Ny Fiadian-kevitra eo Amin’i Jehovah sy Ireo Firenena
“Mihatra amin’ny faran’ny tany ny fihorakorahana; fa [misy fiadian-kevitra eo amin’i Jehovah sy ireo firenena, NW ].” — JEREMIA 25:31.
1, 2. a) Inona no nanjo ny Joda taorian’ny nahafatesan’i Josia Mpanjaka? b) Iza no mpanjaka farany tao Joda, ary tamin’ny ahoana izy no nijaly noho ny tsy fahatokiany?
NIATRIKA fotoan-tsarotra tsy mora setraina ny tanin’ny Joda. Nampihemotra kely ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah ny mpanjaka tsara iray, dia i Josia izany. Inona anefa no nitranga nanaraka rehefa nisy namono i Josia tamin’ny 629 al.f.i.? Nanala baraka an’i Jehovah ireo mpanjaka nandimby azy.
2 Ilay mpanjakan’ny Joda farany, i Zedekia, zanakalahin’i Josia fahefatra, dia nanohy “nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah (...), tahaka izay rehetra nataon’i Joiakima [zokiny lahy]”, araka ny ambaran’ny 2 Mpanjaka 24:19. Inona no vokany? Tonga namely an’i Jerosalema i Nebokadnezara, nisambotra an’i Zedekia, namono ireo zanany lahy teo imasony, nanao izay hahajamba azy ary nitondra azy tany Babylona. Fanampin’izany, ireo Babyloniana dia nandroba ireo fanaka nampiasaina teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, ka nandoro ilay tempoly sy ilay tanàna. Ireo tafita velona dia natao sesitany tany Babylona.
3. Fe-potoana inona no nanomboka tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., ary inona no tsy maintsy nitranga tamin’ny faran’izany fe-potoana izany?
3 Io taona io, ny 607 al.f.i., dia tsy nanamarika ny fanafoanana farany an’i Jerosalema fotsiny, fa nanamarika koa ny fiandohan’ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, resahina ao amin’ny Lioka 21:24 (NW ). Io fe-potoana naharitra 2 520 taona io dia nifarana tamin’itỳ taonjato misy antsika itỳ, tamin’ny 1914. Tamin’izay, dia tonga ny fotoana hanambaran’i Jehovah sy hampiharany ny didim-pitsarany amin’izao tontolo izao mikororosy ara-pitondran-tena, amin’ny alalan’ny Zanany nahazo fiandrianana, i Jesosy Kristy, izay lehibe kokoa noho i Nebokadnezara. Io fitsarana io dia manomboka amin’ilay mifanitsy amin’ny Joda amin’izao andro maoderina izao, ny mifanitsy aminy izay mihambo ho misolo tena an’Andriamanitra sy i Kristy eto an-tany.
4. Fanontaniana inona avy izao no mipoitra mifandray amin’ny faminanian’i Jeremia?
4 Moa ve isika mahita fitoviana eo amin’ny fisavorovoroana nisy nandritra ireo taona faran’ny Joda teo ambanin’ny fanapahan’ireo mpanjakany — izay nahitana fisehoan-javatra nitera-doza sy nisy fiantraikany koa teo amin’ireo firenena nanodidina — sy ny fisavorovoroana misy eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao? Izany tokoa! Inona àry no asehon’ny faminanian’i Jeremia mikasika ny fomba hikarakaran’i Jehovah zavatra amin’izao andro izao? Aoka hojerentsika.
5, 6. a) Hatramin’ny 1914, dia tamin’ny ahoana ny toe-javatra tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nitovy tamin’ilay tao Joda taloha kelin’ny fandravana azy? b) Hafatra inona no nentin’i Jeremia maoderina ho an’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
5 Ilay mpahay matematika sady filozofa anglisy atao hoe Bertrand Russell dia nilaza toy izao, 40 taona lasa teo ho eo izay: “Hatramin’ny 1914, izay rehetra mahatsapa ny fironana misy eo amin’izao tontolo izao dia manahy mafy ny amin’ny toa firosony mankany amin’ny loza amin’antambo lehibe kokoa tsy azo ihodivirana sy voalahatra mialoha.” Ary ilay mpitondra fanjakana alemanina atao hoe Konrad Adenauer dia nanambara hoe: “Ny tsy fananana ahiahy sy ny filaminana dia nanjavona teo amin’ny fiainan’ny olona hatramin’ny 1914.”
