Aoka “ny fiadanan’Andriamanitra” hiaro ny fonareo
“Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.” — NOMERY 6:26.
1. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, inona no nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty, ary mampiharihary inona izany?
TAMIN’NY taona 65 am.fan.ir., dia mpigadra tany Roma ny apostoly Paoly. Na dia nadiva ho faty tamin’ny fomba nahery vaika teo an-tanan’ireo mpamono romana aza i Paoly, dia tao anatin’ny fiadanana. Niharihary izany tamin’ireo teny nosoratany ho an’i Timoty, ilay sakaizany tanora kokoa, rehefa nilaza izy hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay”. — 2 Timoty 4:7, 8.
2. Inona no niaro ny fon’i Paoly nandritra ny fiainany feno fisehoan-javatra ka hatramin’ny nahafatesany?
2 Ahoana no nahafahan’i Paoly ho tony toy izany teo anatrehan’ny fahafatesana? Satria niaro ny fony ny “fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. (Filipiana 4:7). Niaro azy io fiadanana io nandritra ireo taona rehetra nanaovany asa betsaka hatrany am-piandohan’ny nanarahany ny kristianisma. Nanohana azy izany nandritra ny fanafiham-bahoaka, ny fanaovana an-tranomaizina, ny fikapohana, ary ny fitoraham-bato. Nanatanjaka azy izany fony izy niady tamin’ny fivadiham-pinoana sy ireo fitaoman’ny Jodaisma. Nanampy azy izany mba hitolona tamin’ny herin’ny demonia tsy hita maso. Miharihary fa nanatanjaka azy hatramin’ny farany izany. — 2 Korintiana 10:4, 5; 11:21-27; Efesiana 6:11, 12.
3. Fanontaniana inona avy no mipoitra mikasika ny fiadanan’Andriamanitra?
3 Hery lehibe toy inona moa io fiadanana io araka ny nahitan’i Paoly azy! Azontsika atao ve ny mianatra ny amin’izy io amin’izao andro izao? Moa ve izy io hanampy antsika hiaro ny fontsika sy hanatanjaka antsika raha eo ‘am-piadiana ny ady tsaran’ny finoana’ isika mandritra izao “andro sarotra tsy mora setraina” izao? — 1 Timoty 6:12; 2 Timoty 3:1, MN.
Ny fihavanana tamin’Andriamanitra — Ny fomba nahavery azy
4. Inona no hevitra sasany ananan’ny teny hoe “fiadanana” ao amin’ny Baiboly?
4 Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “fiadanana” dia manana heviny maro. Ireto manaraka ireto ny sasany, araka ny ilaharany ao amin’ny Ny Rakibolana vaovao iraisam-pirenena momba ny Teôlôjian’ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Manerana ny T[estamenta] T[aloha], [ny teny hoe sha·lohmʹ] (fiadanana) dia mahafaoka fahasoavana amin’ny heviny malalaka indrindra amin’ilay teny (Mpits. 19:20); fanambinana (Sal. 73:3), na dia mahakasika an’ireo tsy miraharaha an’Andriamanitra aza; fahasalamana ara-batana (Isaia 57:18[, 19]; Sal.38:3); fahafahampo (...) (Gen. 15:15 sns.); fifandraisana tsara [na fihavanana] eo amin’ny samy firenena na eo amin’ny samy olona (...) Mpits. 4:17; 1 Tant. 12:17, 18); famonjena (...) Jer. 29:11; jereo Jer. 14:13).” Zava-dehibe indrindra ny fifandraisana milamina [na fihavanana] amin’i Jehovah, izay, raha tsy misy azy, ny fiadanana hafa rehetra dia zara raha mihelina sy voafetra ihany. — 2 Korintiana 13:11.
