Mampanan-karena ny Fitahian’i Jehovah
“Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” — OHABOLANA 10:22.
1-3. Na dia maro aza no manahy ny amin’ny zavatra ara-nofo, zavatra inona momba ny harena ara-nofo no tokony heken’ny rehetra?
MISY olona tsy mitsaha-miresaka momba ny vola — na ny tsy fananam-bola. Mampalahelo fa tamin’ireo taona faramparany, dia nanan-javatra betsaka horesahina izy ireo. Tamin’ny 1992, na dia ireo tany tandrefana manan-katao aza dia nahita fitambotsorana ara-toekarena, ka na ireo mpitantana na ireo mpiasa tsotra dia samy nanjary tsy an’asa. Maro no nanontany tena raha mbola hahita indray fotoana hisian’ny fanambinana tsy azo hozongozonina izy ireo indray andro any.
2 Ratsy ve ny manahy ny amin’ny fahasoavantsika ara-nofo? Tsia, hatramin’ny ambaratonga sasany dia ara-dalàna tsotra izao izany. Na dia izany aza, dia misy fahamarinana fototra iray izay tsy maintsy ekentsika momba ny harena. Raha ny tena izy, dia avy amin’ilay Mpamorona avokoa ny zavatra ara-nofo rehetra. Izy no “Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy”. — Isaia 42:5.
3 Na dia tsy mandahatra mialoha ny amin’izay hanankarena sy izay hahantra aza i Jehovah, isika rehetra dia ampamoahina ny amin’ny fomba ampiasantsika izay anjara azontsika amin’ny “tany sy ny vokatra avy aminy”. Raha mampiasa ny harentsika mba hanjakazakana eo amin’ny hafa isika, dia hampamoahin’i Jehovah. Ary na iza na iza manompo ny harena, fa tsy i Jehovah, dia hahita fa “izay matoky ny hareny dia ho lavo”. (Ohabolana 11:28; Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy; 1 Timoty 6:9). Ny fanambinana ara-nofo tsy arahin’ny fanekena an’i Jehovah avy amin’ny fo, raha ny tena izy, dia tsy hisy vidiny. — Mpitoriteny 2:3-11, 18, 19; Lioka 16:9, NW.
Ny fanambinana lehibe indrindra
4. Nahoana ny fanambinana ara-panahy no tsara kokoa noho ny fahatondrahana ara-nofo?
4 Ankoatra ny fanambinana ara-nofo, dia miresaka momba ny fanambinana ara-panahy koa ny Baiboly. Mazava fa io no tsara kokoa. (Matio 6:19-21). Mitondra ho amin’ny fifandraisana mahafa-po amin’i Jehovah, izay afaka ny haharitra mandrakizay, ny fanambinana ara-panahy. (Mpitoriteny 7:12). Fanampin’izany, ireo mpanompon’Andriamanitra manankarena ara-panahy dia tsy maty antoka raha ny amin’ny fitahiana ara-nofo mahasoa. Ao amin’ny tontolo vaovao, ny harena ara-panahy dia hifamatotra amin’ny fanambinana ara-nofo. Ireo olo-mahatoky dia hahatsapa tsy fananana ahiahy eo amin’ny ara-nofo, izay tsy ho azony noho ny fifaninanana tsy misy fiantrana na ny tsy firaharahana ny fahasalamana sy ny fahasambarana, toy ny hita matetika aoka izany amin’izao andro izao. (Salamo 72:16; Ohabolana 10:28; Isaia 25:6-8). Ho hitan’izy ireo fa, amin’ny lafiny rehetra, dia ‘mampanan-karena ny fitahian’i Jehovah, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany’. — Ohabolana 10:22.
5. Fampanantenana inona no nomen’i Jesosy momba ireo zavatra ara-nofo?
5 Na dia amin’izao andro izao aza, ireo izay mihevitra ny zavatra ara-panahy ho sarobidy dia mahatsiaro filaminana sasany raha ny amin’ny zavatra ara-nofo. Marina fa miasa izy ireo mba handoavana ny faktiorany sy mba hanomezana hanina ny fianakaviany. Na, misy aminy aza mety hamoy ny asany amin’ny fotoana isian’ny fitambotsorana ara-toekarena. Kanefa tsy resin’ny fanahiana toy izany izy ireo. Mino izao fampanantenana nataon’i Jesosy izao kosa izy ireo: “Aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? (...) fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:31-33.
