Aoka Isika Hanamafy ny Fatokisantsika ny Fahamarinan’Andriamanitra
“Hianao dia hianao no nampahafantariko izany, mba hitokianao amin’i Jehovah.” — OHABOLANA 22:19.
1, 2. a) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no matoky an’i Jehovah? (Ohabolana 22:19). b) Inona no manondro fa mila manamafy ny fatokisany an’i Jehovah ny olona sasany?
SAMBATRA tokoa ny Kristianina marina noho ny fananany fahalalana marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany. “Mpanompo mahatoky sy malina” no manome azy ireo amim-pitiavana ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety’. (Matio 24:45, NW ). Ny fahalalana azon’izy ireo dia manome azy fototra mafy orina hifaharan’ny fatokisany an’Andriamanitra. Araka izany, dia matoky an’i Jehovah sy ny fahamarinany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany, ary mampiseho izany amin’ny fomba miavaka.
2 Toa hita anefa fa mila manamafy izany fatokisana izany ny Vavolombelona sasany, raha izy isam-batan’olona no jerena. Indraindray ny Fikambanana dia maharay taratasy izay ahitana taratra fisalasalana mahakasika ireo fanazavana nomena tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakany. Nisy fanitsiana natao teo amin’ny fahazoana hevi-javatra, ka izany no mety ho nahatonga ireny fisalasalana ireny. Mety hiompana amin’ny raharaha mahakasika an’ilay mametraka fanontaniana koa izy ireny, indrindra raha mahakasika azy eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po ilay raharaha. — Ampitahao amin’ny Jaona 6:60, 61.
3. Inona no mety hitranga na dia amin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah aza, ary nahoana?
3 Na dia ireo tena mpanompon’i Jehovah aza dia mahita fa marina tamin’ny tenany ny Mpitoriteny 9:11, manao hoe: “Ary hitako atỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” Ahoana no mety hahamarina izany amin’ny heviny miitatra na ara-panahy? Ny tenantsika dia mety ho nahafantatra Kristianina haingan-tongotra na hoe mailaka teo amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly, mahery teo amin’ny fiarovana ny fahamarinana, hendry teo amin’ny fampiharana ireo foto-pitsipika ara-baiboly, ary be zotom-po teo amin’ny fikatsahana fahalalana marina. Noho ny “fotoana sy ny sampona” anefa, dia mety hanjary voafetra ny sasany ankehitriny raha ny amin’ny zava-bitany, noho ny voina nahazo azy na noho ny fandrosoan’ny taona. Mety hanontany tena izy ireny raha hiditra any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, tsy voatery handia fahafatesana.
4, 5. Nahoana ny Kristianina no tsy manana antony tsy hatokisana intsony ny fahamarinan’i Jehovah?
4 Rehefa maty vady ny Kristianina iray, dia mangidy tokoa ny fahoriana entiny ary lehibe ny fahabangana tsapany. Mety ho efa niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro, na am-polony taona maro mihitsy aza, izy mivady. Fantatr’ilay vady mbola velona fa manapaka tanteraka ny fatoram-panambadiana ny fahafatesana.a (1 Korintiana 7:39). Mba tsy hampihena tsikelikely ny fatokisany àry, dia tsy maintsy mifehy ny fihetseham-pony izy. — Ampitahao amin’ny Marka 16:8.
5 Fahendrena tokoa ny mihevitra ny fahafatesan’ny vady, ray, reny, zanaka, na namana kristianina akaiky, ho toy ny fahafahana hampiseho fa matoky ny fahamarinan’i Jehovah ny tena! Na dia mamoy olona nindaosin’ny fahafatesana aza isika, dia afaka matoky fa marina i Jehovah. Afaka matoky isika fa ho sambatra ny olona rehetra hahazo ny fiainana mandrakizay — na amin’ny alalan’ny fahatafitana velona izany na amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Hoy ny mpanao salamo, momba an’Andriamanitra: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra, sady mamindra fo amin’ny asany rehetra. Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.” — Salamo 145:16-19.
