Toko 10
Nitombo ny Fahalalana Marina Tsara ny Fahamarinana
TSY niezaka hampiditra fampianarana na fomba fivavahana vaovao ny Vavolombelon’i Jehovah. Hita amin’ny tantarany kosa fa iezahany mafy ny hampianatra ny voalazan’ny Baiboly, izay avy amin’ny herin’ny fanahy masina. Io no fototry ny finoana sy ny fomba fiainany. Tsy milefitra loatra toy ny an’izao tontolo izao ny fampianarany. Iezahany kosa ny hanaraka akaiky ny fampianarana sy fomba, izay lazain’ny Baiboly fa nataon’ny Kristianina voalohany.
Nianatra lalina ny Baiboly i Charles Russell sy ny namany, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1870. Hitan’izy ireo tsara fa tsy nanaraka ny fampianarana sy fanaon’ny Kristianina voalohany mihitsy ny Kristianisma Anarana. Tsy nihambo ho voalohany nahita izany ny Rahalahy Russell, ary nekeny fa tena nisy olona nanampy azy, nandritra ireo taona voalohany nianarany ny Soratra Masina. Nankasitrahany ny asa tsara nataon’ireo mpitondra fanavaozana protestanta, noho izy ireny namela ny fahamarinana hanjelatra kokoa. Notononiny ireo lehilahy mbola zokiny, toa an’i Jonas Wendell, George Stetson, George Storrs, ary Nelson Barbour, izay nanampy azy tamin’ny fomba samihafa hahatakatra ny Soratra Masina.a
Hoy koa izy: ‘Na dia toa vaovao sy hafa aza ireo foto-pampianarana tohananay, dia efa nisy nanohana taloha ela, anisan’izany ny Fifidianana, Fahasoavana Maimaim-poana, Famerenana Amin’ny Laoniny, Fanamarinana, Fanamasinana, Fanomezam-boninahitra, ary Fitsanganana Amin’ny Maty.’ Matetika anefa no misy fahamarinana iray misongadina ao amin’ny fivavahana iray, ary fahamarinana iray hafa misongadina ao amin’ny hafa. Tsy nandroso izy ireny matetika, satria nanaraka fampianarana sy finoana nanjaka tany Babylona sy Ejipta fahiny, sy ny fampianaran’ny filozofa grika.
Iza anefa no fivavahana nampian’ny fanahin’Andriamanitra, ka nahazo indray ny “modelin’ny teny mahasoa” manontolo, izay tena tian’ny Kristianina voalohany? (2 Tim. 1:13) Ny lalan’iza no hita fa “toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro”? (Ohab. 4:18) Iza no tena hanatanteraka ilay asa nolazain’i Jesosy hoe: “Ho vavolombeloko ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo”? Iza no sady hanao mpianatra, no ‘hampianatra azy hitandrina izay rehetra’ nandidian’i Jesosy? (Asa. 1:8; Matio 28:19, 20) Tena efa akaiky ve ny fotoana nanavahan’ny Tompo mazava ny tena Kristianina (nohariny tamin’ny vary) sy ny Kristianina sandoka (na tsimparifary, izay tena mitovy be amin’ny vary, mandra-pahalehibeny)?b (Matio 13:24-30, 36-43) Iza marina ilay “mpanompo mahatoky sy malina”, izay nomen’i Jesosy Kristy Tompo efa manjaka, andraikitra lehibe kokoa, mifandray amin’ny asa nolazainy fa hatao amin’ny faran’ity tontolo ity?—Matio 24:3, 45-47.
Aoka hamirapiratra ny fahazavana
Nasain’i Jesosy ny mpianany mba hiresaka amin’olon-kafa ny fahamarinana azo taminy. “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao”, hoy izy. ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo.’ (Matio 5:14-16; Asa. 13:47) Tsapan’i Charles Russell sy ny namany izany andraikitra izany.
Nino ve izy ireo fa nazava taminy daholo ny fahamarinana? Namaly ny Rahalahy Russell hoe: “Tsy izany mihitsy, sady tsy hahazo izany izahay, raha tsy ‘mitataovovonana ny andro.’ ” (Ohab. 4:18) Matetika izy ireo no niantso ny fahamarinana efa hainy hoe “fahamarinana fantatra.” Tsy midika izany hoe miova ny fahamarinana, fa takany kosa hoe mihamazava aminy miandalana izy io.
Tsy menatra ireo mpianatra ny Baiboly nilaza hoe misy ny fivavahana marina. Nekeny fa “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah, ary Tenin’ny fahamarinana ny Baiboly. (Sal. 31:5; Josoa 21:45; Jaona 17:17) Takany koa fa be ny zavatra mbola tsy hainy, nefa tsy niahotra izy nanambara ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Baiboly. Nisy fampianarana sy fomban’ny fivavahana hitan’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanahaka an’i Jesosy Kristy àry izy ireo, ka nampibaribary an’ilay fahadisoana, na dia naneso sy nankahala azy aza ny mpitondra fivavahana.—Matio 15:3-9.
Namoaka Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy i C. Russell tamin’ny Jolay 1879, mba hitoriana sy hizarana sakafo ara-panahy.
Tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly
Tsy ny fanarahana ny hevitry ny besinimaro tamin’ny androny no nahatonga an’i Charles Russell hatoky ny Baiboly. Mpitsikera Baiboly aza ny ankamaroan’ny olona tamin’izany. Nilaza izy ireo fa tsy azo nitokisana ny Baiboly.
Nafana fo i Russell niaraka tamin’ny Fiangonana Kongregasionaly, tamin’izy tanora. Nanjary nisalasala anefa izy, rehefa hitany fa sarotra ekena ireo zavatra ninoan’izy io. Tsy azo noporofoina tsara tamin’ny Baiboly mantsy ireo zavatra nampianarina azy. Nanjary tsy tiany àry ireny fampianarana ireny, sy ny Baiboly. Nandinika lalina an’ireo fivavahana tatsinanana lehibe indray izy, nefa tsy afa-po koa. Nanomboka nanontany tena izy hoe sao dia ny fivavahana kristianina no mampiseho ny Baiboly amin’ny fomba diso. Nandrisika azy hianatra tsara ny Soratra Masina indray ny zavatra reny nandritra ny fivorian’ny Advantisa, indray hariva. Nanomboka takany ny Tenin’Andriamanitra.
Nanjary nampiaiky volana azy ny nahita hoe mifanaraka tsara ny zavatra lazain’ny Baiboly, sady araka ny toetran’ilay Andriamanitra Loharanony. Te hanampy ny olona hahatakatra izany izy, ka nanoratra ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra, navoaka tamin’ny 1886. Anisan’ny lohateny lehibe tao ny hoe “Ny Baiboly, avy Amin’Andriamanitra, Dinihina Amin’ny Fahazavan’ny Fahaizana.” Hoy izy, ao amin’ny faran’io toko io: “Tena mino isika hoe tsy olona, fa ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony, no nanao ny fandaharana sy fanambarana ao amin’ny Baiboly, rehefa dinihintsika ny halalina sy hery ary fahendren’ireo zavatra lazainy.”
Fototry ny finoan’ny Vavolombelona ankehitriny koa ny hoe tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly manontolo. Maro ny fitaovana ananany, manampy azy hahita ny porofo hoe avy amin’ny herin’ny fanahy masina izy io. Resahina matetika ao amin’ny gazetiny izany. Navoaka tamin’ny 1969 ny boky Tena Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly? (frantsay). Navoaka 20 taona taorian’io ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Noresahiny tao indray ny fahamarinan’ny Baiboly sy ireo porofo fanampiny, ka mbola izao ihany no fanatsoahan-keviny: Tena Tenin’Andriamanitra, avy amin’ny herin’ny fanahiny, ny Baiboly. Anisan’ny bokin’ny Vavolombelona koa ilay hoe “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, natao pirinty tamin’ny 1963, ary nohavaozina tamin’ny 1990. Misy tsipiriany maro hafa ao amin’ilay rakipahalalana hoe Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina, navoaka tamin’ny 1988.
Nianaran’ny Vavolombelona samirery na tany am-pivoriany ireny zavatra ireny, ka tena inoany fa Andriamanitra mihitsy no nitarika ny fanoratana ny Baiboly tamin’ny alalan’ny fanahiny, na dia olona 40 teo ho eo aza no nanoratra an’ireo boky 66 ao aminy, nandritra ny 1 600 taona. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Tim. 3:16; 2 Pet. 1:20, 21) Misy akony lehibe eo amin’ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany finoana izany. Hoy ny gazety anglisy iray: “Misy antony araka ny Soratra Masina foana ny zavatra ataon’ny Vavolombelona. Ny zavatra fototra inoan’izy ireo tokoa dia ny fanekeny ny Baiboly hoe ... marina.”
Fahafantarana an’ilay Andriamanitra marina
Nianatra ny Soratra Masina ny Rahalahy Russell sy ny namany, ka hitany fa tsy mitovy ilay Andriamanitry ny Baiboly sy ny an’ny Kristianisma Anarana. Zava-dehibe izany, satria tokony hahalala an’ilay hany Andriamanitra marina, sy ilay Solontenany Lehibe Indrindra ahazoana famonjena, ny olona te hahazo fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3; Heb. 2:10) Hitan’i C. Russell sy ireo niara-nianatra ny Baiboly taminy fa mifandanja tanteraka ny rariny ampiharin’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fitiavany sy ny heriny, sady hita amin’ny asany rehetra, ireo toetra ireo. Nanomana fanazavana momba ny antony amelan’Andriamanitra ny ratsy hisy àry izy ireo, niorina tamin’ny fahatakarany ny fikasan’Andriamanitra. Navoaka tao amin’ilay boky 162 pejy hoe Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina (anglisy) ireo fanazavana, ary io no boky niely indrindra tamin’izany. Nomerao manokana tamin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona no namoahana azy io voalohany tamin’ny Septambra 1881.
Takatr’izy ireo tamin’ny fianarany ny Baiboly fa manana anarana ilay Mpamorona, ary ataony izay ahafahan’ny olona mahafantatra azy sy mifandray akaiky aminy. (1 Tant. 28:9; Isaia 55:6; Jak. 4:8) Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Oktobra-Novambra 1881: “Ilay Avo Indrindra, sady Raintsika, nantsoin’i Jesosy hoe Andriamanitra Rainy ihany, no antsoina hoe JEHOVAH.”—Sal. 83:18; Jaona 20:17.
Nisy nanontany, herintaona taorian’izay hoe: “Milaza ve ianareo fa tsy ampianarin’ny Baiboly ny hoe telo izay iray Andriamanitra?” Izao no valiny: “Eny. Milaza amintsika aza izy io fa iray Andriamanitra sy Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, ary tompon’ny zavatra rehetra (na namorona ny zavatra rehetra). Mino Andriamanitra Iray sady Ray izahay, sady mino Jesosy Kristy Tompo iray ... Roa anefa ireo, fa tsy iray. Lazaina hoe iray izy ireo, satria miray saina. Mino fanahin’Andriamanitra koa izahay ... Tsy olona anefa izy io, fa toy ny fanahin’ny devoly sy ny fanahin’izao Tontolo Izao, ary ny fanahin’ny Antikristy.”—Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona, Jona 1882; Jaona 17:20-22.
Nitombo ny fankasitrahana ny anaran’Andriamanitra
Takatry ny Mpianatra ny Baiboly tsikelikely fa asongadin’ny Soratra Masina ny anaran’Andriamanitra. Tsy nampiasa azy io ny Baiboly anglisy, toy ny dikan-teny katolikan’i Douay sy ny dikan-teny protestantan’ny Mpanjaka Jacques, ary ny ankamaroan’ny dikan-teny tamin’ny taonjato faha-20. Hita amin’ny fandikan-teny sy loharanon-kevitra ara-baiboly maro anefa fa niseho in’arivony maro tao amin’ny Baiboly tany am-boalohany io anarana io, ary niseho imbetsaka kokoa noho ny anarana hafa rehetra, sy noho ny hoe Andriamanitra sy Tompo miaraka aza. ‘Olona ho an’ny anaran’Andriamanitra’ izy ireo, ka nitombo ny fankasitrahany ny anarany. (Asa. 15:14) Noresahina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Janoary 1926 fa misy raharaha tsy maintsy atrehin’ny rehetra, dia ny hoe “Iza no Hanome Voninahitra An’i Jehovah?”
