
Fanalana sarona ny maha-meloka azy ireo
12. a) Nahoana no mivesatra trosan-dra lehibe ireo mpampianatra ara-pivavahana sandoka? b) Inona no anjara asan’ny klerjy tao amin’ireo ady lehibe roa?
12 Ny kilasin’i Jeremia dia namerimberina nanala sarona ny klerjy ho mpampianatra sandoka izay mitarika ny andian’ondriny hanaraka ny lalana malalaka mitarika ho any amin’ny fandringanana. Eny, nataon’ny sisa mazava tsara ny antony mahatonga ireo mpanonofy ireo ho mendrika ny hiharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah. Ireo mpanompon’i Jehovah, ohatra, dia nanonona matetika ny Apokalypsy 18:24, izay milaza fa hita ao amin’ny Babylona Lehibe ny ran’“izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany”. Eritrereto ireo ady rehetra natao noho ny tsy fitoviana ara-pivavahana. Endre ny halehiben’ny trosan-dran’ireo mpampianatra ara-pivavahana sandoka ireo! Ireo fampianarany dia niteraka fisaratsarahana ary nanitatra ny fankahalan’ireo olona tsy mitovy finoana sy tsy mitovy firenena. Momba ny Ady Lehibe Voalohany, dia hoy ny boky Preachers Present Arms: “Ireo anisan’ny klerjy dia nanome ho an’ny ady ny heviny sy ny heriny ara-panahy faran’izay mahery. (...) Tamin’izany ny fiangonana dia nanjary tapany tsy misaraka amin’ny rafitra momba ny ady.” Marina koa izany tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Nanohana tamin’ny fomba feno ireo firenena nifanandrina ny klerjy, ary nitso-drano ireo tafiny. Ireo ady lehibe roa dia nanomboka teo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ka nifamonoan’ny mpiray finoana. Ireo antoko tsy ara-pivavahana sy ara-pivavahana ao anatin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia manohy miteraka fandatsahan-dra hatramin’izao andro izao. Vokatra mahatsiravina toy inona moa no nentin’ireo fampianaran-disony!
13. Ahoana no anaporofoan’ny Jeremia 23:22 fa tsy manana fifandraisana amin’i Jehovah ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
13 Mariho, aza fady, ny Jeremia 23:22 toko faha-23, andininy faha-22, manao hoe: “Raha isan’ny mpihevitra teo amiko [“nitoetra teo anivon’ny fitambaran’olona akaiky ahy”, NW ] izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ny làlany ratsy sy tamin’ny faharatsian’ny nataony.” Raha nitoetra teo anivon’ilay fitambaran’olona akaiky an’i Jehovah ireo mpaminany ara-pivavahan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ka nanana fifandraisana akaiky taminy toy ny mpanompo iray mahatoky sy malina, dia ho niaina nifanaraka tamin’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra koa izy ireo. Ho nataon’izy ireo koa izay handrenesan’ny olona ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny tenin’Andriamanitra. Tsy izany anefa, fa nataon’ireo mpampianatra sandoka amin’izao andro maoderina izao ireo izay hahatonga ireo mpanara-dia azy ho mpanompo jamban’ilay Fahavalon’Andriamanitra, dia i Satana Devoly.
14. Fanalana sarona mahery ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana inona no navoaka tamin’ny 1958?
14 Nahery ny fanalana sarona ny klerjy nataon’ny kilasin’i Jeremia. Ohatra, tamin’ny Fivoriambe Niraisam-pirenena “Ny Sitrapon’Andriamanitra” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1958 tany New York City, dia hoy ny tapany sasany tamin’ny fanambarana iray nataon’ny prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower: “Tsy miolakola-teny na misalasala akory isika manambara fa ny antony fototry ny heloka bevava, ny ditra, ny fankahalana, ny fifandrafiana sy ny fanavakavahana rehetra (...) ary ny fisafotofotoana izaitsizy, dia ny fivavahana ratsy, ny fivavahan-diso; ao ambadik’izy io ilay fahavalon’ny olombelona tsy hita maso, dia i Satana Devoly. Ireo lehilahy tompon’andraikitra indrindra amin’ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao dia ireo mpampianatra sy mpitarika ara-pivavahana; ary ny meloka indrindra amin’izy ireo dia ny klerjy ara-pivavahan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. (...) Taorian’ireny taona rehetra nanaraka ny Ady Lehibe Voalohany ireny, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia manana fifandraisana amin’Andriamanitra mitovy amin’ny an’ny Isiraely tamin’ny andron’i Jeremia. Eny, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia miatrika fandringanana mahatahotra kokoa sy mandrava kokoa noho ilay hitan’i Jeremia nanjo an’i Jerosalema.”