5. Ahoana no nampikorontana ny fiadanan’ny zavatra noforoin’Andriamanitra tany am-piandohany?
5 Tany am-piandohana, dia nihavana tanteraka tamin’i Jehovah ny rehetra tamin’ny zavatra noforonina. Nanana antony tsara i Jehovah raha nilaza fa tsara indrindra ny asa famoronany rehetra. Marina tokoa fa nihoby ireo anjely tany an-danitra rehefa nahita azy ireo. (Genesisy 1:31; Joba 38:4-7). Nampalahelo anefa, fa tsy naharitra izany fiadanana teo amin’izao rehetra izao izany. Rava izany rehefa nitaona an’i Eva, izay noforonina farany indrindra tamin’ireo zavaboarin’Andriamanitra nanan-tsaina, tsy hankatò an’Andriamanitra, ny zavaboary ara-panahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Satana izao. Nanaraka azy i Adama vadin’i Eva, ary noho ny mpikomy telo tamin’ny fitambarany no nampisy ny tsy fifanarahana teo amin’izao rehetra izao. — Genesisy 3:1-6.
6. Inona no vokatry ny fahaverezan’ny fihavanana tamin’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona?
6 Ny fahaverezan’ny fihavanana tamin’Andriamanitra dia nitondra fahoriana be ho an’i Adama sy i Eva, izay nanomboka nihasimba tsikelikely ara-batana izao, fahasimbana izay niafara tamin’ny fahafatesan’izy ireo. Tsy nanam-piadanana tao amin’ny Paradisa i Adama fa tsy maintsy niady mafy tamin’ny tany lava volo tany ivelan’i Edena mba hamelomana ny ankohonany nitombo isa. Tsy niteraka tamim-pahafahampo taranak’olombelona tanteraka i Eva fa namokatra taranaka tsy tanteraka tao anatin’ny fanaintainana sy fijaliana. Ny fahaverezan’ny fihavanana tamin’Andriamanitra dia nitarika ho amin’ny fialonana sy ny herisetra teo amin’ny olombelona. Namono an’i Abela rahalahiny i Kaina, ary tamin’ny andron’ny Safodrano, dia feno herisetra ny tany manontolo. (Genesisy 3:7–4:16; 5:5; 6:11, 12). Rehefa maty ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia azo antoka fa tsy nodimandry tamim-pahafahampo, ‘tamim-piadanana’, sahala amin’i Abrahama taonjato maro tatỳ aoriana. — Genesisy 15:15.
7. a) Faminaniana inona no notononin’Andriamanitra mba hanambarana famerenana indray fiadanana tanteraka? b) Toy inona moa ny hery fitaomana nanjary nananan’i Satana fahavalon’Andriamanitra?
7 Taorian’ny nanarian’i Adama sy Eva ny fiadanana, dia mahita ny filazana voalohany ny amin’ny fifandrafiana ao amin’ny Baiboly isika. Niresaka tamin’i Satana Andriamanitra nanao hoe: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony”. (Genesisy 3:15). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nitombo aoka izany ny hery fitaoman’i Satana ka afaka niteny ny apostoly Jaona hoe: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Azo antoka fa tsy mihavana amin’Andriamanitra ny tontolo iray tapahan’i Satana. Mifanentana amin’izany àry, dia nampitandrina ireo kristiana i Jakoba mpianatra nanao hoe: “Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?” — Jakoba 4:4.
Mihavana eo amin’ny tontolo iray feno fankahalana
8, 9. Taorian’ny nanotan’i Adama, ahoana no nahafahan’ny olombelona nihavana tamin’Andriamanitra?
8 Tany Edena, fony Andriamanitra nilaza voalohany ny teny hoe “fifandrafiana”, dia nanambara mialoha koa ny fomba hamerenana amin’ny zavatra noforonina indray ny fiadanana tanteraka izy. Ilay taranaka nampanantenaina avy amin’ny vadin’Andriamanitra dia hanorotoro ny lohan’ilay mpandrava fiadanana tany am-piandohana. Hatreo Edena, ireo izay naneho finoana an’io fampanantenana io, dia nanana fifandraisana feno fihavanana tamin’Andriamanitra. Ho an’i Abrahama, izany dia tonga hatramin’ny fiheverana azy ho sakaiza. — 2 Tantara 20:7; Jakoba 2:23.
9 Tamin’ny andron’i Mosesy, i Jehovah dia nanao ny zanak’Isiraely, zafikelin’i Abrahama, ho firenena iray. Nanome ny fiadanany an’io firenena io izy, araka ny hita amin’ny tso-drano notononin’i Arona, ilay mpisoronabe, teo amin’izy ireo nanao hoe: “Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana”. (Nomery 6:24-26). Ho nitondra valisoa tondraka ny fiadanan’Andriamanitra, kanefa izany dia nomena nisy fepetra.