Tsy antony ara-pivavahana fotsiny no nanantitranterana ny anaran’Andriamanitra. Nohazavain’ny boky Faminaniana (anglisy, 1929) fa mahakasika ny anarana sy ny tenin’i Jehovah ny raharaha lehibe atrehin’ny olombelona sy ny anjely rehetra. Antitranterin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa asehon’ny Baiboly hoe tsy maintsy mahalala ny anaran’Andriamanitra sy mihevitra azy io ho masina ny olona. (Matio 6:9; Ezek. 39:7) Tsy maintsy esorina tanteraka ny fanalam-baraka azy io, izay nataon’ireo nihantsy an’i Jehovah sy nampiseho azy tamin’ny fomba diso, tamin’ny alalan’ny fampianarany sy ny zavatra ataony. (Ezek. 38:23; Rom. 2:24) Eken’ny Vavolombelona, araka ny Soratra Masina, fa tsy handray soa izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy, raha tsy manamasina ny anaran’i Jehovah.
Takatr’izy ireo fa tombontsoa sy adidiny ny milaza ny fahamarinana momba an’i Jehovah, alohan’ny handringanany ny ratsy fanahy. Manao izany eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazoto be izy ireo manao izany, ka antsoina avy hatrany hoe Vavolombelon’i Jehovah ny olona mampiasa matetika ny anaran’i Jehovah.
Ny marina momba ny Andriamanitra telo izay iray
Vavolombelon’i Jehovah i C. Russell sy ny namany, ka nahatsapa fa tokony holazaina ny marina momba ireo fampianaran-diso momba an’Andriamanitra, ary hampiana ireo tia fahamarinana mba hahita fa tsy miorina amin’ny Baiboly izany. Tsy izy ireo no voalohany nilaza hoe tsy miorina amin’ny Soratra Masina ny Andriamanitra telo izay iray.c Takany anefa fa tsy maintsy nilaza ny marina momba izany izy ireo, raha te ho mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Sahy àry izy ireo nanao zavatra ho an’ireo tia fahamarinana, ka nampiharihary fa avy amin’ny fanompoan-tsampy io foto-pampianaran’ny Kristianisma Anarana io.
Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Jona 1882: “Maro ny filozofa mpanompo sampy no nihevitra fa tsy maintsy nanaraka an’ilay fivavahana vaovao [Kristianisma nivadi-pinoana, narahin’ny emperora romanina tamin’ny taonjato fahefatra] izy. Notadiaviny fotsiny àry izay ifandraisan’ny Kristianisma sy ny Fanompoan-tsampy, ary natambany izany. Nahomby tsara ny tetik’adiny. ... Nanana andriamanitra lehibe maro ny fampianarana taloha, sady nisy andriamanitra tapany lahy sy vavy. Ireny indray no noraisin’ireo antsointsika hoe Kristianina Mpanompo Sampy, ka nataony fampianarana vaovao. Noforonina tamin’izay ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo, dia ny Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.”
Niezaka nanaporofo ny mpitondra fivavahana sasany hoe avy amin’ny Baiboly ilay fampianarana. Nampiasainy, ohatra, ny 1 Jaona 5:7. Noporofoin’ny Rahalahy Russell anefa fa fantatry ny manam-pahaizana tsara hoe nisy teny nasisiky ny mpanora-dalàna (te hanaporofo fampianarana tsy araka ny Soratra Masina) tamin’io andininy io. Nampiasa ny Jaona 1:1 koa ireo mpiaro an’ilay fampianarana, nefa nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana io andininy io, niorina tamin’ny hevitra raketiny sy ny teny manodidina azy, ka hita fa tsy manohana an’ilay hevitra ilay andininy. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Jolay 1883: “Hazava kokoa io fampianarana io, raha ny Baiboly no tena nianarana, fa tsy boky nosoratan’olona. Mifanohitra tanteraka amin’ny Soratra Masina ny Andriamanitra telo izay iray.”
Nabaribarin’ny Rahalahy Russell fa hadalana ny milaza hoe mino ny Baiboly ianao, nefa mampianatra zavatra mifanohitra amin’izy io, toy ny Andriamanitra telo izay iray. Hoy àry izy: “Misafotofoto tanteraka izy ireo raha milaza fa Andriamanitra iray i Jesosy sy ny Rainy! Toa milaza izany fa nihatsaravelatsihy i Jesosy tetỳ an-tany, sady mody nivavaka tamin’ny Rainy, nefa Izy ihany no ilay Andriamanitra. ... Tsy mety maty mihitsy koa ny Ray. Nahoana àry i Jesosy no maty? Vavolombelona nandainga ny Apostoly, raha tsy tena maty i Jesosy, nefa izy ireo nilaza hoe maty izy. Milaza anefa ny Soratra Masina fa tena maty Izy.”d
Vao niandoha àry ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, dia efa nolaviny mafy ny Andriamanitra telo izay iray, nampianarin’ny Kristianisma Anarana. Nekeny kosa ny fampianarana mora ekena sy mahafinaritra ao amin’ny Baiboly.e Mbola tsy nisy olona na antokon’olona nanao toa azy ireo hatramin’izay, raha ny fampahafantarana io fahamarinana io no resahina.
Manao ahoana ny maty?
Tena nampanahy an’i C. Russell tamin’izy mbola tanora ny zavatra miandry an’ireo mbola tsy nanaiky ny famonjena avy amin’Andriamanitra. Ninoany izay nolazain’ny mpitondra fivavahana momba ny afobe, satria noheveriny fa izany no Tenin’Andriamanitra. Nosoratany tamin’ny lakire, teny amin’ny toerana mora tazana indraindray, ny andininy ao amin’ny Baiboly, mba ho hitan’ireo lehilahy miasa, ka mety hahavoavonjy azy ireo tsy ho any amin’ny afobe.
Voalaza fa niteny toy izao i Russell, rehefa nahita ny marina lazain’ny Baiboly: “Raha tsy milaza ny Baiboly hoe hampijalina mandrakizay ny olona rehetra, ankoatra ny olo-masina, dia tokony hotorina sy hambara eny an-tampon-trano izany, isan-kerinandro, isan’andro, isan’ora. Tokony hambara, raha tsy milaza izany ny Baiboly, ka hiala ny fanalam-baraka ny anarana masin’Andriamanitra.”
Vao nanomboka nianatra ny Baiboly i C. Russell dia nahita mazava fa tsy toerana fampijaliana ny fanahy aorian’ny fahafatesana ny afobe. Inoana fa nanampy azy i George Storrs, mpanoratra ny Mpandinika Baiboly, izay nanoratra zavatra betsaka momba ny hoe manao ahoana ny maty, araka ny Baiboly. Nankasitraka azy ny Rahalahy Russell, tao amin’ireo zavatra nosoratany.
Nino ve anefa ny Mpianatra ny Baiboly fa misy zavatra toy ny fanahy mbola miaina, aorian’ny fahafatesan’ny vatana? Tsy izany mihitsy. Na dia tamin’ireo bokiny taloha aza, dia efa tsy nanohana an’io fampianarana io ireo bokin’ny fandaminana. Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1903 fa tsy ny vatan’i Adama akory no niresahan’i Jehovah, rehefa nanonona ny didim-pitsarany tamin’i Adama nanota izy, fa i Adama mihitsy, dia ilay olona manan-tsaina. Nanaporofoana izany ny andinin-teny toy ny hoe: “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” ‘Ny olona manota no ho faty.” (Gen. 2:17; Ezek. 18:4) Nifanaraka tamin’izay voalazan’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1881 izany.f
Avy aiza àry no niavian’ilay fampianarana hoe tsy mety maty ny fanahy? Nandinika tsara ny tantara ao amin’ny Baiboly sy ny an’ny fivavahana ny Rahalahy Russell, ka nanoratra toy izao, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aprily 1894: “Tsy avy ao amin’ny Baiboly izy io ... Lazainy kosa hoe mety maty ny olona. ... Hita teo amin’ny tantara fa fototry ny fivavahan’ny mpanompo sampy io fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty io, ary tsy ampianarin’ireo vavolombelon’Andriamanitra. ... Tsy i Socrate sy Platon àry no voalohany nampianatra azy io: efa nisy olona talohany sady nahay kokoa nampianatra izany. ... Hita ao amin’ny Baiboly, tantara tranainy indrindra, ny fiandohan’io fampianaran-diso io. I Satana no mpampianatra sandoka.”g
“Fanondrahana” ny afobe
Tena tian’ny Rahalahy Russell ny hanesotra ny fanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra, vokatry ny fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe. Nanoratra trakta àry izy, ary nisy lohateny tao hoe “Mampianatra ve ny Soratra Masina fa Fampijaliana Mandrakizay no Karaman’ny Ota?” (Teolojia Taloha, 1889) Hoy izy:
“Avy amin’ny mpanompo sampy ilay fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay. Tsy ilay zavatra tsy misy indrafo toy ny ninoana tatỳ aoriana anefa no niheverany azy io. Ny Kristianina anarana no nanova izany, rehefa natambany tamin’ny filozofian’ny mpanompo sampy ny fampianarany, tamin’ny taonjato faharoa. Ny fivadiham-pinoana lehibe no nanampy ny fampianaran’ny mpanompo sampy tamin’ny tsipiriany mampihoron-koditra inoana ankehitriny, sy nanao sarin’izany teo amin’ny rindrin’ny fiangonana, toy ny natao tany Eoropa, nanoratra izany tao amin’ny boky fampianarana, ary nanova ny Tenin’Andriamanitra, ka toy ny hoe notohanan’Andriamanitra io fitenenan-dratsy manala baraka azy io. Tsy avy amin’ny Tompo àry ny finoana ankehitriny, na avy amin’ny apostoly, na ny mpaminany, fa avy amin’ny fileferana loatra, izay nanda ny fahamarinana sy ny fisainana, ary tsy menatra nanova ny fampianaran’ny Kristianisma, vokatry ny faniriana tsy masina sy ady hahazoana fahefana sy harena ary olona maro. Tsy fantatr’ireo loham-pianakaviana fahiny ny fampijaliana mandrakizay, tsy fantatry ny mpaminany jiosy fahiny, ary tsy fantatry ny Tompo sy ny apostoly. Io anefa no fampianarana lehibe indrindra teo amin’ny Kristianisma Anarana, nanomboka tamin’ny fivadiham-pinoana lehibe, ka nanaiky hatramin’ny fanamparam-pahefana ny olona tsy mahay sy minomino foana. Nolazaina fa hampijalina mandrakizay ireo nanohitra ny fahefan’i Roma, ary natomboka avy hatrany izany.”
Takatry ny Rahalahy Russell fa tsy tena nino ny afobe ny ankamaroan’ny olona misaina. Hoy anefa izy, tamin’ny 1896, tao amin’ilay bokikely hoe Inona no Lazain’ny Soratra Masina Momba ny Afobe? (anglisy): “Koa satria heverin’izy ireo fa mampianatra izany ny Baiboly, dia matetika izay dingana ataony eo amin’ny fahatakarana sy ny fitiavan-drahalahy ... no toy ny dingana mampanalavitra azy amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay lazainy fa mampianatra izany.”
Tiany handinika ny Tenin’Andriamanitra indray ny olona misaina, ka nasehony tao amin’io bokikely io ny andinin-teny rehetra isehoan’ny teny hoe afobe ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, mba hahitan’ny mpamaky izay lazain’ny Baiboly. Hoy izy avy eo: “Misaotra an’Andriamanitra isika, satria tsy misy toerana fampijaliana mandrakizay, araka ny hevi-dison’ny fampianarana sy hira ary toriteny. Hitantsika kosa ny ‘afobe’, sheola, hadesy, andefasana ny olona noho ny fahotan’i Adama, sady anavotana ny rehetra amin’ny alalan’ny fahafatesan’ny Tompontsika, ary ny ‘afobe’ dia ny fasana, na fahafatesana. Misy ‘afobe’ hafa koa ( gehena, fahafatesana faharoa, sady mandrakizay), lazaina hoe sazy farany ho an’ireo nifidy ny ho faty satria nanohitra an’Andriamanitra sy ny fahamarinany, na dia efa navotana sy nampahafantarina tsara ny fahamarinana aza, ary afaka nanaraka izany tanteraka. ‘Amena’, hoy isika. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay. Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no mahatoky? Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”—Apok. 15:3, 4.
Sady nahasosotra no nahasadaikatra ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana ny zavatra nampianarin’i C. Russell. Nasaina hanao adihevitra ampahibemaso àry izy, tamin’ny 1903. Anisan’ireo adihevitra nataon’i C. Russell sy ny Dr. E. Eaton ny mahakasika ny maty. Io lehilahy io no mpitondra tenin’ny fikambanan’ny pasitera protestanta tany Pennsylvanie andrefana.