6 Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny andron’i Jeremia, ny fanatonan’ny faran’ny fandehan-javatra dia voamariky ny fandatsahan-dran’olona tsy manan-tsiny mandriaka aoka izany, indrindra fa tamin’ireo ady lehibe roa tamin’itỳ taonjato itỳ. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, ireo ady ireo dia nataon’ireo firenena ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay mihambo ho manompo an’ilay Andriamanitry ny Baiboly. Fihatsarambelatsihy re izany! Tsy mahagaga raha naniraka ireo Vavolombelony i Jehovah mba hilaza amin’izy ireo ny teny ao amin’ny Jeremia 25:5, 6 manao hoe: “Samia miala amin’ny làlan-dratsinareo avy hianareo sy amin’ny ratsy fanaonareo (...) Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan’ny tànanareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.”
7. Inona no porofo fa tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jehovah ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
7 Tsy nety niala tamin’ny lalany anefa, ireo firenena ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Niseho izany tamin’ny fanaovany fanatitra fanampiny ho an’ny andriamanitry ny ady tany Korea sy Vietnam. Ary manohy manohana ara-bola ireo mpivarotra fahafatesana, dia ireo mpanamboatra fitaovam-piadiana, izy ireo. Ireo tany ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanome ny ampahany lehibe indrindra tamin’ny vola efa ho iray tapitrisa tapitrisa dolara lany tamin’ny fitaovam-piadiana isan-taona nandritra ireo taona 1980. Teo anelanelan’ny 1951 sy 1991, ny fandaniana ara-tafika isan-taonan’i Etazonia fotsiny dia nihoatra ny tombony afa-karatsaka (bénéfices nets) azon’ireo fikambanana amerikana rehetra mitambatra. Hatramin’izay nanaovana antso avo ny nifaranan’ny Ady Mangatsiaka izay, dia nahena ireo fitaovam-piadiana niokleary lany andro, kanefa dia mbola misy sady mbola hatsaraina ihany ireo fitaovam-piadiana mahafaty hafa tsy toko tsy forohana. Mety hisy hampiasa izy ireo indray andro any.
Didim-pitsarana hamelezana ny faritra milefitra loatran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
8. Ahoana no hahatanterahan’ny tenin’ny Jeremia 25:8, 9 amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
8 Ireo tenin’i Jehovah fanampiny hita ao amin’ny Jeremia 25:8, 9 izao dia mihatra manokana amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay tsy niaina nifanaraka tamin’ireo fari-pitsipika kristiana momba ny fahamarinana: “Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko, dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.” Noho izany, ny fahoriana lehibe dia hanomboka amin’ireo izay mihambo ho vahoakan’Andriamanitra, dia ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary amin’ny farany dia hiitatra maneran-tany, dia ireo “firenena manodidina rehetra”.
9. Tamin’ny fomba ahoana avy no niharatsian’ny toe-piainana ara-panahin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao androntsika izao?
9 Teo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia nisy fotoana nanajana ny Baiboly, niheverana saiky hatraiza hatraiza ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana ho loharanom-pahasambarana, nifohazan’ny olona maraina ka nahitany fahafaham-po tamin’ny asa nataony isan’andro. Maro no namelombelona ny tenany tamin’ny famakiana sy fianarana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fahazavan’ny jiro kely, ny takariva. Amin’izao andro izao anefa, dia nampikororosy ny fiainana amin’ny fetrany mampivarahontsana ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fisaraham-panambadiana, ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina sy ny fimamoana, ny fandikan-dalàna, ny faniriana mihoa-pampana, ny hakamoana eo amin’ny asa, ny fanandevozan’ny televiziona, sy ireo fahazaran-dratsy hafa. Izany dia sava ranonandon’ilay fandravana izay madiva hampiharin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny faritra milefitra loatran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
10. Lazalazao ny ho toe-piainan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, aorian’ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah.
10 Nanambara toy izao i Jehovah, araka ny vakintsika ao amin’ny Jeremia 25:10, 11 toko faha-25, andininy faha-10 sy faha-11: “Hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro. Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy [ho zavatra igagana, NW ]”. Tena hahagaga tokoa rehefa hirodana ka ho rava ireo tempoly lehibe sy lapa kanton’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Hanao ahoana ny halehiben’izany fandringanana izany? Tamin’ny andron’i Jeremia, ny faharavan’ny Joda sy ireo firenena nanodidina dia naharitra 70 taona, izay lazain’ny Salamo 90:10 fa androm-piainana iray amin’ny antsalany. Ny fampiharan’i Jehovah didim-pitsarana amin’izao andro izao dia ho manontolo, ho mandrakizay.