Harena ara-panahy amin’izao andro izao
6, 7. a) Lazalazao ny lafin-javatra sasany mampiavaka ny fanambinana ara-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra. b) Faminaniana inona no tanteraka amin’izao andro izao, ary fanontaniana inona avy no apoitran’izany?
6 Noho izany, ny vahoakan’i Jehovah dia nifidy ny hametraka ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany, ary voatahy toy inona moa izy ireo noho izany! Mahazo fahombiazana tondraka izy ireo eo amin’ny asany fanaovana mpianatra. (Isaia 60:22). Ampianarin’i Jehovah izy ireo, ka mikoriana tsy tapaka any aminy ireo zava-tsoa ara-panahy avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW; Isaia 54:13). Ankoatra izany, dia eo amin’izy ireo ny fanahin’i Jehovah, ka mamolavola azy ireo mba hahaforona firahalahiana iraisam-pirenena mahafinaritra aoka izany. — Salamo 133:1; Marka 10:29, 30.
7 Tena fanambinana ara-panahy marina izany, zavatra izay tsy azon’ny vola vidina. Izany dia fahatanterahana mahavarianan’ilay fampanantenan’i Jehovah manao hoe: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” (Malakia 3:10). Isika amin’izao andro izao dia nahita fa tanteraka io fampanantenana io. Nahoana anefa i Jehovah, ny Loharanon’ny harena rehetra, no mangataka ny mpanompony mba hitondra ny ampahafolon-karena? Iza no mandray soa avy amin’ny ampahafolon-karena? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia diniho ny antony nilazan’i Jehovah ireo teny ireo tamin’ny alalan’i Malakia tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i.
Ny ampahafolon-karena sy ny fanatitra
8. Araka ny faneken’ny Lalàna, hiankina amin’inona ny fanambinana ara-nofon’ny Isiraely?
8 Tamin’ny andron’i Malakia dia tsy nahazo fanambinana ny vahoakan’Andriamanitra. Fa nahoana? Ny antony iray dia nifandray tamin’ny fanatitra sy ny ampahafolon-karena. Tamin’izany fotoana izany, dia teo ambanin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy ny Isiraely. Fony nanao io fanekena io i Jehovah, dia nampanantena fa, raha nanao ny anjarany ny Isiraely, dia hitahy azy ireo eo amin’ny ara-panahy sy eo amin’ny ara-nofo izy. Raha ny marina, dia niankina tamin’ny fahatokian’ny Isiraely ny fanambinana azy. — Deoteronomia 28:1-19.
9. Tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny, nahoana i Jehovah no nitaky ny handoavan’ny Isiraely ny ampahafolon-karena sy ny hitondran’izy ireo fanatitra?
9 Anisan’ny andraikitry ny Isiraely teo ambany Lalàna ny fitondrana fanatitra tany amin’ny tempoly sy ny fandoavana ny ampahafolon-karena. Ny sasany tamin’izany fanatitra izany dia nodorana tanteraka teo amin’ny alitaran’i Jehovah, fa ny hafa kosa nozaraina teo amin’ireo mpisorona sy ireo nanolotra ilay fanatitra, ka ny tapany voatokana tamin’izany dia natolotra an’i Jehovah. (Levitikosy 1:3-9; 7:1-15). Momba ireo ampahafolon-karena, dia hoy i Mosesy tamin’ireo Isiraelita: “Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanimbary, na avy amin’ny saha, dia an’i Jehovah; masina ho an’i Jehovah izany.” (Levitikosy 27:30). Nomena an’ireo mpiasa levita teo amin’ny tabernakely ary tatỳ aoriana dia teo amin’ny tempoly, ny ampahafolon-karena. Ireo Levita tsy mpisorona indray kosa dia nanome ny ampahafolon’izay azony an’ireo mpisorona avy tamin’ny taranak’i Arona. (Nomery 18:21-29). Nahoana i Jehovah no nitaky ny handoavan’ny Isiraely ny ampahafolon-karena? Voalohany aloha, dia mba hahafahan’izy ireo hampiseho amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fankasitrahany ny hatsaram-pon’i Jehovah. Ary faharoa, dia mba hahafahany handray anjara amin’ny fanohanana ireo Levita, izay afaka nifantoka tamin’ireo anjara raharahany, anisan’izany ny fampianarana ny Lalàna, noho izany. (2 Tantara 17:7-9). Tamin’izany fomba izany, dia nahazo fanohanana koa ny fanompoam-pivavahana madio, ary nandray soa avy tamin’izany ny rehetra.
