Ny ady ho amin’ny fanapahana izao tontolo izao: iza no hahazo izany?
“NY ZAVA-KENDREN’NY Sovietika lehibe indrindra dia ny hanerena antsika hiala amin’ny I.D.S. [Initiative de Défense Stratégique (ny “Adin’ireo kintana”).] Heveriko fa (...) azon’Atoa Gorbatchev fa tsy manam-pikasana ny amin’izany velively izahay.” Izany no nolazain’ny prezidà amerikana, Ronald Reagan, taorian’ny fiaraha-midinika tany Genève natao tamin’ny novambra lasa.
Herintaona taty aoriana, dia afaka mahita isika fa tsy maty akory ny fifandrafiana amin’ireo Lehibe roa. Ary firenena maro no miray laharana amin’izy ireny na miombon-kevitra aminy; izy ireny dia mahaforona ny tanin’ny Atsinanana (kaominista indrindra) sy Andrefana (kapitalista amin’ny ankamaroany). Izany no antony anatrehantsika ady ho amin’ny fanapahana izao tontolo izao, izay mahakasika anao koa. Afa-tsy izany koa, ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana dia mampaharitra ny fandrahonan’ny ady goavana izay mahatandindomin-doza ny ho avinao, na dia miaina ao amin’ny tany iray tsy momba ny atsy na ny aroa aza ianao.
Noho izany, dia tokony hahaliana anao ny ho fiafaran’io ady ho an’ny fanapahana io. Hahitana fanafodiny amim-pilaminana ve izany? Raha tsy izany no izy, iza no handresy? Mety hisy vokany eo amin’ny ho avinao ny valin’ireo fanontaniana ireo.
Ny fomba nanombohan’izany
Boky maro momba ny tantara ankehitriny no milaza ny amin’ny fifandrafian’ny Atsinanana sy ny Andrefana tamin’ny fotoana nanaraka ny Ady Lehibe Faharoa. Asehon’ny tantara araka ny Baiboly anefa fa izany fifandrafiana izany dia fitohizan’ny ady ho amin’ny fanapahana izao tontolo izao izay nanomboka efa ho 2 300 taona izao.
Raha namaky ny tantaran’i Grisia taloha ianao, dia fantatrao fa nanao an’io firenena io ho empira i Aleksandra Lehibe, ka izany dia voalazan’i Daniela mpaminany mialoha ao amin’ny Baiboly. Mifanaraka amin’ny faminaniana, taorian’ny nahafatesan’io “mpanjaka mahery” io, tamin’ny 323 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny farany ilay empira dia “hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra”, izany hoe tamin’ireo jeneraliny efatra (Daniela 11:2-4). Séleucus I Nicator, anankiray tamin’ireo efatra, dia nahazo ny fifehezana an’i Syria sy Mezopotamia — faritany any avaratra sy any atsinanan’i Jodia, tanin’i Daniela. Ptolémée Lagus, jeneraly grika hafa iray koa, dia naka an’i Egypta sy Palestina, ka izany dia nametraka azy ho any atsimo sy ho any andrefan’ny fananan’i Séleucus Nicator. Ny toeran’izy ireo niankina tamin’ny toe-javatra dia nanao azy ireo ho “mpanjakan’ny avaratra” sy “mpanjakan’ny atsimo”. — Daniela 11:5, 6.
Ny hoe “avaratra” sy “atsimo” dia nanjary famantarana nifamatotra tamin’ny firenena nahery sasany izay nandray anjara ara-paminaniana manokanaa. Tao anatin’ny taonjato maro, dia firenena hafa no nandray ny anjara toeran’ireo firenena roa, ary izany dia nifanitsy foana tamin’ilay ohatra ara-paminaniana. Ny fifandrafian’izy ireo dia nahatonga azy ireo ho fantatra foana, ary mandrakariva ireo faritra notapahin’izy ireny tamin’ny ankapobeny dia avaratra sy atsimo oharina amin’izy samy izy.
Amin’izao andro izao, ireny anjara asa ireny dia ampiarahina amin’ny anarana hoe “Atsinanana” sy “Andrefana”. Ara-panoharana koa ireo teny ireo, satria mifanapaka ny faritanin’izy ireo. Ao amin’ny Baiboly, ny famantarana hoe “avaratra” sy “atsimo” dia mety koa, na dia tsy tena mifanitsy amin’ny fizaran-toerana ara-jeografia aza izany.
Ny Andriamanitry ny mpanjakan’ny avaratra
Nitodika tany amin’ny “andro farany” i Daniela ka nanambara hoe: “Hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra izy [ny mpanjakan’ny avaratra] (...). Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany. (...) Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza” alohan’ny hahatongavana “amin’ny hiafarany”. — Daniela 11:35-39, 45.
