LAKISY
(Lakìsy).
Tanànan’i Joda tany Sefela. (Js 15:21, 33, 39) Maro no milaza azy io ho i Tell ed-Doveir (Tel Lakish), dongon-tany voahodidina lohasaha, tokotokony ho 24 km any andrefan’i Hebrona. Teo amin’ny lalambe nampitohy an’i Jerosalema sy Ejipta no nisy azy io, ka tsara toerana tokoa izy io fahiny. Nisy fotoana nahatratra 8 ha teo ho eo ny velaran’ilay tanàna ary 6000 ka hatramin’ny 7500 angamba ny isan’ny mponina tao.
Tamin’ny fotoana nakan’ny Israely ny tany Kanana, dia niaraka tamin’ny mpanjaka efatra hafa i Jafia mpanjakan’i Lakisy mba hiady tamin’i Gibeona (tanàna nanaiky hihavana tamin’i Josoa). (Js 10:1-5) Namaly ny antso vonjin’i Gibeona ny tafika israelita, ka nandeha nandritra ny alina avy tao Gilgala. Resin’izy ireo ny vondron-tafika kananita, noho ny fanampian’i Jehovah. Nohidin’izy ireo tao anaty lava-bato ireo mpanjaka resy ary novonoiny avy eo. (Js 10:6-27; 12:11) Tsy ampy roa andro akory ny niadiana, dia azo ny tanànan’i Lakisy, ary naripaka ny mponina tao. Resy koa i Horama mpanjakan’i Gazera, izay nanampy an’i Lakisy.—Js 10:31-35.
Nahitana lavenona matevina nofongarina tao Tell ed-Doveir, ka misy mpikaroka milaza fa porofon’ny nanafihan’ny Israely an’i Lakisy izany. Nahitana firavaka miendrika voangory nisy anaran’i Ramsès koa tao. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nodorana i Lakisy, toy ny natao tamin’i Jeriko (Js 6:24, 25), sy Ay (Js 8:28), ary Hazora (Js 11:11). Toa tsy fanaon’ny Israelita koa ny nandoro ny ‘tanàna teny an-kavoana’, rehefa jerena ny Josoa 11:13. Tsy mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly àry ny filazana fa tamin’ny andron’i Josoa no nampisy ilay lavenona matevina tao Lakisy. Tsy marina koa ny filazana fa ny daty nandoroana an’i Lakisy no daty nanafihan’ny Israelita ny tany Kanana. Tsara homarihina fa tsy fantatra hoe iza marina ilay Ramsès tompon’ilay anarana hita teo amin’ilay firavaka. Tsy iray fotsiny ny mpikaroka milaza fa anaran’i Ramsès III ilay hita teo, ary noravan’ny Filistinina tamin’ny taonjato faha-12 T.K. i Lakisy.
Nohamafisina ny fiarovana an’i Lakisy tamin’ny andro nanjakan’i Rehoboama (997-981 T.K.). (2Ta 11:5-12) Tatỳ aoriana (t. 830 T.K.), dia nandositra tany Lakisy i Amazia Mpanjaka mba tsy ho tratran’ny mpanohitra. Nenjehin’izy ireo anefa izy ka novonoiny tany.—2Mp 14:19; 2Ta 25:27.
Nataon’i Sankeriba fahirano. Nanao fahirano an’i Lakisy i Sankeriba mpanjaka asyrianina tamin’ny 732 T.K. Avy tao izy no naniraka an’i Rabsake sy Tartana ary Rabsarisa, niaraka tamin’ny miaramila be dia be ho any Jerosalema, mba hanery an’i Hezekia Mpanjaka hitolo-batana. Nampiasa an’i Rabsake mpitondra teniny i Sankeriba mba hihantsiana an’i Jehovah. Nandefa iraka tany Jerosalema izy tatỳ aoriana, mba hitondra taratasy mbola nisy fihantsiana sy rahom-bava mba hanerena an’i Hezekia hitolo-batana. Io fihantsiana an’i Jehovah Andriamanitra io tamin’ny farany no nahatonga ny anjelin’Andriamanitra handringana miaramila asyrianina 185 000 tao anatin’ny indray alina.—2Mp 18:14, 17-35; 19:8-13, 32-35; Is 36:1-20; 37:8-13, 33-36.
Natao sary tao an-dapan’i Sankeriba ao Ninive ny nanaovana fahirano an’i Lakisy. Hita eo amin’ilay sary fa nanana manda roa sosona ilay tanàna, ary nifanelanelana tsara ireo tilikambo, feno palmie sy voaloboka ary aviavy ireo havoana nanodidina. Misy soratra toy izao miaraka amin’ilay sary mampiseho an’i Sankeriba mandray an’ireo zavatra azo babo tany Lakisy: “Sankeriba, mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjakan’i Asyria, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana nimedo, ary manara-maso an’ireo zavatra azo babo avy tany Lakisy (La-ki-so).”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 288.
Azon’ny Babylonianina. Rehefa nanafika an’i Joda ny Babylonianina notarihin’i Nebokadnezara (609-607 T.K.), dia i Lakisy sy Azeka no tanàna voaro mafy farany azon’izy ireo talohan’i Jerosalema. (Je 34:6, 7) Toa zava-nitranga tamin’izany no tantarain’ireo Vakin-tanimanga Tany Lakisy (vakin-tanimanga 18 nisy soratra no hita tao Tell ed-Doveir tamin’ny 1935, ary nisy 3 hafa hita tamin’ny 1938). Toa nosoratana ho an’ny mpitari-tafika tany Lakisy, ohatra, ny vakin-tanimanga faha-4, ary mety ho ny tao amin’ny tobin’ny mpitily no nanoratra azy io. Izao no soratra hita teo amin’izy io: “Miandry ny famantarana avy eny Lakisy izahay izao, araka izay famantarana rehetra nomen’ny tompoko, satria tsy tazanay intsony ny avy eny Azeka.” Asehon’io hafatra io fa efa resy i Azeka matoa tsy nisy famantarana avy tany. Tsara homarihina koa fa nisy an’izao soratra izao ireo vakin-tanimanga nisy soratra azo vakina: “Hataon’i יהוה [Yahveh na Jehovah] mandre vaovao tsara anie ny tompoko na amin’izao fotoana izao aza!” (Vakin-tanimanga Faha-4) Asehon’izany fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny olona tamin’izany.—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 322.
Rehefa avy lao 70 taona i Joda sy Jerosalema, dia nisy Jiosy nody avy tany an-tsesitany nonina indray tao Lakisy.—Ne 11:25, 30.
Resahin’ny faminaniana. Hoy ny Mika 1:13 momba an’i Lakisy: “Afatory amin’ny soavaly ny kalesy, ry mponin’i Lakisy. Io tanàna io no fiandohan’ny fahotan’ny zanakavavin’i Ziona. Fa tao aminao no nahitana ny fikomian’ny Israely.” Miresaka faharesena io faminaniana io, ary aseho an-tsary hoe miomana handositra i Lakisy. Tsy misy andinin-teny hafa miresaka momba ilay ‘fahotan’i’ Lakisy. Nanomboka tany Lakisy angamba ilay fanompoan-tsampy tany Jerosalema. Na, avy tao Lakisy no nampidirina ireo soavaly sy kalesin’ady avy tany Ejipta, izay nanjary nitokisan’ny Joda.