Mandoto ny Fitoerana Masin’i Jehovah ny Mpanjaka Iray
“Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia [handresy, NW ]”. — DANIELA 11:32.
1, 2. Fifandrafiana mampivarahontsana inona no nanamarika ny tantaran’olombelona nandritra ny 2 000 taona mahery?
MISY mpanjaka mpifandrafy roa lahy izay rafitra ady mafy ho amin’ny fahamboniana. Tafakatra ambony aloha ilay iray, avy eo dia ilay faharoa, satria mitohy efa hatramin’ny roa arivo taona mahery ilay ady. Amin’izao androntsika izao, ilay ady mafy dia misy fiantraikany eo amin’ny ankamaroan’ny olona eto an-tany sady misedra ny tsy fivadihan’ny vahoakan’Andriamanitra. Izy io dia mifarana amin’ny fisehoan-javatra iray izay tsy ampoizin’ireo herim-panjakana roa ireo. Io tantara mampivarahontsana io dia efa nambara mialoha tamin’ilay mpaminany fahiny atao hoe Daniela. — Daniela, toko faha-10 ka hatramin’ny toko faha-12.
2 Ilay faminaniana dia mifandray amin’ilay fifandrafiana nitohy hatrany teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, ary izany dia voaresaka amin’ny antsipiriany ao amin’ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”.a Aseho ao amin’io boky io fa ny mpanjakan’ny avaratra tany am-boalohany dia i Syria, izay tany avaratry ny Isiraely. Taorian’izay, dia noraisin’i Roma ilay anjara toerana. Tamin’ny voalohany, dia i Egypta no mpanjakan’ny atsimo.
Fifandrafiana amin’ny andro farany
3. Araka ny voalazan’ilay anjely, rahoviana no ho takatra ny hevitr’ilay faminaniana momba ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, ary amin’ny fomba ahoana?
3 Niteny toy izao ilay anjely nanambara izany zavatra izany tamin’i Daniela: “Ary hianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.” (Daniela 12:4). Eny, misy ifandraisany amin’ny andro farany ilay faminaniana — dia amin’ny vanim-potoana iray nanomboka tamin’ny 1914. Nandritra io fotoana voamarika io, dia maro no “hazoto mandinika” ny Soratra Masina, ary noho ny fanampian’ny fanahy masina, dia hitombo ny fahalalana marina ka tafiditra amin’izany ny fahatakarana ny hevitr’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 4:18). Arakaraka ny mahatafiditra antsika lalindalina kokoa hatrany ao amin’io fotoana io, dia mihamaro hatrany ireo tsipiriany amin’ny faminanian’i Daniela mihamazava. Ahoana àry no tokony hahatakarantsika ny hevitr’ilay faminaniana mikasika ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo amin’izao 1993 izao, 35 taona taorian’ny famoahana ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”?
4, 5. a) Aiza no toeran’ny taona 1914 ao amin’ny faminanian’i Daniela mikasika ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo? b) Araka ny voalazan’ilay anjely, dia inona no hitranga amin’ny 1914?
4 Ny fiandohan’ny andro farany tamin’ny 1914 dia nanana ho famantarana ny ady lehibe voalohany sy ireo fahoriana maneran-tany hafa izay nambaran’i Jesosy mialoha. (Matio 24:3, 7, 8). Azontsika tondroina ao amin’ny faminanian’i Daniela ve ny toeran’io taona io? Eny. Ny fiandohan’ny andro farany dia ilay “fotoana voatondro” nasiana fitenenana ao amin’ny Daniela 11:29 (NW ). (Jereo ny “Que ta volonté soit faite sur la terre”, pejy faha-269-270.) Izany dia fotoana efa voatondron’i Jehovah tamin’ny andron’i Daniela, satria izy io dia tonga tamin’ny faran’ireo 2 520 taona voalaza ao amin’ireo fisehoan-javatra misy heviny ara-paminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-4.
5 Nantsoina hoe “fotoana voatondro ho an’ireo firenena” ireo 2 520 taona ireo izay nanomboka tamin’ny faharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. nandritra ny fahatanoran’i Daniela, ka mandra-pahatongan’ny 1914 am.f.i. (Lioka 21:24, NW ). Fisehoan-javatra ara-politika inona avy no hanamarika ny faran’ireo taona ireo? Nanambara izany tamin’i Daniela ny anjely iray. Hoy ilay anjely: “Amin’ny fotoana [voatondro, NW ] dia ho lasa mianatsimo indray izy [ny mpanjakan’ny avaratra]; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany”. — Daniela 11:29.
