TOKO FAHA-10
Manontany Tena Foana ve Ianao Hoe: “Aiza i Jehovah?”
1, 2. a) Nanao ahoana ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia teo amin’ny lafiny ara-panahy? b) Inona no tokony ho nataon’izy ireo?
NITOMANY i Jeremia. Nalahelo izy noho ny toe-javatra nisy ny mpiray tanindrazana taminy sy noho ny zavatra nasain’Andriamanitra nolazainy momba ny hoavin’izy ireo. Tian’i Jeremia ho feno “rano” ao anaty lohany, ary ho ‘loharano’ ny masony, ka ho afaka hitomany tsy misy farany izy. Rariny tokoa raha nalahelo i Jeremia. (Jer. 9:1-3; vakio ny Jeremia 8:20, 21.) Tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra foana ny Jiosy sady tsy nankatò ny teniny, ka hisy loza hanjo azy ireo.—Jer. 6:19; 9:13.
2 Tsy tian’ny mponin’i Joda ho fantatra hoe ahoana ny hevitr’i Jehovah amin’ny fitondran-tenan’izy ireo. Naleon’izy ireo nihaino an’ireo mpitondra fivavahana nilaza hoe mandeha tsara ny zava-drehetra. (Jer. 5:31; 6:14) Toy ny marary nitady dokotera izy ireo, nefa dokotera hilaza zavatra mampilamina ny sainy no notadiaviny, fa tsy dokotera hijery ny aretina lehibe nahazo azy. Raha marary mafy ianao, tsy ho tianao ve raha jerena izay tena manjo anao, mba ho voatsabo haingana ianao? Tsy mba toy izany ny Jiosy. Tokony ho namantatra izy ireo hoe manao ahoana marina izy ireo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tokony ho nanontany izy ireo hoe: “Aiza i Jehovah?”—Jer. 2:6, 8.
3. a) Ho an’ireo Jiosy, inona no dikan’ilay hoe: “Aiza i Jehovah?” b) Inona no azon’izy ireo natao mba hitadiavana an’i Jehovah?
3 Ho an’ireo Jiosy, ny manontany hoe “aiza i Jehovah”, dia midika hoe mitady ny tari-dalan’Andriamanitra rehefa handray fanapahan-kevitra na lehibe izany na kely. Tsy nanao izany ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia. Raha mbola miova anefa izy ireo rehefa tafaverina avy any an-tsesitany any Babylona, ka ‘mitady an’i Jehovah’, dia hahita azy sy hahafantatra ny sitrapony. (Vakio ny Jeremia 29:13, 14.) Ahoana anefa no azon’izy ireo natao mba hitadiavana an’i Jehovah? Voalohany, afaka nivavaka amim-pahatsorana izy ireo mba hangataka tari-dalana. Toy izany no nataon’i Davida Mpanjaka. Nivavaka izy hoe: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô, ampianaro ahy ny lalanao.” (Sal. 25:4) Mariho fa efa nanasa ny Jiosy toy izao ilay Mpihaino Vavaka, tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia: “Antsoy aho dia hamaly anao, ka hilaza aminao avy hatrany zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina, izay mbola tsy fantatrao.” (Jer. 33:3) Raha niantso an’Andriamanitra io mpanjaka io sy ilay firenena nikomy, dia ho nasehony azy ireo ny zavatra “tsy takatry ny saina”, dia ny hoe ho lao i Jerosalema nefa hisy mponina indray rehefa afaka 70 taona.
4, 5. Inona no zavatra hafa azon’ny Jiosy natao mba hitadiavana an’i Jehovah?
4 Faharoa, afaka nandinika ny lasa sy ny fomba nitarihan’i Jehovah ny vahoakany ny Jiosy, raha te hitady azy. Hanampy azy ireo izany hitadidy hoe inona no nankasitrahan’Andriamanitra ary inona no nampahatezitra azy. Nanana an’ireo teny nosoratan’i Mosesy izy ireo, nanana ny tantara nasain’Andriamanitra noraketina an-tsoratra sy ny boky nisy ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Israely. Raha nandinika tsara an’ireny izy ireo ary nihaino an’ireo mpaminany, dia ho nahalala hoe: “Aiza i Jehovah?”
