TOKO FAHA-2
Nanompo Nandritra ny ‘Farany’ Ilay Mpaminany
1, 2. a) Inona no fahitana azon’i Jeremia, izay mampiseho ny ho karazana hafatra hampitainy? b) Nahoana no tokony hahaliana anao ny hafatra nampitain’i Jeremia?
HOY Andriamanitra tamin’i Jeremia, raha vao avy nanendry azy ho mpaminany: “Inona no hitanao?” Hoy i Jeremia: “Vilanibe no hitako, ary misy mikopaka ny afo eo ambaniny. Mitodika mianavaratra ny vodin’ilay vilany, ka mitongilana mianatsimo ny vavany.” Hita amin’io fahitana nasehon’i Jehovah io sahady hoe hanao ahoana ny hafatra hampitain’i Jeremia. (Vakio ny Jeremia 1:13-16.) Tsy hoe nokopahina mba ho faty mantsy ilay afo fa mba hiredareda. Manambara loza izany. Azo oharina amin’ny rano mangotraka avy ao amin’ilay vilanibe ilay loza, ary hiraraka amin’ny tanànan’i Joda satria nivadika ny ankamaroan’ny mponina tao. Nahoana anefa no mitongilana mianatsimo ny vavan’ilay vilanibe? Satria ho avy any avaratra ilay loza. Avy any avaratra ny Babylonianina no hanafika an’i Joda. Tanteraka tao anatin’ny fotoana naha mpaminany an’i Jeremia izany. Nisy loza toy ny rano mangotraka, niraraka nisesisesy avy tamin’ilay vilanibe, ka rava i Jerosalema tamin’ny farany.
2 Efa tsy misy intsony izao i Babylona, nefa tokony hahaliana anao ny faminanian’i Jeremia. Nahoana? Satria miaina mandritra ny ‘farany’ na andro farany ianao. (Jer. 23:20) Maro ny olona milaza azy ho Kristianina ankehitriny, nefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy sy ny fivavahany. Tsy toy izany kosa ianao. Toa an’i Jeremia ianao sy ny Vavolombelon’i Jehovah hafa, ka mitory hafatra milaza fanamelohana sy fanantenana.
3. a) Ahoana no fomba nandaminana ny bokin’i Jeremia? b) Inona no hodinihina ato amin’ity toko ity?
3 Ahoana no nanoratan’i Jeremia ny bokiny? Tsy hoe nanoratra izy isaky ny nisy zava-nitranga. Efa tamin’ny taona faramparany naha mpaminany azy vao notononiny tamin’ny mpitan-tsorany ny zava-drehetra. (Jer. 25:1-3; 36:1, 4, 32) Tsy milahatra araka ny fotoana nisehoany ny tantara ao, satria nalamin’i Jeremia araka ny foto-kevitra. Noho izany, dia haseho anao ato amin’ity toko ity ny zava-nisy ara-tantara tamin’izany sy ny filahatr’izy ireny. Jereo ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-19. Aseho amin’izy io ny olona nanjaka tamin’izany sy ny fotoana nanjakany ary ny zava-nitranga tao Joda sy ny manodidina azy. Ho azonao kokoa, amin’izay, ny zavatra nolazain’i Jeremia sy nataony, ary hitondra soa bebe kokoa ho anao ny hafatra nasain’Andriamanitra nampitainy tamin’ny vahoaka.
NY ZAVA-NISY ARA-TANTARA
4-6. Nanao ahoana ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra talohan’ny naha mpaminany an’i Jeremia?
4 Nifandrafy i Asyria sy Babylona ary Ejipta, ka niteraka korontana izany. Resin’i Asyria ny foko folon’ny Israely tany avaratra, 93 taona teo ho eo talohan’ny naha mpaminany an’i Jeremia. Nentin’izy ireo ho babo ny ankamaroan’ny mponina tao. Narovan’i Jehovah kosa i Jerosalema sy ny mpanjakany, dia i Hezekia izay tsy nivadika. Tadidinao angamba fa nanao fahagagana i Jehovah tamin’izay, ka nahafaty miaramila asyrianina 185 000. (2 Mpanj. 19:32-36) Zanak’i Hezekia i Manase. Azo inoana fa tao anatin’ireo 55 taona nanjakan’i Manase i Jeremia no teraka. Tamin’izay koa i Joda no lasa nofehezin’i Asyria.—2 Tan. 33:10, 11.