Voaporofon’ny Rahalahy Russell tsara tamin’ireo adihevitra fa “maty ny maty, ary tena maty ireo havan-tiantsika efa maty, fa tsy miaraka amin’ny anjely na amin’ny demonia.” Nanohanany an’izany ny andininy toy ny Mpitoriteny 9:5, 10; Romana 5:12; 6:23; ary Genesisy 2:17. Hoy koa izy: “Ny zavatra lazain’ny Soratra Masina dia mifanaraka tanteraka amin’izay heverin’ny olona misaina rehetra, toa antsika, fa tokony ho toetran’Andriamanitra. Inona no lazaina momba an’ilay Raintsika any an-danitra? Manao ny rariny izy, hendry, be fitiavana, ary mahery. Manaiky izany daholo ny Kristianina. Raha izany no izy, misy antony inoantsika ve fa manao ny rariny izy, nefa hanasazy ny zavaboariny mandrakizay, na inona na inona fahotan’izy ireo? Tsy miaro ny ota aho, ary tsy miaina ao anatin’ny ota, sady tsy mitory momba ny ota. ... Lazaiko aminareo anefa fa nampianarina momba an’io fampijaliana mandrakizay io daholo ny olona rehetra eto, izay lazain’ny rahalahintsika [Dr. Eaton] hoe mandoto ny rivotra amin’ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra sy ny anarana masin’i Jesosy Kristy. Nampianarina izany daholo ny mpamono olona sy mpangalatra ary ny mpanao ratsy rehetra any am-ponja. ... Fampianarana ratsy izany, ary efa ela no nanimba an’izao tontolo izao; tsy anisan’ny fampianaran’ny Tompontsika ireo, ary mbola manakona ny rahalahy malalantsika ny setroky ny vanim-potoan’ny haizina.”
Voalaza fa nisy mpitondra fivavahana iray nilaza tamin’i Russell, taorian’io hoe: “Faly aho mahita anao manondraka ny afobe sy mamono ny afony.”
Te hanambara bebe kokoa ny fahamarinana momba ny maty ny Rahalahy Russell, ka nanao fivoriambe iray andro tamin’ny 1905 ka hatramin’ny 1907, mba hanaovana ilay lahateny hoe “Fiverenana avy any Amin’ny Afobe! Iza no Any? Maro no azo Antenaina Hiverina.” Nanitikitika ny saina ilay lohateny. Feno hipoka ireo efitrano fivoriambe tany amin’ny tanàna maro nanerana an’i Etazonia sy Kanada.
Anisan’ireo tena liana tamin’izay nolazain’ny Baiboly momba ny maty ny mpianatra iray tany amin’ny oniversiten’i Cincinnati, Ohio, izay niofana ho pasitera presbyterianina. Frederick Franz no anaran’ilay mpianatra, ary nomen’ny rahalahiny an’ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? (nosoratan’i John Edgar, Ekosey Mpianatra ny Baiboly sady dokotera) izy, tamin’ny 1913. Hoy izy, rehefa avy namaky azy io tsara: “Ity no fahamarinana.” Novany avy hatrany ny zava-kendreny teo amin’ny fiainana, ka nirotsaka ho mpisava lalana izy. Lasa anisan’ny mpiasan’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana izy, tamin’ny 1920. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, taona maro tatỳ aoriana, ary lasa prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.
Sorom-panavotan’i Jesosy Kristy
Nijery indray izay lazain’ny Soratra Masina momba ny famerenana amin’ny laoniny ny Rahalahy Russell sy ny namany, tamin’ny 1872, ka nandinika momba ny vidim-panavotana nomen’i Jesosy Kristy. (Asa. 3:21) Nientam-po izy nahita izay lazain’ny Hebreo 2:9 hoe ‘maty ho an’ny rehetra [i Jesosy] noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra.’ Tsy nino akory izy hoe hovonjena daholo ny rehetra, satria fantany koa fa milaza ny Soratra Masina hoe tsy maintsy mino an’i Jesosy Kristy ireo te hovonjena. (Asa. 4:12; 16:31) Hitany tsikelikely anefa fa maro ny zavatra nanjary azon’ny olona natao, vokatry ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Ho afaka hahazo izay narian’i Adama izy ireo, dia ny fiainana mandrakizay ao anaty fahalavorariana. Takatry ny Rahalahy Russell fa zava-dehibe ny vidim-panavotana, ka notohanany io fampianarana io, na dia nisy mpiara-miasa akaiky taminy aza nanaiky hosimban’ny filozofia.
Efa herintaona sy tapany, tany antenatenan’ny 1878, ny Rahalahy Russell no nanampy an’i N. Barbour teo amin’ny fanontana ny Mpanambara ny Maraina. Nanao tsinontsinona ny fampianaran’ny Soratra Masina momba ny vidim-panavotana anefa i Barbour tao amin’ny nomeraon’ny Aogositra 1878, ka narovan’i Russell tsara io fahamarinana lehibe io.
Nilaza izao fanoharana izao i Barbour, teo ambanin’ilay lohateny hoe “Fanavotana”: “Nilaza tamin’ny zanako lahy aho na tamin’ny mpiasa iray, hoe rehefa mamono ny anabaviny i Jakoba, dia misambora lalitra, tsindròny amin’ny paingotra ny vatany, ary apetaho eo amin’ny rindrina, dia havelako ny fahadisoan’i Jakoba. Toy izany ny fisoloana.” Nilaza ho nino ny vidim-panavotana i Barbour, nefa niteny hoe “tsy araka ny Soratra Masina, sady manambany ny fiheverantsika ny rariny”, ilay hoe i Kristy no maty noho ny fahotan’ny taranak’i Adama.h
Ny nomerao nanaraka (Septambra 1878) avy hatrany, dia efa nanohitra mafy izay nosoratan’i Barbour i Russell. Nohazavainy izay tena lazain’ny Soratra Masina, ary izany dia mifanentana amin’ny “fahalavorarian’ny [fanaovan’Andriamanitra] ny rariny sy ny famindram-pony ary ny fitiavany lehibe” nasehony tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana. (1 Kor. 15:3; 2 Kor. 5:18, 19; 1 Pet. 2:24; 3:18; 1 Jaona 2:2) Niezaka nanampy an’i Barbour hijery ny Soratra Masina foana i Russell, ary tsy nanohana ny Mpanambara intsony izy, volana vitsivitsy taorian’izay. Tsy voalaza ho mpanoratra mpanampy tao amin’izy io intsony ny anarany, nanomboka ny Jona 1879. Nisy vokany naharitra ny fanohanany tamin-kerim-po an’io fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly io.
Nanohana ny fampianaran’ny Soratra Masina momba ny vidim-panavotana foana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny nomerao voalohan’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (Jolay 1879) dia efa nanamafy fa “miorina ... amin’ny sorona lavorarin’i Kristy ny fahamendrehana eo anatrehan’Andriamanitra.” Nanao fivoriambe tany Cedar Point, Ohio, ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena tamin’ny 1919, ka nisongadina teo amin’ilay fandaharana ny hoe “Tonga Soa Ianareo Rehetra Mino ny Sorom-panavotana Lehibe!” Niresaka momba ny vidim-panavotana foana ny pejy faharoa amin’ny Tilikambo Fiambenana, satria izao no anisan’ny zava-kendreny: “Mampirisika ny olona hino an’i Jesosy Kristy efa manjaka, izay nandatsaka ny rany mba hahazoan’ny olombelona fiainana mandrakizay.”
Mandroso fa tsy voafatotry ny fampianarana
Tsy tonga dia azo indray mandeha ny fahatakarana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Nahita sombim-pahamarinana foana ny Mpianatra ny Baiboly matetika. Vonona hianatra anefa izy ireo. Tsy voafatotry ny fampianarana izy ireo, fa nandroso. Zarainy izay fantany. Tsy milaza ho tompon’ny fampianarany izy ireo, fa te “hampianarin’i Jehovah.” (Jaona 6:45) Takatr’izy ireo fa omen’i Jehovah amin’ny fotoana sy fomba mety ny fahatakarana ny tsipirian’ny fikasany.—Dan. 12:9; ampitahao amin’ny Jaona 16:12, 13.
Mitaky fanovana fomba fijery ny fianarana zava-baovao. Ilaina ny fanetren-tena, mba hanekena fahadisoana sy hanaovana fanitsiana. Tian’i Jehovah io toetra io sy ny vokany, sady manintona an’ireo tia fahamarinana. (Zef. 3:12) Tsy tia an’izany anefa ireo mirehareha amin’ny fampianarana novolavolain’olona, sady tsy niova nandritra ny taonjato maro.
Fomba hiverenan’ny Tompo
Tany antenatenan’ireo taona 1870 ny Rahalahy Russell, sy ireo nazoto niara-nianatra ny Soratra Masina taminy, no nahatakatra fa tsy ho hita maso ny Tompo rehefa hiverina.—Jaona 14:3, 19.
Hoy ny Rahalahy Russell, tatỳ aoriana: “Tena nalahelo izahay noho ny fahadisoan’ny Advantista, izay nanantena hahita indray an’i Kristy mitafy nofo, sy nampianatra fa hodorana daholo izao tontolo izao, ankoatra ny Advantista, amin’ny 1873 na 1874. Nanala baraka anay sy ireo efa niandry sy nitory hatramin’ny ela an’ilay Fanjakana ho avy, ny fotoana nambaran’izy ireo sy ny fahadisoam-panantenany, ary ny heviny tsy matotra loatra mahakasika ny antony sy ny fomba hiverenan’ny Tompo. Izany hevi-diso inoan’ny maro izany, no nahatonga ahy hanoratra ilay trakta hoe ‘Ny Zava-kendren’ny Fiverenan’ny Tompontsika sy ny Fomba Fisehony.’ ” Navoaka tamin’ny 1877 izy io, ka 50 000 no natao pirinty sy nozaraina.
Hoy i C. Russell, tao amin’io trakta io: “Mino izahay fa milaza ny Soratra Masina hoe tsy ho hita maso Izy rehefa tonga, sy aoriana kelin’izay. Avy eo Izy vao hiseho hitsara amin’ny fomba samihafa, mba ‘hahita Azy ny maso rehetra.’ ” Nampiasainy mba hanohanana izany ny Asan’ny Apostoly 1:11 (‘ho avy indray izy, toy iny nahitanareo azy niakatra tany an-danitra iny’, izany hoe tsy hitan’izao tontolo izao), sy ny Jaona 14:19 (“kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao”). Nilaza koa ny Rahalahy Russell hoe “fanatrehana” no dikan’ilay teny grika hoe pa·rou·siʹa, araka ny The Emphatic Diaglott, natao pirinty tamin’ny 1864 miaraka amin’ny dikan-teny anglisy ara-bakiteny isan’andalana. Nodinihiny ny fampiasan’ny Baiboly an’io teny io, ary hoy izy tao amin’ilay trakta: “Ilay teny grika ampiasaina matetika mba hiresahana ny fiaviana fanindroany, na Parousia, adika matetika hoe fahatongavana, dia midika foana hoe fanatrehana, ary efa tonga mihitsy, fa tsy midika mihitsy hoe eny an-dalana, toy ny fampiasana ny teny hoe fahatongavana.”
Niresaka momba ny zava-kendren’ny fanatrehan’i Kristy i Russell, ka nohazavainy tsara hoe tsy zavatra hitranga tampoka eo amin’izao tontolo izao izany. Hoy izy: “Toy ny fiaviana voalohany ihany ilay faharoa, satria mahafaoka fotoana lava, fa tsy zava-mitranga vetivety.” Nolazainy koa fa homena valisoa any an-danitra, amin’ny maha mpiara-mandova ilay Fanjakana amin’i Kristy, ny “ondry vitsy”, ary hiaina mandrakizay ao anaty fahalavorariana, eto an-tany tsara tarehy toa an’i Edena, kosa ny olona an’arivony tapitrisa hafa.—Lioka 12:32.
Taona vitsivitsy monja, dia takatr’i Russell, vokatry ny fianarany lalina kokoa ny Soratra Masina, fa tsy ho hita maso i Kristy rehefa hiverina, ary tsy hita maso foana, na dia rehefa hitsara ny ratsy fanahy aza.