5 Fahatelo, afaka niana-javatra avy tamin’ny zavatra niainany sy niainan’ny hafa koa ny Jiosy. Tsy hoe voatery ho voa anefa izy ireo vao niana-javatra. Ho nahita soa izy ireo raha nisaintsaina ny zavatra efa nataony sy ny fomba fiheveran’i Jehovah azy ireny. Raha nandinika tsara izy ireo, dia ho fantany hoe ahoana no fahitan’Andriamanitra ny fitondran-tenany.—Ohab. 17:10.
6. Nahoana no mety hampahery anao ny zava-nitranga tamin’i Joba?
6 Ary ahoana ny aminao? Manontany tena foana ve ianao hoe “aiza i Jehovah”, rehefa hanapa-kevitra na hifidy izay lalan-kizorana? Misy amintsika angamba mahatsapa hoe tsy tena nanao tsara an’izany. Aza kivy anefa raha izany no tsapanao. Toy izany ihany na dia i Joba lehilahy tsy nivadika aza. Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany izy rehefa nisy olana, ka nampahatsiahy azy ny zavatra mahazatra ny olombelona i Eliho. Hoy izy io: ‘Tsy misy milaza hoe: “Aiza Ilay Andriamanitra Be Voninahitra Mpanao ahy?”’ (Joba 35:10) Nampirisika an’i Joba koa izy hoe: “Mifantoha amin’ny asa mahatalanjon’Andriamanitra.” (Joba 37:14) Nila nandinika ny asa lehibe nataon’i Jehovah tamin’ny famoronana i Joba, ary nila nisaintsaina ny fiahiany sy ny fitarihany ny olombelona. Nanjary nahatakatra ny fomba fisainan’i Jehovah i Joba, rehefa nandinika ny zavatra niainany. Rehefa avy niaritra ny olana nahazo azy izy, ka nahita ny fomba nandaminan’i Jehovah an’izany, dia nilaza hoe: ‘Efa niteny aho, nefa tsy takatry ny saiko ireo zavatra mahagaga ahy loatra, izay tsy fantatro akory. Honohono fotsiny no nandrenesako ny momba anao, fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.’—Joba 42:3, 5.
7. Inona no hodinihintsika izao, araka ny aseho an-tsary eo amin’ny pejy faha-116?
7 Nitady an’i Jehovah foana i Jeremia mpaminany, ka nahita azy. Tsy nanahaka an’ireo mpiray tanindrazana taminy izy. Nandritra ireo taona maro nanaovany fanompoana, dia nanontany foana izy hoe: “Aiza i Jehovah?” Hodinihintsika ny ohatra navelany. Ho hitantsika fa afaka mitady an’i Jehovah sy mahita azy isika, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ary ny fandinihana ny zavatra niainantsika sy niainan’ny hafa.—1 Tan. 28:9.
Mila manontany isika hoe: “Aiza i Jehovah?” Inona no dikan’izany? Inona avy no azon’ny Jiosy natao mba hitadiavana an’i Jehovah?
NIVAVAKA TAMIN’I JEHOVAH I JEREMIA
8. Inona avy ny toe-javatra nahatonga an’i Jeremia hivavaka tamin’Andriamanitra?
8 Nitady an’i Jehovah foana i Jeremia, nandritra ireo taona naha mpitondra teny azy teo amin’ny firenen’ny Joda. Nanao izany tamin’ny alalan’ny vavaka tamin-kafanam-po izy. Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra izy, rehefa nitory hafatra tsy tian’ny olona, sy rehefa nieritreritra hoe tsy ho vitany intsony ny hitory, ary rehefa tsy nazava taminy ny anton’ny zava-nitranga sasany. Namaly azy Andriamanitra, ka nanoro azy izay tokony hatao. Ireto misy ohatra vitsivitsy.
9. a) Inona no nolazain’i Jeremia tao amin’ny vavaka, araka ny Jeremia 15:15, 16? Ahoana no namalian’i Jehovah azy? b) Araka ny hevitrao, nahoana no tena ilaina ny milaza ny fihetseham-pontsika rehefa mivavaka?