5 Nosoratan’i Jeremia ao amin’ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa fa nanorina indray an’ireo toerana avo noravan’ny rainy i Manase. Nanorina alitara ho an’i Bala sy ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy, ary nasiany koa tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny maro be izy, ary natolony ho fanatitra dorana ho an’ny andriamani-diso ny zanany lahy. ‘Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, ary be tokoa ny ratsy vitany.’ Nilaza àry Andriamanitra fa hisy loza hanjo an’i Jerosalema sy Joda, toy ny efa nanjo an’i Samaria sy Israely. (2 Mpanj. 21:1-6, 12-16) Nanompo sampy toa an’i Manase rainy ihany i Amona rehefa nanjaka. Nisy fiovana anefa. Nisy namono i Amona roa taona taorian’ny nanjakany, ka ny zanany valo taona atao hoe Josia no nanjaka tamin’ny 659 T.K.
6 Nanjaka 31 taona i Josia. Nihanatanjaka i Babylona tamin’izany, fa nihena kosa ny herin’i Asyria. Nanararaotra izany i Josia hanafahana an’i Joda tamin’ny Asyrianina. Tsy mba toa an-drainy sy raibeny anefa i Josia. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy, ary nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fivavahana. (2 Mpanj. 21:19–22:2) Nesorin’i Josia daholo ny toerana avo sy ny tsato-kazo masina ary ny sampy nanerana ny fanjakany, tamin’ny taona faha-12 nanjakany. Nandidy ny hanamboarana ny tempolin’i Jehovah koa izy tatỳ aoriana. (Vakio ny 2 Tantara 34:1-8.) Marihina fa tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia i Jeremia no notendren’Andriamanitra ho mpaminany, izany hoe tamin’ny taona 647 T.K.
Mety ho nanao ahoana ny fihetseham-ponao raha mpaminany tamin’ny andron’i Jeremia ianao?
7, 8. a) Nahoana i Josia Mpanjaka no tsy nitovy tamin’i Manase sy Amona? b) Olona nanao ahoana i Josia? (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-20.)
7 Hitan’ny mpisoronabe “ny boky misy ny lalàna”, rehefa namboarina ny tempoly tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josia. Nasain’i Josia novakin’ny mpitan-tsoratra taminy ilay boky, ka niaiky izy hoe nanota ny vahoakany. Naniraka olona ho any amin’i Holda mpaminanivavy izy mba hangataka tari-dalana amin’i Jehovah, ary nampirisika ny vahoaka hankatò ny didin’Andriamanitra. Nilaza i Holda fa hahatonga “loza” ao Joda i Jehovah, satria nivadika taminy ny mponina tao. Tsy ho tonga amin’ny andron’i Josia anefa izany, noho izy tia ny fivavahana madio.—2 Mpanj. 22:8, 14-20.
8 Mbola niezaka nanala ny zavatra rehetra mifandray amin’ny fanompoan-tsampy i Josia tatỳ aoriana. Tonga hatrany amin’ny faritra nipetrahan’ny foko folon’ny Israely teo aloha izy, ary nandrava an’ilay toerana avo sy alitara tao Betela. Nanao fankalazana Paska makotrokotroka koa izy. (2 Mpanj. 23:4-25) Azo inoana fa faly erỳ i Jeremia tamin’izany! Sarotra anefa ny nandrisika ny olona hiova. Efa notaomin’i Manase sy Amona hanao fanompoan-tsampy maharikoriko ny olona, ka vitsy no nanaraka ny fivavahana madio. Na dia nitondra fiovana aza i Josia, dia nasain’i Jehovah nilaza tamin’ny olona i Jeremia hoe maro toy ny tanànan’izy ireo ny andriamanitra nivavahan’ny olona tao Joda. Toy ny vehivavy manitsakitsa-bady sy mivaro-tena ny mpiara-belona tamin’ilay mpaminany, satria niala tamin’i Jehovah ary nanompo andriamanitra maro. Hoy i Jeremia: “Lasa maro toy ireo lalamben’i Jerosalema ny alitara naorinareo ho an’ilay zava-mahamenatra. Teny amin’ireny alitara ireny no nanolorany setroka ho sorona ho an’i Bala.”—Vakio ny Jeremia 11:1-3, 13.