Hitan’i Russell, tamin’ny 1876, tamin’izy nahazo gazety Mpanambara ny Maraina, fa misy antokon’olona mino ny fiverenan’i Kristy hoe tsy hita maso, ary nampifandray izany tamin’ny fitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany. Nanjary nino ny fampianaran’Atoa Barbour, mpanoratra an’io gazety io, i Russell hoe nanomboka tamin’ny 1874 ny fanatrehan’i Kristy.i Niresaka momba izany Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona, satria nampiana hoe “Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy” ny anarany.
Nanjary fototra nahatakarana faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly ny fahafantarana hoe tsy hita maso i Kristy rehefa manatrika. Takatry ny Mpianatra ny Baiboly voalohany fa tokony hahaliana ny Kristianina marina rehetra ny fanatrehan’ny Tompo. (Marka 13:33-37) Tsy fantatr’izy ireo ny tsipiriany rehetra, na dia tena nahaliana azy aza ny fiverenan’ny Tompo, ary fantany tsara fa tokony hanambara izany izy. Tena niavaka anefa ny zavatra takatr’izy ireo tamin’izany, noho ny fanampian’ny fanahy masina. Iray tamin’ireny fahamarinana ireny ny mahakasika ny daty lehibe iray voalazan’ny faminaniana.
Faran’ny Andron’ny Jentilisa
Efa ela no nahaliana ny Mpianatra ny Baiboly ny mahakasika ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara. Maro ny mpivaofy teny nanazava momba ny “andron’ny Jentilisa”, sy ny fitantaran’i Daniela mpaminany mahakasika ny nofin’i Nebokadnezara, momba ilay hazo notapahina sy nofatorana nandritra ny “fetr’andro fito.”—Lioka 21:24 Fandikan-teny Protestanta; Dan. 4:7-14.
Efa tamin’ny 1823 i John Brown (nanao pirinty ny bokiny tany Angletera), no nilaza fa 2 520 taona ireo “fetr’andro fito” resahin’ny Daniela toko fahefatra. Tsy hainy tsara anefa hoe oviana io fotoana io no nanomboka sy hifarana. Nampifandraisiny tamin’ny “fetr’andro fito” anefa ny Andron’ny Jentilisa ao amin’ny Lioka 21:24. Nolazain’i E. Elliott, mpitondra fivavahana anglisy, tamin’ny 1844, fa mety ho amin’ny 1914 no hifarana ny “fetr’andro fito” ao amin’ny Daniela. Nilaza koa anefa izy fa mety ho tamin’ny Revolisiona Frantsay izy io no nifarana. Nihevitra toy izany koa i Robert Seeley, tany Londres, tamin’ny 1849. Tamin’ny 1870 vao namoaka boky i Joseph Seiss sy ny namany tany Philadelphie, ka nilaza fa taona manan-tantara ny 1914, na dia niorina tamin’ny hevitra nolavin’i C. Russell tatỳ aoriana aza ilay fanisan-taona tao amin’izy io.
Nampifandraisin’i Barbour, tao amin’ny Mpanambara ny Maraina Aogositra sy Septambra ary Oktobra 1875, ny tsipiriany noresahin’ny hafa. Nampiasainy ny fanisan-taona nangonin’i Christopher Bowen, mpitondra fivavahana tany Angletera, sy natontan’i E. Elliott. Nolazainy fa nanomboka ny Andron’ny Jentilisa, rehefa nesorina tsy ho mpanjaka i Zedekia, araka ny efa noresahin’ny Ezekiela 21:30, 31, ary hifarana amin’ny 1914 izy io.
Nahazo gazety Mpanambara ny Maraina i C. Russell, tamin’ny fiandohan’ny 1876. Nanoratra ho an’i Barbour avy hatrany izy, ary niaraka taminy tany Philadelphie nandritra ny fahavaratra, mba hiresaka momba ny faminaniana momba ny fotoana, sy zavatra hafa. Tsy ela taorian’izay i Russell dia nanazava koa ny hevitra avy tamin’ny Soratra Masina, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Rahoviana no Hifarana ny Andron’ny Jentilisa?”, ary nomeny ny porofo fa “hifarana amin’ny taona 1914 ny fetr’andro fito.” Navoaka tao amin’ny Mpandinika Baiboly Oktobra 1876 izy io.j Nilaza hevitra toy izany koa ilay boky hoe Tontolo Telo sy ny Fijinjana An’ity Tontolo Ity, navoakan’i N. Barbour sy C. Russell. Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana tatỳ aoriana (toy ny Desambra 1879 sy Jolay 1880), fa manan-danja eo amin’ny faminanian’ny Baiboly ny taona 1914. Niresaka momba ny “Andron’ny Jentilisa” ny toko fahefatra manontolo tamin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona (Fianarana ny Soratra Masina tatỳ aoriana), Boky II, tamin’ny 1889. Inona anefa no hitranga amin’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa?
Tsy nahazo antoka ny amin’izay hitranga ny Mpianatra ny Baiboly. Fantatr’izy ireo fa tsy hodorana amin’izay ny tany, ary tsy horinganina tanteraka ny olona. Fantany kosa fa zava-dehibe izy io, ho an’ny fitondran’Andriamanitra. Noheverin’izy ireo tamin’ny voalohany, fa hifehy an’izao rehetra izao avy hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra amin’io fotoana io. Mbola natoky ny faminaniana ao amin’ny Baiboly foana izy ireo, na dia tsy tanteraka aza izay noeritreretiny. Nihevitra izy ireo hoe vao fanombohan’ilay Fanjakana fotsiny io taona io.
Noheverin’izy ireo koa, tamin’ny voalohany, fa hialoha an’io taona io ny korontana iraisam-pirenena (izay noheveriny ho mifandray amin’ilay “andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony”). (Apok. 16:14) Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana, folo taona talohan’ny 1914 anefa, fa mety ho tonga aorian’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa avy hatrany ilay korontana eran-tany, izay hitarika ny fandravana ny rafitr’ity tontolo ity. Nino izy ireo fa hisy zava-misongadina ho an’i Jerosalema, amin’ny 1914, satria nilaza ilay faminaniana hoe ‘hohitsahina i Jerosalema’, mandra-pahatapitry ny Andron’ny Jentilisa. Nihakaiky ny 1914, nefa mbola tsy maty izy ireo, ary mbola tsy ‘nentina tanaty rahona’ hitsena ny Tompo, araka ny nantenainy. Nantenainy àry fa hitranga aorian’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa ilay fiovana.—1 Tes. 4:17.
Nino mafy an’ireo faminaniana foana izy ireo, rehefa nodinihiny sy naveriny nodinihina ny Soratra Masina. Tsy nisalasala koa izy ireo nanambara ny fanantenany. Marina ny zavatra sasany nantenainy, nefa niezaka izy mba tsy ho hentitra loatra momba ny tsipiriany tsy lazain’ny Soratra Masina mivantana.
Naneno aloha loatra ve ilay “fanairana”?
Nikorontana tokoa izao tontolo izao tamin’ny 1914, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe I (nantsoina fotsiny hoe Ady Lehibe nandritra ny taona maro), nefa tsy noravana taorian’izay ny fanjakan’olombelona. Noheverin’ny Mpianatra ny Baiboly fa fiovana lehibe ho an’i Israely ireo zava-nitranga tany Palestina, taorian’ny 1914. Mbola tsy nahazo ny valisoany tany an-danitra ihany anefa izy ireo, rehefa nandeha ny volana sy ny taona. Ahoana no niheverany izany?
Niresaka manokana momba ny 1 Oktobra 1914 Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Febroary 1916, hoe: “Io no fotoana farany tondroin’ny Baiboly amintsika ho daty manan-tantara, mifandray amin’ny fiainan’ny Fiangonana. Niteny tamintsika ve ny Tompo hoe ho any [an-danitra] isika amin’io? Tsia. Ahoana hoy Izy? Toa milaza tsy misy diso ny Teniny sy ny fahatanterahan’ny faminaniana, fa io taona io no faran’ny Andron’ny Jentilisa. Notsoahintsika avy tamin’io fa hiseho mandritra io taona io, na alohany, ny ‘fiovan’ny’ Fiangonana. Tsy niteny tamintsika anefa Andriamanitra hoe izay no izy. Navelany hanatsoaka an’io hevitra io isika, ary inoantsika fa nilaina ny nitsapa ny olo-masin’Andriamanitra rehetra.” Midika ve anefa izany fa very maina ny fanantenan’izy ireo? Tsia. Nidika fotsiny izany fa tsy ny zava-drehetra no nitranga aloha araka ny nantenainy.
Hoy i Russell, taona vitsivitsy talohan’ny 1914: “Tsy natao hampianarana ny vahoakan’Andriamanitra momba ny daty rehetra hatramin’izay ny fandaharan-taona (faminaniana momba ny fotoana amin’ny ankapobeny). Toa natao fotsiny kosa izy io mba hanairana sy hamohazana ary hanomezana hery ny vahoakan’ny Tompo, amin’ny fotoana mety. ... Aoka anefa hataontsika hoe tsy rava akory ny fanjakan’ny Jentilisa, nefa dify ny Oktobra 1914. Manaporofo inona izany? Tsy manaporofo mihitsy izany hoe tsy marina ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Mbola antoky ny fahatanterahan’ny Fandaharan’Andriamanitra hamerina ny olombelona foana, ny vidim-panavotana natao tany Kalvary. Tsy miova ilay ‘fiantsoana any ambony’ ho an’ny Fiangonana, mba hiara-mijaly amin’ilay Mpanavotra sy homem-boninahitra miaraka aminy, amin’ny maha Vadiny. ... Ny fahatanterahan’ireo fampanantenana be voninahitra ireo ho an’ny Fiangonana sy izao tontolo izao ihany no voakasiky ny fanisan-taona. ... Raha dify io daty io, dia midika fotsiny izany hoe somary lasa aloha loatra ilay fanisan-taonantsika, na ilay ‘fanairantsika.’ Heverintsika ho loza lehibe ve raha nanaitra antsika aloha kokoa ny fanairana, amin’ny andro iray ho feno fifaliana sy fahafinaretana? Tsy izany mihitsy!”
Tsy naneno aloha loatra anefa ilay ‘fanairana.’ Ny anton’ilay fanairana fotsiny no tsy nampoizin’izy ireo.
Niaiky toy izao izy ireo, rehefa nitombo ny fahatakarany, taona maro tatỳ aoriana: “Maro ireo olo-masina malala no nihevitra fa vita ny asa. ... Faly izy ireo, noho ny porofo mazava hoe nifarana ity tontolo ity, efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra, ary nihakaiky ny andro fanavotana azy. Tsy noheverin’izy ireo anefa ilay zavatra tsy maintsy atao. Tsy maintsy ambarany ilay vaovao tsara noraisiny, satria hoy i Jesosy: ‘Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.’ (Matio 24:14)”—Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Mey 1925.
Nampitahain’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izay nolazain’ny Tompo ny zava-nitranga taorian’ny 1914. Nanjary takany tsikelikely àry fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo tranainy ity izy ireo, nanomboka tamin’ny 1914, ary manatrika amin’ny fomba tsy hita maso i Kristy, nanomboka tamin’io. Tsy niverina ara-bakiteny (na tsy hita maso aza) manodidina ny tany nefa izy, fa Mpanjaka mampifantoka ny sainy amin’ny tany kosa. Hitan’izy ireo sady nekeny ny andraikiny hitory “ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, mandritra izao fotoan-dehibe ho an’ny olombelona izao.—Matio 24:3-14.
Inona marina ilay hafatra momba ilay Fanjakana torin’izy ireo? Hafa noho ny hafatra tamin’ny taonjato voalohany ve izy io?
Ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenan’ny olombelona
Nianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo Mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Rahalahy Russell, ka nahatakatra hoe ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondrana nampanantenainy haorina amin’ny alalan’ny Zanany, mba hahasoa ny olombelona. Misy “ondry vitsy”, nofidin’Andriamanitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Takatr’izy ireo fa lehilahy nahatoky fahiny no ho andriana hitondra maneran-tany, sy ho solontenan’io fanjakana io. Nantsoin’izy ireo hoe “olo-mendrika fahiny” izy ireny.—Lioka 12:32; Dan. 7:27; Apok. 20:6; Sal. 45:16.