9 Nanambara hafatra fanamelohana i Jeremia indray mandeha. Nieritreritra anefa izy hoe nanozona azy ny olona rehetra nandre ny teniny. Nangataka tamin’Andriamanitra àry izy mba hahatsiaro azy. Diniho ilay vavaka nataony ao amin’ny Jeremia 15:15, 16. (Vakio.) Milaza ny alalehony izy ao amin’ilay vavaka. Lazainy ao koa ny fihetseham-pony rehefa namaly ny vavaka nataony Andriamanitra. Nilaza izy fa faly be, rehefa nahita ny tenin’Andriamanitra sy ‘nihinana’ azy io! Nanampy azy i Jehovah mba hankasitraka ny tombontsoa lehibe nananany, dia ny mitondra ny anarany sy mampita ny hafany. Hitan’i Jeremia àry ny fomba fihevitr’i Jehovah an’ilay toe-javatra. Inona no azonao ianarana avy amin’izany?
10. Ahoana no namalian’Andriamanitra ny vavak’i Jeremia, rehefa nilaza izy fa tsy hiteny amin’ny anaran’i Jehovah intsony?
10 Rehefa avy nikapoka an’i Jeremia i Pasora mpisorona, taranak’i Imera, dia nilaza i Jeremia fa tsy hiteny amin’ny anaran’i Jehovah intsony izy. Nivavaka tamin’i Jehovah izy tamin’izay. Ahoana no namalian’Andriamanitra azy? (Vakio ny Jeremia 20:8, 9.) Tsy milaza ny Baiboly hoe niteny avy tany an-danitra i Jehovah. Lasa toy ny afo mirehitra voahidy tao amin’ny taolan’i Jeremia kosa ny tenin’Andriamanitra, ka tsy vitany ny tsy hanambara azy io. Nanjary narisika nanao ny asan’Andriamanitra indray i Jeremia, rehefa avy namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra. Nanjary narisika koa izy rehefa navelany hiasa tao am-pony ny fahalalana nananany momba ny sitrapon’Andriamanitra.
11, 12. Ahoana no namaliana an’ilay fanontanian’i Jeremia momba ny ratsy fanahy?
11 Nanahiran-tsaina an’i Jeremia koa hoe nahoana ny ratsy fanahy no mahomby. (Vakio ny Jeremia 12:1, 3.) Na dia ‘nitaraina’ tamin’i Jehovah momba izany aza anefa izy, dia tsy nieritreritra hoe manao ny tsy rariny i Jehovah. Hita amin’ny fahatsorany kosa fa nifandray akaiky tamin’i Jehovah izy, toy ny ankizy mifandray tsara amin’ny rainy tena tiany. Tsy azony fotsiny hoe nahoana no nahomby ny Jiosy maro, nefa nanao ratsy. Nahazo valiny mahafa-po tamin’i Jehovah ve i Jeremia? Eny. Nanome toky azy i Jehovah fa hongotany tsy ho eo amin’ny tany ny ratsy fanahy. (Jer. 12:14) Rehefa hitan’i Jeremia hoe nanao ahoana ny niafaran’ilay zavatra noresahiny tamin’i Jehovah, dia vao mainka izy natoky hoe manao ny rariny i Jehovah. Azo inoana fa nandrisika azy izany mba hivavaka matetika kokoa, ka hamboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah Rainy.
12 Tamin’ny faramparan’ny fotoana nanjakan’i Zedekia, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny Babylonianina, dia niaiky i Jeremia fa “mibanjina an’izay rehetra ataon’ny zanak’olombelona” tokoa ny mason’i Jehovah, ‘mba hamaliany ny tsirairay araka izay ataony sy araka ny vokatry ny asany.’ (Jer. 32:19) Nanjary fantatr’i Jeremia fa tia rariny i Jehovah. Fantany fa mandinika izay ataon’ny tsirairay izy, ary mihaino ny vavaka vokatry ny fo ataon’ny mpanompony. Nisy mpanompon’i Jehovah hafa koa nahita ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra, ka niaiky toa an’i Jeremia hoe ‘mamaly ny tsirairay araka izay ataony sy araka ny vokatry ny asany’ i Jehovah.