Didim-pitsarana ho an’ireo mpampianatra sandoka
15. Faminaniana momba ny fiadanana inona avy no nataon’ny klerjy? Ho tanteraka ve izy ireny?
15 Na dia teo aza izany fampitandremana izany, nanao ahoana ny fihetsiky ny klerjy hatramin’izay? Tsy misy hafa amin’izay voatantara eo amin’ny Je 23:17 andininy faha-17 manao hoe: “Milaza mandrakariva amin’izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana hianareo, — ary amin’izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.” Marina ve izany? Tsia! Hanala sarona ny tsy fahamarinan’ireo faminanian’ny klerjy i Jehovah. Tsy hanatanteraka izay lazain’izy ireo amin’ny fampiasana ny anarany izy. Kanefa, tena mamitaka aoka izany ny toky sandoky ny klerjy momba ny fihavanany amin’Andriamanitra!
16. a) Rivo-piainana ara-pitondran-tena inona no hita eo amin’itỳ tontolo itỳ, ary iza no tompon’andraikitra amin’izany? b) Inona no ataon’ny kilasin’i Jeremia mikasika ny fiheverana mikororosy ara-pitondran-tena eo amin’itỳ tontolo itỳ?
16 Moa ve ianao mihevitra hoe: ‘Ahoana hoe, izaho ve dia ho voafitak’ireo fampianaran-dison’ny klerjy? Sanatria izany!’ Aza matoky ny amin’izany loatra! Tadidio fa ireo fampianaran-dison’ny klerjy dia nampirisika ny hisian’ny rivo-piainana ara-pitondran-tena mamitaka mahatsiravina. Ireo fampianarany milefitra loatra dia manome rariny saiky ny zava-drehetra, na manao ahoana na manao ahoana faharatsian’izany ara-pitondran-tena. Ary izany rivo-piainana ara-pitondran-tena mikororosy izany dia manenika ny sahan’ny fialam-boly rehetra, ny sarimihetsika, ny televiziona sy ny gazetiboky ary ny mozika. Isika àry dia tsy maintsy maneho fitandremana faran’izay lehibe sao latsaka ao amin’ny fitaoman’io rivo-piainana mikororosy, kanefa manintona an-kolaka, io. Ireo tanora dia afaka ny ho voafitak’ireo vidéos sy mozika mampietry. Tadidio fa io fihetsika milefitra amin’ny zava-drehetra ananan’ny olona amin’izao andro izao io dia vokatra mivantan’ireo fampianaran-dison’ny klerjy sy ny tsy fiarovany ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra. Ny kilasin’i Jeremia dia miady amin’ireo fiheverana maloto ara-pitondran-tena ireo sady manampy ireo mpanompon’i Jehovah hanilika ny faharatsiana izay manenika ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
17. a) Araka ny nambaran’i Jeremia, didim-pitsarana inona no tsy maintsy nihatra tamin’i Jerosalema ratsy fanahy? b) Inona no hanjo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tsy ho ela?
17 Inona no didim-pitsarana ho azon’ireo mpampianatra sandoky ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana avy amin’i Jehovah, ilay Mpitsara lehibe? Mamaly izany ny Je 23:19, 20, 39, 40 andininy faha-19, 20 sy 39 ary 40, manao hoe: “He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. Ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; (...) Hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako; ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.” Izany rehetra izany dia nanjo an’i Jerosalema ratsy fanahy sy ny tempoliny, ary ankehitriny dia hisy loza toy izany koa hanjo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ratsy fanahy tsy ho ela!
Fanambarana ny “enta-mavesatr’i Jehovah”
18, 19. “Enta-mavesatr’i Jehovah” inona no nambaran’i Jeremia tamin’ny Joda, ary milaza tsy mivantana inona avy izany?
18 Koa inona àry no andraikitry ny kilasin’i Jeremia sy ny namany? Milaza izany amintsika ny Je 23:33 andininy faha-33 manao hoe: “Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no [enta-mavesatr’i, NW ] Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: [‘Ianareo dia — Odre, tena enta-mavesatra! Hafoiko tokoa ianareo’, hoy ny fanambaran’i Jehovah, NW ].”
19 Ny teny hebreo nadika hoe “entana” na “enta-mavesatra” (NW ) dia manana heviny roa. Afaka manondro ny fanambarana mafonja iray avy amin’Andriamanitra izy io, na zavatra izay manavesatra sy mandreraka. Eto ny teny hoe “enta-mavesatr’i Jehovah” dia manondro ny faminaniana mafonja iray — ilay fanambarana fa voaheloka ho amin’ny fandringanana i Jerosalema. Tian’ilay vahoaka ve ny nahare izany fanambarana ara-paminaniana nafonja izany, izay nomen’i Jeremia azy ireo niverimberina avy tamin’i Jehovah? Tsia, naneso an’i Jeremia ilay vahoaka hoe: ‘Faminaniana (enta-mavesatra) inona indray izao no any aminao? Tsy maintsy ho enta-mavesatra mandreraka hafa indray izao ny faminanianao!’ Inona anefa no nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo? Izao: “Ianareo dia — Odre, tena enta-mavesatra! Hafoiko tokoa ianareo”. Eny, ireny olona ireny dia enta-mavesatra ho an’i Jehovah, ary hanaisotra azy ireo izy mba tsy hanavesatra azy intsony.