Efa ela ny Kristianisma Anarana no nilaza fa ‘avy amin’Andriamanitra ny fahefan’ny mpanjaka’, mba hahatonga ny olona hanaiky ny mpitondra. Hitan’ny Mpianatra ny Baiboly kosa fa tsy mampanantena hiaro ny fitondran’olombelona Andriamanitra, raha ny Soratra Masina no jerena. Nilaza toy izao àry Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Desambra 1881: “Ho rava ny fanjakana rehetra eto an-tany, raha vao miorina io fanjakana io. Miorina amin’ny tsy rariny sy zo tsy mitovy ary fampijaliana ataon’ny vitsy an’isa mantsy izy rehetra (na ny tsara indrindra aminy aza), araka ny vakintsika hoe: ‘Ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.’ ”—Dan. 2:44.
Maro ny zavatra tsy maintsy nianaran’ny Mpianatra ny Baiboly, mahakasika ny fomba handringanana an’ireo fanjakana mampijaly ireo. Mbola tsy takany tsara ny fomba hahazoan’ny olona soa avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nilaza anefa izy hoe fihetseham-po ao anaty ao ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny ambaratongam-pahefana ara-pivavahana, izay mampiasa ny Fitondrana.
Tsy natsangana ho eto an-tany tamin’ny 1914, mba ho solontenan’ilay Mesia Mpanjaka, ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky talohan’ny Kristianina, sady tsy lasa tany an-danitra mba hiaraka tamin’i Kristy ny “ondry vitsy” sisa. Nilaza anefa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Febroary 1915 fa ny taona 1914 no fotoana “handraisan’ny Tompontsika ny fahefany sy hanjakany”, ka hamarana ireo an’arivony taona nanjakan’ny Jentilisa. Nohamafisin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1920 izany, ary nampifandraisiny tamin’ilay vaovao tsara nolazain’i Jesosy hoe hotorina alohan’ny farany. (Matio 24:14) Nolazaina tao amin’ny fanapahan-kevitra holanina izany, tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1922, ary nampirisika ny mpanatrika ny Rahalahy Rutherford hoe: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.”
Noheverin’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany anefa fa tsy hiorina amin’ny fomba feno any an-danitra ilay Fanjakana, raha tsy nomem-boninahitra ny farany amin’ny vadin’i Kristy. Tena zava-dehibe àry ny voalazan’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1925, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fahaterahan’ilay Firenena.” Nanaitra ny fanazavany ny Apokalypsy toko 12. Nomen’io lahatsoratra io ny porofo fa niorina tamin’ny 1914 ilay Fanjakana, efa manjaka any an-danitra i Kristy, ary natsipy avy tany an-danitra mba ho etỳ amin’ny manodidina ny tany i Satana. Tsy maintsy torina ilay vaovao tsara hoe efa miasa ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandrisika ny mpitory ilay Fanjakana mba hitory hatrany amin’ny faran’ny tany tokoa io fahatakarana vaovao io!
Nampiasa ny fomba rehetra ny vahoakan’i Jehovah mba hitoriana hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka hitondra fanamaivanana maharitra sy hamaha ireo olana saro-bahana mianjady amin’ny olombelona. Nanambara izany hafatra izany i J. Rutherford, tamin’ny 1931, rehefa nalefa tamin’ny radio maro indrindra tamin’izany ny lahateniny. Navoaka tamin’ny fiteny maro koa ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao, nirakitra an’io lahateny io, ka an-tapitrisany no nozaraina tao anatin’ny volana vitsivitsy. Nozaraina tamin’olona maro be izy io, sady niezahana manokana ny hanome azy io ho an’ny mpanao politika sy mpandraharaha nahay ary mpitondra fivavahana.
Izao no anisan’ny voalaza tao: “Tsy afaka mampanantena na inona na inona ho an’ny olona ny fanjakana tsy marina ankehitriny. Tsy maintsy horinganina izy ireny, araka ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Ny fanantenan’izao tontolo izao, sady hany fanantenany, àry dia ny fanjakana marin’Andriamanitra, izay i Kristy Jesosy no Mpanjakany tsy hita maso.” Takatr’izy ireo fa hitondra fiadanana sy filaminana ho an’ny olona io Fanjakana io. Ho tena paradisa ny tany eo ambanin’izy io, ary tsy hisy aretina sy fahafatesana intsony.—Apok. 21:4, 5.
Mbola finoana fototra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanjary nantsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah ilay gazety lehibe indrindra avoakan’izy ireo, nanomboka tamin’ny 1 Martsa 1939 (avoaka amin’ny fiteny 110 mahery ankehitriny).
Tsy maintsy ravana anefa ity tontolo ity, alohan’ny hanovan’ilay Fanjakana ny tany ho paradisa. Ahoana no hanatanterahana izany?
Ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, Hery Fara Tampony
Nanozongozona ny fototr’izao tontolo izao ilay ady tamin’ny 1914. Toa hiseho ireo zavatra nantenain’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny voalohany.
Nanoratra toy izao ny Rahalahy Russell, tamin’ny Aogositra 1880: “Takatray fa horavana aloha ny fanjakana mangeja sy mampahory ny olona eto an-tany, izay vao haverina amin’ny laoniny ny fianakavian’olombelona, hahazo fitahiana, ka ny fanjakan’Andriamanitra no hifehy ny tany sy hitondra ny fitahiana sy famerenana amin’ny laoniny.” Ahoana no hitrangan’izany ‘fandravana ny fanjakana’ izany? Nijery ny zava-nitranga eran-tany i Russell, ka nino hoe ireo ankolafin-kery miady no mety hampiasain’Andriamanitra handrava ny rafitra efa misy, mandritra ny Hara-magedona. Hoy izy: “Manomboka ilay fandravana ny fanjakan’olombelona. Efa miasa izao ilay hery handrava azy. Efa manambatra ny heriny izao ny vahoaka, ka misy Kominista, Sosialista, Nihilista, sns.”
Nanazava ny fomba nahatakaran’ny Mpianatra ny Baiboly an’ilay raharaha ny boky Ilay Andro Famaliana (nantsoina hoe Ny Ady Hara-magedona tatỳ aoriana). Hoy izy io: “Hifehy tanteraka an’ireo tafiky ny olona tsy faly (tia tanindrazana, mpitondra fanavaozana, sosialista, mpananatranatra, mpanakorontana, bado sy tsy misy fanantenana) ireo ny Tompo, araka ny fitondrany, ka hampiasa ny fanantenany, tahony, hadalany sy fitiavan-tenany, araka ny fahendren’Andriamanitra, mba hanatanterahany ny fikasany lehibe handrava ny rafitra ankehitriny, sy hanomana ny olona ho amin’ilay Fanjakam-pahamarinana.” Nampifandraisin’izy ireo tamin’ny tolona misy herisetra mba hanovana ny rafitra àry ny Hara-magedona.
Ady ifanaovan’ny ankolafin-kery samihafa ve ny Hara-magedona, ary tolona hanovana ny rafitra, izay hampiasain’Andriamanitra mba handravana ny rafitra misy? Niresaka momba ny Zakaria 14:1-3 Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jolay 1925, rehefa nodinihina lalina kokoa ny Soratra Masina. Hoy izy io: “Takatsika avy amin’io fa hotarihin’i Satana ny firenena rehetra eto an-tany, ka hiangona hiady amin’i Jerosalema, dia ireo miandany amin’ny Tompo ... Apokalypsy 16:14, 16.”
Nilaza toy izao momba ny tena zava-kendren’io ady io ny boky Fanafahana (anglisy), herintaona taorian’izay: “Milaza ny Tenin’i Jehovah, fa hampiseho ny heriny izy izao, ary ho hitan’ny olona mazava tsara izany, ka ho resy lahatra izy hoe tsy mety ny fomba fiainany, ary ho takany fa i Jehovah no Andriamanitra. Izany no nanaovan’Andriamanitra ny safodrano lehibe, nanjerany ny Tilikambon’i Babela, namotehany ny tafik’i Sankeriba mpanjaka asyrianina, nitelemany ny Ejipsianina, ary mbola hitondrany loza lehibe ho an’izao tontolo izao. Aloky ny zavatra efa ho tonga fotsiny ireo loza taloha. Ho amin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony ilay fanangonana. Io ilay andro ‘sady lehibe no mahatsiravina’ (Joela 3:4), izay hampitomboan’Andriamanitra ny lazany. Ho hitan’ny olona sy ny firenena ary ny foko sy ny fiteny rehetra amin’io ady lehibe sy farany io, fa Andriamanitra mahery sy hendry ary manao ny rariny indrindra i Jehovah.” Nampitandremana toy izao anefa ny mpanompon’i Jehovah: “Tsy hisy Kristianina hamely amin’io ady lehibe io, satria hoy i Jehovah: ‘Tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra.’ ” Tsy ilay adin’ireo firenena tamin’ny 1914 mihitsy io ady io, fa mbola ho avy.
Nisy fanontaniana tsy maintsy novaliana tamin’ny alalan’ny Soratra Masina anefa. Anisan’ireny ny hoe iza ilay Jerosalema hohitsahina, mandra-pahatapitry ny Andron’ny Jentilisa, araka ny Lioka 21:24, ary iza ilay Israely resahin’ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny?
Haverin’Andriamanitra any Palestina ve ny Jiosy?
Fantatry ny Mpianatra ny Baiboly tsara ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny, nolazain’ny mpaminanin’Andriamanitra tamin’ny Israely fahiny. (Jer. 30:18; 31:8-10; Amosa 9:14, 15; Rom. 11:25, 26) Noheverin’izy ireo hatramin’ny 1932 fa nihatra tamin’ny Jiosy ara-bakiteny izany. Ninoany àry fa hankasitraka an’i Israely indray Andriamanitra, ka hamerina tsikelikely ny Jiosy ho any Palestina, hampahafantatra amin’izy ireo ny fahamarinana momba an’i Jesosy, ilay Mpanavotra sy Mesia Mpanjaka, ary hampiasa azy ireo mba hitahiana ny firenena rehetra. Nanao an’ilay lahateny hoe “Fanohanana ny Jiosy, Araka ny Faminaniana”, tamin’ny Jiosy maro be teto New York sy tany Eoropa ny Rahalahy Russell, ary nanoratra an’ilay boky hoe Fampiononana ho An’ny Jiosy (anglisy) kosa ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny 1925.
Hita tsikelikely anefa fa tsy nanatanteraka ny faminanian’i Jehovah momba ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-nitranga tany Palestina, mahakasika ny Jiosy. Rava i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany, satria nolavin’ny Jiosy ilay Mesia Zanak’Andriamanitra, nirahina tamin’ny anaran’i Jehovah. (Dan. 9:25-27; Matio 23:38, 39) Nibaribary tsikelikely fa tsy nanova ny toetrany ilay vahoaka. Tsy nibebaka noho ny fahotan’ny razambeny izy ireo. Niverina tany Palestina ny sasany, nefa tsy noho izy tia an’Andriamanitra na te hanandratra ny anarany, ho fahatanterahan’ny Teniny. Nohazavaina tsara izany tao amin’ilay boky faharoa amin’ny Fanamarinana, natontan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1932.k Nohamafisina tamin’ny 1949 fa marina izany hevitra izany. Vao niforona ny Fanjakan’i Israely, izay natao ho firenena sy tanindrazan’ny Jiosy, tamin’izay, ary lasa anisan’ny Firenena Mikambana. Ny firenen’izao tontolo izao àry no nitokisany fa tsy i Jehovah.
Hafa mihitsy ny fahatanterahan’ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny. Nanomboka takatry ny mpanompon’i Jehovah fa ny Israely ara-panahy, na “Israelin’Andriamanitra” (Kristianina voahosotry ny fanahy), no mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka ny fikasan’Andriamanitra. (Gal. 6:16) Takatr’izy ireo tsara, avy amin’ny fomba itondran’Andriamanitra ny Kristianina marina, ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny. Nanjary takatr’izy ireo koa fa tsy tanàna eto an-tany ilay Jerosalema nasandratra taorian’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa, sady tsy vahoaka misolo tena an’io tanàna io, fa “Jerosalema any an-danitra” kosa, rehefa nomen’i Jehovah fahefana hanjaka i Jesosy Kristy Zanany, tamin’ny 1914.—Heb. 12:22.
Nazava ireo raharaha ireo, ka tsara toerana kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hanavakavaka, eo am-pitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana “amin’ny firenena rehetra.”—Matio 24:14.
Iza no omem-boninahitra vokatr’ireny fanazavana ny Baiboly navoaka tao amin’ny bokin’ny Fikambanana ireny?
