Rehefa ho Avy i Jesosy Amin’ny Voninahitr’ilay Fanjakana
‘Ny sasany eto dia tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.’ — MATIO 16:28.
1, 2. Inona no nitranga, fotoana fohy taorian’ny Pentekosta 32 am.f.i., ary inona no zava-nokendren’ilay fisehoan-javatra?
FOTOANA fohy taorian’ny Pentekosta 32 am.f.i., dia nahita fahitana tsy hay hadinoina ny telo tamin’ireo apostolin’i Jesosy Kristy. Araka ny fitantarana ara-tsindrimandry, i “Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. Dia niova tarehy teo anatrehany Izy”. — Matio 17:1, 2.
2 Tonga tamin’ny fotoan-dehibe iray ilay fiovan-tarehy. Nanomboka nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy fa hijaly sy ho faty any Jerosalema izy, saingy hitan’izy ireo ho saro-takarina ny teniny. (Matio 16:21-23). Nanatanjaka ny finoan’ireo apostoly telon’i Jesosy ilay fahitana, ho fanomanana azy ireo ho amin’ny fahafatesan’i Jesosy ho avy, ary koa ho amin’ireo taona hanaraka izany, izay hanaovan’ny kongregasiona kristiana asa mafy sy handiavany fitsapana. Afaka miana-javatra avy amin’ilay fahitana ve isika amin’izao andro izao? Eny, satria izay nasehon’izy io ho tandindona dia mitranga amin’izao androntsika izao, raha ny tena izy.
3, 4. a) Inona no nolazain’i Jesosy, enina andro talohan’ilay fiovan-tarehy? b) Lazalazao izay nitranga nandritra ilay fiovan-tarehy.
3 Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy, enina andro talohan’ilay fiovan-tarehy: “Ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.” Ho tanteraka amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ireo teny ireo. Mbola nanambara toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.” (Matio 16:27, 28; 24:3, NW; 25:31-34, 41; Daniela 12:4). Nitranga ilay fiovan-tarehy ho fahatanterahan’ireo teny farany ireo.
4 Inona marina moa no hitan’ireo apostoly telo ireo? Toy izao manaraka izao ny filazalazan’i Lioka ilay fisehoan-javatra: “Raha mbola nivavaka [i Jesosy], dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia, izay niseho tamim-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.” Avy eo, dia “nisy rahona niseho nanarona [ireo apostoly]; ary raha niditra tao anatin’ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy”. — Lioka 9:29-31, 34, 35.
Hatanjahina ny finoana
5. Nisy heriny inona teo amin’ny apostoly Petera ilay fiovan-tarehy?
5 Efa nahafantatra an’i Jesosy ho “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” ny apostoly Petera. (Matio 16:16). Nanamafy izany fahafantarany azy izany ny tenin’i Jehovah avy tany an-danitra, ary ilay fahitana ny amin’i Jesosy niova tarehy dia santatry ny fiavian’i Kristy amin’ny fahefana sy ny voninahitr’ilay Fanjakana, mba hitsara ny olombelona amin’ny farany. Nanoratra toy izao i Petera, 30 taona mahery taorian’ilay fiovan-tarehy: “Tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany. Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako Izay sitrako’. Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.” — 2 Petera 1:16-18; 1 Petera 4:17.
6. Nanao ahoana ny fizotran’ireo fisehoan-javatra, taorian’ilay fiovan-tarehy?
6 Amin’izao andro izao, ny finoantsika koa dia hatanjahin’izay hitan’ireo apostoly telo ireo. Mazava ho azy fa nisy fisehoan-javatra nitranga niandalana nanomboka tamin’ny 32 am.f.i. Ny taona nanaraka an’io, dia maty sy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, nakarina ho eo an-tanana ankavanan’ny Rainy. (Asan’ny Apostoly 2:29-36). Tamin’ny Pentekosta tamin’io taona io, dia teraka ny “Isiraelin’Andriamanitra” vaovao, ary natomboka ny ezaka manokana teo amin’ny fitoriana, nanomboka tany Jerosalema ary niitatra hatramin’ny faran’ny tany, tatỳ aoriana. (Galatiana 6:16; Asan’ny Apostoly 1:8). Saika teo no ho eo ihany dia notsapaina ny finoan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Nosamborina sy nokapohina mafy ireo apostoly satria tsy nety nitsahatra nitory. Tsy ela dia novonoina ho faty i Stefana. Avy eo dia novonoina ho faty i Jakoba, vavolombelona iray nahita maso ilay fiovan-tarehy. (Asan’ny Apostoly 5:17-40; 6:8–7:60; 12:1, 2). Nieren-doza kosa anefa i Petera sy i Jaona ka nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro fanampiny. Raha ny marina, tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany am.f.i., i Jaona dia nandrakitra an-tsoratra fahitana hafa koa, dia fahitana indray mitopy maso an’i Jesosy amin’ny voninahitra any an-danitra. — Apokalypsy 1:12-20; 14:14; 19:11-16.