Didim-pitsarana hamelezana an’i Babylona Lehibe
11. Iza no ho fitaovana hanafoanana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Nahoana?
11 Araka ny nolazaina mialoha ao amin’ny Apokalypsy 17:12-17, dia ho tonga ny fotoana hanombohan’i Jehovah ny asany hafahafa amin’ny fanomezana fo an’ireo “tandroka folo” — mpikambana manan-tafika ao amin’ny Firenena Mikambana — mba “hanatanteraka ny heviny”, dia ny handrava ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Ahoana no hitrangan’izany? Misy fomba maro mety hahatonga “ny tandroka folo” ao amin’ny Apokalypsy 17 toko faha-17, “hankahala ilay vehivavy janga ka (...) handevona ny tenany amin’ny afo”, araka ny teny eo amin’ny Ap 17:16 andininy faha-16. Marina fa nitombo izaitsizy ireo fitaovam-piadiana niokleary ary mbola mitombo izaitsizy ihany any amin’ireo faritra tandindomin’ny ady eto an-tany. Kanefa dia tsy maintsy miandry isika mba hahitana ny fomba hanomezan’i Jehovah fo ireo mpanapaka ara-politika mba hampihatra ny famaliany.
12. a) Inona no nanjo an’i Babylona rehefa avy nandrava an’i Jerosalema izy? b) Inona no hanjo an’ireo firenena, aorian’ny fanafoanana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
12 Tamin’ny andro fahiny dia anjaran’i Babylona indray ny niharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Araka izany, manomboka eo amin’ny Jeremia 25:12 toko faha-25, andininy faha-12, ilay faminaniana dia mandinika ilay raharaha avy amin’ny fomba fijery efa niova, atỳ aoriana kokoa. Tsy Mpampihatra Didim-pitsaran’i Jehovah intsony izao i Nebokadnezara sy i Babylona, fa nampidirina kosa ho anisan’ireo firenena rehetra eo amin’izao tontolo izao. Izany dia mitovy amin’ny tarehin-javatra amin’izao andro izao. Ireo “tandroka folo” ao amin’ny Apokalypsy 17 toko faha-17 dia hanafoana ny fivavahan-diso, kanefa atỳ aoriana, dia ny tenan’izy ireo indray kosa no hiharan’ny fandringanana miaraka amin’ireo “mpanjakan’ny tany” hafa rehetra, araka ny voalazalaza ao amin’ny 19 Apokalypsy 19 toko faha-19. Ny Jeremia 25:13, 14 dia milazalaza ny fomba hiharan’ny didim-pitsarana amin’i Babylona, miaraka amin’ireo “firenena rehetra” izay nampanompo ny vahoakan’i Jehovah. Nampiasain’i Jehovah ho mpampihatra ny didim-pitsarany mba hanafaizana ny Joda i Nebokadnezara. Kanefa izy sy ireo mpanjakan’i Babylona tatỳ aoriana dia samy nanandra-tena tamim-pieboeboana hanohitra an’i Jehovah mihitsy, araka ny nasehon’ny fanazimbazimbana ireo fanaka tao amin’ny tempolin’i Jehovah, ohatra. (Daniela 5:22, 23). Ary rehefa nandringana an’i Jerosalema ireo Babyloniana, dia nifaly ary nihomehy ny vahoakan’Andriamanitra ireo firenena nanodidina ny Joda — Moaba, Amona, Tyro, Edoma sy ny hafa. Izy ireo koa dia tsy maintsy nijinja ny valiny mendrika azy avy tamin’i Jehovah.
Didim-pitsarana hamelezana “ny firenena rehetra”
13. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity”, ary inona no manjo an’ireo izay misotro amin’ilay kapoaka?