13. Inona no hanampy anao hatoky hoe ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra?
13 Mety tsy hisalasala isika hoe manao ny rariny ve i Jehovah, na hoe maneho fahendrena ve izy rehefa manatanteraka ny sitrapony na ankehitriny na amin’ny hoavy. Na izany aza, dia handray soa isika raha misaintsaina izay nitranga tamin’i Jeremia sy milaza ny fihetseham-pontsika ao amin’ny vavaka. Hatoky kokoa isika hoe ho tanteraka ny sitrapon’i Jehovah. Na dia tsy azonao tsara aza ny anton’ny zava-mitranga sasany, na hitanao hoe ela be i Jehovah manatanteraka ny sitrapony, dia afaka mivavaka ianao ka milaza aminy fa matoky ianao hoe mifehy ny zava-drehetra izy. Tsy maintsy hanatanteraka ny sitrapony izy, ary hataony araka izay fomba hitany hoe mety indrindra izany sy amin’ny fotoana fantany hoe tsara indrindra. Tena azo antoka izany! Mila manontany tena foana àry isika hoe “aiza i Jehovah”, izany hoe hivavaka aminy mba hampahafantatra antsika ny sitrapony sy hanampy antsika hahalala ny fahatanterahan’ilay izy.—Joba 36:5-7, 26.
Inona no azonao antoka rehefa mandinika ny ohatr’i Jeremia, izay nitady an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka?
NIEZAKA HAHAZO FAHALALANA I JEREMIA
14. Ahoana no ahafantarantsika fa nandinika ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra i Jeremia?
14 Fantatr’i Jeremia tsara fa ilaina ny ‘fahalalana’ an’i Jehovah, mba hahitana hoe: “Aiza i Jehovah?” (Jer. 9:24) Azo antoka fa nianatra ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra izy, talohan’ny nanoratany ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa. Tononiny ao amin’ireo boky ireo ny “boky mirakitra ny tantaran’i Solomona”, ny boky misy ny tantara tamin’ny ‘andron’ny mpanjakan’ny Israely’ ary ny misy ny tantara tamin’ny ‘andron’ny mpanjakan’ny Joda.’ (1 Mpanj. 11:41; 14:19; 15:7) Lasa fantany àry izay nataon’i Jehovah tamin’ny toe-javatra samihafa. Fantany hoe inona no nampifaly an’i Jehovah ary ahoana ny heviny tamin’izay fanapahan-kevitra noraisin’ny vahoakany. Mety ho nandinika an’ireo zavatra hafa nampanoratin’Andriamanitra koa izy. Anisan’izany ireo nosoratan’i Mosesy, Josoa, Samoela, Davida, ary Solomona. Azo antoka fa fantany ny momba ny mpaminany talohany sy ny mpaminany niara-belona taminy. Inona àry no soa noraisin’i Jeremia avy tamin’ny fianarana samirery nataony?
15. Inona no soa noraisin’i Jeremia rehefa nandinika ny faminanian’i Elia?
15 Handinika ohatra iray isika. Nosoratan’i Jeremia ny tantaran’i Jezebela ratsy fanahy, vadin’i Ahaba mpanjakan’i Samaria. Nosoratany tao ilay faminaniana nolazain’i Elia taloha hoe hisy alika hihinana an’i Jezebela ao amin’ilay sombin-tany ao Jezirela. (1 Mpanj. 21:23) Tanteraka izany 14 taona teo ho eo taorian’ny nilazan’i Elia an’ilay faminaniana. Notantarain’i Jeremia fa nazera avy teo am-baravarankely i Jezebela, nohitsahin’ny soavalin’i Jeho, ary nohanin’ny alika. (2 Mpanj. 9:31-37) Azo inoana fa vao mainka natoky ny tenin’i Jehovah i Jeremia, rehefa nandinika ny faminanian’i Elia sy ny fahatanterahan’ilay izy tamin’ny tsipiriany. Tena nampitombo ny finoany ny fisaintsainany ny zavatra nataon’i Jehovah, ka naharitra tamin’ny fanompoany izy.
16, 17. Inona no nanampy an’i Jeremia hampitandrina foana an’ireo mpanjaka ratsy fanahy?
16 Misy ohatra hafa koa ity. Araka ny hevitrao, inona no nanampy an’i Jeremia hampitandrina foana an’i Joiakima sy Zedekia, mpanjaka ratsy fanahy, na dia teo aza ny fanenjehana? Nataon’i Jehovah “toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina” izy, mba hiatrehany an’ireo mpanjakan’ny Joda. (Jer. 1:18, 19) Tena nanampy azy koa anefa ny fikarohana be dia be nataony momba ny zava-nisy nandritra ny fitondran’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely. Nosoratany fa “nanorina alitara ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra” i Manase, “teo amin’ny tokotany roa ivelan’ny tranon’i Jehovah”, nodorany natao sorona ny zanany, ary namono olona tsy manan-tsiny be dia be izy. (2 Mpanj. 21:1-7, 16; vakio ny Jeremia 15:4.) Fantatr’i Jeremia koa anefa fa rehefa nanetry tena i Manase ary nivavaka tamin’i Jehovah foana, dia “nanaiky ny fiangaviany” i Jehovah ary nampody azy tamin’ny fanjakany.—Vakio ny 2 Tantara 33:12, 13.
