Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nanameloka ireo mpanohitra azy i Jesosy
NAHAVERY hevitra ireo mpanohitra azy ara-pivavahana aoka izany i Jesosy, hany ka natahotra ny hanontany azy zavatra hafa izy ireo. Nanao ny dingana voalohany àry izy mba hanalana sarona ny tsy fahalalany. “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” hoy izy. “Zanak’iza moa izy?”
“Zanak’i Davida”, hoy ny navalin’ireo Fariseo.
Na dia tsy nolavin’i Jesosy aza fa razamben’i Kristy, na Mesia, ara-nofo i Davida, dia nanontany ihany izy hoe: “Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy [ao amin’ny Salamo 110] no manao Azy hoe ‘Tompo’, ka manao hoe: ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao’? Koa raha Davida ary manao Azy hoe ‘Tompo’, ahoana no maha-zanany Azy?”
Tsy nahateny ireo Fariseo, satria tsy fantany hoe iza marina ilay tena Kristy, na voahosotra. Ny Mesia akory tsy taranaka olombelon’i Davida fotsiny, araka ny toa ninoan’ireo Fariseo azy, fa efa niaina tany an-danitra ary ambony noho i Davida, na Tompon’i Davida.
Nitodika tany amin’ny vahoaka sy ny mpianany àry i Jesosy ka nampitandrina azy ireo ny amin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Koa satria ireo nampianatra ny Lalàn’Andriamanitra, ‘nipetraka teo tamin’ny fipetrahan’i Mosesy’, dia nanome izao fampirisihana izao i Jesosy: “Izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo.” Kanefa nanampy toy izao izy: “Aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao”.
Mpihatsaravelatsihy izy ireo, ary nomelohin’i Jesosy tamin’ny fiteny saiky nitovy tanteraka tamin’ilay nampiasainy fony izy nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo, volana vitsivitsy talohan’io. “Ny asany rehetra”, hoy izy, “dia ataony mba ho hitan’ny olona”. Ary dia nanome ohatra ny amin’izany izy tamin’ny filazana hoe:
“Ataony lehibe ny filakiterany.” Nisy andinin-teny efatra avy tao amin’ny Lalàna ireny vatakely ireny izay natao teo amin’ny handrina na teo amin’ny sandry: Eksodosy 13:1-10, 11-16; ary Deoteronomia 6:4-9; 11:13-21. Ireo Fariseo kosa dia nanalehibe ny azy mba hisehoana fa nanaraka ny Lalàna tamin-jotom-po izy.
“Ataony vaventy ny somotraviaviny”, hoy ny nanampin’i Jesosy. Voalaza ao amin’ny Nomery 15:38-40 fa nomena baiko mba hanisy somotraviavy amin’ny sisin’ny fitafiany ny Isiraelita, fa ireo Fariseo kosa dia nanao ny azy ho vaventy kokoa noho ny an’ny hafa rehetra. Izay rehetra nataony dia nataony mba ho fisehoana ivelany! “Tia ny fitoerana [izy]”, hoy ny fanakianan’i Jesosy azy.
Mampalahelo fa ireo mpianany koa dia tratran’ny faniriana ny ho ambony. Koa nananatra azy toy izao àry izy: “Fa hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” Tsy maintsy manaisotra ny faniriana ny ho voalohany tsy ho eo aminy intsony ny mpianany! “Izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo”, hoy ny fananaran’i Jesosy azy.
Taorian’izay, i Jesosy dia nanonona loza maro samy hafa ho an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay naverimberiny nantsoina hoe mpihatsaravelatsihy. ‘Arindrin’izy ireo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra’, hoy izy, ary ‘mandany ny tranon’ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny izy mba ho fiolahana’.
“Lozanareo, mpitarika jamba”, hoy i Jesosy. Nomelohiny ny tsy fananan’ireo Fariseo fiheverana ny zavatra ara-panahy, araka ny hita teo amin’ny fanaovany fanavahana jadona. Nilaza izy ireo, ohatra, fa “raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena amin’ny tempoly, dia haningo-tena izy.” Tamin’ny fanamafisana kokoa ny amin’ny volamenan’ny tempoly noho ny amin’ny vidin’io toeram-panompoana io ara-panahy no nampihariharian’izy ireo ny naha-jamba azy ara-panahy.
Avy eo, toy ny nataony teo aloha ihany, dia nomelohin’i Jesosy ireo Fariseo noho izy ireo ‘namela izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana [fahatokiana, MN ]’, nefa nitandrina fatratra ny fandoavana ny ampahafolon’ny ahitra tsinontsinona.
Nantsoin’i Jesosy hoe ‘mpitarika jamba, izay manatantavana ny moka, nefa mitelina ny rameva’ izy ireo! Tsy tamin’ny naha-bibikely ny moka fotsiny no nanatantavanany azy tamin’ny divainy, fa noho ny moka noheverina fa naloto teo amin’ny ara-pomba. Kanefa ny tsy fiheverany izay lehibe kokoa tamin’ny Lalàna dia azo noharina tamin’ny fitelomana rameva, izay biby naloto ihany koa teo amin’ny ara-pomba. Matio 22:41 ka hatramin’ny 23:24; Marka 12:35-40; Lioka 20:41-47; Levitikosy 11:4, 21-24.
◆ Nahoana moa ireo Fariseo no tsy nahateny rehefa nanontanian’i Jesosy ny amin’ny nolazain’i Davida ao amin’ny Salamo faha-110?
◆ Nahoana moa no nataon’ireo Fariseo lehibe kokoa ny filakiterany sy ny somotraviavin’akanjony?
◆ Fananarana inona no nomen’i Jesosy ny mpianany?
◆ Fanavahana jadona inona avy no nataon’ireo Fariseo, ary tamin’ny fomba ahoana no nanamelohan’i Jesosy azy noho ny nanaovany tsirambina ireo zavatra lehibe kokoa?