9. Inona no nitranga nandritra ireo taona faramparany nanjakan’i Josia?
9 Tsy niova ny Jiosy na dia teo aza ny hafatra nampitain’i Jeremia. Mbola niady fahefana koa ireo firenena manodidina. Nanafika an’i Ninive, renivohitr’i Asyria, ny Babylonianina sy ny Medianina ny taona 632 T.K., ary azon’izy ireo ilay tanàna. Nitondra ny tafiny nianavaratra i Farao Neko, mpanjakan’i Ejipta, telo taona taorian’izay, mba hanampy an’i Asyria. I Josia sy ny tafiny kosa nankany Megido mba hanakana ny Ejipsianina. Tsy nolazain’ny Baiboly ny antony nanaovany izany. Naratra anefa izy tany ka maty. (2 Tan. 35:20-24) Inona no vokatr’izany tao Joda, ary inona no olana naterak’izany ho an’i Jeremia?
FIOVANA TAO JODA
10. a) Inona no itovizan’ny zava-nitranga taorian’ny nahafatesan’i Josia sy ny zava-mitranga ankehitriny? b) Nahoana no hahasoa anao ny mandinika izay nataon’i Jeremia?
10 Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jeremia, rehefa reny hoe maty i Josia? Nalahelo be izy, ka nanao hira fisaonana. (2 Tan. 35:25) Betsaka ny zavatra nampanahy tamin’izany. Mbola nifandrafy koa ireo firenena manodidina. Samy te hifehy an’i Joda i Ejipta sy Asyria ary Babylona, ka niteraka olana izany. Nisy fiovana koa teo amin’ny fivavahana. Nankahala ny asan’i Jeremia ny fitondrana vaovao. Toy izany koa no manjo an’ireo rahalahintsika maro ankehitriny. Afaka nanaraka ny fivavahana tiany ny olona tao amin’ny taniny teo aloha, nefa lasa misy fanenjehana sy fandrarana izao. Iza no mahalala raha hiatrika toe-javatra toy izany koa isika atsy ho atsy? Inona no mety ho vokatr’izany eo amintsika? Inona no tsy maintsy hataontsika amin’izay fotoana izay mba tsy hivadihana amin’i Jehovah? Hampahery antsika ny fandinihana ny olana nanjo an’i Jeremia sy ny fomba nandreseny an’izany.
11. Inona no nitranga tao Joda taorian’ny nahafatesan’i Josia?
11 I Joahaza, izay antsoina koa hoe Saloma, no mpanjaka tamin’izany. Izy no notendren’ny mponin’i Joda hisolo an’i Josia rainy. Telo volana monja anefa izy no nanjaka. Nahoana? Rehefa avy niady tamin’ny Babylonianina i Farao Neko, dia nianatsimo ka nanala azy teo amin’ny toerany, ary nitondra azy tany Ejipta. Naminany i Jeremia hoe “tsy hiverina intsony” i Joahaza. (Jer. 22:10-12; 2 Tan. 36:1-4) I Joiakima, zanak’i Josia hafa, no notendren’i Farao Neko ho mpanjaka tao Joda. Tsy nanahaka ny ohatra tsara navelan’ny rainy anefa i Joiakima. Tsy nanohy ny fanovana nataon’i Josia izy, fa nanompo sampy.—Vakio ny 2 Mpanjaka 23:36, 37.
12, 13. a) Inona ny ratsy nataon’ny olona, teo am-piandohan’ny fanjakan’i Joiakima? b) Inona no nataon’ireo mpitondra fivavahana tamin’i Jeremia?