10, 11. Ho an’ny Isiraely, tamin’inona no naha-nisy fepetra ny fihavanana tamin’Andriamanitra, ary inona no vokatr’izany?
10 Nilaza tamin’ilay firenena i Jehovah hoe: “Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo ka mankatò izany, dia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. Ary homeko fiadanana eo amin’ny tany hianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary hianareo ho oloko”. (Levitikosy 26:3, 4, 6, 12). Afaka nahazo fiadanana ny Isiraely tamin’ny tsy fananany ahiahy tamin’ireo fahavalony, tamin’ny fahatondrahan’ny zavatra ara-nofo, ary tamin’ny fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah. Kanefa izany dia ho niankina tamin’ny fanarahany ny Lalàn’i Jehovah. — Salamo 119:165.
11 Nandritra ny tantaran’ilay firenena, ireo Isiraelita izay niezaka hitandrina tamim-pahatokiana ireo lalàn’i Jehovah dia nihavana tokoa taminy, ary mazàna izany dia nitondra fitahiana maro hafa. Nandritra ireo taona voalohany nanjakan’i Solomona mpanjaka, ny fihavanana tamin’Andriamanitra dia nitondra fanambinana ara-nofo ary koa fitsaharan’ny ady tamin’ireo nanodidina ny Isiraely. Nilazalaza izany fotoana izany ny Baiboly nanao hoe: “Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba”. (1 Mpanjaka 5:5, [4:25, MN]). Na dia nisy fifankahalana nipoaka aza teo amin’ireo tany nanodidina, ireo Isiraelita nahatoky dia mbola nanana ihany ny fiadanana izay tena zava-dehibe, dia ny fihavanana tamin’Andriamanitra. Araka izany, dia nanoratra toy izao i Davida mpanjaka, mpiady nalaza iray: “Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory koa, satria Ianao irery ihany, Jehovah ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy”. — Salamo 4:8, MN.
Fototra tsara kokoa ho an’ny fiadanana
12. Ahoana tamin’ny farany no nandavan’ny Isiraely ny fihavanana tamin’Andriamanitra?
12 Farany, dia tonga ilay Taranaka tokony hamerina fiadanana tanteraka indray, tsy iza izany fa ny tenan’i Jesosy, ary nisy anjely nihira toy izao tamin’ny nahaterahany: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” (Lioka 2:14). Niseho teo amin’ny Isiraely i Jesosy, kanefa na dia teo ambanin’ny faneken’Andriamanitra aza izy, io firenena io tamin’ny fitambarany dia nanda azy ary nanolotra azy teo am-pelatanan’ny Romana mba hovonoina. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nitomany noho ny amin’i Jerosalema i Jesosy tamin’ny fitenenana hoe: “Raha mba nahafantatra mantsy hianao na dia amin’ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! — fa ankehitriny miafina amin’ny masonao izany”. (Lioka 19:42; Jaona 1:11). Noho ny fandavany an’i Jesosy, dia nanary tanteraka ny fihavanany tamin’Andriamanitra ny Isiraely.
13. Fomba vaovao inona no naorin’Andriamanitra ho an’ny olombelona mba hahitany fihavanana Aminy?
13 Na dia izany aza, dia tsy voasakantsakana ny fikasan’Andriamanitra. Natsangana tamin’ny maty i Jesosy ary nanolotra an’i Jehovah ny vidin’ny ainy tanteraka izy, ho avotra ho an’ireo olona mahitsy fo. (Hebreo 9:11-14). Ny soron’i Jesosy dia tonga fomba vaovao sady tsaratsara kokoa ho an’ny olombelona — ho an’ny Isiraelita ara-nofo sy ny Jentilisa — mba hahitana fihavanana amin’Andriamanitra. Hoy i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny kristiana tany Roma: “Fony mbola fahavalo isika, dia nanjary nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny fahafatesan’ny Zanany.” (Romana 5:10, MN). Tamin’ny taonjato voalohany, ireo izay nihavana tamin’izany fomba izany dia nohosorana tamin’ny fanahy masina ary natsangana ho zanak’Andriamanitra sy ho anisan’ny firenena ara-panahy vaovao iray nantsoina hoe “ny Isiraelin’Andriamanitra”. — Galatiana 6:16; Jaona 1:12, 13; 2 Korintiana 1:21, 22; 1 Petera 2:9.