7. a) Oviana no nanomboka tanteraka ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy? b) Oviana i Jesosy no namaly ny olona sasany araka ny nataony?
7 Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny “Andron’ny Tompo” tamin’ny 1914, dia maro tamin’ireo fahitana hitan’i Jaona no efa tanteraka. (Apokalypsy 1:10). Ahoana ny amin’ny ‘fiavian’i Jesosy amin’ny voninahitry ny Rainy’, araka ny nasehon’ny tandindona, dia ilay fiovan-tarehy? Nanomboka tanteraka tamin’ny nahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny 1914, io fahitana io. Rehefa niposaka teo amin’ny sehatr’izao rehetra izao, toy ny fitarikandro, i Jesosy, tamin’ny naha-Mpanjaka vao nahazo fiandrianana azy, izany dia fiposahan’ny andro vaovao iray, raha azo atao ny milaza izany. (2 Petera 1:19; Apokalypsy 11:15; 22:16). Namaly ny olona sasany araka ny nataony ve i Jesosy tamin’io fotoana io? Eny. Misy porofo mampiaiky fa fotoana fohy taorian’io, dia nanomboka ny fitsanganana ho any an-danitra ho an’ny Kristiana voahosotra. — 2 Timoty 4:8; Apokalypsy 14:13.
8. Fisehoan-javatra inona avy no hanamarika ny fara tampon’ny fahatanterahan’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy?
8 Tsy ho ela anefa i Jesosy dia ho tonga “amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra”, mba hitsara ny olombelona rehetra. (Matio 25:31). Amin’io fotoana io, dia hampiharihary ny tenany amin’ny hafatratry ny voninahiny rehetra izy ary hanome ny “olona rehetra” ny valiny mendrika ny nataony. Ireo olona toy ny ondry dia handova fiainana mandrakizay ao amin’ilay Fanjakana nomanina ho azy ireo, ary ireo olona toy ny osy dia halefa any amin’ny “famongorana mandrakizay”. Ho fiafarana hamirapiratra toy inona moa izany, ho an’ny fahatanterahan’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy! — Matio 25:34, 41, 46, NW; Marka 8:38; 2 Tesaloniana 1:6-10.
Ireo naman’i Jesosy, namana nomem-boninahitra
9. Tokony hanantena ve isika fa hiaraka amin’i Jesosy i Mosesy sy i Elia, amin’ny fahatanterahan’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy? Hazavao.
9 Tsy irery akory i Jesosy tamin’ilay fiovan-tarehy. Hita niaraka taminy i Mosesy sy i Elia. (Matio 17:2, 3). Teo ara-bakiteny ve izy ireo? Tsia, satria samy efa maty ela izy roa lahy ireo ary matory ao amin’ny vovoka, miandry fananganana amin’ny maty. (Mpitoriteny 9:5, 10; Hebreo 11:35). Hiara-miseho amin’i Jesosy ve izy ireo rehefa ho avy i Jesosy amin’ny voninahitra any an-danitra? Tsia, satria niaina talohan’ny nanokafana ny fanantenana ho any an-danitra ho an’ny olombelona, i Mosesy sy i Elia. Ho tafiditra amin’ny “fitsanganan’ny marina” ho eto an-tany izy ireo. (Asan’ny Apostoly 24:15). Ara-panoharana àry ny fisehoan’izy ireo tao amin’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy. Fanoharana momba ny inona?
10, 11. Mampiseho an’iza i Elia sy i Mosesy tao anatin’ny tarehin-javatra samy hafa?
10 Tao anatin’ny tarehin-javatra hafa, dia tandindona ara-paminaniana i Mosesy sy i Elia. Tamin’ny naha-mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna azy, i Mosesy dia tandindon’i Jesosy, ilay Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao. (Deoteronomia 18:18; Galatiana 3:19; Hebreo 8:6). I Elia dia tandindon’i Jaona Mpanao Batisa, mpialoha lalana ny Mesia. (Matio 17:11-13). Ankoatra izany, ao amin’ny teny manodidina ny Apokalypsy toko faha-11, i Mosesy sy i Elia dia tandindon’ny sisa voahosotra amin’ny fotoan’ny farany. Ahoana no ahalalantsika izany?