Fomba ampianarana ny mpanompon’i Jehovah
Nilaza i Jesosy Kristy fa handefa ny fanahy masina ho an’ny mpianany izy, rehefa tafaverina any an-danitra. Hanampy sy hitarika azy ireo “ho amin’ny fahamarinana rehetra” izy io. (Jaona 14:26; 16:7, 13) Nilaza koa i Jesosy Tompon’ny Kristianina marina, fa misy ny “mpanompo mahatoky sy malina” manome sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety” ho an’ny mpiasa ao an-tranony, na ireo mpiray finoana. (Matio 24:45-47; Lioka 12:42) Iza io mpanompo io?
Niresaka momba ny Matio 24:45-47 ny nomerao voalohany tamin’ny Tilikambo Fiambenana, rehefa nilaza fa zava-kendren’ny mpampanonta azy ny hijery ny zava-mitranga mifandray amin’ny fanatrehan’i Kristy, sy hanome ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety’, ho an’ny mpiray finoana. Tsy nilaza ho ilay mpanompo mahatoky sy malina anefa ilay mpanoratra an’ilay gazety.
Nilaza toy izao àry i C. Russell tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Oktobra-Novambra 1881: “Inoanay fa mandray anjara (mivantana na tsia) amin’ilay fizarana sakafo amin’ny fotoana mety ho an’ny mpiray finoana, ireo anisan’ny vatan’i Kristy rehetra. ‘Iza tokoa moa no mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa ao an-tranony’, ka hanome azy ireo sakafo amin’ny fotoana mety? Moa ve izy io tsy ny ‘ondry vitsy’, mpanompo nanolo-tena manatontosa amim-pahatokiana ny fanoloran-tenany, dia ny tenan’i Kristy? Moa ve izy io tsy ilay tenany manontolo, na isam-batan’olona na mitambatra, manome ilay sakafo amin’ny fotoana mety ho an’ny ao an-tranony, dia ireo mpino maro be? Sambatra io mpanompo io (tenan’i Kristy manontolo), rehefa ho hitan’ny Tompony manao izany, amin’ny fahatongavany (gr.: elthon). ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.’ ”
Nanambara ampahibemaso anefa ny vadin’ny Rahalahy Russell, folo taona mahery taorian’izay, fa i Russell mihitsy io mpanompo mahatoky sy malina io.l Neken’ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly izany heviny izany, nandritra ny 30 taona teo ho eo. Tsy nolavin’ny Rahalahy Russell ilay hevitra, saingy tsy nilaza izany izy rehefa nanazava ilay andinin-teny, fa nohamafisiny kosa hoe toheriny ilay fanavahana ny mpitondra fivavahana, nirahina hampianatra ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny mpivavaka tsotra. Nilaza ny Rahalahy Russell tamin’ny 1881 fa olona maromaro ilay mpanompo mahatoky sy malina, izany hoe ireo anisan’ny tenan’i Kristy voahosotra eto an-tany. Nohamafisina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Febroary 1927 izany.—Ampitahao amin’ny Isaia 43:10.
Ahoana no fiheveran’ny Rahalahy Russell ny asany? Nilaza ho nahazo fanambarana manokana avy tamin’Andriamanitra ve izy? Namaly tamim-panetren-tena toy izao izy, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jolay 1906, pejy 229: “Tsia, ry namana malala, tsy milaza ho ambony na nahazo hery manokana aho, na manana voninahitra sy fahefana. Tsy maniry hanandra-tena eo anatrehan’ireo rahalahiko mpiray finoana amiko koa aho, raha tsy hoe angaha araka ilay tenin’ny Tompo hoe: ‘Na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.’ (Matio 20:27.) ... Tsy tamin’ny fahitana, na nofy, na feon’Andriamanitra no nahazoako ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra resahiko, sady tsy azo indray mandeha izany, fa tsikelikely ... Tsy fahaizana na hakingan-tsain’olombelona koa no nahazoana azy ireo, fa tonga fotsiny ny fotoana ampihariharian’Andriamanitra izany. Raha tsy niteny aho, ary tsy nisy olon-kafa azo nampiasaina, dia ny vato no hiantsoantso.”
Nasaina niantehitra tamin’i Jehovah, Mpampianatra Lehibe, foana ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana, sahala amin’ny ampirisihana ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. (Isaia 30:20) Nantitranterina izany, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Novambra 1931, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ampianarin’Andriamanitra.” Hoy izy io: “Eken’ny Tilikambo Fiambenana fa avy amin’i Jehovah, fa tsy ny zavaboariny, ny fahamarinana. Tsy fitaovana ampiasain’olona Ny Tilikambo Fiambenana, sady tsy sitrapon’olona fotsiny no amoahana azy. ... I Jehovah Andriamanitra no Mpampianatra lehibe ny zanany. Marina fa olombelona tsy lavorary no namoaka ireny fahamarinana ireny, ary tsy lavorary koa ny zavatra navoakany. Navoaka anefa izy ireny mba haneho taratry ny fahamarinana ampianarin’Andriamanitra ny zanany.”
Napetraka tamin’ny filan-kevi-pitantanana, nisy anti-panahy maromaro, ny fanontaniana momba ny foto-pampianarana na fomba fiasa, tamin’ny taonjato voalohany. Nodinihin’izy ireo aloha ny Soratra Masina sy ny asa nifanaraka tamin’izy io, ary ny vokatra tsara nateraky ny asan’ny fanahy masina, izay vao nanapa-kevitra izy ireo. Nalefa an-taratasy tany amin’ireo fiangonana ny fanapahan-kevitra. (Asa. 15:1–16:5) Manao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.
Misy toromarika omena amin’ny alalan’ny lahatsoratra amin’ireo gazety, boky, fivoriambe, drafitry ny lahateny ho an’ny fiangonana, ary ireo rehetra ireo dia omanina eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny mpanompo mahatoky sy malina. Hita amin’ireny toromarika ireny fa marina ny zavatra efa nolazain’i Jesosy: Tena manana mpanompo mahatoky sy malina izy, ary mampianatra tsara ‘ny zavatra rehetra nandidiany’ izy ireo; ‘miambina’ io mpanompo io, ka mijery ny zava-miseho manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly, indrindra fa momba ny fanatrehan’i Kristy; manampy ny olona matahotra an’Andriamanitra ilay mpanompo, mba hahatakarany ny dikan’ny hoe ‘mitandrina’ ny zavatra nandidian’i Jesosy, ka mampiseho fa tena mpianany.—Matio 24:42; 28:20; Jaona 8:31, 32.
Nesorina tsikelikely ireo fomba mety hisarika ny saina ho amin’olona, mahakasika ny fanomanana sakafo ara-panahy. Saika niseho tamin’ny Tilikambo Fiambenana rehetra hoe mpanoratra tao i C. Russell, mandra-pahafatiny. Matetika no naseho tany amin’ny faran’ny lahatsoratra koa ny anarana na fanafohezana ny anaran’ireo nanomana an’ilay izy. Nanao lisitra anaran’olona anisan’ny komitin’ny mpanoratra kosa Ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka ny 1 Desambra 1916, fa tsy olona iray intsony no nolazaina hoe mpanoratra azy. Nesorina mihitsy aza io lisitra io tamin’ny 15 Oktobra 1931, ka nasolo azy teo ny Isaia 54:13, manao hoe: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” Fitsipika ankapobe narahina nanomboka tamin’ny 1942 ny hoe tsy tononina ao amin’ny boky vokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny anaran’ny mpanoratra azy io.a Miasa eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Kristianina nanolo-tena any Amerika Avaratra sy Atsimo, Eoropa, Afrika sy Azia, ary any amin’ireo nosy maro, ka mandray anjara amin’ny fanomanana ireo lahatsoratra hampiasain’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Ho an’i Jehovah Andriamanitra anefa ny voninahitra.
Mihamamiratra hatrany ny hazavana
Hita tamin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, fa marina ny voalazan’ny Ohabolana 4:18 hoe: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” Mamiratra tsikelikely ny hazavana vao maraina, isehoan’ny masoandro hanazava tsara an’ilay andro vaovao. Nampiasa ny hazavana nananany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy feno na tsy marina indraindray ny zavatra ninoany. Niezaka mafy izy ireo, nefa tsy azony mihitsy ny faminaniana sasany, raha tsy efa nanomboka tanteraka. Nanetry tena sy nanaiky hanao fanovana ny mpanompon’i Jehovah, rehefa nanazava kokoa ny Teniny izy.
Tsy tamin’ny fiandohan’ny tantaran’izy ireo ankehitriny ihany izany fahatakarana tsikelikely izany, fa mbola mitohy hatramin’izao. Nahitsy tamin’ny 1962, ohatra, ny fahatakarana momba ny “manam-pahefana”, resahin’ny Romanina 13:1-7.
Nampianarin’ny Mpianatra ny Baiboly nandritra ny taona maro fa i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ireo “manam-pahefana” ireo. Nahoana? Nanonona lalàn’olombelona isan-karazany Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 sy 15 Jona 1929, ka nilaza fa raran’ny tany sasany ny zavatra tsy raran’ny tany hafa. Noresahina koa ireo lalàna mandidy ny hanaovana izay raran’Andriamanitra, na mandrara izay asain’Andriamanitra ataon’ny mpanompony. Tena te hankatò ny fahefan’Andriamanitra ireo Mpianatra ny Baiboly, ka noheveriny hoe i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy mihitsy ireo “manam-pahefana.” Nankatò lalàn’olombelona izy ireo, nefa nohamafisiny fa Andriamanitra aloha no tokony hankatoavina. Fianarana lehibe izany, ary nanatanjaka azy ireo nandritra ireo taona nisian’ny korontana taorian’izany. Tsy takany tamin’ny fomba feno anefa ny Romanina 13:1-7.
Nianarana tsara indray ny Soratra Masina, taona maro tatỳ aoriana, ka nojerena ny teny manodidina sy ny dikan’ilay izy, ampitahaina amin’ny Baiboly manontolo. Nekena tamin’ny 1962 àry fa ireo mpitondra olombelona no “manam-pahefana.” Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao kosa no nanampy mba hahatakarana hoe voafetra ilay fanekena.b Tsy nanova loatra ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah teo anatrehan’ny mpitondra fanjakana izany, fa nanova ny fahatakarany an’io ampahany lehibe amin’ny Soratra Masina io kosa. Nanjary afaka nandinika tsara ny Vavolombelona tsirairay raha tena miaina mifanaraka amin’ny andraikiny amin’Andriamanitra sy ny mpitondra fanjakana izy na tsia. Niaro ny Vavolombelon’i Jehovah io fahatakarana vaovao io, indrindra tany amin’ny tany nanindrahindra fitiavan-tanindrazana sy nitaky fahafahana bebe kokoa, izay nisian’ny herisetra rehefa nitsangana ny fitondrana vaovao.
Nitarina koa ny fampiharana an’ilay antsoina hoe “Babylona Lehibe”, tamin’ny 1963.c (Apok. 17:5) Nanan-kery eran-tany i Babylona fahiny, fa tsy teo anivon’ny Kristianisma Anarana ihany, rehefa nojerena ny tantara ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana. Hita àry fa ny fivavahan-diso rehetra no antsoina hoe Babylona Lehibe. Niezaka àry ny Vavolombelona mba hanampy olona maro kokoa avy amin’ny fiaviana samihafa, hanaiky ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe: “Mivoaha ao aminy, ry oloko.”—Apok. 18:4.
Nahatakarana fahamarinana betsaka tokoa ny fahatanterahan’izay voalazan’ny Apokalypsy. Navoaka tamin’ny 1917 ilay boky manazava ny Apokalypsy hoe Ilay Mistery Fantatra. Vao nanomboka anefa tamin’izay ilay “andron’ny Tompo” resahin’ny Apokalypsy 1:10, ka mbola tsy niseho na tsy azo tanteraka ny ankamaroan’ireo faminaniana. Nihanazava tsikelikely anefa izay voalazany, rehefa nojerena ireo zava-nitranga nandritra ireo taona taorian’izay. Nisy akony lalina teo amin’ilay fanazavana ny Apokalypsy izany, ary navoaka tao amin’ireo boky roa nitondra ny lohateny hoe Fahazavana (anglisy), tamin’ny 1930, ireo fanazavana. Nisy fanazavana vaovao koa tamin’ireo taona 1960, tao amin’ilay boky hoe “Nianjera i Babylona Lehibe!” Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra! (frantsay), sy ny “Fantatra Izao ny Zava-miafin’Andriamanitra” (frantsay). Nianarana lalina indray io boky ao amin’ny Baiboly io, 20 taona taorian’izay. Nodinihina tsara ireo fanoharana ao amin’ny boky hafa, mitovy amin’izay ampiasaina ao amin’ny Apokalypsy. (1 Kor. 2:10-13) Nojerena indray ny fahatanterahan’ireo faminaniana tamin’ny taonjato faha-20, ary navoaka tao amin’ilay boky hoe Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! ny vokatr’izany, tamin’ny 1988.