14, 15. Lazalazao ny amin’ny fiadanan’Andriamanitra, ary hazavao ny fomba iarovany ny kristiana na dia lasibatry ny fankahalan’i Satana aza izy ireo.
14 Ho tonga lasibatry ny fankahalan’i Satana sy ny tontolony ireo Isiraelita ara-panahy vaovao ireo. (Jaona 17:14). Kanefa, dia hahazo “fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika” izy ireo. (2 Timoty 1:2). Nilaza taminy i Jesosy hoe: “Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia [mahereza, MN]; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”. — Jaona 16:33.
15 Io ilay fiadanana izay nanampy an’i Paoly sy ireo kristiana namany hiaritra na dia teo aza ireo fahoriana rehetra natrehin’izy ireo. Izy io dia taratry ny fifandraisana milamina sy mirindra amin’Andriamanitra izay nety hisy noho ny soron’i Jesosy. Manome fiadanan-tsaina feno fahatoniana izy io ho an’izay manana azy, arakaraka ny hahafantarany ny fiahian’i Jehovah. Mahatsapa fiadanana mitovy amin’izany ny ankizy iray miampify eo an-tratran’ny ray be fitia iray, mahatsapa fatokiana tsy misy fisalasalana izy fa misy olona miandraikitra azy izay mikarakara azy. Nampirisika ny Filipiana toy izao i Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy”. — Filipiana 4:6, 7.
16. Tamin’ny ahoana ny fihavanana tamin’Andriamanitra no nisy akony teo amin’ny fifandraisan’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany tamin’izy samy izy?
16 Vokatra iray avy amin’ny fanarian’ny olombelona ny fihavanany tamin’Andriamanitra ny fankahalana sy ny tsy fifanarahana. Ho an’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany kosa, ny fahitana fihavanana tamin’Andriamanitra dia nitondra vokany tena nifanohitra tamin’izany: fihavanana sy firaisan-tsaina teo amin’izy samy izy, izay nantsoin’i Paoly hoe: “fehim-pihavanana”. (Efesiana 4:3). Izy ireo dia ‘niray saina ka nihavana, ary teo aminy ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana’. Ankoatra izany, izy ireo dia nitory “ny teny soa mitondra fiadanana” izay, araka ny foto-keviny, dia vaovao tsara momba ny famonjena ireo “zanaky ny fiadanana” izay mandray tsara izany. — 2 Korintiana 13:11; Asan’ny apostoly 10:36; Lioka 10:5, 6.
Fanekem-pihavanana iray
17. Inona no nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany amin’izao androntsika izao?
17 Mety ho hita ve ny fiadanana toy izany amin’izao andro izao? Eny. Hatramin’ny nanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fanapahan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra tamin’ny 1914, dia nanangona ny sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra hiala amin’izao tontolo izao i Jehovah ary nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo. Nanatanteraka tamin’izay ny fampanantenany natao tamin’ny alalan’ny mpaminany Ezekiela izy: “Hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay”. (Ezekiela 37:26). Nanao io fanekena io i Jehovah tamin’ireo kristiana voahosotra izay maneho finoana ny soron’i Jesosy, sahala amin’ireo rahalahiny tamin’ny taonjato voalohany. Voadio ho afaka tamin’ny loto ara-panahy izy ireo ka nanolo-tena ho an’ny Rainy any an-danitra ary miezaka manaraka ireo didiny, miavaka indrindra amin’ny fitarihana ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina. — Matio 24:14.
18. Ahoana no fihetsiky ny olona sasany avy amin’ireo firenena rehefa takany fa eo amin’ny Isiraelin’Andriamanitra ny anaran’Andriamanitra?