Resy tamin’ny ady iray ilay mpanjaka
6. Tamin’ny 1914, iza no mpanjakan’ny avaratra, ary iza no mpanjakan’ny atsimo?
6 Tamin’ny 1914, ny anjara toeran’ny mpanjakan’ny avaratra dia noraisin’i Alemaina izay nanana an’i Kaiser Wilhelm ho mpitarika. (“Kaiser”, avy amin’ny anaram-boninahitra romana hoe “Kaisara”.) Ny fipoahan’ireo fifankahalana tany Eoropa dia mbola tapany hafa iray amin’ireo fitohitohizana fifandonana nisy teo amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Ny anjara toeran’itỳ farany, ny mpanjakan’ny atsimo, izao dia lasan’i Grande-Bretagne izay nandimby toerana haingana an’i Egypta, ilay faritry ny mpanjakan’ny atsimo tany am-boalohany. Rehefa nandroso ny ady, dia nikambana tamin’i Grande-Bretagne ny zanataniny taloha, dia i Etazonian’i Amerika. Ny mpanjakan’ny atsimo dia nanjary ny Herim-panjakana Anglisy-Amerikana, ilay empira mahery indrindra teo amin’ny tantara.
7, 8. a) Tamin’ny ady lehibe voalohany, tamin’ny ahoana ny zavatra no nanjary tsy ‘toy ny tamin’ny voalohany’? b) Inona no niafaran’ny ady lehibe voalohany, kanefa araka ny faminaniana, dia nanao ahoana ny fihetsiky mpanjakan’ny avaratra?
7 Tao amin’ireo ady teo aloha teo amin’ireo mpanjaka roa ireo, dia nahazo fandresena foana ny Empira Romana tamin’ny naha-mpanjakan’ny avaratra azy. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia ‘tsy toy ny tamin’ny voalohany ny zavatra’. Fa nahoana? Satria resy tamin’ny ady iray ny mpanjakan’ny avaratra. Ny antony iray nahatonga izany dia satria tonga namely ny mpanjakan’ny avaratra “ny sambon’i Kitima”. (Daniela 11:30). Inona moa ireo sambo ireo? Tamin’ny andron’i Daniela, i Kitima dia i Chypre, ary tamin’ny fiandohan’ny ady lehibe voalohany, i Chypre dia nampidirin’i Grande-Bretagne ho anisan’ny tany notapahiny. Ambonin’izany, araka ny The Zondervan Pictorial Encyclopedia of the Bible, ny anarana hoe Kitima dia “miitatra ka mahatafiditra ny A[ndrefana] amin’ny ankapobeny, ind[rindra] fa ny fivezivezena an-dranomasina A[ndrefana]”. Ny New International Version dia mandika ilay fitenenana hoe “sambon’i Kitima” ho “sambon’ireo moron-tsiraka tandrefana”. Tamin’ny ady lehibe voalohany, ny sambon’i Kitima dia hita fa ireo sambon’i Grande-Bretagne, izay niantsona teo amin’ny moron-tsiraka andrefan’i Eoropa. Tatỳ aoriana, ny Tafika An-dranomasina Britanika dia nohatevenin’ny sambo avy tany amin’ny kaontinentan’ny Amerika Avaratra, any andrefana.
8 Teo ambanin’io fanafihana io, dia nanjary “kivy” ny mpanjakan’ny avaratra, ary dia nanaiky ho resy tsy satry izy tamin’ny 1918. Tsy vita teo anefa ny aminy. “Hiverina [izy] ary hisafoaka amin’ny fanekena masina ka hamely [amin’ny fomba mandaitra, NW ]; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin’ireo efa mahafoy ny fanekena masina.” (Daniela 11:30). Toy izany no naminanian’ilay anjely azy, ary toy izany no hita fa nitranga.