Fahatsapana ho nitondra fahoriana tsy amin’antony
6, 7. a) Nahoana ankehitriny no mety hanana fomba fijery hafa ny Vavolombelona sasany izay nitondra fahoriana tamin’ny lasa? b) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra an’i Jehovah ho tsy marina raha navelany hisy izany fahoriana izany tamin’ny lasa?
6 Tamin’ny lasa, ny Vavolombelona sasany dia nitondra fahoriana noho ny nandavany tsy handray anjara tamin’ny asa iray izay mety havelan’ny feon’ny fieritreretany hatao ankehitriny. Mety ho izany, ohatra, ny safidin’izy ireo, taona maro lasa izay, raha ny amin’ny karazana fanompoana sivily sasany. Mety hihevitra ny rahalahy iray ankehitriny fa azony atao ny manao izany amim-pieritreretana madio, tsy misy fandikana ny fialanalanany kristianina mahakasika ny fandehan-javatra ankehitriny.
7 Misy tsy fahamarinana ve amin’i Jehovah raha namela azy hitondra fahoriana noho ny nandavany zavatra izay sady azony atao ankehitriny no tsy misy voka-dratsiny rahateo ny fanaovana azy? Tsy nihevitra toy izany ny ankamaroan’ireo efa niaina an’izany. Faly kosa aza izy ireo nanana fahafahana hampiseho ampahibemaso sy mazava fa tapa-kevitra ny hiorina mafy izy ireo manoloana ilay raharaha iadian-kevitra momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao. (Ampitahao amin’ny Joba 27:5, NW.) Misy antony tokony hanenenan’ny olona iray ve raha nanaraka ny feon’ny fieritreretany izy, ka niandany mafy tamin’i Jehovah? Hita fa mendrika ny fisakaizan’i Jehovah izy ireo noho izy tsy nivadika fa nanohana ireo foto-pitsipika kristianina araka ny fomba nahazoany ny hevitr’izy ireny, na noho izy nanaraka ny feon’ny fieritreretany. Azo antoka fa fahendrena ny manalavitra lalana iray izay hanelingelina ny feon’ny fieritreretan’ny tena na azo inoana fa hahatafintohina ny hafa. Afaka misaintsaina ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly isika amin’io lafiny io. — 1 Korintiana 8:12, 13; 10:31-33.
8. Nahoana ireo Kristianina jiosy, izay nitandrina ny Lalàna taloha, no tsy nanana antony nisalasalana ny amin’ny fahamarinan’i Jehovah?
8 Mba hampifaliana an’i Jehovah, dia tsy maintsy nankato ny Didy Folo mbamin’ny lalàna maro isan-karazany tokony ho 600, ny Jiosy. Tatỳ aoriana, teo ambanin’ny fandaharana kristianina, dia tsy zavatra notakina mba hanompoana an’i Jehovah intsony ny fankatoavana ireny lalàna ireny, eny fa na dia ho an’ireo Jiosy ara-nofo aza. Anisan’ireo lalàna tsy nanan-kery intsony ireo lalàna momba ny famorana, ny fitandremana Sabata, ny fanolorana fanatitra biby, sy ny fitandremana fameperana ara-tsakafo sasany. (1 Korintiana 7:19; 10:25; Kolosiana 2:16, 17; Hebreo 10:1, 11-14). Ireo Jiosy — anisan’izany ireo apostoly — izay tonga Kristianina, dia nafahana tamin’ilay adidy hitandrina lalàna izay tsy maintsy nankatoaviny fony izy ireo teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna. Nitaraina ve izy ireo hoe tsy marina ny fandaharan’Andriamanitra satria nitaky tamin’izy ireo zavatra tsy nilaina intsony izy io taloha? Tsia, nifaly izy ireo satria niitatra kokoa ny fahatakaran’izy ireo ny fikasan’i Jehovah. — Asan’ny Apostoly 16:4, 5.