17 Tokotokony ho 15 taona monja ny elanelan’ny fotoana nahafatesan’i Manase sy nanombohan’i Jeremia ny asany. Tsy maintsy ho ren’i Jeremia àry izay nitranga rehefa nibebaka i Manase, na dia tsy nanoratra momba izany aza izy. Azo antoka fa nisaintsaina izy hoe na dia nanao ratsy aza i Manase, dia niova ary tsara fiafara. Hitany tamin’izany fa tena ilaina ny mampirisika ny mpanjaka toa an’i Zedekia hiova, mba hahatonga an’i Jehovah hamindra fo sy haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminy. Na ny mpanjaka nalaza ho nanompo sampy sy namono olona aza mantsy afaka nibebaka sy nahazo famelan-keloka. Raha ianao no Jeremia, tsy ho nandrisika anao hampitandrina foana an’ireo mpanjaka ratsy fanahy ve ny tantaran’i Manase?
NAKA FIANARANA TAMIN’NY ZAVATRA NIAINANA
18. Inona no mety ho fianarana notsoahan’i Jeremia avy tamin’ny nataon’i Oria, ary inona no manaporofo izany?
18 Azo antoka fa niana-javatra i Jeremia, rehefa nisaintsaina ny zavatra nataon’ny mpiara-belona taminy, anisan’izany i Oria mpaminany. Nilaza hafatra fanamelohana an’i Jerosalema sy Joda i Oria, tamin’ny fotoana nanjakan’i Joiakima. Natahotra an’i Joiakima anefa izy, ka nandositra tany Ejipta. Naniraka olona hitondra azy hiverina àry ny mpanjaka, ary nampamono azy. (Jer. 26:20-23) Naka fianarana tamin’izany ve i Jeremia? Azo antoka fa izany, matoa izy be herim-po foana, ka tsy nitsahatra nampitandrina ny Jiosy hoe efa akaiky ny fandringanana. Nanao izany tao amin’ny tempoly mihitsy aza izy. Tsy nanary azy i Jehovah noho izany. Azo antoka fa i Jehovah no nahatonga an’i Ahikama zanak’i Safana hiaro an’i Jeremia.—Jer. 26:24.
19. Inona no tsapan’i Jeremia, rehefa nahita fa naniraka mpaminany foana i Jehovah mba hampitandrina ny vahoakany?
19 Niana-javatra koa i Jeremia, rehefa nirahin’i Jehovah hampitandrina ny vahoakany. Naniraka azy i Jehovah tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, mba hanoratra ny teny rehetra nolazainy taminy nanomboka tamin’ny andron’i Josia. Nahoana? Mba hampirisihana ny olona hiala amin’ny ratsy, ka hahazo famelan-keloka. (Vakio ny Jeremia 36:1-3.) Nifoha maraina i Jeremia mba hampita ny fampitandreman’Andriamanitra, ary niangavy ny olona mihitsy izy mba hiala amin’ny fanao maharikoriko nataon’izy ireo. (Jer. 44:4) Azo antoka fa tsapan’i Jeremia hoe noho i Jehovah nangoraka ny vahoakany no nahatonga azy haniraka mpaminany. Nahatonga an’i Jeremia hangoraka koa izany. (2 Tan. 36:15) Nilaza toy izao àry izy, rehefa tafavoaka velona tamin’ny fandringanana an’i Jerosalema: “Ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’i Jehovah no tsy maharipaka tanteraka antsika, satria tsy ho lany ny famindram-pony. Vaovao isa-maraina izany.”—Fitom. 3:22, 23.
Inona no soa noraisin’i Jeremia rehefa nandinika izay nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa sy rehefa nisaintsaina ny zavatra niainany sy niainan’ny hafa? Inona no ianarantsika amin’izany?
