LESONA 36
Fahaiza-mamelabelatra ny Foto-kevitra
FANTATRY ny mpandahateny za-draharaha fa tena ilaina ny manana foto-kevitra. Manampy azy izy io, mandritra ny fanomanana, mba hifantoka amin’ny hevitra iray efa voafaritra tsara, sy handalina azy io bebe kokoa. Noho izany, dia tsy hilaza zavatra be dia be amin’ny ankapobeny izy, fa hanome fanazavana mahasoa kokoa ho an’ny mpihaino. Ho tadidin’ny mpihaino kokoa ireo hevi-dehibe rehefa tena mifandray amin’ny foto-kevitra sy manazava azy. Ho takatr’izy ireo koa ny hasarobidin’ireny hevitra ireny.
Azo lazaina hoe loha hevitra horesahina ny foto-kevitra. Hanatsara ny fanazavanao anefa ny fampiasanao ny foto-kevitra ho toy ny fomba itondrana ny famelabelarana. Ohatra, samy loha hevitra ankapobe avokoa ny hoe: Fanjakan’Andriamanitra, Baiboly, fitsanganana amin’ny maty. Misy foto-kevitra samihafa azo amelabelarana ireo loha hevitra ireo. Ireto misy ohatra sasany: “Fitondram-panjakana Tena Misy ny Fanjakan’Andriamanitra”, “Hanova ny Tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra”, “Avy Amin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly”, “Tari-dalana Mandaitra Amin’ny Androntsika ny Baiboly”, “Fanantenana ho An’ireo Nidonam-pahoriana ny Fitsanganana Amin’ny Maty”, “Manampy Antsika Tsy Hivadika ao Anatin’ny Fanenjehana ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty.” Tena samy hafa be ny fomba hitondrana ny famelabelarana ireo foto-kevitra ireo.
Foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly ny Fanjakan’Andriamanitra. Mifanaraka amin’io ny fitorian’i Jesosy Kristy teto an-tany, satria nasongadiny ilay foto-kevitra hoe: “Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17) Ahoana no namelabelarana an’io foto-kevitra io? Resahina maherin’ny im-110 io Fanjakana io ao amin’ireo Filazantsara efatra. Tsy namerimberina fotsiny ilay teny hoe “fanjakana” anefa i Jesosy. Noporofoiny tamin’ny fampianarany sy ny fahagagana nataony fa izy, izay hitan’ny olona teo, no ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia, ilay homen’i Jehovah ny Fanjakany. Nasehon’i Jesosy koa fa noho izy no ahafahan’ny hafa hanjaka ao amin’io Fanjakana io. Nampahafantariny ny toetra tsy maintsy ananan’ireo homena izany tombontsoa izany. Tamin’ny fampianarany sy ny fahagagana nataony, dia nasehony mazava tsara ny fiovana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona. Nasehony koa fa ny namoahany demonia tamin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra dia porofo fa ‘efa tonga teo amin’ny mpihaino azy tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 11:20) Io Fanjakana io no nasain’i Jesosy notorin’ny mpanara-dia azy.—Matio 10:7; 24:14.
Fampiasana foto-kevitra mety tsara. Tsy asaina mamelabelatra foto-kevitra iray amin’ny fomba feno toy ny ao amin’ny Baiboly akory ianao, nefa tena ilainao ihany ny manana foto-kevitra mety tsara.
Raha avela hifidy ny foto-kevitrao ianao, dia diniho aloha ny zava-kendren’ny famelabelaranao. Fidio avy eo ireo hevi-dehibe hiorenan’ny drafitrao, ary jereo tsara raha tena manohana ilay foto-kevitra nofidinao izy ireo.
Raha omena foto-kevitra kosa ianao, dia fakafakao tsara ny teny ao aminy mba hahitanao ny fomba hitondranao ilay famelabelarana. Mila mandany fotoana angamba ianao vao hahazo tsara ny antony ilana io foto-kevitra io sy izay mety ho vokany. Raha ianao ihany anefa no asaina mitady ireo hevitra hamelabelarana ilay foto-kevitra, dia mahaiza mifantina mba hisongadina tsara foana ilay foto-kevitra. Na dia efa omena aza ireo hevitra hovelabelarinao, dia mbola ilainao hofakafakaina ihany ny fomba hampiasana azy hifanaraka amin’ilay foto-kevitra. Ilainao hodinihina koa ny antony ilan’ny mpihaino ireo hevitra ireo sy izay tokony ho zava-kendren’ny famelabelaranao. Hanampy anao hahita izay tokony hohamafisina mandritra ilay anjara na lahateny, izany.
Ny fomba hanamafisana ny foto-kevitra. Manomboka eo amin’ny fifidianana sy ny fandaminana ireo hevitra izany. Raha hevitra manohana ilay foto-kevitrao ihany no fidinao, ary arahinao ireo toromarika momba ny fanomanana drafitra tsara, dia handeha ho azy ny fanamafisana ilay foto-kevitra.
Azo anamafisana foto-kevitra koa ny famerimberenana. Andeha hampitahaintsika amin’ny hiram-pitiavana ny famerimberenana. Ny fitiavany ny malalany no foto-kevitra vetsovetsoin’ilay mpihira ao anatin’ny hirany manontolo. Mety haverimberiny amin’ny fomba samihafa anefa izany. Mety hampiasa teny iray tarika amin’ny “fitiavana” izy, na teny mitovy hevitra amin’izany, na hain-teny, na fanoharana hafa. Mihodinkodina eo amin’ny foto-kevitra iray foana, dia ny fitiavany ny malalany, anefa ilay hira. Miverimberina ao anatin’ilay tonon-kira manontolo ny resaka fitiavana. Tokony ho toy izany koa ny foto-kevitry ny lahateny. Ilaina haverimberina ao anatin’ny lahateninao ny teny fototra mifandray amin’ilay foto-kevitrao. Afaka mampiasa teny mitovy hevitra aminy ianao, na manova mihitsy ny fomba filazanao ilay foto-kevitra. Amin’izay dia ho voarain’ny mpihaino tsara ny hevi-dehibe tianao hampitaina.
Azo ampiharina eny amin’ny fanompoana koa ireo toromarika ireo. Ho mora tadidy kokoa ny resaka fohy, raha misy foto-kevitra misongadina. Hotsaroan’ny mpianatra Baiboly haingana kokoa ny fianarana, raha nohamafisina ny foto-kevitra. Hanatsara ny fahaizanao mandaha-teny sy mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, rehefa miezaka hifidy sy hamelabelatra foto-kevitra mety tsara.