12 Nirahin’i Jehovah ho any amin’ny tempoly i Jeremia, teo am-piandohan’ny fanjakan’i Joiakima, mba hilaza tamin’ny mponin’i Joda fa meloka izy ireo noho ny ratsy nataony. Nihevitra ny mponin’i Joda fa ho voaro izy ireo noho ny fisian’ny tempolin’i Jehovah. Tsy hiaro azy io intsony anefa i Jehovah, raha mbola “mangalatra sy mamono olona sy manitsakitsa-bady sy mianiana lainga” izy ireo, “ary manolotra setroka ho sorona ho an’i Bala sy manaraka andriamani-kafa.” Tsy harovany intsony koa ireo olona nihatsaravelatsihy nivavaka tao amin’ny tempoly, toy ny tsy niarovany ny tranolay masina tany Silo tamin’ny andron’i Elia Mpisoronabe. Havelany “ho rava tanteraka” i Joda. (Jer. 7:1-15, 34; 26:1-6)a Tsy maintsy nanana herim-po i Jeremia mba hampitana izany hafatra izany! Azo inoana fa nanambara an’izany teo anatrehan’ny olona ambony sy nanana fahefana izy. Tsapan’ny rahalahy sy anabavy sasany koa fa mila herim-po izy vao afaka mitory eny an-dalana, na miresaka amin’ny olona ambony na manankarena. Afaka matoky anefa isika fa hanohana antsika i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Jeremia.—Heb. 10:39; 13:6.
13 Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpitondra fivavahana rehefa nandre ny fitorian’i Jeremia? Nitantara i Jeremia hoe: ‘Nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka manontolo aho, ka hoy izy ireo: “Ho faty tokoa ianao anio!” ’ Tezitra be ireo mpitondra fivavahana nilaza hoe: “Mendrika ny homelohina ho faty ity lehilahy ity.” (Vakio ny Jeremia 26:8-11.) Tsy nandresy anefa ny fahavalon’i Jeremia. Nanampy an’ilay mpaminaniny i Jehovah. Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra koa i Jeremia, na dia toa natanjaka be aza ny fahavalony sady maro be. Tena mila manahaka azy ianao.
Inona no tsy itovizan’ny fitondran’i Manase sy Amona amin’ny an’i Josia? Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nanaovan’i Jeremia ny asa sarotra nampanaovina azy?
‘SORATY NY TENY REHETRA’
14, 15. a) Inona no asa natombok’i Jeremia sy Baroka tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima? b) Olona nanao ahoana i Joiakima? (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-25.)
14 Naniraka an’i Jeremia i Jehovah tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, mba hanoratra ny teny rehetra nolazainy taminy nanomboka tamin’ny andron’i Josia. Nasain’i Jeremia nosoratan’i Baroka mpitan-tsorany àry ny zava-drehetra nolazain’Andriamanitra taminy nandritra ny 23 taona lasa. Hafatra fanamelohana ilay izy, ary mahakasika mpanjaka sy fanjakana 20 eo ho eo. Nasain’i Jeremia novakin’i Baroka tao an-tranon’i Jehovah ilay horonam-boky tatỳ aoriana. Nilaza mantsy i Jehovah hoe: “Angamba hohenoin’ny taranak’i Joda ihany ny loza rehetra eritreretiko hatao aminy. Amin’izay dia hiala amin’ny lalan-dratsiny ny tsirairay, ka havelako ny fahadisoany sy ny fahotany.”—Jer. 25:1-3; 36:1-3.
15 Rehefa novakin’ny tandapa iray tamin’i Joiakima Mpanjaka anefa ilay horonana, dia notapatapahiny sy nodorany. Nasainy nentina teo anatrehany koa i Jeremia sy Baroka. “Nafenin’i Jehovah anefa izy roa lahy.” (Vakio ny Jeremia 36:21-26.) Tena ratsy toetra i Joiakima, ka nasain’i Jehovah nilaza i Jeremia hoe: “Halevina toy ny fandevina ampondra izy, ka hotaritaritina sy hatsipy any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.” (Jer. 22:13-19) Tsy nanita-dresaka i Jeremia rehefa nilaza an’io faminaniana io, satria misy tsipiriany tsara ilay izy.