MANONTANY FOANA VE IANAO HOE: “AIZA I JEHOVAH?”
20. Ahoana no azonao anahafana an’i Jeremia?
20 Rehefa hanapa-kevitra ianao isan’andro, moa ve ianao miezaka mafy hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, ka manontany hoe: “Aiza i Jehovah?” (Jer. 2:6-8) Tsy nanao an’izany ny mpiara-belona tamin’i Jeremia. I Jeremia kosa anefa nangataka foana tamin’ilay Mahery Indrindra mba hanampy azy hahafantatra ny lalan-kizorany. Hendry isika raha manahaka azy, ka mamantatra ny hevitr’i Jehovah, rehefa hanapa-kevitra isan’andro.
21. Inona no azonao atao rehefa manana olana amin’ny fanompoana ianao? Nahoana ny vavaka no tena manampy rehefa masiaka ny olona itoriana?
21 Tsy rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe ihany isika no mila mamantatra ny hevitr’i Jehovah. Eritrereto, ohatra, hoe mieritreritra hanompo ianao amin’ny maraina. Manjombona anefa ny andro rehefa mifoha ianao, ary tsy dia mampahazoto loatra. Faritany efa voasa matetika koa no hitoriana amin’io andro io. Tsaroanao koa fa tsy nety nihaino anao ny olona sasany tao amin’ilay faritra. Ny sasany mody nahalala fomba, fa ny hafa tena tsy nahalala fomba mihitsy. Nahoana àry raha mivavaka sy manontany hoe: “Aiza i Jehovah?” Mety hanampy anao izany hitadidy hoe tena tsara ny hafatra hotorinao, ary ho tsapanao kokoa fa sitrapon’Andriamanitra ny hanambaranao an’ilay hafatra. Mety hitondra fifaliana lehibe ho anao ny tenin’i Jehovah amin’izay, toy ny tamin’i Jeremia. (Jer. 15:16, 20) Rehefa mitory ianao avy eo, ka sendra olona masiaka be na mandrahona mihitsy, dia azonao atao indray ny mivavaka sy milaza ny fihetseham-ponao amin’Andriamanitra. Tadidio fa afaka manome anao ny fanahiny izy mba hahaizanao mamaly an’ilay olona. Tadidio koa fa ho afaka hifehy ny fihetseham-ponao ianao raha maniry hampita ny hafatr’Andriamanitra.—Lioka 12:11, 12.
22. Nahoana ny vavaka sasany no mety tsy hohenoin’i Jehovah?
22 Marihina fa tsy henoin’i Jehovah ny vavaka sasany. (Vakio ny Fitomaniana 3:44.) Tsy nihaino ny vavak’ireo Jiosy nikomy izy. Nahoana? Satria ‘nanampin-tsofina tsy nihaino’ azy ny Jiosy sady nandika ny Lalàna foana. (Ohab. 28:9) Azo antoka fa niana-javatra tamin’izany i Jeremia. Tokony haka lesona amin’izany koa isika. Raha tsy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony ny olona iray, dia ho diso fanantenana Andriamanitra ka mety tsy hihaino ny vavak’ilay olona intsony. Tokony hiezaka mafy àry isika mba tsy hiharan’izany.
23, 24. a) Mila manao inona isika raha te hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah? b) Inona no azonao atao mba handraisanao soa kokoa amin’ny fianarana samirery?
23 Hitantsika teo fa ilaina ny mivavaka amim-pahatsorana. Tena ilaina koa anefa ny mianatra samirery tsy tapaka, raha te hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah. Manana tombony isika raha oharina amin’i Jeremia, satria manana ny Baiboly manontolo. Nanao fikarohana lalina izy talohan’ny nanoratany an’ireo boky ara-tantara nosoratany. Afaka manahaka azy koa ianao, ka mikaroka ao amin’ny Baiboly sy mitady ny tari-dalan’Andriamanitra. Toy ny manontany ianao amin’izay hoe: “Aiza i Jehovah?” Hita hoe matoky an’i Jehovah ianao rehefa mamantatra ny sitrapony. Raha manao an’izany ianao, dia ho ‘toy ny hazo nambolena eo amoron-drano, izay mampisandrahaka ny fakany eny akaikin’ny renirano.’—Vakio ny Jeremia 17:5-8.