Mamely amin’ny fomba mandaitra ilay mpanjaka
9. Inona no nitarika ho amin’ny fisandratan’i Adolf Hitler, ary ahoana no ‘namelezany tamin’ny fomba nandaitra’?
9 Taorian’ny ady, tamin’ny 1918, ireo Mpiray Dina nandresy dia nampihatra an-keriny fanekem-pihavanana fanasaziana tamin’i Alemaina, toa natao mba hitanana ny vahoaka alemanina hadiva ho faty noana nandritra ny fotoana tsy voafetra tamin’ny hoavy. Ho vokatr’izany, rehefa avy nivembena mafy nandritra ny taona vitsivitsy tao anatin’ny fara fahoriana i Alemaina, dia vonona ho amin’ny fisandratan’i Adolf Hitler. Tonga teo amin’ny fahefana tampony i Hitler tamin’ny 1933, ary avy hatrany izy dia nandefa fanafihana feno fahasiahana tamin’ny “fanekena masina” izay nasehon’ireo rahalahin’i Jesosy Kristy voahosotra. Tamin’izany izy dia namely tamin’ny fomba nandaitra ireo Kristiana tsy nivadika ireo, nanenjika tamin-kabibiana ny maro tamin’izy ireo.
10. Mba hitadiavana fanohanana, dia nanambitamby an’iza i Hitler, ary inona avy no vokany?
10 Nahita fahombiazana ara-toe-karena sy diplaomatika i Hitler, ka namely tamin’ny fomba nandaitra koa izy tamin’io lafiny io. Tao anatin’ny taona vitsivitsy izy dia nanao an’i Alemaina ho herim-panjakana iray tokony hasiana fiheverana, ka nanampy azy tamin’io ezaka io “ireo efa mahafoy ny fanekena masina”. Iza moa ireo? Miharihary fa izy ireo dia ireo mpitarika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izay mihambo ho manana fifandraisam-panekena amin’Andriamanitra kanefa efa hatramin’ny ela no nitsahatra tsy ho mpianatr’i Jesosy Kristy. Nitady tamim-pahombiazana ny fanohanan’ireo “efa mahafoy ny fanekena masina” i Hitler. Nanao fifanarahana taminy ny papan’i Roma, ary ny Eglizy Katolika Romana mbamin’ireo fiangonana protestanta tany Alemaina dia nanohana an’i Hitler nandritra ireo 12 taona nanjakany tamin’ny fampihorohoroana.
11. Ahoana no nandotoan’ny mpanjakan’ny avaratra “ny fitoerana masina” sy ‘nampitsaharany ny fanatitra isan-andro’?
11 Nahita fahombiazana aoka izany i Hitler, hany ka nandeha niady izy, araka ny nilazan’ilay anjely azy mialoha tamin’ny fomba mety. “Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan-andro”. (Daniela 11:31a). Teo amin’ny Isiraely fahizay, ny fitoerana masina dia anisan’ilay tempoly tao Jerosalema. Rehefa nanda an’i Jesosy anefa ireo Jiosy, dia nolavin’i Jehovah izy ireo sy ny tempoliny. (Matio 23:37–24:2). Hatramin’ny taonjato voalohany, ny tempolin’i Jehovah, raha ny marina, dia tempoly ara-panahy iray manana ny masina indrindra any an-danitra, ary manana kianja ara-panahy eto an-tany izay anompoan’ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy Mpisoronabe. Nanomboka tamin’ireo taona 1930, dia niara-nanao fanompoam-pivavahana tamin’ireo sisa voahosotra ny olona betsaka; noho izany, dia lazaina fa manompo ‘ao amin’ny tempolin’Andriamanitra’ izy ireo. (Apokalypsy 7:9, 15; 11:1, 2; Hebreo 9:11, 12, 24). Ilay kianjan’ny tempoly teto an-tany dia voaloton’ny fanenjehana tsy nisy antra natao tamin’ireo sisa voahosotra sy ny namany tany amin’ireo tany notapahin’ny mpanjakan’ny avaratra. Mafy aoka izany ilay fanenjehana, hany ka nitsahatra ilay fanatitra isan’andro — ilay fanati-piderana ampahibemaso atao ho an’ny anaran’i Jehovah. (Hebreo 13:15). Asehon’ny tantara anefa fa, na dia teo aza ny fijaliana mahatsiravina, dia nanohy nitory tamim-piafenana ireo Kristiana voahosotra nahatoky niaraka tamin’ireo “ondry hafa”. — Jaona 10:16.