Amin’izao androntsika izao, ny “mpanjakan’ny avaratra”, tsy manaiky an’Andriamanitra amin’ny fotony, dia mandà ny fisian’Andriamanitra ary tsy vao manomboka ny famelezany ny fivavahana akory. Miankina indrindra amin’ny fitaovam-piadiana sy ny herin’ny tafika izy mba hampiharana fitaomana maneran-tany. Izany no antony ampiasany tapany lehibe amin’ny fananany ara-nofo mba ‘hankalazana ny andriamanitry ny fiarovana mafy’. Ny “mpanjakan’ny atsimo” amin’ny andro ankehitriny koa dia mankalaza ny fitaovam-piadiana sy ny tafika, kanefa manaiky andriamanitra hafa, ary maro amin’ny vahoakany no voatana eo amin’ny lafiny ara-pivavahana.
Ny ady ho an’ny fanapahana amin’izao andro izao
Manondro ny androntsika ilay faminaniana ka manambara toy izao: “Ary amin’ny faran’ny andro dia hanoto azy [ny mpanjakan’ny avaratra] ny mpanjakan’ny atsimo; ary ny mpanjakan’ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra, ka hitondra [ny fitaovany ara-tafika]; ary ny [mpanjakan’ny avaratra] hiditra amin’ny tany (...) ka hanerana toy ny safotra.” — Daniela 11:40.
Azo inoana fa tsy miafina aminao fa nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, ny hevitry ny ‘mpanjakan’ny avaratra’ dia nahazo tany maro ary nitatra ny fanapahany na dia tao aza ny ady natao mba hanoherana izany fisehoan-javatra izany. Ny ho avy no hilaza amintsika hoe hatraiza izy no “hiditra amin’ny tany (...) ka hanerana toy ny safotra”; na ahoana na ahoana, ny “mpanjakan’ny atsimo” amin’ny andro ankehitriny dia manandrana misakana azy tsy hanitsaka ny lazaina fa tany afaka. Araka izany, ireny mpifanohitra ireny dia ‘hifamely’ ka izany dia miseho amin’izao androntsika izao amin’ny fanafainganana ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana sy ny fifehezana ny habakabaka. Mandritra izany fotoana izany izy ireo dia mifampiampanga ho mitady hanapaka izao tontolo izao.
Manohy ny teniny i Daniela amin’ny filazana hoe: “Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’i Egypta rehetra izy [ny mpanjakan’ny avaratra]; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.” (Daniela 11:43). Mety ho fananana araka ny natiora izany; ary ny ambanin’ny tany ananan’ny “mpanjakan’ny avaratra” ankehitriny dia be harena mineraly, toy ny solitany. Afa-tsy izany, ireo tany hafa ampiharany hery lehibe dia manana fananana araka ny natiora betsaka. Izany rehetra izany dia manosika antsika fotsiny hanaraka amim-pahalianana ny fandehan’ny fisehoan-javatra mba hahitana raha hampitombo ny fanapahany eo amin’ireny tany ireny izy, ary ho tonga hatraiza ny heriny ara-toe-karena.
Iza no handresy?
Inona anefa no misakana an’ireo “mpanjaka” ireo tsy hanao ady farany? Ny anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra dia ny tahotra ny hery mandringan’ireo fitaovana nokleherany avy. Aleony ny fifampiraharahana na dia matetika aza no tsy hajaina loatra ireo fifanarahana aterak’izany. Araka ny nolazain’i Daniela mialoha, dia “eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin’ny fotoana ihany”. — Daniela 11:27.
Araka izany, dia azo inoana fa irinao ny hahalala hoe ahoana no hifaranan’izany. Ho tonga amin’ny fandriampahalemana maharitra ve izy ireo indray andro any? Sa hisy mpandresy? Araka ny faminaniana voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsia no valin’ireo fanontaniana roa ireo. Nahoana? Satria ny mpanjaka fahatelo iray dia handresy azy ireny sy hanapaka izao tontolo izao. Hisy fiovan’ny fanapahana àry, ary tsy ho ela izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ohatra, ny fitenenana hoe “hitsangana handimby” dia mampiseho fa firenena hafa iray hatreo no handray ny toeran’ny “mpanjakan’ny avaratra”. — Daniela 11:20, 21.
[Sary, pejy 4]
HERY ARA-TAFIK’IREO FIRENENA LEHIBE SY IREO ANTOKOM-PIRENENA
Fiadiana noklehera
50 000
Mpiasan’ny tafika
11 913 000
Sambo mpiady
1 350
Mpandatsaka baomba sy fiaramanidina mpiady
20 100
Kalesy
95 000