Fianarana azo tsoahina avy amin’ny Soratra masina: Zakaria 1:1 ka hatramin’ny 14:21
Mamelona indray ny zotom-pon’ny olony Jehovah
TAMIN’NY faran’ny taona 538 alohan’ny fanisan-taona iraisana na tamin’ny fiandohan’ny taona 537, Kyrosy mpanjaka persiana dia namoaka didy manome lalana ny Jiosy handao an’i Babylona ka hiverina any Jerosalema mba ‘hanorina indray ny tranon’i Jehovah’ any. (Ezra 1:3.) Tamin’ny 520 alohan’ny fanisan-taona iraisana anefa, dia mbola tsy voaorina indray ihany ny tempoly. Izany no antony nanirahan’i Jehovah an’i Zakaria mpaminany sy nanendreny azy hiaraka tamin’i Hagay mba hamelona indray ny zotom-pon’ny olony.
Nahazo hery indray ireo Jiosy nahatoky noho ny tenin’Andriamanitra nampitain’i Zakaria tamin’izy ireo, izay nampiseho fa nanohana azy ireo i Jehovah ka hitahy ny asany. Mampahery antsika koa ny bokin’i Zakaria, satria mirakitra faminaniana momba ny Mesia, sy hafa koa izay tanteraka amin’izao androntsika izaoa. Manome fianarana sarobidy ho antsika koa izany.
Mitahy ny olony Jehovah
Miahy ny olony Jehovah. Niaiky ny Jiosy fa rariny ny an’Andriamanitra raha nifehy azy ireo; nanaraka izany, Zakaria dia nahazo fahitana telo nampiharihary fa miahy mandrakariva ny olony Andriamanitra. Tao amin’ny voalohany, dia nahita soavaly notaingenan’anjely izy. Velom-panahiana ny anankiray tamin’ireo anjely ireo satria ‘nandry fahizay’ ireo firenena tompon’andraikitra tamin’ny fahorian’ny Jiosy. Tao amin’ny faharoa, dia tapa-kevitra Jehovah ny hanjera ny “tandroka efatra”, na fanjakana mahery izay nampiely ny olony. Farany, ny fahitana fahatelo dia mampiseho amin’ny fomba manaitra ny fomba ikarakaran’i Jehovah an’i Jerosalema sy iarovany azy amim-pitiavana. — 1:1 ka hatramin’ny 2:17.
Tsy hisy olona ho afaka hanakantsakana ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra. Ao amin’ny fahitana fahefatra, Satana, ilay fahavalon’ny olon’i Jehovah lehibe indrindra, dia tenenina mafy (jereo Apokalypsy 12:10). Ao amin’ny fahadimy, Zakaria dia mampahafantatra fa na dia zava-misakana lehibe tahaka ny tendrombohitra aza dia tsy hahatana ny olon’Andriamanitra tsy hanao ny sitrapony. Amin’ny fomba ahoana? “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” — 3:1 ka hatramin’ny 4:14.
‘Mankahala ny ratsy’ ireo mpanompon’Andriamanitra. (Salamo 97:10, 11.) Ao amin’ny fahitana fahenina no anononan’Andriamanitra ozona ho an’ireo ratsy fanahy tsy mbola voasazy. Farany, ao amin’ny fahafito no ahitana sarin’ny faharatsiana entina ho any “amin’ny tany Sinara”, fototry ny fivavahan-diso babyloniana. Any no toerana mendrika azy! Tsy manana ny toerany eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah ny ratsy; mankahala izany izy ireo. Manaraka izany, dia nahita kalesy efatra notarihin-tsoavaly i Zakaria; hery ara-panahin’anjely notendrena hiaro ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany ireo. — 5:1 ka hatramin’ny 6:8.
Fahazavana ara-paminaniana
Mampientana sy manatanjaka ny fontsika ny fahatanterahan’ny teny ara-paminanian’i Jehovah. Izany tokoa no hita raha ny amin’ireo faminanian’i Zakaria momba ny androntsika. Indro izy izao, mitondra volafotsy sy volamena nomen’ny Jiosy babo, fa tsy maintsy manao satroboninahitra kanto ho an’i Josoa mpisoronabe. Ambonin’izany, “izay lavitra [any Babylona] dia ho avy ka hanao ao amin’ny tempolin’i Jehovah”; toy izany koa, be dia be no nandao an’i Babylona Lehibe mba hanompo ao amin’ny tempoly taorian’ny 1919. Nahitsy ny hevi-diso momba ny fifadian-kanina, ka nolazalazain’i Zakaria ny toe-piainana mahafaly ho hitan’i Jerosalema. Nambarany fa ‘hisy folo lahy avy amin’ny firenena rehetra’ hiaraka amin’ny Jiosy ara-panahy mba hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina (Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:4-10). “Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy!” hoy Jehovah. Tonga mitaingina boriky ny mpanjakany ary “hiteny fiadanana amin’ny jentilisa”. — 6:9 ka hatramin’ny 9:11.
Andriamanitra sy ireo mpiandry
Manana andraikitra mavesatra ireo mpiandraikitra ary tokony ho be zotom-po eo amin’ny asany. Rehefa avy nampanantena ny hamonjy ny olony Jehovah dia nanambara ny fahatezerany tamin’ireo mpiandry tsy nahatoky. “Mpiandry ondry” telo no manimba ny andian’ondry aoka izany, hany ka nanapaka ny fanekeny tamin’ny olony Andriamanitra. Ho tonga “vato mavesatra” Jerosalema. “Haratra dia haratra” izay rehetra hanafika azy. Kanefa, “ireo lohany amin’ny firenen’i Joda” — ireo notendrena hitandrina ny vahoaka voafidin’Andriamanitra — dia tokony ho sahala amin’ny “fanilo mirehitra”, hanana zotom-po manokana tokoa. — 9:12 ka hatramin’ny 12:14.