9. Inona no marina raha ny amin’ny Vavolombelona sasany, nefa nahoana izy ireo no tsy manana antony hanenenana?
9 Amin’ny andro maoderina, dia nisy Vavolombelona sasany izay hentitra dia hentitra teo amin’ny fomba fijeriny mahakasika izay hataony na tsy hataony. Nitondra fahoriana bebe kokoa noho ny hafa izy ireo, noho izany antony izany. Tatỳ aoriana, dia nanampy azy ireny hampivelatra ny fomba fijeriny zavatra ny fahalalana nitombo. Tsy nanana antony nanenenana anefa izy ireny tamin’ny nanaovany zavatra nifanaraka tamin’ny feon’ny fieritreretany, na dia azo inoana aza fa nampitombo ny fahoriana nentiny izany. Mendri-piderana tokoa ny nampisehoany ny fahavononany hitondra fahoriana noho ny fahatokiana teo anatrehan’i Jehovah, mba ‘hanaovana ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara’. Mitahy izany karazana fifikirana amin’Andriamanitra izany i Jehovah. (1 Korintiana 9:23; Hebreo 6:10). Nahatakatra hevi-dalina ny apostoly Petera, fony izy nanoratra hoe: “Raha tàhiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’Andriamanitra.” — 1 Petera 2:20.
Fianarana avy amin’i Jona
10, 11. Ahoana no nampisehoan’i Jona tsy fahampiam-patokisana an’i Jehovah a) fony izy notendrena hankany Ninive? b) rehefa tsy nandringana ny Ninivita Andriamanitra?
10 Rehefa nasaina nandeha tany Ninive i Jona, dia nampiseho tsy fahampiam-pankasitrahana ny fitokisana napetrak’i Jehovah taminy. Tarehin-javatra nampahatahotra no niainan’i Jona, noho ny tsy fetezany hankato. Taorian’izany anefa dia nahatsiaro saina izy, nahatakatra ny fahadisoany, nanaiky ny fanendrena azy ho any an-tany hafa, ary nampitandrina ireo Ninivita ny amin’ilay fandringanana nananontanona. Tonga tamin’izay àry ny tsy nampoizina: Noho ny fibebahan’ireo Ninivita, dia tapa-kevitra ny tsy handringana azy ireo i Jehovah. — Jona 1:1–3:10.
11 Nanao ahoana ny fihetsik’i Jona? Sosotra izy ka nitaraina tamin’Andriamanitra tamin’ny vavaka. Toy izao no votoatin’ny alahelony: ‘Efa azoko an-tsaina ange fa ho sahala amin’izao ny ho fandehany e! Izany no nahatonga ahy ho tsy ta handeha tany Ninive tamin’ny voalohany. Aiza ve ka efa ireny rehetra ireny no nodiaviko, anisan’izany ny horohoro sy ny fietreko tamin’ny niteleman’ny hazandrano lehibe ahy, sy ny niasako mafy mba hampitandremana ny Ninivita ny amin’ilay fandringanana efa antomotra, dia izao indray no vokany! Very maina fotsiny ny asa rehetra nataoko sy ny fahoriana rehetra nentiko! Aleoko maty ka!’ — Jona 4:1-3.
12. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Jona?
12 Nanana antony marim-pototra nitarainana ve i Jona? Tsy marina ve i Jehovah raha nampiseho famindram-po tamin’ireo mpanao ratsy nibebaka? Tokony ho faly i Jona, raha ny tena izy; olona an’aliny maro no voatsimbina tamin’ny fandringanana! (Jona 4:11). Ny fihetsiny tsy nisy fanajana sy be taraina anefa dia nampiseho fa tsy natoky tanteraka ny fahamarinan’i Jehovah izy. Nihevitra be loatra ny tenany izy, fa tsy nihevitra firy ny hafa kosa. Aoka isika handray fianarana avy amin’i Jona, ka hampandefitra ny tenantsika sy ny fihetseham-pontsika manokana. Aoka isika hiaiky mafy fa ny mankato an’i Jehovah sy ny manaraka ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ny fandaminany, ary ny manaiky ny fanapahan-keviny, no zavatra tsara tokony hatao. Miaiky mafy isika fa “hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra”. — Mpitoriteny 8:12.
Izao no fotoana tokony hanamafisana ny fatokisantsika!