11 Jereo ao amin’ny Apokalypsy 11:1-6. Eo amin’ny andininy faha-3, dia amakiantsika toy izao: “Homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.” Tanteraka tamin’ny sisa amin’ny Kristiana voahosotra, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, io faminaniana io.a Nahoana no hoe vavolombelona roa? Satria ny sisa voahosotra dia manao asa mitovy amin’ny an’i Mosesy sy i Elia, amin’ny lafiny ara-panahy. Manohy milaza toy izao ny andininy faha-5 sy faha-6: “Raha misy ta-handratra ireo [vavolombelona roa], dia misy afo mivoaka amin’ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary raha misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy. Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.” Araka izany, dia ampahatsiahivina antsika ny fahagagana nataon’i Elia sy i Mosesy. — Nomery 16:31-34; 1 Mpanjaka 17:1; 2 Mpanjaka 1:9-12.
12. Tamin’ilay fiovan-tarehy, mampiseho an’iza i Mosesy sy i Elia?
12 Tandindon’iza àry i Mosesy sy i Elia, tamin’ilay fiovan-tarehy? Milaza i Lioka fa niseho “tamim-boninahitra” niaraka tamin’i Jesosy izy ireo. (Lioka 9:31). Mazava fa izy ireo dia tandindon’ireo Kristiana, izay nohosorana tamin’ny fanahy masina ho “mpiray lova” amin’i Jesosy, ka noho izany dia nahazo ny fanantenana mahatalanjona “hiara-manam-boninahitra” aminy. (Romana 8:17). Hiaraka amin’i Jesosy ireo voahosotra natsangana amin’ny maty rehefa ho avy izy amin’ny voninahitry ny Rainy, mba “hamaly ny olona rehetra araka ny nataony”. — Matio 16:27.
Vavolombelona tahaka an’i Mosesy sy i Elia
13. Lafiny inona avy no manamarika an’i Mosesy sy i Elia ho sary ara-paminaniana mifanentana tsara amin’ny voahosotra mpiara-mandova amin’i Jesosy, izay homem-boninahitra miaraka aminy?
13 Misy lafiny miavaka izay manamarika an’i Mosesy sy i Elia ho sary ara-paminaniana mifanentana tsara amin’ny voahosotra mpiara-mandova amin’i Jesosy. Samy mpitondra tenin’i Jehovah nandritra ny taona maro na i Mosesy na i Elia. Samy niatrika ny fahatezeran’ny mpanapaka iray izy ireo. Tamin’ny fotoana nilany fanampiana, dia notohanan’ny fianakaviana vahiny iray ny tsirairay taminy. Samy nanambara faminaniana tamim-pahasahiana tamina mpanjaka izy roa lahy ary niorina mafy hanohitra ny mpaminany sandoka. Samy nahita fampisehoana ny herin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay (antsoina koa hoe Horeba) i Mosesy sy i Elia. Samy nanendry mpandimby azy teo amin’ny ilany atsinanan’i Jordana izy roa lahy. Ary ny andron’i Mosesy (niaraka tamin’i Josoa) sy ny andron’i Elia (niaraka tamin’i Elisa) no nahitana fahagagana betsaka indrindra, ankoatra ireo izay nitranga nandritra ny androm-piainan’i Jesosy.b
14. Tamin’ny fomba ahoana ny voahosotra no mpitondra tenin’i Jehovah, toa an’i Mosesy sy i Elia?
14 Tsy mampahatsiahy antsika ny Isiraelin’Andriamanitra ve izany rehetra izany? Eny, izany tokoa. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy nahatoky i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Ho fankatoavana an’ireo teny ireo, dia mpitondra tenin’i Jehovah nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. ka mandraka ankehitriny, ireo Kristiana voahosotra. Toa an’i Mosesy sy i Elia, dia niatrika ny fahatezeran’ny mpanapaka sy nitory taminy, izy ireo. Nilaza toy izao tamin’ireo apostoliny 12 i Jesosy: “Ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa.” (Matio 10:18). Tanteraka tamin’ny fomba niverimberina ireo teny ireo nandritra ny tantaran’ny kongregasiona kristiana. — Asan’ny Apostoly 25:6, 11, 12, 24-27; 26:3.
15, 16. Fifanitsian-javatra inona avy no misy eo amin’ny voahosotra etsy an-daniny ary i Mosesy sy i Elia etsy an-kilany, raha ny amin’ny a) fijoroan’izy ireo tsy tamin-tahotra ho an’ny fahamarinana? b) fandraisan’izy ireo fanampiana avy tamin’ny tsy Isiraelita?