16. Inona avy ny hafatra manome fanantenana nambaran’i Jeremia?
16 Marina fa tsy maintsy nilaza fanamelohana i Jeremia. Nampita hafatra manome fanantenana koa anefa izy, anisan’izany ireto: Hanafaka ny sisa amin’ny Israely i Jehovah, ka hamerina azy ireo any amin’ny taniny, ary tsy hanana ahiahy izy ireo. Hanao fifanekena “vaovao” amin’ny vahoakany koa izy, ary hosoratany ao am-pon’izy ireo ny lalàny. “Fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra” io fifanekena io. Hamela ny fahadisoan’izy ireo koa izy, ka tsy hotsarovany intsony ny fahotany. Nilaza koa i Jeremia fa hisy taranak’i Davida iray “hanao ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ilay tany.” (Jer. 31:7-9; 32:37-41; 33:15) Tanteraka ireo faminaniana ireo, am-polony taona sy an-jatony taona tatỳ aoriana. Mahakasika antsika koa ny fahatanterahan’izany, sady mahatonga antsika hanantena fiainana sambatra mandrakizay. Mbola nitady fomba hifehezana an’i Joda foana anefa ny fahavalony, tamin’ny andron’i Jeremia.—Vakio ny Jeremia 31:31, 33, 34; Hebreo 8:7-9; 10:14-18.
NISANDRATRA I BABYLONA
17, 18. Inona no zava-nitranga nandritra ireo taona faramparany nanjakan’i Joiakima sy Zedekia?
17 Niady tao Karkemisy ny Babylonianina sy ny Ejipsianina, tamin’ny taona 625 T.K. Tsy lavitra ny Reniranon’i Eofrata i Karkemisy, ary 600 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Jerosalema. Resy ny tafik’i Farao Neko ka i Nebokadnezara na Nebokadrezara indray no nifehy an’i Joda. (Jer. 46:2) Lasa teo ambany fahefany àry i Joiakima Mpanjaka. Nikomy anefa izy io, telo taona taorian’izay, ka nanafika an’i Joda i Nebokadnezara ny taona 618 T.K. sady nanao fahirano an’i Jerosalema. (2 Mpanj. 24:1, 2) Eritrereto ny korontana naterak’izany sy ny mety ho olana natrehin’i Jeremia! Inona kosa no nanjo an’i Joiakima? Maty nandritra an’ilay fahirano angamba izy.b Nandimby azy nandritra ny telo volana monja i Joiakina zanany, ary nitolo-batana tamin’ny Babylonianina. Nalain’i Nebokadnezara daholo ny zava-tsarobidy tao Jerosalema. Nentiny ho babo i Joiakina sy ny fianakaviany sy ny andriana tao Joda, ary ny lehilahy matanjaka sy ny mpanao asa tanana rehetra. Anisan’izy ireo i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria.—2 Mpanj. 24:10-16; Dan. 1:1-7.
18 I Zedekia, zanak’i Josia no notendren’i Nebokadnezara ho mpanjakan’ny Joda taorian’izay. Izy no farany tamin’ireo mpanjaka taranak’i Davida teto an-tany. Nifarana ny fanjakany rehefa rava i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 607 T.K. (2 Mpanj. 24:17) Tsy nilamina ny fiainana tao Joda nandritra ireo 11 taona nanjakan’i Zedekia, ary nisy foana ny korontana, vokatry ny nataon’ireo firenena te hifehy an’i Joda. Tsy maintsy nitoky tanteraka tamin’ilay naniraka azy ho mpaminany àry i Jeremia.
