Sarin’ny Tany Nampanantenaina
Ny efitr’i Joda — Ngazana nefa mahatalanjona
HEVERINAO ho toy ny inona moa ny efitr’i Joda any amin’ny Tany Nampanantenaina? Mieritreritra ny sasany fa ala midadasika sy matevina izy io. Ny hafa kosa dia mihevitra azy ho toy ny efitr’i Sahara voaforona velaram-pasika tsy misy farany.
Tsy misy mifanaraka amin’io efitra io ireo fiheverana roa ireo, araka ny hitanao amin’ny sary etsy ambony. Eo dia mahita ny tapany amin’ilay efitra izay mifandray amin’ny fiainan’i Jesosy ianao. Araka ny lovantsofina dia nasehon’i Satana an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao” avy eo amin’io tendrony io, izay eo an-tsisin’ilay efitra ary mahatazana ny tanànan’i Jeriko voarakotry ny hazo rofia ao amin’ny lohasahan’i Jordana eo atsinanana. — Matio 3:1; 4:1-11.
Avy eo amin’io tapany avaratra atsinanana io, ny efitr’i Joda dia mivelatra midina manaraka ny sisiny andrefan’ny Ranomasina Maty. Afaka hanampy anao haka sary an-tsaina io faritra io ny fijerena ny sary eo amin’ny fonon’ny Fitadidianandron’ny Vavolombelon’i Jehovah 1989. (Mampiseho ilay sary etsy ambony amin’ny velarana lehibe kokoa koa io fitadidianandro io.) Eo amin’ny ilany atsinanana eo amin’ireo tendrombohitr’i Jodia no misy io efitra (16 ka hatramin’ny 24 kilaometatra) io, eo am-pidinana mankany amin’ny Ranomasina Maty.
Misakana ny fahatongavan’ny ankamaroan’ny hamandoana avy any amin’ny Ranomasina Mediterane ireo tendrombohitra ireo. Koa orana kely ihany izany no azon’ireo havoana kely, malemy sy mangadihady voaforon’ny tsaoka eo amin’ny ilany atsinanana, afa-tsy amin’ny ririnina amin’ny volana novambra sy desambra. Amin’izay fotoana izay dia mitsiry ny bozaka, ary afaka ny hiraoka ahitra eo ireo andian’ondry. Mifanaraka tsara amin’io faritra io àry izany ilay “valan’ondry” voalaza ao amin’ny 1 Samoela 24:4 [24:3, MN ].
Tsy maharitra ela ny bozaka maniry eto. Vetivety ireo rivotra avy any atsinanana avy any an’efitra dia manova ny volony maitso ho volon-takatra maina. Manazava tsara ilay filazana ara-paminaniana toy izao izany: “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay.” — Isaia 40:8; 1 Petera 1:24, 25.
Nieritreritra io teny io angamba i Jesosy rehefa nandehandeha tao amin’io efitra io nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Izao dia hevero izay mety ho tsapan’i Jesosy rehefa nahamay ny masoandro ka namely ireo vatolampy sy hady tsy nisy hazo na iray aza. (Isaia 32:2) Mazava amintsika fa rariny raha “nisy anjely tonga ka nanompo Azy” taorian’izay! — Matio 4:1-11.
Noho ny maha-ngazana azy sy noho ny tsy fisian’ny mponina tao, dia nampiasaina matetika ho toy ny toeram-pialofana ny efitr’i Joda. Rehefa nandositra ny fahaviniran’i Saoly mpanjaka i Davida dia nahita fiarovana tao amin’io toerana io izay nantsoiny hoe “tany maina sy mangetana tsy misy rano.” (Salamo 63:1 sy ny teny eo am-piandohana; 1 Samoela 24:1) Niafina kelikely tao amin’ny zohy iray izy, angamba iray toy ny zohin’i Umm Qatafa any amin’ny Wadi Khareitun (lohasaha iray avy eo atsinanan’i Bethlehema mankany amin’ny Ranomasina Maty). (Hebreo 11:32, 38) Eo amin’io sary nalaina avy amin’ilay zohy io ianao dia afaka mahita eo amin’ny tapany ambany ankavanana ondry mainty sasany mandehandeha mitady zavamaniry mihahahaka eny.
Tao amin’ny zohy iray tany En-jedy no nisy an’i Davida rehefa niditra teo mba hiavela i Saoly. Na dia nanapahan’i Davida aza ny sisin’ny kapôtin’i Saoly dia tsy hanitsy ratsy “ny voahosotr’i Jehovah” izy. Tatỳ aoriana i Davida dia niantso an’i Saoly, angamba rehefa tafidina teo afovoan’ny ravin-kazo maro be ilay mpanjaka. (1 Samoela 24:2-23) ‘Ravin-kazo maro be eto amin’ity toerana ity hoe?’ hoy angamba ianao.
Eny tokoa, rehefa betsaka ny rano dia mamony ny zava-maitso ao amin’io efitra io. Ohatra iray ny amin’izany i En-jedy. Ny rano mitete eo amin’ny ilany iray amin’ny vatolampy misy loadoaka dia mivoaka etsy amin’ny ilany hafa toy ny loharano sy rian-drano mankeo amin’io lohasaha io izay misokatra amin’ny moron-drano andrefan’ny Ranomasina Maty. Izany dia mahatonga an’i En-jedy ho tena ala mikirindro izay feno zavamaniry. Raha mitsidika azy ianao dia hahita karazam-boninkazo sy voankazo maro be. Mety hahita biby dia koa ianao, toy ny karazana fosa eny amin’ny vatolampy sy ny osy dia; misy leoparda koa aza ao amin’io faritra io! — 1 Samoela 24:3; Tonon-kiran’i Solomona 1:14.
Ny fahafantarantsika fa afaka ny ho tonga maitso toy izany ny efitra ngazan’i Joda dia manampy antsika hahatakatra tsara ny fahitan’i Ezekiela ny amin’ny rano mikoriana avy eo amin’ny tempolin’i Jerosalema. Nihanitombo ny fikorian’ilay rano mandra-pahatongany ho riaka nankany atsinanana ka namakivaky ny efitr’i Joda. Ary inona no vokany? Nanoratra toy izao i Ezekiela: “Indro, nisy hazo betsaka teny amoron’ny ony (...) Ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.” Nikoriana nankao amin’ny Ranomasina Maty ilay rano, ary nanasitrana ireo ranony tsy nisy aina mihitsy aza. — Ezekiela 47:1-12; Isaia 35:1, 6, 7.
Noho izany àry, na dia somary ngazana sy lao aza ny efitr’i Joda, dia mahatalanjona koa izy io noho ireo fifanipahan-javatra misy ao aminy izay hita ao amin’ny fitantarana maro ao amin’ny Baiboly. — Lioka 10:29-37.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.