13. Ahoana no azontsika rehetra anamafisana ny fatokisantsika an’i Jehovah?
13 Ny fanamafisana ny fatokisantsika an’i Jehovah no lalam-pahendrena. (Ohabolana 3:5-8). Mazava ho azy fa tsy vitan’ny fivavahana amin’i Jehovah fotsiny mba hanampiany antsika hanana fatokisana bebe kokoa, izany. Be kokoa noho izany no tsy maintsy ataontsika. Miorina amin’ny fahalalana marina ny fitomboan’ny fatokisana, koa tsy maintsy ataontsika ho anisan’ny zavatra fanaontsika isan’andro ny fianarana manokana ny Baiboly, izany hoe, ny famakiana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra manazava azy io. Tena zava-dehibe ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana kristianina, toy izany koa ny fanomanana tsara sy ny fandraisana anjara, araka izay azo atao. Rehefa ataontsika ho fahazarana ny mizara ireo fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa, ka resentsika amim-pahaiza-mandanjalanja ny fanoherana, dia mihalalina ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny Teniny. Manjary mifandray akaiky kokoa aminy isan’andro isika amin’izay.
14. Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no tsy maintsy matoky an’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay, rehefa afaka kelikely?
14 Amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hipoaka tampoka ilay fotoam-pahoriana lehibe indrindra hamely ny taranak’olombelona. (Matio 24:21). Rehefa higadona izy io, dia mila matoky ny fahamarinan’i Jehovah sy ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ny fandaminany ireo mpanompon’Andriamanitra, ary mila mampiseho izany mihoatra noho ny hatramin’izay. Amin’ny heviny ara-panoharana, dia hankato amin-toky izao baikon’Andriamanitra izao izy ireo: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrìna varavarana hianao, ka miere kely indray mipì-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” (Isaia 26:20). Efa niditra sahady ao amin’ilay rivo-piainana ahazoana fiarovana, eo anivon’ireo kôngregasiôna maherin’ny 85 000 any amin’ny tany 232, izy ireo. Na inona na inona zavatra fanampiny mety ho tafiditra amin’ilay baiko hoe “midira ao amin’ny efi-tranonao”, dia afaka matoky isika fa hanampy antsika hanatanteraka izany i Jehovah.
15. Ahoana no anantitranterana ilay raharaha mahakasika ny fatokisana, mandritra ny 1998, ary nahoana izany no mety?
15 Tena ilaina ankehitriny ny hanamafisantsika ny fatokisantsika. Tsy hety hisy fahatafitana velona raha tsy eo ny fatokisana an’ireo rahalahintsika kristianina sy ny fandaminan’i Jehovah, ary, indrindra fa ny fatokisana an’i Jehovah. Mety tokoa àry, mandritra ny 1998, ny namerimberenana nampahatsiahy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, tamin’ny alalan’ny andinin-tenin’izy ireo ho an’ny taona, fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”! (Romana 10:13, NW ). Tsy maintsy matoky izany hatrany isika. Raha misy fisalasalana kely fotsiny aza tsikaritsika ao amintsika, mahakasika an’io fatokisana io, dia tokony hanao zavatra dieny izao isika mba hanitsiana izany, eny, anio dia anio ihany.
Ho marina ny didim-pitsaran’i Jehovah
16. Mety hanao ahoana ny fatokisana raha tsy ampitomboina, ary ahoana no azontsika isorohana izany?
16 Ao amin’ny Hebreo 3:14, dia ampitandremana toy izao ireo Kristianina voahosotra: ‘Efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ny fatokiantsika hatramin’ny farany.’ Ny votoatin’ireo teny ireo dia mihatra koa amin’ny Kristianina manana fanantenana ny ho eto an-tany. Mety hihena tsikelikely ny fatokisana nananana tany am-boalohany raha tsy ampitomboina. Tena zava-dehibe tokoa ny anohizantsika mikatsaka fahalalana marina, ka amin’izany no hanamafisantsika ilay fototra iorenan’ny fatokisantsika!
17. Nahoana isika no afaka matoky fa hitsara araka ny marina i Jesosy, raha ny amin’ny fahatafitana velona?
17 Rehefa afaka kelikely dia hodinihin’i Kristy ny firenena rehetra mba hahafahany “hanavaka azy (...), tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. (Matio 25:31-33). Afaka matoky isika fa hanao zavatra araka ny marina i Kristy rehefa hitsara ny hoe iza no ho mendrika ny ho tafita velona. Nomen’i Jehovah ny fahendrena sy ny fahatakarana hevi-dalina ary ireo toetra hafa ilaina izy mba “hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana”. (Asan’ny Apostoly 17:30, 31). Aoka ianao hanana fiekena mafy sahala amin’ny an’i Abrahama, izay nilaza hoe: “Sanatria Anao [Jehovah] raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” — Genesisy 18:25.