15 Ankoatra izany, ireo Kristiana voahosotra dia tsy nanan-tahotra sahala amin’i Mosesy sy i Elia, tamin’ny fijoroana ho an’ny fahamarinana, ho fanoherana ny lainga ara-pivavahana. Tadidio ny fomba nanamelohan’i Paoly an’i Barjesosy, mpaminany sandoka jiosy, sy ny fomba namakiany bantsilana tamim-pahaiza-mandanjalanja nefa tamin’ny fomba hentitra, ny maha-diso ireo andriamanitry ny Ateniana. (Asan’ny Apostoly 13:6-12; 17:16, 22-31). Tadidio koa fa amin’izao andro maoderina izao, ny sisa voahosotra dia namaky bantsilana tamim-pahasahiana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ary nitondra loza ho azy io izany fitoriana izany. — Apokalypsy 8:7-12.c
16 Rehefa nandositra ny fahatezeran’i Farao i Mosesy, dia nahita fialofana tao an-tranon’ny tsy Isiraelita iray, dia i Regoela, izay nantsoina koa hoe Jetro. Tatỳ aoriana, i Mosesy dia nahazo torohevitra sarobidy avy tamin’i Regoela momba ny fandaminan-javatra. Nitarika ny Isiraely namakivaky ny efitra i Hobaba, zanakalahin’i Regoela.d (Eksodosy 2:15-22; 18:5-27; Nomery 10:29). Moa ve ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra nampian’olona tamin’ny fomba mitovy amin’izany, dia olona izay tsy anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra voahosotra? Eny, notohanan’ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, izay niseho sehatra nandritra izao andro farany izao, izy ireo. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; Isaia 61:5). Nanambara mialoha ny amin’ny fanohanana amim-pahavitrihana sy amim-pitiavana izay hatolotr’ireny “ondry” ireny ho an’ny rahalahiny voahosotra i Jesosy, ka hoy izy tamin’izy ireo ara-paminaniana: “Noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo. (...) Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” — Matio 25:35-40.
17. Tamin’ny ahoana no nanan-javatra niainana nitovy tamin’ny an’i Elia teo amin’ny Tendrombohitra Horeba ireo voahosotra?
17 Ankoatra izany, ny Isiraelin’Andriamanitra dia nanan-javatra niainana azo ampitahaina amin’ny an’i Elia teo amin’ny Tendrombohitra Horeba.e Toa an’i Elia tamin’ny fotoana nandosirany an’i Jezebela vadin’ny mpanjaka, ny sisa voahosotra feno tahotra dia nihevitra fa vita ny asan’izy ireo tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany. Avy eo, toa an’i Elia koa, dia tojo an’i Jehovah, izay tonga hitsara ireo fikambanana mihambo ho “tranon’Andriamanitra”, izy ireo. (1 Petera 4:17, fanamarihana ambany pejy; Malakia 3:1-3). Rehefa hita fa latsa-danja ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia ny sisa voahosotra kosa no nekena ho “mpanompo mahatoky sy malina” ka notendrena hanapaka ny fananan’i Jesosy rehetra eto an-tany. (Matio 24:45-47, NW ). Tao Horeba, i Elia dia nandre “feo nitsoka malemy”, izay hita fa an’i Jehovah, nanome azy asa bebe kokoa hatao. Tao anatin’ny fe-potoana nilamina tamin’ireo taona taorian’ny ady, ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra nahatoky dia nandre ny feony avy tao amin’ireo pejin’ny Baiboly. Nahatakatra koa izy ireo fa nanana asa nanirahana hotanterahina. — 1 Mpanjaka 19:4, 9-18; Apokalypsy 11:7-13.
18. Tamin’ny fomba ahoana no nitarihana fampisehoana miavaka ny herin’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny Isiraelin’Andriamanitra?
18 Farany, moa ve nisy fampisehoana miavaka ny herin’i Jehovah, notarihina tamin’ny alalan’ny Isiraelin’Andriamanitra? Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanao fahagagana maro ireo apostoly, nefa dia nitsahatra tsikelikely izy ireny. (1 Korintiana 13:8-13). Amin’izao andro izao, dia tsy mahita fahagagana ara-bakiteny isika. Etsy an-danin’izany, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy”. (Jaona 14:12). Nisy fahatanterahany voalohany izany rehefa nitory ny vaovao tsara nanerana ny Empira Romana tamin’ny taonjato voalohany ireo mpianatr’i Jesosy. (Romana 10:18). Vao mainka asa lehibe kokoa no vita amin’izao andro izao, satria nitarika ny fitoriana ny vaovao tsara any “amin’ny tany onenana manontolo, (...) ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” ny sisa voahosotra. (Matio 24:14, NW ). Ny vokany? Ny taonjato faha-20 no nahitana ny fanangonana mpanompon’i Jehovah mahatoky sy vita fanoloran-tena betsaka indrindra teo amin’ny tantara. (Apokalypsy 5:9, 10; 7:9, 10). Porofo kanton’ny herin’i Jehovah re izany! — Isaia 60:22.