13 Noho izany, dia izao no ambaran’i Jeremia, araka ny voarakitra ao amin’ny Je 25:15, 16 toko faha-25, andininy faha-15 sy faha-16: “Izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tànako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao. Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.” Nahoana izy io no ‘kapoaky ny divay fahatezerana mirehitr’i Jehovah’? Ao amin’ny Matio 26:39, 42 sy Jaona 18:11, i Jesosy dia niresaka momba ny “kapoaka” iray ho fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra momba azy. Mitovy amin’izany koa fa ampiasaina ny kapoaka iray ho sary hampisehoana ny sitrapon’i Jehovah hisotroan’ireo firenena ny famalian’Andriamanitra. Ny Jeremia 25:17-26 dia mitanisa ireo antokom-pirenena ireo izay nampiseho mialoha ireo firenena amin’izao andro izao.
14. Araka ny faminanian’i Jeremia, iza no misotro amin’ny kapoaky ny divay fahatezerana mirehitr’i Jehovah, ary mampiseho an-tsary inona izany amin’izao androntsika izao?
14 Rehefa tonga ‘tany lao sy figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana’ ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, toy ny nanjo ny Joda, dia misy fandringanana miandry ny sisa amin’ny empira maneran-tany manontolon’ny fivavahan-diso. Manaraka izany, izao tontolo izao manontolo, nasehon’i Egypta, dia tsy maintsy misotro amin’ny kapoaky ny divay fahatezerana mirehitr’i Jehovah! Eny, “ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ny tany” dia tsy maintsy misotro. Farany, “ny mpanjakan’i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo”. Iza moa itỳ “mpanjakan’i Sesaka” itỳ? I Sesaka dia anarana ara-panoharana, soratra manana heviny miafina, na famantarana, anondroana an’i Babylona. Toy ny naha-mpanjaka tsy hita maso an’i Satana teo amin’i Babylona, dia “andrianan’izao tontolo izao” mandraka ankehitriny izy, araka ny nasehon’i Jesosy. (Jaona 14:30). Noho izany, ny Jeremia 25:17-26, dia mifanitsy amin’ny Apokalypsy 18-20 toko faha-18 ka hatramin’ny faha-20 mba hampisehoana mazava ny fizotran’ireo fisehoan-javatra rehefa hampandalovina ny kapoaky ny fahatezerana mirehitr’i Jehovah. Voalohany aloha, dia tsy maintsy foanana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, manaraka izany ireo hery ara-politika, ary avy eo dia i Satana mihitsy no hatao ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa. — Apokalypsy 18:8; 19:19-21; 20:1-3.
15. Inona no hitranga rehefa re ilay antsoantso momba ny “fiadanana sy filaminana”?
15 Nisy resa-be natao momba ny fiadanana sy filaminana hatramin’ny nilazana fa nifarana ny Ady Mangatsiaka, ka herim-panjakana matanjaka iray monja sisa tavela. Araka ny ambara ao amin’ny Apokalypsy 17:10, izany herim-panjakana matanjaka izany, ny loha fahafiton’ilay biby dia, dia tsy maintsy “mitoetra kelikely”. Mihamanatona ny farany anefa izany fotoana “kelikely” izany. Tsy ho ela, ny antsoantso rehetra momba ny “fiadanana sy filaminana” ara-politika dia hosoloan’ny ‘fandringanana tampoka [izay ho] tonga aminy avy hatrany’. Izany no ambaran’ny apostoly Paoly. — 1 Tesaloniana 5:2, 3, NW.
16, 17. a) Raha misy manandrana mandositra ny didim-pitsaran’i Jehovah, dia inona no ho vokatr’izany? b) Amin’ny fomba mandrava inona no hahatanteraka tsy ho ela ny sitrapon’i Jehovah eto an-tany?
16 Ny fandehan-javatra maneran-tany manontolon’i Satana, manomboka amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia tsy maintsy misotro amin’ny kapoaky ny famalian’i Jehovah. Manamafy izany ilay didy fanampiny nomeny an’i Jeremia, voarakitra ao amin’ny Je 25:27-29 toko faha-25, andininy faha-27 ka hatramin’ny faha-29, manao hoe: “Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa hianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony — noho ny sabatra izay hampameleziko anareo. Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tànanao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Tsy maintsy misotro hianareo. Fa, indro, ao amin’ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va hianareo? Tsy ho afaka mihitsy hianareo; fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”
17 Teny henjana tokoa ireo — teny mahatahotra tokoa, satria notononin’ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, dia i Jehovah Andriamanitra. Nandritra ny an’arivony taona maro izy dia nizaka tamim-paharetana ireo fitenenan-dratsy sy fanakianana ary fankahalana natototra ny anarany masina. Ela ny ela anefa ka tonga ihany ny fotoana hamaliany ilay vavaka nampianarin’i Jesosy Kristy, Zanany malala, ny mpianany, fony izy io teto an-tany, manao hoe: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Sitrapon’i Jehovah ny hiasan’i Jesosy ho toy ny sabany mba hampihatra famaliana.