24 Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Soratra Masina ianao, dia fantaro hoe inona no tian’i Jehovah hataonao amin’ny toe-javatra samihafa. Jereo izay toro lalana tianao hotadidina sy hampiharina. Raha tantara, na didy, na toro lalana, na teny feno fahendrena ilay vakinao, dia eritrereto izay fomba hampiharana an’izany rehefa hanapa-kevitra isan’andro. Rehefa manontany ianao hoe “aiza i Jehovah”, dia hatorony anao ao amin’ny Teniny hoe ahoana no hiatrehana olana, na dia olana tena lehibe aza. Mety ho hitanao ao amin’ny Baiboly mihitsy aza ireo zavatra “tsy takatry ny saina” izay “tsy fantatrao” teo aloha, na tsy nazava taminao.—Jer. 33:3.
25, 26. Nahoana no mahasoa antsika ny misaintsaina ny zavatra niainan’ny hafa?
25 Tsara koa ny misaintsaina ny zavatra niainanao sy niainan’ny hafa. Voamarikao angamba fa manao toa an’i Oria ny olona sasany, ka tsy miantehitra amin’i Jehovah intsony. (2 Tim. 4:10) Afaka miana-javatra avy amin’ny nataon’izy ireo ianao, mba tsy ho ratsy fiafara. Tadidio koa fa nankasitraka ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fangoraham-pony i Jeremia. Afaka manahaka azy ianao, ka tsy hanadino ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Jehovah taminao. Na mafy toy inona aza ny mahazo anao, dia aza mieritreritra mihitsy hoe tsy miraharaha anao ny Avo Indrindra. Tena miahy anao izy, toy ny nataony tamin’i Jeremia.
26 Raha misaintsaina ny fomba anampian’i Jehovah ny olona koa ianao, dia hahita fa mitari-dalana ny olona amin’ny fomba isan-karazany izy isan’andro. Nieritreritra, ohatra, i Aki, anabavy tanora any Japon, fa tsy mendrika ny ho Kristianina izy. Namboraka ny tao am-pony izy, rehefa niara-nanompo tamin’ny vadin’ny mpiandraikitra ny faritra. Nampiasa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy izy, nilaza hoe: “Tsapako fa tsy ho ela aho dia haloan’ny vavan’i Jehovah satria matimaty ara-panahy. Miezaka mifikitra eo amin’ny molony anefa aho, sady miangavy azy mba hiandry kely.” Nijery tsara azy ilay vadin’ny mpiandraikitra ary niteny hoe: “Mbola tsy nieritreritra mihitsy aloha aho hoe matimaty ara-panahy ianao!” Nisaintsaina an’izany teny mampahery izany i Aki, ka tsapany fa mbola tsy nisy zava-nitranga nampiseho hoe nihevitra azy ho matimaty ara-panahy i Jehovah. Nivavaka i Aki avy eo hoe: “Alefaso any amin’izay toerana tianao aho Jehovah ô! Hataoko izay tianao.” Nankany an-tany hafa izy taoriana kelin’izay, ary nitsidika antoko-mpitory miteny japoney. Hay nila olona nahay teny japoney io antoko-mpitory io! Teraka tao amin’io firenena io i Aki, ka mora taminy ny nifindra tany. Aiza anefa izy no hipetraka? Vao lasa nifindra ny zanaky ny anabavy iray tamin’izay, ka nomen’ilay anabavy azy ny efitra iray nipetrahan’izy io. Hoy i Aki: “Nitady toko aho ka sendra vato! Tena nanampy ahy i Jehovah.”
27. Inona no soa horaisinao raha manontany ianao hoe “aiza i Jehovah” amin’ny zavatra rehetra ataonao?
27 Maro koa ny rahalahy sy anabavy nahazo ny tari-dalan’Andriamanitra. Mety ho tamin’ny alalan’ny famakiany Baiboly na ny fianarany samirery izany. Nahatsapa izany koa angamba ianao. Tokony hahatonga anao hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah izany, ary handrisika anao hivavaka aminy matetika kokoa sy amin-kafanam-po kokoa. Matokia fa raha manontany foana ianao hoe “aiza i Jehovah”, dia hanoro anao ny lalan-kizorana izy.—Isaia 30:21.
Ahoana no ahitana fa manontany tena foana ianao hoe: “Aiza i Jehovah?” Inona avy no azonao atao mba hahazoana ny tari-dalany?