Avy amim-boninahitra ireo rahalahin’i Jesosy
19. Rahoviana ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy no ho hita hiaraka aminy amim-boninahitra?
19 Rehefa vitan’ny sisa amin’ny voahosotra rahalahin’i Jesosy ny fihazakazahany eto an-tany, dia hiaraka homem-boninahitra aminy izy ireo. (Romana 2:6, 7; 1 Korintiana 15:53; 1 Tesaloniana 4:14, 17). Noho izany, dia ho tonga mpanjaka sy mpisorona tsy mety maty ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra izy ireo. Miaraka amin’i Jesosy, dia ‘hiandry ny olona amin’ny tehim-by izy ireo amin’izay, ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany’. (Apokalypsy 2:27; 20:4-6; Salamo 110:2, 5, 6). Miaraka amin’i Jesosy, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana izy ireo, hitsara “ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo”. (Matio 19:28). Ny zavaboary misento dia niandry fatratra izany fisehoan-javatra izany, izay anisan’ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”. — Romana 8:19-21; 2 Tesaloniana 1:6-8.
20. a) Ny amin’ny fahatsinjovan-javatra inona no nanatanjahan’ilay fiovan-tarehy ny finoan’i Petera? b) Ahoana no anatanjahan’ilay fiovan-tarehy ny Kristiana amin’izao andro izao?
20 Niresaka ny amin’ilay fampisehoana an’i Jesosy mandritra ny “fahoriana lehibe” i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany”. (Matio 24:21; 2 Tesaloniana 1:10). Fahatsinjovan-javatra kanto toy inona moa izany ho an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, sy ny Kristiana rehetra voahosotry ny fanahy! Nanatanjaka ny finoan’i Petera ilay fiovan-tarehy. Azo antoka fa manatanjaka ny finoantsika koa ny famakiana momba azy io ary manamafy ny fatokiantsika fa tsy ho ela i Jesosy dia “hamaly ny olona rehetra araka ny nataony”. Ireo Kristiana voahosotra mahatoky izay velona hatramin’izao andro izao, dia mahita ny nanamafisana ny fatokiany fa hiaraka homem-boninahitra amin’i Jesosy izy ireo. Nohatanjahina ny finoan’ny ondry hafa noho ny fahalalana fa hamonjy azy ireo mandritra ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, ho ao amin’ilay tontolo vaovao be voninahitra, i Jesosy. (Apokalypsy 7:14). Izany ka fampirisihana hiorina mafy hatramin’ny farany! Ary afaka mampianatra antsika zavatra be lavitra io fahitana io, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky hoe “Que ton nom soit sanctifié”, pejy faha-336-338, sy Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy faha-163-165, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Eksodosy 2:15-22; 3:1-6; 5:2; 7:8-13; 8:14; 19:16-19; Deoteronomia 31:23; 1 Mpanjaka 17:8-16; 18:21-40; 19:1, 2, 8-18; 2 Mpanjaka 2:1-14.
c Jereo ny pejy faha-133-141 amin’ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
d Jereo ilay boky hoe Vous pouvez survivre à Harmaguédon et entrer dans le monde nouveau de Dieu, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-281-283.
e Jereo ny “Que ton nom soit sanctifié”, pejy faha-341-344.
Tsaroanao Ve?
◻ Iza no niara-niseho tamin’i Jesosy tamin’ilay fiovan-tarehy?
◻ Ahoana no nanatanjahan’ilay fiovan-tarehy ny finoan’ireo apostoly?
◻ Rehefa niseho “tamim-boninahitra” niaraka tamin’i Jesosy tao amin’ilay fiovan-tarehy, i Mosesy sy i Elia, dia nampiseho an’iza izy ireo?
◻ Fifanitsian-javatra inona avy no misy eo amin’i Mosesy sy i Elia etsy an-daniny ary ny Isiraelin’Andriamanitra etsy an-kilany?
[Sary, pejy 10]
Ilay fiovan-tarehy dia nanatanjaka ny finoan’ireo Kristiana tamin’ny lasa sy ankehitriny