Fizarana 2: Asyria lozabe: Herim-panjakana faharoa
Ny nahitan’ny arkeology lapan’ireo mpanjakan’i Asyria fahiny dia mety hampitombo ny fitokisanao ny fahamarinan’ny Baiboly ara-tantara. Inona no asehon’izany vokatra izany raha ny amin’ny tantara araka ny Baiboly, ary tokony hampiseho inona ho anao izany?
NY Asyriana dia nahaforona vahoaka naherisetra sy tia ady. Naorin’izy ireo ny empira nidadasika iray, tsy nifaditrovana, izay nitatra avy eo amin’ny taniny, tao amin’ny tapany avaratra amin’ny tany lemak’i Mesopotamia. Imbetsaka ny Baiboly no manisy fitenenana ny amin’ireny fahavalon’ny Joda sy ny Isiraely ireny.
Arakaraka ny hahafantarantsika kokoa an’io firenena taloha io no hahatakarantsika izay lazain’ny Baiboly ny aminy. Ireo rejistra asyriana koa aza dia manamafy ny fahamarinan’ny Soratra Masina ara-tantara sy ara-paminaniana. Raha ny marina, ahoana moa no niandohan’ny Asyriana?
Ireny lehilahy natanjaka ireny, izay nasho ho natevim-bolomaso sy lava volombava, dia taranak’i Asyra, zafikelin’i Noa. Raha ny marina, dia teny hebreo iray ihany no nadika hoe “Asyra”, “Asyria” sy “Asyriana”. Nimroda, antsoina ao amin’ny Baiboly hoe “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, dia nanorina ny tanànan’i Ninive sy Kala. Ireo tanàna roa ireo, mbamin’i Asyra sy Korsabada, dia tonga renivohitr’i Asyria tatỳ aoriana. — Genesisy 10:8-12, 22.
Manomboka amin’izao teny izao ny bokin’i Nahoma: “Faminaniana ny amin’ny loza hano an’i Ninive”, renivohitr’i Asyria. Nahoana? Satria, araka ny nolazain’i Nahoma eo ambany kokoa, tamin’izany fotoana izany Ninive dia “tanàna mpandatsa-dra (...) feno lainga sy fandozana”. (Nahoma 1:1; 3:1.) Tafahoatra loatra ve izany filazalazana izany? Tsy izany velively!
Nalaza tamin’ny habibiany tsy nanam-paharoa ny Asyriana. Ireo rindrin’ny lapany lehibe dia noravahan’ny sarim-pandrobana izay nampiseho azy ireo nandoro sy nandatsa-dra nitety tany. Ny anankiray tamin’ireo mpanjakany, Asoronasirpala, dia nirehareha ho nandrakotra tsangambato iray tamin’ny hoditr’ireo fahavalony. Hoy izy: “Maro be tamin’ireo babo no nodorako tamin’ny afo (...) Notapahiko ny orona, ny sofina sy ny rantsantanan’ny sasany, ary nesoriko ny mason’ny maro. Nataoko andry anankiray ny velona ary hafa anankiray ny loha.”
Heriny ara-pivavahana
Tia fivavahana anefa ny Asyriana. Izao no nolazaina ny amin’izy ireo: “Ny ady dia raharahan’ny firenena, ary ireo mpisorona dia mpamporisika hiady tsy misy farany. Ny nivelomany indrindra dia ireo zavatra azo babo noho ny fanafihana, (...) faran’izay tia fivavahana io sokajin’olona mpandroba io.” — Tanàna fahizay (anglisy), W. Wright, pejy faha-25.
Avy any Babylona no nahazoan’ny Asyriana ny fivavahany. Izao no azo vakina ao amin’ny Dictionnaire illustré de la Bible (anglisy): “Amin’ny lafiny maro, ny fivavahana asyriana dia sahala amin’ny fivavahana babyloniana nakana azy.” Ny tombo-kase asyriana, mety ho hita amin’izao andro izao ao amin’ny British Museum, any Londres, dia mampiseho ilay andriamani-pirenen’i Asyria, Asyra, manan-doha telo. Ny finoana fitambaran’andriamanitra telo dia nitana toerana lehibe teo amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Asyriana. Ny Asyriana dia olona lozabe, naherisetra izay nivavaka tamin’ny andriamanitra sandoka; tsy mahagaga àry raha toa Nahoma mpaminany ka nilaza toy izao ny amin’ilay hany Andriamanitra velona: “Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana” amin’ny Asyriana. — Nahoma 1:2.