18 Nanohy toy izao ilay faminaniana: “Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin’ny isian’ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay”. (Ezekiela 37:27, 28). Mifanaraka amin’izany, dia misy olona ana hetsiny maro, eny an-tapitrisany maro, avy “amin’ny firenena” miaiky fa eo amin’ny Isiraelin’Andriamanitra ny anaran’i Jehovah. (Zakaria 8:23). Avy amin’ny firenena rehetra izy ireo no nitambatra ho andiany iray mba hanompo an’i Jehovah miaraka amin’io firenena ara-panahy io, ka mahaforona ny “olona betsaka” hita mialoha tao amin’ny Apokalypsy. Noho izy ireo ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’, dia ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe izy ireo ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovao iray feno fiadanana. — Apokalypsy 7:9, 14.
19. Fiadanana inona no ananan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao?
19 Miaraka, ny Isiraelin’Andriamanitra sy ny olona betsaka dia manana fiadanana ara-panahy azo ampitahaina amin’ilay fiadanana nananan’ny Isiraely teo ambanin’ny fanapahan’i Solomona mpanjaka. Mikasika ireo, dia naminany toy izao i Mika: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. (Mika 4:3, 4; Isaia 2:2-4). Mifanaraka amin’izany, dia niala tamin’ny ady sy ny fifandrafiana izy ireo, ka ara-panoharana, dia nanefy ny sabany ho fangady ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka. Tamin’izany, dia nanana firahalahiana feno fiadanana izy ireo manerana ny fikambanany iraisam-pirenena, na inona na inona fireneny, fiteniny, firazanany, na fiaviany ara-tsôsialy. Ary ravoravo izy ireo amin’ny fahazoana antoka fa manana ny fiahiana feno fiarovan’i Jehovah eo aminy. ‘Tsy misy manaitaitra azy.’ Marina tokoa fa ‘Jehovah nanome hery ny olony. Jehovah nitahy ny olony tamin’ny fiadanana’. — Salamo 29:11.
20, 21. a) Nahoana isika no tsy maintsy miasa mba hiarovana ny fihavanantsika amin’Andriamanitra? b) Inona no azontsika lazaina mikasika ny fiezahan’i Satana handrava ny fiadanan’ny vahoakan’Andriamanitra?
20 Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana anefa, dia nanetsika ny fankahalan’i Satana ny fiadanan’ireo mpanompon’Andriamanitra. Hatramin’ny nanjerana azy avy tany an-danitra taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914, i Satana dia nanao ady “tamin’ny zanany [ny an’ilay vehivavy] sisa”. (Apokalypsy 12:17). Na dia tamin’ny androny aza, dia nampitandrina toy izao i Paoly: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny (...) fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”. (Efesiana 6:12). Noho Satana voafetra ho eo amin’ny manodidina ny tany, dia ilaina maika dia maika io fampitandremana io.
21 Nampiasa ny tetika rehetra nananany i Satana tamin’ny fiezahany handrava ny fiadanan’ny vahoakan’Andriamanitra, kanefa tsy nahomby. Tany amin’ny taona 1919, dia tsy nisy 10 000 akory ny olona nikely aina nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana. Amin’izao andro izao, dia misy maherin’ny efatra tapitrisa no mandresy izao tontolo izao amin’ny finoan’izy ireo. (1 Jaona 5:4). Ho azy ireo, dia zava-misy ny fihavanana amin’Andriamanitra sy ny fihavanana eo amin’izy samy izy, na dia eo am-piaretana ny fankahalan’i Satana sy ny taranany aza izy ireo. Kanefa noho io fankahalana io, ary ho fiheverana ny tsy fahatanterahantsika manokana sy ny “andro sarotra tsy mora setraina” izay iainantsika, dia tsy maintsy miasa mafy isika mba hiarovana ny fiadanantsika. (2 Timoty 3:1, MN). Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hojerentsika izay tafiditra amin’izany.
Azonao hazavaina ve?
◻ Nahoana ny olombelona no nanary ny fihavanany tamin’Andriamanitra tany am-piandohana?
◻ Ho an’ny Isiraely, tamin’ny ahoana ny fihavanana tamin’Andriamanitra no nisy fepetra?
◻ Mifototra amin’inona ny fihavanana amin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?
◻ Inona ilay “fiadanan’Andriamanitra” izay miaro ny fontsika?
◻ Fitahiana fanampiny inona no ananantsika raha manana ny fihavanana amin’Andriamanitra isika?