Niorina ny fototry ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireo taona voalohandohany nisiany ankehitriny. Maro ny sakafo ara-panahy sarobidy nomena. Maro ireo boky fianarana Baiboly navoaka tamin’ireo taona faramparany, ho an’ireo Kristianina matotra sy ireo vaovao avy amin’ny fiaviana samihafa. Matetika no azo nohazavaina tsara kokoa ireo fampianaran’ny Baiboly, satria notohizina ny fianarana azy io, ary hita ny fahatanterahan’ireo faminaniana. Manana sakafo ara-panahy tondraka ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mitohy ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra, ary izany indrindra no lazain’izy io momba ny mpanompon’Andriamanitra. (Isaia 65:13, 14) Tsy ny hahazoana ny faneken’izao tontolo izao, na hanarahana ny fitondran-tenany miharatsy mihitsy, no antony nanovana ireo fomba fijery. Natao kosa izany, araka ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanarahana akaiky kokoa ny Baiboly, sy hitoviana kokoa amin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary mba heken’Andriamanitra kokoa.
Mifanaraka amin’izay nolazain’ny apostoly Paoly àry ny zavatra niainan’izy ireo. Hoy izy tamin’ny Kristianina namany: ‘Tsy nitsahatra nivavaka sy nangataka ho anareo izahay, mba hofenoina fahalalana marina tsara ny sitrapony ianareo ka hanana ny fahendrena rehetra ary hahatakatra izay tiana hambara, noho ny fanampian’ny fanahy. Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah ianareo mba hankasitrahany tanteraka anareo, raha mbola mahavokatra hatrany koa ianareo eo amin’ny asa tsara rehetra, ary raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny fahalalanareo tsara an’Andriamanitra.’—Kol. 1:9, 10.
Nifandray tamin’ny anaran’izy ireo hoe Vavolombelon’i Jehovah koa izany fitomboan’ny fahalalana marina tsara an’Andriamanitra izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy 15 Jolay 1906, p. 229-231.
b Jereo Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, Boky 1, pejy 1106.
c Ohatra: 1) Nahery ny fanoherana ny Andriamanitra telo izay iray tany Eoropa, tamin’ny taonjato faha-16. Nahafantatra, ohatra, i Ferenc Dávid (1510-1579), avy any Hongria, fa tsy miorina amin’ny Soratra Masina io fampianarana io. Maty tany am-ponja izy, noho ny finoany. 2) Nanda ny Andriamanitra telo izay iray koa ny Rahalahy Poloney, fivavahana niroborobo tany Polonina nandritra ny zato taona (taonjato faha-16 sy 17). Nizara ny bokiny nanerana an’i Eoropa izy ireo, nefa nataon’ny Zezoita izay handroahana azy tany Polonina. 3) Nanda an’io fampianarana io koa Atoa Isaac Newton (1642-1727) tany Angletera, ary nanoratra tsipiriana tantara sy antony ara-baiboly momba izany. Tsy nataony pirinty tamin’ny androny anefa izany, satria natahotra izay ho vokany izy. 4) Anisan’ireo nilaza koa i Henry Grew, tatỳ Amerika, fa tsy araka ny Soratra Masina izy io. Noresahiny betsaka izany tamin’ny 1824, tao amin’ilay bokiny hoe Fandinihana ny Porofo Nomen’Andriamanitra Momba ny Toetran’ny Zanany (anglisy).
d Jereo koa ny Fianarana ny Soratra Masina, Andiany Faha-5, pejy 41-82.
e Imbetsaka ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana no nanao pirinty famakafakana sy tantara ary porofo avy amin’ny Soratra Masina momba azy io. Jereo ny Iza moa “ny Teny”? Araka An’i Jaona (anglisy, 1962), “Zavatra Izay Tsy Hain’Andriamanitra Andaingana” (1965), Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina (1985), ary Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? (1989).
f Fantatry ny manam-pahaizana jiosy sy ny Kristianisma Anarana tsara izay voalazan’ny Soratra Masina momba ny fanahy, nefa tsy ampianariny any amin’ny toeram-pivavahany. Jereo ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967), Boky Faha-13, pejy 449-450; Diksionera Ara-baiboly Eerdman (anglisy, 1987), pejy 964-965; Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny (anglisy), nataon’i G. Buttrick (1962), Boky 1, pejy 802; Rakipahalalana Jiosy (anglisy, 1910), Boky Faha-6, pejy 564.
g Niresaka tsipiriany betsaka momba azy io ilay bokikely navoaka tamin’ny 1955 hoe Inona no Lazain’ny Soratra Masina Momba ny “Fahavelomana Aorian’ny Fahafatesana”? (anglisy). Nasongadiny fa i Satana mihitsy no nampirisika an’i Eva mba hino hoe tsy ho faty ny vatany na dia dikainy aza ny didin’Andriamanitra hoe tsy azo nihinanana ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” (Gen. 2:16, 17; 3:4) Hita fa diso izany tatỳ aoriana, nefa mbola nisy zavatra hafa nitranga vokatr’io lainga voalohany io. Nanjary nino ny olona fa misy ampahany amin’ny tenany mbola velona rehefa maty izy. Nohamafisin’ny fanao babylonianina mifandray amin’ny demonia izany, taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa.—Isaia 47:1, 12; Deot. 18:10, 11.
h Nilaza ho nino i Barbour hoe maty ho antsika i Kristy. Nolaviny kosa ilay hoe maty teo amin’ny toerantsika i Kristy, ary io fahafatesany io no nisoloany ny fahotan’ny taranak’i Adama.
i Anisan’ny nahatonga izany ny finoana hoe nanomboka tamin’ny 1873 ny arivo taona fahafito nisian’ny olombelona, ary ho tapitra tamin’ny 1878 ny fotoana nifaranan’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny Israely (nitovy halava tamin’ny fotoana fankasitrahana, talohan’io). Diso io fanisan-taona io, satria diso koa ny nandikan’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ny Asan’ny Apostoly 13:20 niorenany. Io fahadisoana io indray koa dia vokatry ny fanoratana diso ny 1 Mpanjaka 6:1, sy noho ny tsy fiheverana ny fampifandrindrana ireo tantara ao amin’ny Baiboly, mahakasika ny fotoana nanjakan’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Israely. Takatra tsara kokoa tamin’ny 1943 ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara, ka navoaka ilay boky hoe “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo” (frantsay), ary nohavaozina izy io herintaona taorian’izay, tao amin’ilay boky hoe “Akaiky Ilay Fanjakana” (frantsay), sy tao amin’ny boky hafa tatỳ aoriana.
j Gazety navoakan’i George Storrs, Brooklyn, New York.
k Nanontanian’ny mpanao gazety ny hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny fanohanana ny Jiosy, tamin’ny 1978. Hoy ny Filan-kevi-pitantanana: “Manaraka izay lazain’ny Baiboly foana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy momba ny atsy na ny aroa eo amin’ny politika sy ny fitondrana. Mino mafy izy ireo fa tsy misy fihetsiketsehan’olombelona mety hahavita zavatra tokony hataon’ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.”
l Nampalahelo fa nisintaka tamin’i Russell ny vadiny, taoriana kelin’io, vokatry ny fanirian-daza.
a Misy solontena tononina ho tompon’andraikitra anefa, any amin’ny tany mitaky izany.
b Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Novambra, 15 Novambra, ary 1 Desambra 1962.
c Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Novambra sy 1 Desambra 1963.
[Teny notsongaina, pejy 120]
Neken’i C. Russell fa tena nisy nanampy azy, nandritra ireo taona voalohany nianarany ny Baiboly
[Teny notsongaina, pejy 122]
Nodinihiny ny porofo hoe tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly
[Teny notsongaina, pejy 123]
Hitan’ny Mpianatra ny Baiboly fa mifandanja tanteraka ny rariny ampiharin’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fitiavany sy ny heriny
[Teny notsongaina, pejy 127]
Hitan’i Russell tsara fa tsy toerana fampijaliana aorian’ny fahafatesana ny afobe
[Teny notsongaina, pejy 129]
Tsy nino ny afobe ny ankamaroan’ny olona misaina
[Teny notsongaina, pejy 132]
Nisy vokany naharitra ny fahasahian’i Russell nanohana ny vidim-panavotana
[Teny notsongaina, pejy 134]
Hitan’izy ireo fa taona lehibe voalazan’ny faminaniana ny 1914
[Teny notsongaina, pejy 136]
Tsy ny zava-drehetra no nitranga aloha araka ny nantenain’izy ireo
[Teny notsongaina, pejy 139]
Vaovao tsara tokony hotorina: Efa miasa ny Fanjakan’Andriamanitra!
[Teny notsongaina, pejy 140]
Tolona hanovana ny rafitra ve ny Hara-magedona?
[Teny notsongaina, pejy 141]
Fantatra ihany tamin’ny 1932 hoe iza ilay tena “Israelin’Andriamanitra”
[Teny notsongaina, pejy 143]
Olona iray sa antokon’olona ilay “mpanompo mahatoky sy malina”?
[Teny notsongaina, pejy 146]
Nesorina tsikelikely ireo fomba mety hisarika ny saina ho amin’olona
[Teny notsongaina, pejy 148]
Natao ireo fiovana mba hanarahana akaiky kokoa ny Tenin’Andriamanitra
[Efajoro, pejy 124]
Fampahafantarana ny Anaran’Andriamanitra
◆ Nampiasaina nanomboka tamin’ny 1931 ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, mba hanondroana ireo manompo sy mivavaka amin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina.
◆ Niseho teo amin’ny fonon’ny gazety “Ny Tilikambo Fiambenana” ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, nanomboka ny 15 Oktobra 1931.
◆ Nesorin’ireo mpandika Baiboly ny anaran’Andriamanitra, nefa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1950 ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”, izay namerina ny anaran’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy.
◆ Nanao pirinty Baiboly ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sady nanao pirinty boky maro nifantoka tamin’ny anaran’Andriamanitra. Anisan’izany ireo boky hoe “Jehovah” (1934), “Hohamasinina Anie ny Anaranao” (1961), ary “ ‘Ho Fantatry ny Firenena fa Izaho no Jehovah’—Amin’ny Fomba Ahoana?” (1971), ary ilay bokikely hoe “Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay” (1984).
[Efajoro, pejy 126]
‘Hotoherintsika ve ny Tenin’i Kristy?’
Nasehon’i C. Russell fa tsy araka ny Soratra Masina sady sarotra ekena ny Andriamanitra telo izay iray, ary tena naharikoriko azy izany. Hoy izy: “Hotoherintsika àry ve ny tenin’ireo Apostoly sy ny Mpaminany ary Jesosy mihitsy, ary tsy hampiasaintsika tsara ny saintsika, ka fampianarana tamin’ny andron’ny haizina sy finoanoam-poana ary avy amin’ny Fiangonana simba sy nivadi-pinoana no harahintsika? Tsia! ‘Ny Lalàna sy ny fanambarana! Raha tsy miteny araka ity Teny ity izy ireo, dia satria tsy misy fahazavana ao aminy.’ ”—“Ny Tilikambo Fiambenana” 15 Aogositra 1915.
[Efajoro, pejy 133]
Fahamarinana Hita Miandalana
Hoy i C. Russell, tamin’ny 1882: “Ny Baiboly ihany no fitsipika arahintsika, ary ny fampianarany no inoantsika. Ekentsika fa hita miandalana ireo fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, ary vonona isika hanampy na hanova ny fampianarantsika (finoana) rehefa mahazo fahazavana kokoa avy amin’io Fitsipika io.”—“Ny Tilikambo Fiambenana” Aprily 1882, p. 7.