10. Inona no nitranga rehefa tsy nitondra ampahafolon-karena sy fanatitra ny Isiraely?
10 Na dia nampiasain’ireo Levita aza tatỳ aoriana ireo ampahafolon-karena sy fanatitra, raha ny marina dia fanomezana ho an’i Jehovah izany, ka tokony ho tsara, ho mendrika azy. (Levitikosy 22:21-25). Inona no nitranga rehefa tsy nitondra ny ampahafolon-karenany ireo Isiraelita na rehefa nitondra fanatitra ambany vidy izy ireo? Tsy nisy famaizana noho izany, voalaza tao amin’ny Lalàna, kanefa nisy vokany kosa izany. Nihazona ny fitahiany tsy ho amin’izy ireo i Jehovah, hany ka nandao ny adidiny teo amin’ny tempoliny mba hamelon-tena ireo Levita tsy nahazo fanohanana ara-nofo. Noho izany, dia niharan’ny vokany ny Isiraely manontolo.
“Hevero ny làlanareo”
11, 12. a) Vokatra inona no azo rehefa nanao tsirambina ny fitandremana ny Lalàna ny Isiraely? b) Asa inona no nasain’i Jehovah nataon’ny Isiraely rehefa namerina azy ireo avy tany Babylona izy?
11 Nandritra ny tantaran’ny Isiraely, dia fakan-tahaka ny sasany teo amin’ny fiezahany hitandrina ny Lalàna, anisan’izany ny fandoavana ny ampahafolon-karena. (2 Tantara 31:2-16). Tamin’ny ankapobeny anefa, dia nanao tsirambina ilay firenena. Tsy tapaka ny nandika ny fanekena nifanaovany tamin’i Jehovah izy ireo, hany ka tamin’ny farany dia navelany ho resy izy ireo, ary, tamin’ny 607 al.f.i., dia navelany ho nentina an-tsesitany tany Babylona. — 2 Tantara 36:15-21.
12 Famaizana mafy izany, kanefa, rehefa afaka 70 taona, dia namerina ny vahoakany tany amin’ny taniny i Jehovah. Maro amin’ireo faminaniana momba ny Paradisa ao amin’ny Isaia no nahita fahatanterahana voalohany taorian’izany fiverenana izany. (Isaia 35:1, 2; 52:1-9; 65:17-19). Kanefa ny antony voalohany namerenan’i Jehovah ny vahoakany, dia tsy hoe mba hanorina paradisa teto an-tany akory, fa mba hanorina indray ny tempoly ary hamerina ho amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. (Ezra 1:2, 3). Raha nankatò an’i Jehovah ny Isiraely, dia hisy soa ara-nofo hanaraka, ary ny fitahian’i Jehovah dia hahatonga azy ireo hanankarena, tsy teo amin’ny ara-panahy ihany, fa teo amin’ny ara-nofo koa. Nifanaraka tamin’izany, raha vantany vao tonga tany amin’ny taniny ireo Jiosy, tamin’ny 537 al.f.i., dia nanorina alitara iray tao Jerosalema ary nanomboka niasa tao amin’ny tempoly. Kanefa, nahita fanoherana mafy izy ireo, ary dia nijanona. (Ezra 4:1-4, 23). Ho vokatr’izany, dia tsy nahita ny fitahian’i Jehovah ny Isiraely.
13, 14. a) Inona no niseho rehefa tsy nanorina ny tempoly ny Isiraely? b) Ahoana no nahavitan’ilay tempoly tamin’ny farany, kanefa fahadisoana hafa inona avy nataon’ny Isiraely no tantaraina?
13 Tamin’ny taona 520 al.f.i., dia nanangana an’i Hagay sy i Zakaria mpaminany i Jehovah mba hampirisika ny Isiraely hiverina hanao ny asa fanorenana ny tempoly. Nasehon’i Hagay fa latsaka an-katerena ilay firenena ary nampifandray izany tamin’ny tsy fananan’izy ireo zotom-po ho an’ny tranon’i Jehovah izy. Hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny làlanareo. Efa namafy be hianareo, nefa kely no taomina: mihinana hianareo, nefa tsy voky; misotro hianareo, nefa tsy afa-po; mitafy hianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka. Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny làlanareo. Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho”. — Hagay 1:5-8.