Rehefa lavo teo an-tanan’ireo fahavalony Ninive, dia rava tanteraka, hany ka nandritra ny taonjato maro dia tsy hita soritra ny toerany. Ny mpanao fanakianana sasany dia nanao ny Baiboly ho fihomehezana, ka nanantitrantitra fa tsy nisy mihitsy ilay tanàna. Nisy anefa Ninive! Hita izy io, ary izay hitan’ny arkeology tany dia mahaliana tokoa.
Lapa lehibe hita
Tamin’ny 1843, Paul-Emile Botta, masoivohon’i Frantsa, dia nanao fikarohana tany Khorsabad, izay nantenainy hahitana ny toerana nisy an’i Ninive. Tsy izany no hitany fa ny lapa marevak’i “Sargona, mpanjakan’i Asyria”, tompom-piandrianana nasian’ny Baiboly fitenenana ao amin’ny Isaia 20:1. Nisy mpanakiana nilaza fa diso ny Baiboly, satria izy no hany tahirin-kevitra tranainy manamarika ny fisian’io mpanjaka io. Tena nisy tokoa anefa Sargona, ary nisy arkeology nahita ny lapany, dia rafi-bato misy efitra 200, mbamin’ny soratra be dia be sy zavatra samihafa. Anisan’ireny zava-mahatalanjona ireny ireo tantara voalahatr’i Sargona manamarina — noho izany dia araka ny loharano asyriana — fisehoan-javatra tantaraina ao amin’ny Baiboly. Araka izany, nanomboka teo an-tenantenan’ny taonjato faha-19 ary na dia mbola tsy feno aza ny fanazavana momba azy, amin’izao andro izao Sargona dia anankiray amin’ireo mpanjaka asyriana fantatra indrindra.
Avy eo, tamin’ny 1847, Austin Layard dia nahita ny lapan’i Sankeriba tany Ninive, 20 kilaometatra latsaka any atsimon’i Khorsabad. Io Sankeriba io ilay niakatra fahiny hanafika an’i Jerosalema ary tononin’ny Baiboly in-13 ny anarany. Efitra 71 no voaisan’i Layard tao amin’io lapa io, voaravaka aoka izany tamin’ny sary mampiseho ady nandresena sy fombafomba ara-pivavahana.
Mbola mahagaga kokoa ihany ny nahitana tantaran’i Sankeriba voalahatra (fitantarana fisehoan-javatra tao anatin’ny taona voasoritra tao amin’ny varingarina tanimanga nantsoina hoe iraizotongotra). Ny anankiray amin’izy ireny dia voatahiry ao amin’ny Fikambanana tatsinanana any amin’ny oniversiten’i Chicago; ny anankiray hafa, iraizotongotr’i Taylor, any amin’ny British Museum.
Inona no nahariharin’ireny fahitan-javatra ireny? Fa marina sy hentitra ny Baiboly amin’izay lazainy momba ny Asyriana sy ireo fisehoan-javatra nodiavin’izy ireny, ka tonga hatramin’ny fanononana ny anaran’ireo mpanjaka asyriana.
Ireo mpanjaka asyriana
Tsy fantatrao hatramin’ny anaran’ireny mpanjaka ireny angamba, kanefa tsara ny mifankahalala amin’ny fito amin’izy ireny fara fahakeliny, satria mahakasika azy ireny akaiky ny fisehoan-javatra sasany tantaraina ao amin’ny Baiboly.
Salmanazara III dia nandimby an’i Asoronasirpala, rainy. Ny tsangambatony mainty mainty malaza, hita tany Nimroda (Kala) ary mety ho hita ao amin’ny British Museum amin’izao andro izao, dia mirakitra sary vato mivohitra kely mampiseho an’i Jeho teo amin’ny Isiraely, na irak’io mpanjaka io, eo am-pandoavana hetra aminy. — Ampitahao amin’ny fitantarana ao amin’ny 2 Mpanjaka 10:31-33.