[Efajoro, pejy 144, 145]
Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah
◆ Tenin’Andriamanitra avy amin’ny herin’ny fanahiny ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17)
Tsy tantara na hevitr’olombelona fotsiny izy io fa tenin’Andriamanitra nosoratana mba hahasoa antsika. (2 Pet. 1:21; Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11)
◆ I Jehovah no hany Andriamanitra marina. (Sal. 83:18; Deot. 4:39)
I Jehovah no namorona ny zava-drehetra, ka izy ihany no mendrika hivavahana. (Apok. 4:11; Lioka 4:8)
I Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao, ary tokony hankatoavintsika amin’ny fomba feno. (Asa. 4:24; Dan. 4:14; Asa. 5:29)
◆ Zanaka lahitokan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, ilay hany noforonin’Andriamanitra mivantana. (1 Jaona 4:9; Kol. 1:13-16)
Zavaboarin’Andriamanitra voalohany i Jesosy, ka efa niaina tany an-danitra, talohan’ny niterahana azy ho olombelona. (Apok. 3:14; Jaona 8:23, 58)
Nivavaka tamin’ny Rainy i Jesosy, satria ny Rainy no hany Andriamanitra marina. Tsy nilaza ho nitovy tamin’Andriamanitra mihitsy i Jesosy. (Jaona 17:3; 20:17; 14:28)
Nanome ny ain’olombelona lavorary nananany i Jesosy mba hanavotana ny olona. Io sorona nataony io no hahazoan’ireo tena mino azy fiainana mandrakizay. (Marka 10:45; Jaona 3:16, 36)
Natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary lasa anjely tsy mety maty. (1 Pet. 3:18; Rom. 6:9)
Niverina i Jesosy (Mpanjaka nampifantoka ny sainy tamin’ny tany), ary efa anjely be voninahitra manatrika ankehitriny. (Matio 24:3, 23-27; Jaona 14:19)
◆ “Mpitondra [tsy hita maso] an’izao tontolo izao” i Satana (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19)
Zanak’Andriamanitra lavorary izy tamin’ny voalohany, nefa navelany hitombo tao am-pony ny fanirian-daza, tiany halaina ilay fivavahana tokony ho an’i Jehovah ihany, ary nampirisihiny i Adama sy Eva hankatò azy, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Nanao ny tenany ho Satana (midika hoe “Fahavalo”) àry izy. (Jaona 8:44; Gen. 3:1-5; ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:4, 5; Jakoba 1:14, 15; Lioka 4:5-7.)
“Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” i Satana. Izy sy ny demoniany no tompon’andraikitra amin’ny fijaliana eto an-tany amin’izao andro farany izao. (Apok. 12:7-9, 12)
Horinganina mandrakizay i Satana sy ny demoniany, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. (Apok. 20:10; 21:8)
◆ Hisolo ny fanjakan’olombelona rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy, ary izy io ihany no ho fanjakana hitondra ny olona rehetra. (Dan. 7:13, 14)
Horavana tanteraka ity tontolo ity. (Dan. 2:44; Apok. 16:14, 16; Isaia 34:2)
Hitondra araka ny rariny ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hitondra tena fiadanana ho an’ny vahoakany. (Isaia 9:5, 6; 11:1-5; 32:17; Sal. 85:10-12)
Horinganina mandrakizay ny ratsy fanahy, fa hiadana mandrakizay kosa ny mpivavaka amin’i Jehovah. (Ohab. 2:21, 22; Sal. 37:9-11; Matio 25:41-46; 2 Tes. 1:6-9; Mika 4:3-5)
◆ Miaina amin’ny “andro farany” ho an’ity tontolo ratsy ity isika, nanomboka tamin’ny 1914.d (Matio 24:3-14; 2 Tim. 3:1-5; Dan. 12:4)
Misy fitoriana atao amin’ny firenena rehetra mandritra io fotoana io, ary ho avy aorian’izay ny farany, saingy tsy ny faran’ny tany, fa ny faran’ny tontolo ratsy sy ny olona ratsy fanahy kosa. (Matio 24:3, 14; 2 Pet. 3:7; Mpit. 1:4)
◆ Iray ihany ny lalana mankany amin’ny fiainana, ary tsy ny fivavahana rehetra no ankasitrahan’Andriamanitra. (Matio 7:13, 14; Jaona 4:23, 24; Efes. 4:4, 5)
Tsy ny fombafomba na fisehosehoana no antitranterin’ny fivavahana marina, fa ny tena fitiavana an’Andriamanitra, aseho amin’ny fankatoavana ny didiny sy fitiava-namana. (Matio 15:8, 9; 1 Jaona 5:3; 3:10-18; 4:21; Jaona 13:34, 35)
Afaka manompo an’i Jehovah sy ankasitrahany ny olona avy amin’ny firenena sy firazanana ary fiteny rehetra. (Asa. 10:34, 35; Apok. 7:9-17)
Tokony havantana amin’i Jehovah irery ihany ny vavaka, ary hatao amin’ny alalan’i Jesosy. Tsy tokony hivavahana ny sary, na hatao hanampiana amin’ny fivavahana. (Matio 6:9; Jaona 14:6, 13, 14; 1 Jaona 5:21; 2 Kor. 5:7; 6:16; Isaia 42:8)
Tsy maintsy halavirina ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy. (Gal. 5:19-21; Deot. 18:10-12; Apok. 21:8)
Tsy mizara ho mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra ny Kristianina marina. (Matio 20:25-27; 23:8-12)
Tsy takina amin’ny Kristianina mba hahazoany famonjena ny fanarahana sabata isan-kerinandro, na fitsipika hafa ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Toy ny mandà an’i Kristy, izay nanatanteraka ny Lalàna, ny fanaovana izany. (Gal. 5:4; Rom. 10:4; Kol. 2:13-17)
Tsy manao firaisam-pinoana ny mpivavaka marina. (2 Kor. 6:14-17; Apok. 18:4)
Atao batisa amin’ny alalan’ny fandrobohana tanteraka ao anaty rano ny tena mpianatr’i Jesosy. (Matio 28:19, 20; Marka 1:9, 10; Asa. 8:36-38)
Mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra izay rehetra manahaka an’i Jesosy sy mankatò ny didiny. (Lioka 4:43; 8:1; Matio 10:7; 24:14)
◆ Vokatry ny fahotana nolovana tamin’i Adama ny fahafatesana. (Rom. 5:12; 6:23)
Mety maty ny olona. (Ezek. 18:4)
Tsy mahatsapa na inona na inona ny maty. (Sal. 146:4; Mpit. 9:5, 10)
Fasan’ny olona rehetra ny afobe, na fiainan-tsi-hita (Sheola, Hadesy). (Joba 14:13; Apok. 20:13, 14)
Ilay ‘farihy mirehitra afo’ andefasana ny ratsy fanahy tsy mety miova, dia ny “fahafatesana faharoa”, na fahafatesana mandrakizay, araka ny lazain’ny Baiboly. (Apok. 21:8)
Ny fitsanganana amin’ny maty no fanantenana ho an’ny maty sy ho an’ireo namoy havan-tiana. (1 Kor. 15:20-22; Jaona 5:28, 29; ampitahao amin’ny Jaona 11:25, 26, 38-44; Marka 5:35-42.)
Tsy hisy intsony ny fahafatesana avy amin’ny fahotan’i Adama. (1 Kor. 15:26; Isaia 25:8; Apok. 21:4)
◆ “Ondry vitsy”, 144 000 monja, no ho any an-danitra. (Lioka 12:32; Apok. 14:1, 3)
Ireo no ‘nateraka indray’ ho zanak’Andriamanitra ara-panahy. (Jaona 3:3; 1 Pet. 1:3, 4)
Nofidin’Andriamanitra avy tamin’ny olona sy firenena rehetra ireo, mba hiara-manjaka amin’i Kristy. (Apok. 5:9, 10; 20:6)
◆ Hiaina mandrakizay eto an-tany ny olon-kafa ankasitrahan’Andriamanitra. (Sal. 37:29; Matio 5:5; 2 Pet. 3:13)
Tsy horavana na hanjary tsy hisy mponina mihitsy ny tany. (Sal. 104:5; Isaia 45:18)
Ho lasa paradisa ny tany manontolo, araka ny fikasan’Andriamanitra. (Gen. 1:27, 28; 2:8, 9; Lioka 23:42, 43)
Hanana trano tsara sy sakafo tondraka ny rehetra. (Isaia 65:21-23; Sal. 72:16)
Ho lasa zavatra taloha ny aretina sy kilema rehetra, ary ny fahafatesana. (Apok. 21:3, 4; Isaia 35:5, 6)
◆ Tokony hohajaina ny manam-pahefana. (Rom. 13:1-7; Tit. 3:1, 2)
Tsy mikomy amin’ny mpitondra fanjakana ny Kristianina marina. (Ohab. 24:21, 22; Rom. 13:1)
Ankatoaviny ny lalàna rehetra tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra, fa ny fankatoavana an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra. (Asa. 5:29)
Manahaka an’i Jesosy izy ireo, ka tsy mitsabaka amin’ny raharaha politikan’izao tontolo izao. (Matio 22:15-21; Jaona 6:15)
◆ Tsy maintsy arahin’ny Kristianina ny fitsipiky ny Baiboly momba ny ra sy ny firaisana. (Asa. 15:28, 29)
Fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny fandraisana ra amin’ny vatana, avy eo am-bava na avy eo amin’ny lalan-dra. (Gen. 9:3-6; Asa. 15:19, 20)
Tsy maintsy madio fitondran-tena ny Kristianina. Tsy manana toerana eo amin’ny fiainany ny fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, fimamoana, ary fidorohana zava-mahadomelina. (1 Kor. 6:9-11; 2 Kor. 7:1)
◆ Zava-dehibe amin’ny Kristianina ny fanaovana ny marina sy ny fanaovana tsara ny adidy amin’ny vady sy ny ankohonana. (1 Tim. 5:8; Kol. 3:18-21; Heb. 13:4)
Tsy mety amin’ny Kristianina ny mandainga amin’ny resaka sy ny asa, na mihatsaravelatsihy. (Ohab. 6:16-19; Efes. 4:25; Matio 6:5; Sal. 26:4)
◆ Tokony ho tia an’i Jehovah mihoatra noho ny zavatra rehetra isika, raha tiantsika hekeny ny fivavahantsika. (Lioka 10:27; Deot. 5:9)
Ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, izay manome voninahitra ny anarany, no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny Kristianina marina. (Jaona 4:34; Kol. 3:23; 1 Pet. 2:12)
Manao soa amin’ny olona rehetra ny Kristianina raha azony atao, nefa fantany fa ny mpiara-manompo aminy no tena ampiany voalohany, rehefa misy marary na misy loza, ohatra. (Gal. 6:10; 1 Jaona 3:16-18)
Tia an’Andriamanitra ny Kristianina, ka mankatò ny didiny mba ho tia ny namany, sady tsy tia ny fitondran-tena maloto sy fitiavan-karenan’izao tontolo izao. Tsy anisan’izao tontolo izao ny Kristianina marina, ary tsy manao zavatra mampiseho ny toe-tsain’izy io. (Rom. 13:8, 9; 1 Jaona 2:15-17; Jaona 15:19; Jak. 4:4)
[Fanamarihana ambany pejy]
d Jereo ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, mba hahitana ny tsipiriany.
[Sary, pejy 121]
Nanomboka namoaka “Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona” i C. Russell, tamin’ny 1879, raha vao 27 taona monja
[Sary, pejy 125]
Anisan’ireo voalohany nilaza i Isaac Newton sy Henry Grew, fa tsy araka ny Soratra Masina ny Andriamanitra telo izay iray
[Sary, pejy 128]
Nilaza i Russell, nandritra ny adihevitra ampahibemaso, fa tena maty ny maty, fa tsy miaraka amin’ny anjely na demonia
Carnegie Hall, Allegheny, Pennsylvanie, nanaovana ilay adihevitra
[Sary, pejy 130]
Nitety tanàna maro i Russell, mba hilazana ny fahamarinana momba ny afobe
[Sary, pejy 131]
Nanova tanteraka ny zava-kendreny teo amin’ny fiainana i Frederick Franz, mpianatry ny oniversite, rehefa fantany hoe manao ahoana ny maty
[Sary, pejy 135]
Nambaran’ny Mpianatra ny Baiboly foana fa ho faran’ny Andron’ny Jentilisa ny taona 1914. Nampiasaina tamin’izany, ohatra, ity trakta nozaraina tamin’ny 1914 ity
[Sary, pejy 137]
Nampiasa radio maro indrindra tamin’ny 1931 i J. Rutherford, mba hampisehoana fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra fanamaivanana maharitra ho an’ny olombelona
Niara-nalefa tamin’ny radio 163 ilay lahateny hoe “Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao”, ary radio 340 hafa no namerina nandefa azy io
[Sary, pejy 142]
Nalefa tamin’ny sambo ho any Palestina i A. Macmillan, tamin’ny 1925, satria nahaliana manokana ny anjara asan’ny Jiosy teo amin’ny faminanian’ny Baiboly