14 Nahazo fampaherezana avy tamin’i Hagay sy i Zakaria ireo Isiraelita ka tapa-kevitra ny hanova ny lalany, ary dia voaorina ny tempoly. Tokony ho 60 taona tatỳ aoriana anefa, dia nitsidika an’i Jerosalema i Nehemia ka nahita fa niverina nanao tsirambina ny Lalàn’i Jehovah indray ny Isiraely. Nanitsy izany izy. Tamin’ny fitsidihana faharoa nataony anefa, dia hitany fa niharatsy indray ny tarehin-javatra. Mitantara toy izao izy: “Hitako fa tsy voaloa ny fiveloman’ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.” (Nehemia 13:10). Voahitsy izany zava-nanahirana izany, ka “dia nentin’ny Joda rehetra ho ao amin’ny trano firaketana ny ampahafolon’ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.” — Nehemia 13:12.
Fandrobana an’i Jehovah
15, 16. Noho ny fahadisoana inona avy no nanomezan’i Jehovah tsiny ny Isiraely, tamin’ny alalan’i Malakia?
15 Azo inoana fa tamin’io vanim-potoana io koa no naminanian’i Malakia mpaminany izay milaza zavatra betsaka kokoa amintsika momba ny tsy fahatokian’ny Isiraely. Mirakitra an-tsoratra ireo tenin’i Jehovah tamin’ny Isiraely toy izao izy: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako”. Inona no tsy nety nataon’izy ireo? Manazava toy izao i Jehovah: “Raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, — tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, — tsy ratsy hoe izany!” — Malakia 1:6-8.
16 Tamin’io fomba azo alaina sary an-tsaina tsara io, i Malakia dia mampiseho fa, na dia nitondra fanatitra aza ireo Isiraelita, ny haratsin’ireo biby natolony dia nampiharihary tsy fanehoam-panajana mibaribary. Nanoratra toy izao koa i Malakia: “Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny didiko hianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Nanontany tena ireo Isiraelita hoe inona indrindra no tsy maintsy hataony, hany ka nanontany izy ireo hoe: “Ahoana ary no ho fiverinay?” Namaly i Jehovah hoe: “Handroba an’Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo?” Ahoana no nahafahan’ny Isiraely nandroba an’i Jehovah izay Loharanon’ny harena rehetra? Namaly i Jehovah hoe: “Amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.” (Malakia 3:7, 8). Eny, tamin’ny tsy fitondrana ny ampahafolon-karenany sy ny fanatiny, dia nandroba an’i Jehovah ny Isiraely!
17. Inona no zava-kendren’ny ampahafolon-karena sy ny fanatitra teo amin’ny Isiraely, ary fampanantenana inona no omen’i Jehovah raha ny amin’ny ampahafolon-karena?
17 Io fanazavana ara-tantara io dia mampiseho ny naha-zava-dehibe ireo ampahafolon-karena sy fanatitra teo amin’ny Isiraely. Izany dia fanehoan’ilay nanolotra ilay fanomezana ny fankasitrahany. Ary nanampy teo amin’ny fanohanana ny fanompoam-pivavahana marina teo amin’ny lafiny ara-nofo koa izany. Noho izany, dia nanohy nampirisika ny Isiraely toy izao i Jehovah: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako”. Mba hampisehoana izay hitranga raha nanaraka izany izy ireo, dia nampanantena toy izao i Jehovah: “Hampidinako fitahiana manana amby ampy [hianareo].” (Malakia 3:10). Hampanan-karena azy ireo ny fitahian’i Jehovah.
Notsarain’ilay “tena Tompo”
18. a) Ny amin’ny fahatongavan’iza no anomezan’i Jehovah fampitandremana? b) Oviana no nisy fahatongavana tao amin’ny tempoly, iza no nanao izany, ary inona no vokatr’izany ho an’ny Isiraely?