19. Ahoana no nataon’ireo mpiara-belona tamin’i Jeremia? Nahoana ianao no tokony hanahaka an’i Jeremia?
19 Eritrereto ange hoe ianao no Jeremia e! Efa hatramin’ny andron’i Josia izy no nahita fa nanao ratsy teo imason’i Jehovah ny vahoakan’Andriamanitra. Niaina tao anatin’ny korontana koa izy ireo vokatry ny nataon’ireo firenena te hifehy an’i Joda. Fantatr’i Jeremia anefa fa mbola hiharatsy ny toe-javatra. Nilaza taminy ny olona tao amin’ny tanàna niaviany hoe: “Aza maminany amin’ny anaran’i Jehovah ianao sao hovonoinay.” (Jer. 11:21) Ary na dia tanteraka aza ny faminanian’i Jeremia, dia nilaza ny Jiosy hoe: “Tsy hihaino ny teny nolazainao taminay izahay, na dia nolazainao tamin’ny anaran’i Jehovah aza izany.” (Jer. 44:16) Notandindomin-doza anefa ny ain’izy ireo. Tandindomin-doza koa ny olona ankehitriny, ka mitory amin’izy ireo ianao. Hafatra avy amin’i Jehovah no torinao, toy ny nampitain’i Jeremia. Hazoto hanompo kokoa ianao, raha mandinika ny niarovan’i Jehovah an’i Jeremia talohan’ny naharavan’i Jerosalema.
Inona no toetra nasehon’i Jeremia tamin’ny fotoana nanjakan’i Joiakima ka azontsika tahafina? Inona no faminaniana miavaka momba ny fifanekena, mahakasika antsika amin’izao andro izao?
NADIVA HIFARANA NY FITONDRAN’ILAY TARANA-MPANJAKA
20. Nahoana no tena mafy tamin’i Jeremia ny fotoana nanjakan’i Zedekia? (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-29.)
20 Ny fotoana nanjakan’i Zedekia angamba no mafy indrindra tamin’i Jeremia. “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana” mantsy i Zedekia, toy ireo mpanjaka maro talohany. (Jer. 52:1, 2) Teo ambany fifehezan’ny Babylonianina izy, ary nasain’i Nebokadnezara nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah hoe hanaiky ny mpanjakan’i Babylona. Nikomy ihany anefa izy tatỳ aoriana. Nanery an’i Jeremia hikomy koa ny fahavalony tamin’izay.—2 Tan. 36:13; Ezek. 17:12, 13.
21-23. a) Inona no hevitra samy hafa nananan’ny mponina tao Joda? b) Nataon’ny olona ahoana i Jeremia noho ny hafatra nentiny, ary nahoana izany no mahakasika anao?
21 Nandefa iraka tany amin’i Zedekia tany Jerosalema ny mpanjakan’i Edoma, Moaba, Amona, Tyro, ary Sidona, teo am-piandohan’ny fanjakan’i Zedekia. Tian’izy ireo hanampy azy hiady amin’i Nebokadnezara angamba i Zedekia. Nampirisihin’i Jeremia anefa i Zedekia mba hanaiky hofehezin’i Babylona. Niresaka tamin’ireo iraky ny mpanjaka hafa ireo koa izy, ka nampiasa zioga mba hampisehoana fa tokony hanompo an’i Babylona koa ny firenen’izy ireo. (Jer. 27:1-3, 14)c Tsy tian’ny olona izany hafatra nentin’i Jeremia izany. Vao mainka nanasarotra ny asany koa i Hanania, mpaminany sandoka. Nolazain’izy io fa nilaza Andriamanitra hoe: ‘Hotapahina ny ziogan’ny Babylonianina.’ Nilaza tamin’ny alalan’i Jeremia àry i Jehovah hoe ho faty ao anatin’ny herintaona i Hanania, ary izany tokoa no nitranga.—Jer. 28:1-3, 16, 17.