“Ny fahavetavetana”
12, 13. Inona ilay “fahavetavetana”, ary — araka ny efa hitan’ny mpanompo mahatoky sy malina mialoha — oviana ary tamin’ny fomba ahoana no niorenan’izy io indray?
12 Rehefa nanakaiky ny faran’ny ady lehibe faharoa, dia nisy fisehoan-javatra hafa iray. “Hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana [izy ireo].” (Daniela 11:31b). Io “fahavetavetana” io, izay notononin’i Jesosy koa, dia efa fantatra ho ny Fikambanam-pirenena, ilay biby dia mivolon-jaky izay nankany amin’ny lavaka tsy hita noanoa, araka ny Apokalypsy. (Matio 24:15; Apokalypsy 17:8; jereo ilay boky hoe Lumière, Boky Faharoa, pejy faha-94.) Nanao izany izy io rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’ilay Fivoriambe Teokratikan’izao Tontolo Izao Vaovao nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1942 anefa, dia niresaka ny amin’ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 i Nathan H. Knorr, prezidà fahatelon’ny Watch Tower Bible and Tract Society, ary nampitandrina izy fa mbola hipoitra indray avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ilay biby.
13 Manamafy ny fahamarinan’ireo teniny ireo ny tantara. Teo anelanelan’ny Aogositra sy Oktobra 1944, tao Dumbarton Oaks, tany Etazonia, dia natomboka novolavolaina ny fitsipika hitondrana izay hantsoina atỳ aoriana hoe Firenena Mikambana. Nisy firenena 51, anisan’izany ny Firaisana Sovietika taloha, nandany ilay fitsipika hitondrana ary rehefa nanan-kery izy io tamin’ny 24 Oktobra 1945, dia nivoaka avy tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ilay Fikambanam-pirenena efa maty.
14. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no niova ny maha-izy ny mpanjakan’ny avaratra?
14 Fahavalo lehibe indrindran’ny mpanjakan’ny atsimo i Alemaina nandritra ireo ady lehibe roa. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, ny tapany tamin’i Alemaina dia niova laharana mba ho tonga mpiray dina tamin’ny mpanjakan’ny atsimo. Ilay tapany hafa tamin’i Alemaina anefa dia nanjary niandany tamin’ny empira mahery hafa iray. Ny vondron’ireo firenena kaominista, izay nahatafiditra ny tapany amin’i Alemaina izao, dia nanohitra mafy tamin-kerim-po ny firaisan-dina anglisy-amerikana, ary nanjary Ady Mangatsiaka ilay fandrafiana teo amin’ireo mpanjaka roa ireo. — Jereo ny “Que ta volonté soit faite sur la terre”, pejy faha-264-284.
Ilay mpanjaka sy ny fanekena
15. Iza moa ireo “izay mivadika ny fanekena”, ary fifandraisana inona no nananan’izy ireo tamin’ny mpanjakan’ny avaratra?
15 Izao ilay anjely dia nilaza hoe: “Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny [“hotarihiny ho amin’ny fivadiham-pinoana”, NW ] amin’ny fandroboana”. (Daniela 11:32a). Iza moa ireo izay mivadika ny fanekena? Eto indray, dia tsy iza izy ireo fa ireo mpitarika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay mihambo ho Kristiana kanefa mandoto ilay anarana hoe Kristianisma mihitsy amin’ny asany. Nandritra ny ady lehibe faharoa, “ny Fitondrana Sovietika dia niezaka nampiasa ny fanohanana ara-nofo sy ara-tsain’ireo Fiangonana ho an’ny fiarovana ny tanindrazana”. (Religion in the Soviet Union, nataon’i Walter Kolarz). Taorian’ny ady, dia niezaka nitana izany fisakaizana izany ireo mpitondra ny fiangonana na dia teo aza ny foto-kevitra tsy mino ny fisian’Andriamanitra nijoroan’ilay herim-panjakana izay tonga mpanjakan’ny avaratra izao.b Araka izany, dia tonga naman’izao tontolo izao mbola tsy nisy toy izany ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana — fivadiham-pinoana maharikoriko eo imason’i Jehovah. — Jaona 17:14; Jakoba 4:4.