18 Tamin’ny alalan’i Malakia, dia nampitandrina koa i Jehovah fa ho avy mba hitsara ny vahoakany izy. “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako; ary ny [tena, NW ] Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny [Iraky, fanamarihana ambany pejy] ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy”. (Malakia 3:1). Oviana no niseho io fiaviana ho ao amin’ny tempoly nampanantenaina io? Ao amin’ny Matio 11:10, dia nanonona io faminanian’i Malakia momba ny iraka iray izay hanamboatra ny lalana io i Jesosy ary nampihatra izany tamin’i Jaona Mpanao Batisa. (Malakia 3:23; Matio 11:14). Tamin’ny 29 am.f.i. àry dia tonga ny fotoana hanaovana ny fitsarana! Iza ilay iraka faharoa, dia ilay iraky ny fanekena izay hiaraka amin’i Jehovah, ilay “tena Tompo”, ho ao amin’ny tempoly? I Jesosy mihitsy, izay tonga indroa teo amin’ny tempolin’i Jerosalema ary nanadio azy io tamin’ny fomba nanaitra aoka izany, tamin’ny fandroahana ireo mpanakalo vola tsy marina. (Marka 11:15-17; Jaona 2:14-17). Momba io fotoam-pitsarana tamin’ny taonjato voalohany io, dia nanontany tao amin’ny faminaniana iray i Jehovah hoe: “Iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy?” (Malakia 3:2). Raha ny marina, dia tsy nahajanona ny Isiraely. Nozahana izy ireo, ka hita fa tsy nahafeno fepetra, ary, tamin’ny 33 am.f.i., dia nolavina tsy ho firenena voafidin’i Jehovah intsony. — Matio 23:37-39.
19. Tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny sisa niverina tamin’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, ary fitahiana inona no azon’izy ireo?
19 Nanoratra toy izao koa anefa i Malakia: “Hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy [i Jehovah]; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.” (Malakia 3:3). Mifanaraka amin’izany, na dia nolavina aza ny ankamaroan’ireo izay nihambo ho nanompo an’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, ny sasany taminy dia nodiovina ka nanatona an’i Jehovah tamin’ny fanolorana fanatitra azo nekena. Iza izany? Ireo izay nanaiky an’i Jesosy, ilay iraky ny fanekena. Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nisy 120 tamin’ireo olona nanaiky ireo niara-nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray tany Jerosalema. Nahazo hery tamin’ny alalan’ny fanahy masina izy ireo, ka nanomboka nanolotra fanatitra tamim-pahamarinana, ary vetivety dia nitombo ny isany. Tsy ela dia niely nanerana ny Empira Romana izy ireo. (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4; 5:14). Araka izany, dia nisy sisa niverina tamin’i Jehovah. — Malakia 3:7.
20. Rehefa noringanina i Jerosalema sy ny tempoliny, inona no nitranga tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra vaovao?
20 Io sisa tamin’ny Isiraely io, izay nanjary nisy Jentilisa natao grefy tamin’ny hazo fototry ny Isiraely, raha azo atao ny milaza izany, dia “Isiraelin’Andriamanitra” vaovao, firenena iray voaforon’ny Kristiana voahosotry ny fanahy. (Galatiana 6:16; Romana 11:17). Tamin’ny taona 70 am.f.i., dia tonga teo amin’ny Isiraely araka ny nofo ny “andro [iray], mandoro toy ny fatana fandoroana”, rehefa noringanin’ny tafika romana i Jerosalema sy ny tempoliny. (Malakia 3:19; Lioka 19:41-44). Inona no nitranga tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy? “Antra azy [i Jehovah] toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.” (Malakia 3:17). Nanaraka ilay fampitandremana nomen’i Jesosy tao amin’ny faminaniana iray ny kongregasiona kristiana voahosotra. (Matio 24:15, 16). Tafita velona izy ireo, ary nanohy nampanan-karena azy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy ny fitahian’i Jehovah.
21. Fanontaniana inona avy momba ny Malakia 3:1 sy 10 no mbola tsy voavaly?
21 Endre izany fanamarinana an’i Jehovah! Ahoana anefa no ahatanterahan’ny Malakia 3:1 amin’izao andro izao? Ary tokony hanao ahoana ny fihetsiky ny Kristiana iray eo anoloan’ilay fampirisihana ao amin’ny Malakia 3:10 mba hitondra ny ampahafolon-karena manontolo ao amin’ny trano firaketana? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
Afaka Manazava ve Ianao?
◻ Raha ny tena izy, iza moa no Loharanon’ny harena rehetra?
◻ Nahoana ny fanambinana ara-panahy no tsara kokoa noho ny harena ara-nofo?
◻ Inona no zava-kendren’ny ampahafolon-karena sy ny fanatitra teo amin’ny Isiraely?
◻ Oviana i Jehovah, “ny tena Tompo”, no tonga teo amin’ny tempoly mba hitsara ny Isiraely, ary inona no vokatr’izany?
◻ Iza no niverina tamin’i Jehovah taorian’ny nahatongavany tao amin’ny tempoly tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
[Sary, pejy 10]
Tonga tao amin’ny tempoly tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. i Jesosy, ilay iraky ny fanekena, nisolo tena an’i Jehovah, mba hanao fitsarana