Taorian’izany, nefa tao anatin’io taonjato io ihany, tany amin’ny 844 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nirahina ho any Ninive Jona mpaminany mba hanambara ny handravana tsy ho ela ny tanànaa. Nibebaka Ninive, ary notsimbinina. Na dia tsy fantatra marina aza ny hoe iza no nanjaka tany Ninive tamin’izany fotoana izany, dia azo atao ny mahita fa io vanim-potoana io no nanamarika ny fihenan’ny fotoana sisa ho an’ny fitiavan’ny Asyriana ady.
Tiglato-Pilesera III (antsoina koa hoe “Pola”) no mpanjaka asyriana voalohany tononin’ny Baiboly anarana. Nanafika ny fanjakan’ny Isiraely izy tamin’ny andro nanjakan’i Menahema (791-780 alohan’ny fanisan-taona iraisana). Lazain’ny Baiboly fa nandoa hetra talenta volafotsy arivo taminy io mba hialany. — 2 Mpanjaka 15:19, 20.
Tao amin’ireo tantara nalahany, hita tany Kala, dia nanamarina izany zava-nisy voatantara ao amin’ny Baiboly izany i Tiglata-Pilesera: “Nandray hetra avy amin’i (...) Menahema tany Asyria aho.”
Ny fianjeran’i Samaria
Kanefa, tsy tamin’ny Asyriana ihany no nifandonan’i Samaria sy ny fanjakan’ny foko folo, fa tamin’ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany, Jehovah Andriamanitra, koa. Niala taminy izy mba hanaraka ny fanompoam-pivavahana maloto tamin’i Bala ka tamin’izany dia nitana toerana lehibe ny fimamoana (Hosea 2:13). Na dia nahazo fampitandremana maro tamin’ny alalan’ireo mpaminanin’i Jehovah aza ny Isiraelita dia tsy nety nanova ny lalany. Nanoratra toy izao ara-tsindrimandrin’Andriamanitra àry i Hosea mpaminany: “Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano.” (Hosea 10:7; 2 Mpanjaka 17:7, 12-18). Araka ny filazan’ny Baiboly sy ireo rejistra asyriana, ho hitantsika ny amin’izany, dia fitondrana tahaka izany no nampiharin’i Asyria tamin’ny Isiraely.
Salmanazara V, izay nandimby an’i Tiglato-Pilesera, dia nanafika ny fanjakan’ny Isiraely ary nanao fahirano teo anoloan’ireo fiarovana mafy ny renivohiny, dia Samaria. Telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 740 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia latsaka teo an-tanan’ireo fahavalony Samaria, araka ny nanambaran’ireo mpaminanin’i Jehovah izy. — Mika 1:1, 6; 2 Mpanjaka 17:5.
Sargona II no nandimby an’i Salmanazara. Izy io angamba no nandresy an’i Samaria, satria tombanana mandrakariva fa ny fanombohan’ny andro nanjakany dia mifanindry amin’ny taona nianjeran’ilay tanàna. Ambaran’ny Baiboly fa taorian’ny nahalavoan’i Samaria, dia nentin’ny mpanjakan’i Asyria “ho babo tany Asyria ny Isiraely”. (2 Mpanjaka 17:6.) Izany fisehoan-javatra izany dia voamarin’ny soratra asyriana hita tany Khorsabad ary nampanoratan’i Sargona izao teny izao: “Nanao fahirano sy nandresy an’i Samaria aho, ary nitondra mponina 27290 ho babo.”
Asehon’ny Baiboly koa fa taorian’ny nahababoan’ny Isiraelita, dia naka olona avy any an-tany hafa ny mpanjakan’i Asyria ka “namponina azy teny amin’ny tanànan’i Samaria nisolo ny Zanak’Isiraely; dia nahazo an’i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ny tanànany”. — 2 Mpanjaka 17:24.
Manamarina izany fitantaran’ny Baiboly izany koa ve ireo rejistra asyriana? Eny, ireo tantara voalahatr’i Sargona, voasoratra eo amin’ny iraizotongotr’i Nimroda, dia manambara toy izao: “Naoriko indray ny tanàna [tanànan’i Samaria] (...) ary napetrako tao ny mponina avy any amin’ireo tany resiko.” — Teny avy ao amin’ny Baiboly sy avy any Atsinanana Fahizay, Frank Michaeli, pejy faha-62.