18. Nahoana isika no tsy tokony hanahy tafahoatra ny amin’ny zavatra mety tsy ho fantatsika amin’izao fotoana izao?
18 Noho ny fatokisana tanteraka ny fahamarinan’i Jehovah, dia tsy mila manahy ny amin’ny fahitana ny valin’ny fanontaniana toy ireto isika: ‘Ahoana no hitsarana ny zaza menavava sy ny ankizy madinika? Mety hisy olona maro be mbola tsy tratran’ny vaovao tsara ve amin’ny fotoana hahatongavan’ny Haramagedona? Ahoana ny amin’ireo marary saina? Ahoana ny amin’ny ...?’ Marina fa mety tsy hahafantatra ny fomba handaminan’i Jehovah ireny raharaha ireny isika amin’izao fotoana izao. Hanao izany amim-pahamarinana sy amim-pamindram-po anefa izy. Tsy tokony hisalasala ny amin’izany mihitsy isika. Raha ny marina, dia mety ho talanjona sy ho faly isika mahita azy mandamina azy ireny amin’ny fomba izay tsy noheverintsika mihitsy. — Ampitahao amin’ny Joba 42:3; Salamo 78:11-16; 136:4-9; Matio 15:31; Lioka 2:47.
19, 20. (a) Nahoana no tsy ratsy ny mametraka fanontaniana marim-pototra? b) Rahoviana i Jehovah no hanome ny valiny ilaina?
19 Tsy hoe tsy mampirisika ny hametrahana fanontaniana amim-pahatsorana sy ara-potoana akory ny fandaminan’i Jehovah, araka ny fanendrikendrehan’ny mpanohitra sasany. (1 Petera 1:10-12). Manoro hevitra kosa anefa ny Baiboly fa tokony hohalavirintsika ny fanontaniana adaladala sy miorina amin’ny tombantombana. (Titosy 3:9). Ny fametrahana fanontaniana marim-pototra, sy ny fanaovana fikarohana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina mba hahitana valiny araka ny Soratra Masina, dia mampitombo ny fahalalana marina ananantsika, ka afaka manamafy ny fatokisantsika an’i Jehovah. Manaraka ny ohatr’i Jesosy ny fandaminana. Nifehy tena tsy hamaly fanontaniana izy, raha mbola tsy tonga ny fotoana mety tokony hamaliana izany. Hoy ny fanazavany: “Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.” (Jaona 16:12). Niaiky koa izy fa na ny tenany aza dia tsy nahafantatra zavatra sasany tamin’izay fotoana izay. — Matio 24:36.
20 Mbola manan-javatra betsaka hambara i Jehovah. Fahendrena ny miandry azy, amin’ny fatokisana fa hahariharin’Andriamanitra amin’ny fotoana mahamety azy indrindra ny fikasany. Afaka matoky isika fa rehefa tonga ny fotoana mety amin’i Jehovah, dia ho faly isika hahazo fanampim-pahalalana lalina momba ny lalany. Eny, hovalian-tsoa isika, raha matoky tanteraka an’i Jehovah sy ilay fandaminana ampiasainy. Manome toky antsika toy izao ny Ohabolana 14:26: “Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky, ary ny zanany hahazo fialofana.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 1 Jolay 1968, pejy faha-414 na Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1969 pejy faha-29; 1 Septambra 1987, pejy faha-30.
Ahoana no Hevitrao?
◻ Nahoana no tsy fahendrena ny hamelana ny fihetseham-po hampihena tsikelikely ny fatokisantsika an’i Jehovah?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Jona?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny fianarana ny Baiboly sy ny fanatrehana fivoriana?
[Sary, pejy 16]
Na dia mamoy olona nindaosin’ny fahafatesana aza isika, dia afaka matoky fa marina i Jehovah
[Sary, pejy 18]
Azonao antoka ve fa i Jehovah no tokinao?