16, 17. Iza moa ireo “izay hendry”, ary nanao ahoana izy ireo teo ambanin’ny fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra?
16 Ahoana anefa ny amin’ireo tena Kristiana marina? “Fa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny kosa dia [handresy, NW ] ka hankatò azy. Ary izay hendry amin’ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.” (Daniela 11:32b, 33). Tsy naman’izao tontolo izao ireo Kristiana niaina teo ambanin’ny fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra, na dia ‘nanaiky ny fahefana lehibe’ araka ny tokony ho izy aza izy ireo. (Romana 13:1; Jaona 18:36). Nitandrina mba hanome an’i Kaisara izay an’i Kaisara izy ireo, no sady nanome koa “ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. (Matio 22:21). Noho io antony io dia voasedra ny tsy fivadihan’izy ireo. — 2 Timoty 3:12.
17 Inona no vokany? Sady ‘nandresy’ izy ireo no ‘lavo’. Lavo izy ireo amin’ny heviny hoe, izy ireo dia nenjehina sy nijaly fatratra, ary novonoina ho faty mihitsy aza ny sasany. Kanefa dia nandresy izy ireo amin’ny heviny hoe, tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra dia nitoetra ho tsy nivadika izy ireo. Eny, nandresy izao tontolo izao izy ireo, toy ny nandresen’i Jesosy an’izao tontolo izao. (Jaona 16:33). Ambonin’izany, dia tsy nitsahatra nitory mihitsy izy ireo, na dia tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby fitanana aza. Tamin’ny fanaovana izany izy ireo dia ‘nampianatra ny maro’. Na dia teo aza ny fanenjehana, dia nitombo ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny ankamaroan’ireo tany notapahin’ny mpanjakan’ny avaratra. Noho ny tsy fivadihan’ireo “izay hendry”, dia nipoitra tany amin’ireny tany ireny ny ampahany nitombo hatrany tamin’ny “olona betsaka”. — Apokalypsy 7:9-14.
18. “Famonjena kely” inona no noraisin’ireo sisa voahosotra niaina teo ambanin’ny fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra?
18 Rehefa niresaka ny amin’ny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra ilay anjely, dia nilaza mialoha hoe: “Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely”. (Daniela 11:34a). Ahoana no nitrangan’izany? Voalohany, ny fandresen’ny mpanjakan’ny atsimo tamin’ny ady lehibe faharoa dia nitondra fanamaivanana lehibe ho an’ireo Kristiana niaina teo ambany fanapahan’ny mpanjakan’ny avaratra. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 12:15, 16.) Avy eo, dia nahita fanamaivanana indraindray ireo izay nenjehin’ilay mpanjaka nandray ny toeran’ny mpanjakan’ny avaratra tatỳ aoriana. Ary arakaraka ny naha-lefy ny Ady Mangatsiaka, dia mpitondra maro no nanjary nahatakatra fa tsy fandrahonana velively akory ireo Kristiana mahatoky ka noho izany dia nomen’izy ireo fanekena ho ara-dalàna.c Nisy fanampiana lehibe tonga koa, avy amin’ny olona betsaka nitombo isa hatrany izay nanaiky ny fitoriana tamim-pahatokiana nataon’ireo voahosotra ary nanampy azy ireo, araka ny voalazalaza ao amin’ny Matio 25:34-40.
Fanadiovana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra
19. a) Tamin’ny ahoana ny sasany no ‘nikambana taminy tamin’ny fihatsarambelatsihy’? b) Inona no tiana holazaina amin’ilay fitenenana hoe “ambara-pahatongan’ny andro farany”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
19 Tsy nanana antony manosika tsara avokoa akory izay rehetra naneho fahalianana teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra nandritra izany fotoana izany. Nampitandrina toy izao ilay anjely: “Ary maro no hikambana aminy amin’ny fihatsarambelatsihy. Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, fa mbola ho amin’ny fotoana [voatondro, NW ] ihany izany.”d (Daniela 11:34b, 35). Nisy sasany naneho fahalianana tamin’ny fahamarinana saingy tsy vonona ny tena hanolo-tena marina mba hanompo an’Andriamanitra. Ny hafa izay toa nanaiky ny vaovao tsara dia tena mpitsikilon’ireo manam-pahefana. Izao no vakina ao amin’ny tatitra iray avy any amin’ny tany iray: “Ny sasany tamin’ireo olona maty eritreritra ireo dia Kaominista miharihary izay niditra an-tsokosoko tao anatin’ny fandaminan’ny Tompo, naneho zotom-po lehibe, ary voatendry tamin’ny toerana nisy andraikitra mihitsy aza.”