Halan’i Jehovah ny lainga. Ao anatin’ny kongregasionan’Andriamanitra, izay rehetra mikiry “miteny lainga” dia ‘lefonina’, ailika amin’ny maha-mpivadi-pinoana. Hesorina ny ‘androatokon’ny’ tany, fa hodiovina amin’ny afo kosa ny ampahatelony. Mifanaraka amin’io faminaniana io, ny ankamaroan’ireo milaza ho kristiana — ireo anisan’ny kristiana anarana — dia nesorin’i Jehovah. Nanomboka tamin’ny 1919, dia kristiana voahosotra sy mahatoky vitsy monja no niantso ny anaran’i Jehovah ka nanaiky ny fanadiovany. — 13:1-9.
Afaka miantehitra amin’ny fiarovany ireo mpanompon’i Jehovah. Rehefa hisy fahavalo hanandrana hanafoana ireo mpanaraka ny fanompoam-pivavahana marina, dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy no hiaro azy ireny sy hanorotoro ny tafik’i Satana. Mitresaka ny tendrombohitra Oliva ka mahaforona lohasaha an’ohatra andraisan’ireo kristiana voahosotra fiarovana eo ambanin’ny Fanjakan’i Jehovah manerana izao rehetra izao sy ny fitondram-panjakana mesianikan’ny Zanany. Hisy fahazavana ho an’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah ary fahamaizinana ho an’ireo firenena hafa. Tsy maintsy misafidy ny olombelona, na ny hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny olony, na ny ho ringana mandrakizay. — 14:1-21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ahitana fanadihadiana isan’andininy ny faminanian’i Zakaria ao amin’ilay boky hoe Le paradis rétabli parmi les hommes — grâce à la Théocratie!, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 31]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ 1:3 — Na dia tafaverina avy tany Babylona tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana aza ny Jiosy dia namporisihina koa mba hiverina amin’Andriamanitra, mba hankatò azy sy hanompo azy amin’ny fanahiny rehetra. Ho porofon’ny fiverenany amin’Andriamanitra, dia hilofo amin’ny fanorenana indray ny tempoly izy ireo mandra-pahavitan’ny asa.
○ 2:5-9 — Nandrefy an’i Jerosalema ilay zazalahy, angamba mba hanorenana manda fiarovana manodidina azy. Nanazava taminy anefa ilay anjelin’Andriamanitra fa tsy tokony ho voasakantsakan’ny manda ny fitomboan’ilay tanàna. Tsy misy olona ho afaka hisakana ny fitomboan’i Jerosalema hatrany. Hiantoka ny fiarovana azy Jehovah, toy ny iarovany amin’izao andro izao ny sisa amin’ireo kristiana voahosotra, izay ho anisan’i Jerosalema Vaovao any an-danitra. — Apokalypsy 21:2.
○ 6:11-15 — Ny fanomezana satroboninahitra an’i Josoa mpisoronabe dia tsy nahatonga azy ho mpanjaka sady mpisorona, satria tsy anisan’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida izy. Izy io kosa dia nataony sary ara-paminaniana mampiseho ny Mesia, nahatanterahan’ny faminaniana momba ny “Rantsana” tamin’ny fomba feno (Zakaria 3:8; Jeremia 23:5). Nanampy tamin’ny fanatontosana ireo asa fanorenana indray ny tempoly tany Jerosalema i Josoa. Ilay Mpanjaka sady Mpisorona any an-danitra, Jesosy Kristy, dia manatanteraka ny fanorenana ny tempoly ara-panahy.
○ 11:4-11 — “Ondry izay hovonoina” ireo olona azo ampitahaina amin’ny ondry amin’ny heviny hoe nanambaka azy ireo ny mpiandry, izany hoe ireo mpitondra. Tamin’ny tehina nantsoina hoe “Fahasoavana” ary ny anankiray natao hoe “Fikambanana”, Zakaria dia nandray ny toeran’ny mpiandry ondry mitondra tehina mba hitarihan-dalana ny andian’ondry sy tsorakazo handroahana ny biby dia (Salamo 23:4). Izy dia tandindon’i Jesosy, nirahina mba ho mpiandry ara-panahy, nefa nolavin’ny Jiosy. Sahala amin’ny nanapahan’i Zakaria ny tehina Fahasoavana, dia tsy nifampiraharaha tamin’ny Jiosy tamim-pahasoavana intsony Andriamanitra: nanapaka ny fanekena nifanaovany taminy izy. Ary sahala amin’i Zakaria izay nanapaka ny tehina Fikambanana, rehefa nanafoana ny faneken’ny Lalàna nifanaovana tamin’ny Isiraely Andriamanitra, dia nanaisotra tamin’ny Jiosy ny fatoram-pikambanana teokratika. Nitarika azy ireny ho amin’ny loza ny fisarahany ara-pivavahana, ho amin’ny fandravan’ny Romana ny tanànany tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana.
○ 12:11 — Angamba ny teny hoe “fisaonana tao Hadadrimona” manondro ny fisaonana tamin’ny nahafatesan’i Josia, mpanjakan’ny Joda. Hadadrimona dia toa tany amin’ny lohasahan’i Megido tany ho any, ka tany Josia no maty tamin’ny ady natao tamin’i Farao Neko. Nitomaniana ny fahafatesany; nihira ny amin’izany i Jeremia ary nanonona azy tao amin’ny hira fisaonana ireo mpihira. — 2 Tantara 35:20-25.
[Sary, pejy 31]
Araka ny nanambaran’i Zakaria azy, dia misy olona avy amin’ny firenena rehetra miaraka amin’ny Isiraely ara-panahy amin’izao andro izao.