Inona no Manosika Anao Hanompo An’Andriamanitra?
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.” — MARKA 12:30.
1, 2. Zavatra mampientam-po inona avy no tanterahina mifandray amin’ny asa fitoriana?
TSY tombanana amin’ny fisehoany ivelany fotsiny ny tena vidin’ny fiarakodia iray. Mety hanatsara ny ivelany ny hosotra loko, ary mety hanintona olona azo heverina fa hividy ny bika mihaja iray, kanefa dia mbola zava-dehibe lavitra ireo zavatra izay tsy hita avy hatrany — ny maotera izay mampandeha ilay fiara, miaraka amin’ireo kojakojany hafa rehetra izay mifehy azy io.
2 Izany dia mitovy amin’ny fanompoan’ny Kristiana iray an’Andriamanitra. Manao asa araka an’Andriamanitra maro be ny Vavolombelon’i Jehovah. Isan-taona, dia ora maherin’ny arivo tapitrisa no lany amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ankoatra izany, dia fampianarana ny Baiboly an-tapitrisany maro no tarihina, ary ireo izay atao batisa dia miisa ana hetsiny maro. Raha mpitory ny vaovao tsara ianao, dia nanana anjara tamin’io antontan’isa mampientam-po io ianao — na dia toa kely aza. Ary afaka matoky ianao fa ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanao sy ny fitiavana izay nasehonao ho voninahitry ny anarany’. — Hebreo 6:10.
3. Inona, ankoatra ny asa, no tokony hampanahy indrindra ny Kristiana, ary nahoana?
3 Ny tena hasarobidin’ny fanompoana ataontsika anefa — amin’ny fitambarany na isam-batan’olona — dia tsy refesina amin’ny isa fotsiny. Araka ny nolazaina tamin’i Samoela, “ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo”. (1 Samoela 16:7). Eny, izay maha-isika antsika ao anaty no misy vidiny amin’Andriamanitra. Marina fa tena ilaina ny asa. Ireo zavatra atao mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra dia mampahamendrika ny fampianaran’i Jehovah ary manintona ireo azo inoana fa ho tonga mpianatra. (Matio 5:14-16; Titosy 2:10; 2 Petera 3:11). Tsy milaza ny zava-drehetra anefa ny asantsika. Nanana antony nampanahy momba ny kongregasiona tao Efesosy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty — na dia teo aza ny firaketana an-tsoratra an’ireo asa tsara nataon’izy ireo. “Fantatro ny asanao”, hoy izy tamin’izy ireo. “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany hianao.” — Apokalypsy 2:1-4.
4. a) Amin’ny fomba ahoana ny fanompoantsika an’Andriamanitra no mety hanjary toy ny fombafomba atao noho ny fahatsapana adidy? b) Nahoana no ilaina ny fandinihan-tena?
4 Misy ny loza iray. Mandritra ny fe-potoana iray, dia mety hanjary toy ny fombafomba atao noho ny fahatsapana adidy ny fanompoantsika an’Andriamanitra. Nilazalaza izany toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Nivoaka nanao fanompoana aho, nandeha tany amin’ireo fivoriana, nianatra, nivavaka — kanefa dia nanao izany rehetra izany aho, nandeha ho azy, tsy nahatsapa na inona na inona mihitsy.” Mazava ho azy fa tokony hoderaina ireo mpanompon’Andriamanitra rehefa miezaka mafy na dia eo aza ny fahatsapana ho “potraka” na ho “nazera ambany”. (2 Korintiana 4:9; 7:6, NW ). Na dia izany aza, rehefa manjary tsy mandeha tsara ny fahazarana kristiana arahintsika, dia mila mizaha ny ao anatin’ilay maotera isika, raha azo atao ny milaza izany. Na dia ny tsara indrindra amin’ny fiarakodia aza dia mila fikojakojana ara-potoana; mitovy amin’izany koa fa mila mandini-tena tsy tapaka ny Kristiana rehetra. (2 Korintiana 13:5). Afaka mahita ny asantsika ny hafa, kanefa dia tsy afaka mahatsikaritra izay manosika ny ataonao izy ireo. Noho izany, ny tsirairay amintsika dia tokony hanahy ny amin’ilay fanontaniana hoe: ‘Inona no manosika ahy hanompo an’Andriamanitra?’
Vato misakana ny antony manosika araka ny tokony ho izy
5. Didy inona no nolazain’i Jesosy fa voalohany indrindra?
5 Rehefa nanontaniana ny amin’ny voalohany indrindra amin’ireo lalàna nomena ny Isiraely i Jesosy, dia nanonona didy iray izay nifantoka tamin’ny antony manosika anaty, fa tsy tamin’ny fisehoana ivelany izy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Marka 12:28-30). Tamin’izany no nampahafantaran’i Jesosy izay tokony ho hery manosika ao ambadiky ny fanompoantsika an’Andriamanitra — dia ny fitiavana.