20. Nahoana i Jehovah no namela ny Kristiana nahatoky sasany ho “lavo” noho ireo mpihatsaravelatsihy niditra an-tsokosoko?
20 Nahatonga ireo tsy nivadika sasany ho teo am-pelatanan’ny manam-pahefana ireo mpitsofoka an-tsokosoko. Nahoana i Jehovah no namela zavatra toy izany hitranga? Ho fizahan-toetra, ho fanadiovana. Toy ny ‘nianaran’i Jesosy fankatoavana avy tamin’ireo zavatra niaretany’, dia nianatra fiaretana avy tamin’ny fitsapana ny finoany ireo fanahy nahatoky ireo. (Hebreo 5:8, NW; Jakoba 1:2, 3; ampitahao amin’ny Malakia 3:3.) Araka izany, izy ireo dia ‘nozahan-toetra sy nodiovina ary nofotsiana’. Misy fifaliana lehibe miandry ny olona nahatoky toy izany rehefa tonga ny fotoana voatondro hamalian-tsoa ny fiaretan’izy ireo. Ho hitantsika izany rehefa miresaka bebe kokoa ny amin’ny faminanian’i Daniela isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., ary navoaka voalohany tamin’ny fiteny anglisy tamin’ny 1958 tao amin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Sitrapon’Andriamanitra”.
b Ny World Press Review tamin’ny Novambra 1992 dia nilazalaza lahatsoratra iray tao amin’ny The Toronto Star nanao hoe: “Nandritra ny taona maromaro lasa, ny Rosiana dia nahita hevi-dravina am-polony maro tsy azo niadian-kevitra taloha, mikasika ny tantaran’ny taniny nirodana teo anatrehan’ny zava-misy. Kanefa dia ny famakiana betroka ny fiaraha-miasan’ny fiangonana tamin’ny fitondrana kaominista no mampiseho ny famelezana nandrava indrindra.”
d Ny hoe “ambara-pahatongan’ny andro farany” dia mety hidika hoe “mandritra ny andro farany”. Ilay teny nadika eto hoe “ambara-pahatonga” dia miseho ao amin’ny soratra arameana mikasika ny Daniela 7:25, ary ao izy io dia midika hoe “mandritra”. Manana heviny mitovy amin’izany ilay teny ao amin’ny soratra hebreo mikasika ny 2 Mpanjaka 9:22 sy Joba 20:5 ary ny Mpitsara 3:26. Ao amin’ny ankamaroan’ny fandikana ny Daniela 11:35 anefa, dia nadika hoe “ambara-pahatonga” izy io. Ary raha izany no fahatakarana mety ny amin’izy io, ilay “andro farany” eto izany dia tsy maintsy ho ilay andro ifaranan’ny fiaretan’ny vahoakan’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny “Que ta volonté soit faite sur la terre”, pejy faha-286.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana isika no tokony hanantena hahazo fahatakarana mazava kokoa ny hevitry ny faminanian’i Daniela amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no ‘nisafoahan’ny mpanjakan’ny avaratra sy namelezany tamin’ny fomba nandaitra’?
◻ Nanao ahoana ny fisehoana fanindroan’ilay “fahavetavetana” efa hitan’ny kilasin’ny mpanompo mialoha?
◻ Tamin’ny ahoana ireo sisa voahosotra no ‘lavo sy nandresy ary nahazo famonjena kely’?
[Sary, pejy 15]
Teo ambany fanapahan’i Hitler, ny mpanjakan’ny avaratra dia sitrana tanteraka tamin’ilay fahareseny tamin’ny 1918 teo anatrehan’ny mpanjakan’ny atsimo
[Sary, pejy 16]
Niezaka namboly fifandraisana tamin’ny mpanjakan’ny avaratra ireo mpitarika tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
[Sary nahazoan-dalana]
Zoran/Sipa Press