22 Nizara roa ny mponin’i Joda: Nihevitra ny sasany hoe mila manaiky hofehezin’i Babylona. Nisy kosa nampirisika hoe mila mikomy. Nikomy i Zedekia tamin’ny taona 609 T.K., ka nangataka fanampiana tamin’i Ejipta. Niredareda ny fitiavan-tanindrazana tamin’izany, ka tsy maintsy niaritra ny nataon’ireo mpikomy i Jeremia. (Jer. 52:3; Ezek. 17:15) Niverina tao Joda i Nebokadnezara sy ny tafiny, mba hampitsahatra an’ilay fikomiana. Nataony izay hahazoana ny tanàna rehetra tao Joda, ary nataony fahirano indray i Jerosalema. Nilaza tamin’i Zedekia sy ny vahoaka i Jeremia tamin’izay fa ho resin’i Babylona i Jerosalema. Ho faty izay mijanona ao, fa ho avotra izay mitolo-batana amin’ny Babylonianina na Kaldeanina.—Vakio ny Jeremia 21:8-10; 52:4.
23 Nendrikendrehin’ny andrianan’ny Joda i Jeremia hoe manohana ny Babylonianina. Nokapohin’izy ireo sy nataony tao am-ponja izy, rehefa nilaza ny marina. (Jer. 37:13-15) Tsy nanalefaka ny hafatra nasain’i Jehovah nampitainy anefa i Jeremia. Nandresy lahatra an’i Zedekia àry ireo andriana hoe tokony hovonoina i Jeremia. Nataon’izy ireo tao anaty lavaka fanangonan-drano efa ritra izy, ary efa saika maty tao raha tsy novonjen’i Ebeda-meleka, tandapa niasa tao an-tranon’ny mpanjaka. (Jer. 38:4-13) Iharan’ny loza koa ny vahoakan’i Jehovah matetika, satria tsy manaiky hiditra amin’ny adilahy politika, noho ny feon’ny fieritreretany! Azo inoana fa hampahery anao ny tantaran’i Jeremia, ka ho afaka hiatrika zava-tsarotra ianao.
24. Inona avy ny zava-nitranga tamin’ny taona 607 T.K.?
24 Voagorobaky ny Babylonianina ny mandan’i Jerosalema, ny taona 607 T.K. Resy ilay tanàna. Nodoran’izy ireo ny tempolin’i Jehovah, narodany ny manda, ary novonoiny ireo olona ambony tao Joda. Nandositra i Zedekia nefa tratra ihany, ka nentina teo anatrehan’i Nebokadnezara. Nasaina novonoina teo imasony ireo zanany lahy tamin’izay. Nasaina nopotsirina koa ny mason’i Zedekia, ary nafatotra izy ka nentina tany Babylona. (Jer. 39:1-7) Tanteraka ny tenin’i Jeremia momba an’i Joda sy Jerosalema. Tsy hoe faly tamin’izany anefa izy. Nalahelo kosa izy noho ny loza nanjo ny mpiray tanindrazana taminy. Hitantsika ao amin’ny Fitomaniana ny fihetseham-pony. Tena tokony hanohina ny fontsika àry ny zavatra vakintsika ao.
NY ASAN’I JEREMIA TATỲ AORIANA
25, 26. a) Inona no nitranga taorian’ny naharavan’i Jerosalema? b) Ahoana no nataon’ny olona, rehefa nandre an’ilay hafatra nampitain’i Jeremia taorian’ny naharavan’i Jerosalema?
25 Nanao ahoana i Jeremia nandritra izany korontana izany? Nogadrain’ireo andrianan’i Jerosalema izy teo aloha, nefa tsara fanahy taminy ny Babylonianina, ka nanafaka azy. Nentina niaraka tamin’ireo Jiosy babo izy taorian’izay, nefa nafahana. Mbola nisy asa tian’Andriamanitra hataony eo anivon’ireo Israelita tsy babo. Nanendry an’i Gedalia ho governoran’i Joda i Nebokadnezara, ary nampanantena an’ireo Jiosy tavela tao hoe havelany hiaina amim-pilaminana izy ireo raha manompo azy foana. Nisy Jiosy tsy faly anefa, ka namono an’i Gedalia. (Jer. 39:13, 14; 40:1-7; 41:2) Nampirisika an’ireo Jiosy sisa tavela i Jeremia mba hijanona ao Joda, ary tsy hatahotra ny mpanjakan’i Babylona. Nilaza anefa ny mpitarika azy ireo hoe mpandainga i Jeremia, ka nandositra nankany Ejipta izy ireo. Nalainy an-keriny i Jeremia sy Baroka, ary nentiny nanaraka azy. Naminany anefa i Jeremia fa hanafika an’i Ejipta koa i Nebokadnezara. Handresy an’i Ejipta izy, ka hampidi-doza an’ireo Jiosy mpitsoa-ponenana.—Jer. 42:9-11; 43:1-11; 44:11-13.