6, 7. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanafihan’i Satana tamim-pitaka ny faritry ny fianakaviana, ary nahoana? (2 Korintiana 2:11). b) Amin’ny ahoana ny fitaizana fony fahakely no mety hisy fiantraikany eo amin’ny fihetsiky ny tena manoloana ny fahefan’Andriamanitra?
6 Maniry hanakantsakana ny fahafahantsika mamboly ilay toetra tena lehibe hoe fitiavana, i Satana. Mba hanatanterahana izany, dia fomba iray nampiasainy ny fanafihana ny faritry ny fianakaviana. Nahoana? Satria io no toerana iforonan’ireo hevitra voalohany sy maharitra ananantsika momba ny fitiavana. Fantatr’i Satana tsara ilay fotopoto-pitsipika ara-baiboly hoe, izay ianarana amin’ny fahazazana dia mety hisy vidiny amin’ny fahalehibeazana. (Ohabolana 22:6). Manandrana amim-pitaka manolana ny fiheverantsika momba ny fitiavana aloha be izy. Amin’ny maha-“andriamanitr’izao tontolo izao” azy, dia hitan’i Satana fa miasa tsara ho an’ny fikasany ny fisian’ny olona maro mihalehibe ao anatin’ny tokantrano izay tsy toeram-pialofana misy fitiavana, fa toeram-piadiana misy fanaovana fo lentika sy fahatezerana ary fitenenan-dratsy. — 2 Korintiana 4:4; Efesiana 4:31, 32; 6:4; Kolosiana 3:21.
7 Ilay boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra dia manamarika fa ny fomba itondran’ny raim-pianakaviana iray ny anjara asany amin’ny maha-ray aman-dreny azy dia “ho hita taratra eo amin’ny fihetsika horaisin’ireo zanany any aoriana eo anoloan’ny fahefana, na an’olombelona izany na an’Andriamanitra”.a Niaiky toy izao ny lehilahy kristiana iray izay nobeazina tao anatin’ny fanjakazakan’ny ray masiaka iray: “Amiko, ny fankatoavana an’i Jehovah dia mora; ny fitiavana azy dia sarotra kokoa.” Mazava ho azy fa tena zava-dehibe ny fankatoavana, satria eo imason’Andriamanitra dia “ny manaraka no tsara noho ny fanatitra” (1 Samoela 15:22). Kanefa inona no afaka manampy antsika ho lasa lavitra kokoa noho ny fankatoavana fotsiny ka hamboly fitiavana an’i Jehovah mba ho hery manosika ao ambadiky ny fanompoam-pivavahana ataontsika?
“Ny fitiavan’i Kristy no manery anay”
8, 9. Amin’ny ahoana ny sorom-panavotan’i Jesosy no tokony hanetsika ny fitiavantsika an’i Jehovah?
8 Ny fanairana lehibe indrindra mba hambolena fitiavana amin’ny fo manontolo ho an’i Jehovah dia ny fankasitrahana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.” (1 Jaona 4:9). Raha vao mahatakatra ny hevitr’izany sy mankasitraka izany isika, dia mahatonga fihetsika feno fitiavana ho setriny io asa mampiseho fitiavana io. “Isika tia, satria [Jehovah] efa tia antsika taloha.” — 1 Jaona 4:19.
9 Nanaiky an-tsitrapo ny fanendrena azy hanompo amin’ny maha-Mpamonjy ny olombelona i Jesosy. “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika”. (1 Jaona 3:16; Jaona 15:13). Tokony hiteraka fihetsika feno fankasitrahana ao amintsika ny fitiavana feno fahafoizan-tenan’i Jesosy. Indro misy ohatra manazava izany: Aoka hatao hoe voavonjy tsy ho faty an-drano ianao. Moa ve ianao ho afaka ny handeha hody fotsiny, dia hanamaina tena ary hanadino izany? Mazava ho azy fa tsia! Hahatsiaro tena ho manan-trosa haloa amin’ilay olona namonjy anao ianao. Raha dinihina tokoa, dia ny ainao no trosa tokony haloanao amin’izany olona izany. Tokony ho latsa-danja noho izany ve ny tokony haloantsika amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy? Raha tsy nisy ilay avotra, dia ho faty an-drano tao amin’ny ota sy ny fahafatesana ny tsirairay amintsika, raha azo atao ny milaza izany. Noho io asam-pitiavana lehibe io kosa anefa, dia manana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa isika. — Romana 5:12, 18; 1 Petera 2:24.
10. a) Ahoana no ahazoantsika manao ny avotra ho zavatra ho an’ny tenantsika manokana? b) Amin’ny ahoana no manery antsika ny fitiavan’i Kristy?