20. Inona ilay “enta-mavesatr’i Jehovah” amin’izao andro izao?
20 Inona ilay “enta-mavesatr’i Jehovah” amin’izao andro izao? Izany dia ilay hafatra ara-paminaniana mafonja avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izy io dia feno filazana loza manambara ny fandringanana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana efa antomotra. Raha ny amin’ny vahoakan’i Jehovah, dia manana ny andraikitra mavesatra hanambara io “enta-mavesatr’i Jehovah” io isika. Arakaraka ny anatonan’ny farany, dia tsy maintsy milaza amin’ny rehetra isika fa ny vahoaka maditran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia ‘enta-mavesatra’, eny, “Odre, tena enta-mavesatra!” ho an’i Jehovah Andriamanitra, ary koa fa tsy ho ela izy dia hanala amin’ny tenany io ‘enta-mavesatra’ io, amin’ny fanolorana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho amin’ny loza.
21. a) Nahoana i Jerosalema no noravana tamin’ny 607 al.f.i.? b) Taorian’ny fandravana an’i Jerosalema, dia inona no nitranga tamin’ireo mpaminany sandoka sy tamin’ny tena mpaminanin’i Jehovah, ary manome antsika toky ny amin’inona izany amin’izao andro izao?
21 Ny didim-pitsaran’i Jehovah dia nampiharina tamin’ny andron’i Jeremia fony nandrava an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. ny Babyloniana. Araka ny faminaniana, izany dia ‘fahafaham-baraka sy fietrena’ ho an’ireny Isiraelita mafy hatoka sy tsy nahatoky ireny. (Jeremia 23:39, 40, NW ). Izany dia nampiseho tamin’izy ireny fa i Jehovah, izay nalainy baraka imbetsaka tamin’ny farany dia nandao azy ireo tanteraka tamin’ny vokatry ny faharatsiany. Nampanginina tamin’ny farany ny vavan’ireo mpaminaniny sandoka feno eboebo. Tsy nitsahatra naminany anefa ny vavan’i Jeremia. Tsy nandao azy i Jehovah. Mifanaraka amin’izany ohatra izany, dia tsy handao ny kilasin’i Jeremia i Jehovah rehefa hitarika ho amin’ny fanesorana ny ain’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny an’ireo izay mino ny laingan’izy ireo, ny fanapahan-keviny mafonja.
22. Hataon’ny didim-pitsaran’i Jehovah ho tonga ao anatin’ny toe-piainana manao ahoana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
22 Eny, ny toe-piainan’i Jerosalema foana sy tsy nisy mponina taorian’ny 607 al.f.i. indrindra no ho hitan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana rehefa hesorina aminy ny hareny ka ho voala sarona amin-kenatra izy. Izany no didim-pitsarana mendrika azy navoakan’i Jehovah hamelezana ireo mpampianatra sandoka. Tsy maintsy hihatra izany didim-pitsarana izany. Toy ny nahatanterahan’ireo hafatra fampitandremana nanomezana tsindrimandry an’i Jeremia tamin’ny lasa, dia toy izany koa no hahatanterahan’izy ireo amin’izao andro maoderina izao. Noho izany, dia aoka isika ho tahaka an’i Jeremia. Aoka isika hanambara tsy amin-tahotra any amin’ny olona ny enta-mavesatra ara-paminanian’i Jehovah mba hahafantarany ny antony hahatongavan’ny havesatry ny didim-pitsarany ara-drariny amin’ireo mpampianatra ara-pivavahana sandoka rehetra!
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Toy inona ny faharatsian’i Jerosalema fahiny teo imason’i Jehovah?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no ‘nandeha araka ny lainga’?
◻ Ahoana no nanalana sarona ny maha-meloka ny klerjy amin’izao andro maoderina izao?
◻ “Enta-mavesatr’i Jehovah” inona izao no ambara?
[Sary, pejy 8]
Nanao “zavatra mahatsiravina” ireo mpaminanin’i Jerosalema
[Sary, pejy 9]
“Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy”
[Sary, pejy 10]
I Jerosalema taorian’ny fandravana azy dia mampiseho an’ohatra ny hiafaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana