Ilay Fitomboka ‘An’i Jokala’
NANDRESY an’i Jerosalema i Nebokadnezara, mpanjaka kaldeanina, tamin’ny taonjato fahafito T.K. Nodorany ilay tanàna sady noravany ny mandany. Nosamboriny i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ary nopotsiriny ny masony. ‘Novonoin’ny mpanjakan’i Babylona koa ny manan-kaja rehetra tamin’ny Joda.’—Jeremia 39:1-8.
Iray tamin’ireny manan-kaja na printsin’ny Joda mety ho novonoin’ny Babylonianina ireny i Jokala, zanak’i Selemia. Nisy zava-baovao hita, momba an’io olona resahin’ny Baiboly io. Alohan’ny handinihantsika an’izany, dia andeha hojerentsika izay lazain’ny Soratra Masina momba azy, sy ny zava-nitranga tamin’ny androny.
“Tsy hahaleo anao” ireny
Nirahin’i Jehovah i Jeremia mpaminany, mba hilaza ny didim-pitsarana hihatra amin’i Joda sy Jerosalema. Nilaza tamin’i Jeremia Andriamanitra fa “hiady” aminy ny mpanjaka, printsy, mpisorona ary vahoakan’ny Joda. Hoy anefa i Jehovah: “Tsy hahaleo anao [ireny], satria momba anao hamonjy anao Aho.”—Jeremia 1:17-19.
Nanao fahirano an’i Jerosalema renivohitr’i Joda ny Babylonianina. Indroa i Zedekia Mpanjaka no nandefa iraka ho any amin’i Jeremia nandritra izany fotoana izany, mba hanontany azy raha hihataka amin’ilay tanàna i Nebokadnezara. Te hiangavy an’ilay mpaminany koa izy mba hivavaka ny hitrangan’izany. Iray tamin’ireo iraky ny mpanjaka i Jokala na Jehokala. Ny hafatra nomen’Andriamanitra an’i Jeremia, dia hoe handrava an’i Jerosalema ny Babylonianina na Kaldeanina. Ho fatin’ny mosary sy areti-mandringana ary sabatra izay olona nijanona tao an-tanàna. Ho tafavoaka velona kosa izay nivoaka hanatona ny Kaldeanina. Nahatezitra mafy ny printsin’ny Joda ny tenin’i Jeremia!—Jeremia 21:1-10; 37:3-10; 38:1-3.
I Jokala ratsy fanahy no anisan’ireo printsy nampirisika an’i Zedekia hoe: “Aoka hovonoina ity lehilahy ity [Jeremia]; fa mampiraviravy tànana ny miaramila.” Anisan’ireo nanipy an’i Jeremia tao anaty lavadrano feno fotaka koa izy. Novonjena avy tao anefa ilay mpaminany tatỳ aoriana. (Jeremia 37:15; 38:4-6) Tafavoaka velona tamin’ny nandravana an’i Jerosalema i Jeremia, satria nankatò an’i Jehovah. Azo inoana kosa fa maty i Jokala, rehefa noravana ilay fanjakana jiosy nitokiany.
Zava-baovao mahaliana
Tamin’ny 2005 no nahafantarana ilay zava-baovao momba an’i Jokala. Nihady tany teo amin’ny toerana noheveriny fa hahitana ny lapan’i Davida Mpanjaka, ireo arkeology. Sisan’ny trano vato lehibe iray no hitany. Mino izy ireo fa io trano io dia noravana tamin’ny fotoana namaboan’ny Babylonianina an’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Jeremia.
Mbola tsy fantatra marina raha ilay lapan’i Davida io na tsia. Nahita zavatra hafa anefa ireo arkeology, dia ilay tombo-kase aseho eo amin’ny pejy 14. Vita amin’ny tanimanga izy io, ary mirefy iray santimetatra. Potika efa ela ny taratasy notombohina taminy. Toy izao no soratra voasokitra amin’ilay izy: “An’i Yehuchal, zanak’i Shelemiyahu, zanak’i Shovi.” Azo inoana fa natao tamin’ny fitombok’ilay mpanohitra an’i Jeremia io soratra io. Tsy iza izany fa i Yehuchal na Jokala, zanak’i Selemia.
I Eilat Mazar, arkeology, no nahavita namantatra ny dikan’ilay soratra. Araka ny nosoratany, dia i Jokala ihany izao no fantatra fa “tandapa manarakaraka” an’i Gemaria, zanak’i Safana. Misy ny anaran’i Gemaria, teo amin’ny tombo-kase iray hita tao amin’ny Tanànan’i Davida.a
Tsy miankina amin’ny fahitana rakitry ny ela ny finoana ny Tenin’Andriamanitra. Antony tsara inoana azy io kosa ny fahatanterahan’ireo faminaniana raketiny. Porofoin’ny zava-misy ara-tantara, fa marina ilay faminanian’i Jeremia momba ny fandravana an’i Jerosalema. Ratsy fiafara sady afa-baraka ny mpanohitra an’i Jeremia. Tokony hampiaiky bebe kokoa antsika izany, fa ‘tsy hahaleo antsika’ ny fahavalontsika, raha mahatoky toa an’i Jeremia isika, satria ‘momba antsika i Jehovah.’
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manazava ny momba an’i Gemaria sy Safana ny lahatsoratra hoe “Fantatrao ve i Safana sy ny Fianakaviany?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2002, pejy 19-22.
[Sary, pejy 15]
Tsy nanaiky hanalefaka ny hafatr’Andriamanitra i Jeremia, na dia nampijalina aza
[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]
Gabi Laron/Institute of Archaeology/ Hebrew University ©Eilat Mazar