26 Tsy nihaino an’i Jeremia indray anefa ny olona. Nahoana? Hoy izy ireo: “Hatramin’ny tsy nanoloranay setroka ho sorona ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’, sy tsy nandrarahanay fanatitra zava-pisotro ho azy intsony, dia tsy manana na inona na inona izahay sady ripaky ny sabatra sy ny mosary.” (Jer. 44:16, 18) Tena niharatsy ny mpiara-belona tamin’i Jeremia! Izy kosa tsy nivadika. Tena mampahery izany! Midika mantsy izany fa afaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah ny olona tsy lavorary, na dia mivadika daholo aza ny manodidina azy!
27. Inona no nitranga nandritra ireo taona faramparany naminanian’i Jeremia?
27 I Evila-merodaka no nandimby an’i Nebokadnezara. Nanafaka an’i Joiakina tao am-ponja izy tamin’ny taona 580 T.K., ary io no zava-nitranga farany nosoratan’i Jeremia. (Jer. 52:31-34) Efa 90 taona teo ho eo angamba i Jeremia tamin’izay. Tsy fantatra mazava tsara hoe nanao ahoana ny fiainany talohan’ny nahafatesany. Azo inoana anefa fa tany Ejipta izy tamin’izany, ary tsy nivadika mandra-pahafatiny. Nanao asa fanompoana manokana nandritra ny 67 taona teo ho eo izy. Nanompo nandritra ny fotoana nampiroboroboana ny fivavahana marina izy, nefa koa nanompo nandritra ny taona maro feno fivadiham-pinoana. Nihaino azy izay natahotra an’Andriamanitra. Nanda ny hafatra nentiny kosa ny ankamaroan’ny olona, ary nisy aza nanohitra. Tsy nahomby àry ve i Jeremia? Tsy izany mihitsy! Vao nanomboka naminany izy dia efa nilaza taminy i Jehovah hoe: “Tsy maintsy hiady aminao ireo, nefa tsy haharesy anao, satria ‘momba anao aho.’ ” (Jer. 1:19) Toy ny asan’i Jeremia ny asa ampanaovina antsika Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Toy ny nandraisan’ny olona ny hafatra nentiny àry no handraisan’ny olona ny hafatra entintsika. (Vakio ny Matio 10:16-22.) Inona no azontsika ianarana avy amin’i Jeremia? Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanompoantsika? Handinika an’ireo fanontaniana ireo isika izao.
Inona no nanjo an’i Zedekia sy ny vahoaka nanda ny hafatr’i Jeremia? Ahoana ny hevitrao momba an’i Jeremia?
a Misy mihevitra fa iray ihany ny zavatra tantarain’ny Jeremia 7:1-15 sy ny 26:1-6, satria mitovitovy ny fomba filazan-javatra ao.
b Milaza ny Daniela 1:1, 2 fa natolotra teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima, tamin’ny taona fahatelo nanjakany teo ambany fifehezan’i Babylona. Mety ho maty nandritra ny fahirano àry izy. Milaza i Josèphe, mpahay tantara, fa novonoin’i Nebokadnezara i Joiakima, ary natsipy tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema ny fatiny, fa tsy nalevina. Na izany aza, dia tsy mitantara ny nitrangan’izany ny Baiboly.—Jer. 22:18, 19; 36:30.
c Diso angamba ilay olona nanao dika mitovy ny Jeremia 27:1 rehefa nanoratra hoe Joiakima, satria i Zedekia no resahin’ny andininy faha-3 sy faha-12.