Voavonjy Jerosalema
Sankeriba zanaka sy mpandimby an’i Sargona, dia fantatry ny olona mianatra ny Baiboly tsara. Tamin’ny 732 alohan’ny fanisan-taona iraisana tokoa, io mpanjaka tia ady io dia nampiasa be dia be fitaovam-piadiana hamelezana ny fanjakan’ny Joda.
Tantarain’ny Baiboly fa “niakatra Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy”. Tany Jerosalema, Hezekia mpanjaka, raiki-tahotra noho izany fandrahonana izany, dia “naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Asyria tany Lakizy” mba hilaza fa vonona ny handoa hetra be izy mba hialan’io avy ao. — 2 Mpanjaka 18:13, 14.
Nanamarina ve Sankeriba fa nankany Lakisy izy? Izany tokoa! Ireo arkeology nihady tao amin’ny lapany goavana tany Ninive dia nahita sarin’io fanaovana fahirano io teo amin’ny takela-bato lehibe. Ireny sary mivohitra misy andinindininy maro be ireny, voatahiry ao amin’ny British Museum, dia mampiseho an’i Lakisy niharan’ny fanafihana asyriana. Misy mponina mihazakazaka mivoaka avy ao an-tanàna mba hitolo-batana. Entina ny mpigadra. Notrabarana ny sasany; ny hafa manolotra fankalazana an’i Sankeriba, olona resahin’ny fitantarana araka ny Baiboly. Ny filazana iray amin’ny soratra manan-drirana dia ahitana ireto teny ireto: “Sankeriba, mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjakan’i Asyria, dia mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny matso ary mandinika tsirairay ny zavatra azo babo avy any Lakisy.”
Lazain’ny Baiboly mazava fa Hezekia dia nandoa ho an’i Sankeriba, hetra “talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo”. (2 Mpanjaka 18:14, 15.) Manamarina izany toe-javatra izany ny tantara voalahatr’i Sankeriba na dia mampitombo izany aza, satria “talenta volafotsy 800” no resahina ao.
Na dia tao aza izany fandoavan-javatra izany, ireo mpitondra hafatry ny mpanjakan’i Asyria dia nijoro teo anoloan’ny mandan’i Jerosalema, nanazimba an’i Jehovah Andriamanitra sy nandrahona ny tanànany masina. Tamin’ny alalan’Isaia izay tao Jerosalema, dia izao no nambaran’i Jehovah ny amin’i Sankeriba: “Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipika ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity. Ny làlana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.” — 2 Mpanjaka 18:17 ka hatramin’ny 19:8, 32, 33.
Moa ve Jehovah nampiato ny fandrosoan’i Sankeriba araka ny nampanantenainy? Eny, satria tamin’io alina io ny anjelin’Andriamanitra iray dia nahafaty Asyriana 185000. Nihataka àry Sankeriba ary niverina ho any Ninive ka tany, tatỳ aoriana, raha mbola niankohoka teo anoloan’i Nisroka andriamaniny izy, dia novonoin’ny roa tamin’ireo zanany lahy. — 2 Mpanjaka 19:35-37.
Mazava ho azy fa Sankeriba nieboebo dia tsy hirehareha ny amin’izay nitranga tamin’ireo miaramilany. Tsy hoe tsy nahaliana anefa ny fitantarany ny fisehoan-javatra. Izao no azo vakina ao amin’ny tantara voalahany voasoratra eo amin’ny Iraizotongotry ny Fikambanana tatsinanana sy eo amin’ny Iraizotongotr’i Taylor: “Fa raha ny amin’i Hezekia tao Joda, izy io dia tsy nety nilefitra teo ambany ziogako; 46 amin’ireo tanànany mafy, tanàna fiarovana sy tanàna kely tsy tambo isaina eny amin’ny manodidina no nataoko fahirano, nalaiko (...). Fa raha ny tenan’i [Hezekia] mihitsy, dia nohidiako tao Jerosalema fonenany toy ny vorona ao anaty tranony izy.” Nanampy teny toy izao Sankeriba: “[Hezekia] dia (...) raiki-tahotra noho ny famirapiratry ny heriko.” Tsy nilaza anefa izy fa hoe nampigadra azy; tsy nilaza koa izy fa naka an-keriny an’i Jerosalema, tahaka ny nolazainy ny amin’ireo “tanàna mafy” sy “tanàna kely”. Fa nahoana? Satria, araka ny asehon’ny Baiboly, dia ringana ny tsara indrindra tamin’ny andian-tafika nalefany.