18, 19. a) Iza ilay mandroso mitaingin-tsoavaly mba handresy amin’ny anaran’i Jehovah, ary inona no andrasany, alohan’ny hamitany ny fandreseny? b) Rehefa hamaha ny tafio-drivotry ny fahatezerana mirehitr’i Jehovah ireo anjely, dia fisehoan-javatra mahatahotra inona no hitranga eto an-tany?
18 Ao amin’ny Apokalypsy 6 toko faha-6, dia vakintsika aloha ny amin’i Jesosy mitaingina soavaly fotsy iray mba ‘haharesy sady mbola haharesy’. (Ap 6:2 Andininy faha-2). Izany dia nanomboka tamin’ny fandraisany ny fiandrianana ho Mpanjaka any an-danitra tamin’ny 1914. Misy soavaly sy mpitaingin-tsoavaly hafa manaraka azy, ka ireo dia mampiseho ny ady tanteraka sy mosary ary areti-mandringana izay namely ny tanintsika hatramin’izay. Rahoviana anefa no hifarana izany fisavorovoroana rehetra izany? Ny Apokalypsy 7 toko faha-7 dia mampahafantatra antsika fa misy anjely efatra mihazona mafy “ny rivotra efatra amin’ny tany” mandra-pahangona ny Isiraely ara-panahy sy ny vahoaka betsaka avy amin’ny firenena rehetra ho amin’ny famonjena. (Ap 7:1 Andininy 1). Ary avy eo?
19 Manohy toy izao ny Jeremia 25 toko faha-25, eo amin’ny Je 25:30, 31 andininy faha-30 sy faha-31: “Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin’ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany. Mihatra amin’ny faran’ny tany ny fihorakorahana; fa [misy fiadian-kevitra eo amin’i Jehovah sy ireo firenena, NW ]; mifandahatra amin’ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ny sabatra, hoy Jehovah.” Tsy misy firenena ho afa-mandositra ny fisotroana amin’ny kapoaky ny fahatezerana mirehitr’i Jehovah toy izany. Noho izany, dia tena ilaina maika ny hisarahan’ny olona mahitsy fo rehetra amin’ny faharatsian’ireo firenena, alohan’ny hamahan’ireo anjely efatra ny tafio-drivotra misamboaravoaran’ny fahatezerana mirehitr’i Jehovah. Misamboaravoara tokoa izy io, satria hoy ny tohin’ny faminanian’i Jeremia eo amin’ny Je 25:32, 33 andininy faha-32 sy faha-33:
20. Fitantarana zavatra hitranga inona no manantitrantitra ny hamafin’ny didim-pitsaran’i Jehovah, kanefa nahoana no ilaina izany fanaovan-javatra izany?
20 “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ny faran’ny tany; ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.” Tena fitantarana mampihoron-koditra ny amin’izay hitranga tokoa izy izany, kanefa dia ilaina izany fanaovan-javatra izany mba hanadiovana ny tany amin’ny faharatsiana rehetra, alohan’ny hampidirana ilay Paradisa ampanantenain’Andriamanitra.
Mpiandry ondry hidradradradra sy hitaraina
21, 22. a) Iza moa ireo “mpiandry ondry” teo amin’ny Isiraely voalaza ao amin’ny Jeremia 25:34-36, ary nahoana izy ireo no voatery hidradradradra? b) Mpiandry ondry maoderina iza no mendrika ny fahatezeran’i Jehovah, ary nahoana izy ireo no mendrika izany tanteraka?
21 Ny andininy faha-34 ka hatramin’ny faha-36 dia miresaka bebe kokoa ny amin’ny didim-pitsaran’i Jehovah toy izao: “Midradradradrà, hianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; eny, mihosinkosena, hianareo zokiny amin’ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo; ary hampieleziko hianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara. Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin’ny ondry tsy hanam-pahafahana. Injany! misy feo fitarainan’ny mpiandry ondry sy fidradradradran’ny zokiny aminy! Satria efa nosimban’i Jehovah ny saha fiandrasana azy”.
22 Iza moa ireo mpiandry ondry ireo? Izy ireo akory tsy ireo mpitondra ara-pivavahana izay efa mamon’ny fahatezeran’i Jehovah. Ireo mpiandry ondry ara-tafika kosa izy ireo, dia ireo voalazalaza koa ao amin’ny Jeremia 6:3, izay manangona ny tafiny ho andiany lehibe, ho fihaikana an’i Jehovah. Izy ireo dia ireo mpanapaka ara-politika, izay nampanan-karena tena tamin’ireo olona notapahiny. Maro amin’izy ireo no mpandraharaha kingalahy, raindahiny amin’ny fandraisana kolikoly. Nitaredretra izy ireo hanalefaka ireo mosary izay nandripaka vahoaka manontolo tany amin’ireo tany tsy nambinina. Izy ireo dia mampanan-karena “ny zokiny amin’ny ondry”, toy ireo mpandraharaha mpanefohefo eo amin’ny fivarotana fitaovam-piadiana sy ireo mpanimba ny tontolo iainana feno faniriana mihoa-pampana, kanefa dia lavin’izy ireo ny hanome ilay fanampiana ara-pitsaboana sy sakafo mahavelona izay afaka mamonjy ain’ankizy eo am-bavahoana am-polo tapitrisany maro, amin’ny sarany kely dia kely.
23. Lazalazao ny amin’ny toe-piainan’ny faritra tapahin’i Satana aorian’ireo asa fandravan’i Jehovah.
23 Tsy mahagaga ny Jeremia toko faha-25, eo amin’ny Je 25:37, 38 andininy faha-37 sy faha-38 raha mamaran-teny amin’ny filazana ny amin’ireo mitady amim-pitiavan-tena fiadanana ho an’ny tenany samirery ireo hoe: “Efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; fa [tonga zavatra igagana, NW ] ny taniny noho ny fahasiahan’ny mpampahory sy noho ny firehetan’ny fahatezerany.” Igagana tokoa! Kanefa, ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah dia azo antoka fa hasehony amin’ny alalan’Ilay lazalazain’ny Apokalypsy 19:15, 16 ho “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” izay miandry ireo firenena amin’ny tehim-by. Ary inona no hanaraka izany?
24. Fitahiana inona avy no hoentin’ny fanafoanana ny fivavahan-diso sy ny sisa amin’ny tontolon’i Satana ho an’ny taranak’olombelona marina?
24 Efa niharan’ny rivo-doza na ny cyclone iray ve ianao? Mety ho fanandraman-javatra mampihorohoro izany. Ny ampitso marainan’iny anefa, na dia mety hahita faharavana manodidina aza ianao, mazàna ny rivotra dia madio aoka izany ary ny fahatoniana mamelombelona aoka izany, hany ka afaka misaotra an’i Jehovah ianao noho io andro mahafinaritra tsy nampoizina io. Toy izany koa, rehefa hitony ireo tafio-drivotry ny fahoriana lehibe, dia ho azonao atao ny hijery ny tany amim-pankasitrahana satria velona aina ianao ary vonona ny handray anjara amin’ny asa fanampiny avy amin’i Jehovah, dia ny hanao ny tany voadio iray ho paradisa be voninahitra. Hifarana amin’ny fomba malaza ilay fiadian-kevitra eo amin’i Jehovah sy ireo firenena, ho fanamasinana ny anarany sy ho fisavana ny lalana mba hanaovana ny sitrapony eto an-tany eo ambanin’ny Fanapahana Arivo Taonan’ilay Fanjakana Mesianika. Ho tonga tsy ho ela anie izany Fanjakana izany!
Famerenana fehintsoratra faha-5-24 amin’itỳ lahatsoratra itỳ
◻ Fomba feno fihatsarambelatsihin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana inona avy izao no iharan’ny didim-pitsarana?
◻ Fomba fiheverana miitatra mikasika ny didim-pitsarana inona no raisina ao amin’ny Jeremia 25:12-38?
◻ Kapoaky ny famaliana inona no ampandalovina amin’ny firenena rehetra?
◻ Iza moa ireo mpiandry ondry izay midradradradra sy mitaraina, ary nahoana izy ireo no voahelingelina?
[Sary, pejy 18]
Nifidy ilay fitaovana hanafoanana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana i Jehovah
[Sary, pejy 23]
Hiseho ny tany iray voadio, aorian’ny tafio-drivotry ny fahoriana lehibe