Esara-Hadona dia mpandimby sady zandrin’i Sankeriba. Manisy fitenenana intelo ny aminy ny Soratra Masina: ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka faharoa, ary ao amin’ny bokin’i Ezra sy Isaia. Tantarain’ny Baiboly fa ny Asyriana dia naka an-keriny an’i Manase, mpanjakan’ny Joda; ary raha ny marina dia nisy arkeology nahita lisitra asyriana nahitana an’i “Manase, mpanjakan’ny Joda” fa anisan’ireo mpanjaka nandoa hetra ho an’i Esara-Hadona. — Jereo 2 Tantara 33:11.
Asorobanipala dia zanakalahin’i Esara-Hadona. Heverina fa izany dia “Asnapara lehibe sady malaza” resahina ao amin’ny Ezra 4:10. Izy no nanome ho an’ny empira asyriana ireo fefiny lavitra indrindra.
Faran’ny herim-panjakana iray
Noho ny faharatsiany, dia voatokana ho amin’ny fandringanana Asyria. Nanoratra tokoa Nahoma, mpaminanin’i Jehovah, fa hasiana banga amin’ny mandan’ny renivohiny, dia Ninive, eo amin’ny “vavahadin-drenirano”, ary ‘hiempo ny lapa mihitsy’. Horobaina ny volafotsy sy ny volamena, ary ho foana ny tanàna, ka hilaza toy izao ny olona: “Rava Ninive! Iza no hitomany azy?” — Nahoma 2:6-10; 3:7.
Tanteraka koa ve io faminaniana io? Aoka havelantsika hamaly ireo mpandresy an’i Ninive. Tamin’ny 632 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia namely an’ilay renivohitra asyriana ny valifatin’ny Babyloniana sy ny Mediana. Izao no lazain’ny tantara voalahatra babyloniana ny amin’izany: “Nentin’izy ireo ny mpigadra [na ny babo] tao an-tanàna tsy tambo isaina. Novany ho antontan-javatra rava ilay tanàna.”
Amin’izao andro izao, dia antontan-javatra rava roa lehibe, ny hany sisa tavela tamin’io renivohitra nirehareha io, na manaporofo mangina fa tsy misy mihitsy firenena, na dia Asyria nieboebo sy naherisetra aza, afaka manohitra ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fandaharan-taona omenay dia miorina amin’ny Soratra Masina ary hafa noho ireo naorina avy amin’ny loharano tsy araka ny Baiboly, tsy azo antoka kokoa. Ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, ao amin’ny pejy 278 ka hatramin’ny 295, dia manolotra fandinihana amin’ny andinindininy ny fandaharan-taona araka ny Baiboly; mba hanaovana fampitahana amin’ny fandaharan-taona asyriana, dia jereo ny fanontana amin’ny teny anglisy amin’ny Auxiliaire, pejy 325 sy 326.
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
EMPIRA ASYRIANA
Ninive
Babylona
Damaskosy
Samaria
Lakisy
Jerosalema
ARABIA
EGYPTA
Ranomasina Lehibe
[Sary nahazoan-dalana]
Araka ny Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel
[Sary, pejy 25]
Asorobanipala mampidina divay eo ambonin’ny liona maty. Mampahatsiahy anao an’i Nimroda ve izany?
[Sary nahazoan-dalana]
British Museum, Londres
[Sary, pejy 26]
Sary vato mivohitra kely asyriana mampiseho ny fanafihana ny fanafihana an’I Lakisy, tanànan’ny Joda voaro mafy, tamin’ny alalan’ny fitaovana fanaovana fahirano.
[Sary nahazoan-dalana]
British Museum, Londres
Havoana kely Lakisy: io toerana anoloana lehibe io, any atsimo andrefana, dia niaro ireo havoan’i Jodia mandra-panaon’ny Asyriana fahirano teo anoloan’i Lakisy ka nakany ny tanàna.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 27]
Eo amin’io sary mivohitra kely io, Sargona II (eo ankavia) eo anatrehan’ny mpanao raharaham-panjakana asyriana iray, angamba Sankeriba mpanapaka mpandova.
[Sary nahazoan-dalana]
British Museum, Londres