10 Aoka ianao hisaintsaina ny amin’ny avotra. Raiso ho an’ny tenanao manokana izany, toy ny nataon’i Paoly izay nanao hoe: “Izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” (Galatiana 2:20). Ny fisaintsainana toy izany dia hanaitra antony manosika lalina, satria nanoratra toy izao ho an’ny Korintiana i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria (...) maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (2 Korintiana 5:14, 15). Milaza ny The Jerusalem Bible fa ny fitiavan’i Kristy dia “mandresy anay”. Rehefa mandinika maharitra ny fitiavan’i Kristy isika, dia voatery, voatosika lalina, resy mihitsy aza. Manohina ny fontsika izany ary manosika antsika hanao asa. Araka ny ilazan’ny fandikan-tenin’i J. B. Phillips azy io amin’ny teny hafa, “ilay loharano fototra manosika ny ataontsika mihitsy dia ny fitiavan’i Kristy”. Na inona na inona antony manosika karazany hafa noho izany dia tsy hitondra vokany maharitra ao amintsika, araka ny asehon’ny ohatry ny Fariseo.
“Mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo”
11. Lazalazao ny fihetsiky ny Fariseo nahakasika ireo asa ara-pivavahana.
11 Ny Fariseo dia nanaisotra izay rehetra mety ho aina tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra. Tsy nanamafy ny fitiavana an’Andriamanitra izy ireo fa nanantitrantitra kosa ny asa ho toy ny fitaovana fandrefesana ny fiainana ara-panahy. Ny fiahian’izy ireo fatratra ny amin’ny fitsipika be tsipiriany dia nahatonga azy ireo hiseho ho marina teo ivelany, saingy tao anatiny kosa dia “feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra”. — Matio 23:27.
12. Taorian’ny nanasitranan’i Jesosy ny lehilahy iray, dia ahoana no nisehoan’ny Fariseo ho mafy fo?
12 Indray mandeha i Jesosy dia nanasitrana tamim-pangorahana lehilahy iray maty tanana. Toy inona moa no tsy maintsy ho hafalian’io lehilahy io rehefa nositranina teo no ho eo tamin’ny aretina iray izay tsy isalasalana fa nahasanganehana be ara-batana sy ara-pihetseham-po! Tsy niara-nifaly taminy anefa ny Fariseo. Nitsingoloka tamin’ny tsipirian-javatra iray kosa aza izy ireo — dia ny hoe nanao fanampiana tamin’ny Sabata i Jesosy. Noho izy ireo niahy fatratra ny amin’ny fomba fanazavany manokana ny Lalàna, ny Fariseo dia tsy nahatakatra ny tena hevitry ny Lalàna. Tsy nahagaga raha “nalahelo noho ny hamafin’ny fony”, i Jesosy! (Marka 3:1-5). Ankoatra izany, dia nampitandrina ny mpianany toy izao izy: “Mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo”. (Matio 16:6). Novakina betroka tao amin’ny Baiboly ny nataony sy ny toe-tsainy mba ho tombontsoantsika.
13. Fianarana inona no azontsika avy amin’ny ohatry ny Fariseo?
13 Ny ohatry ny Fariseo dia mampianatra antsika fa mila manana fomba fijery mahalala ny antonona ny amin’ny asa, isika. Tsy azo lavina fa tena zava-dehibe ny asa, satria “maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa”. (Jakoba 2:26). Ny olombelona tsy lavorary anefa dia manana fironana hitsara ny hafa amin’izay ataony fa tsy amin’ny maha-izy azy. Indraindray, dia mety hitsara ny tenantsika toy izany mihitsy aza isika. Mety hanjary ho sahiran-tsaina tafahoatra amin’ny fahavitan-javatra isika, toy ny hoe izany no hany fomba anombanana ny fiainantsika ara-panahy. Mety hanadino ny maha-zava-dehibe ny fandinihana ny antony manosika antsika isika. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 5:12.) Mety hanjary olona henjana fatra-pifikitra amin’ny fitsipika isika, dia olona izay ‘mitantavana ny moka, nefa mitelina rameva’, mankato ny soratra amin’ny lalàna saingy mandika ny zava-kendren’izy io. — Matio 23:24.
14. Tamin’ny ahoana ny Fariseo no nitovy tamin’ny kapoaka na lovia naloto?
14 Ny tsy azon’ny Fariseo dia ny hoe, raha tena tia tokoa an’i Jehovah ny olona iray, dia hanaraka ho azy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra. Ny fiainana ara-panahy dia mivoaka avy ao anaty mankatỳ ivelany. Niampanga mafy an’ireo Fariseo i Jesosy noho ny fiheveran-dison’izy ireo momba izany, tamin’ny filazana hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.” — Matio 23:25, 26.
15. Manomeza ohatra ny amin’ny hoe nijery tany ankoatran’izay niseho ivelany i Jesosy.
15 Ny fisehoana ivelan’ny kapoaka iray, na lovia iray, na ny trano iray mihitsy aza, dia tsy mampiharihary afa-tsy izay ihany. Ireo mpianatr’i Jesosy dia talanjona noho ny hakanton’ny tempoly tao Jerosalema, izay nantsoin’i Jesosy hoe “zohy fieren’ny jiolahy” noho izay nitranga tao anatiny. (Marka 11:17; 13:1). Izay marina tamin’ilay tempoly dia marina koa amin’ireo olona an-tapitrisany maro izay milaza tena fa Kristiana, araka ny asehon’ny firaketana an-tsoratry ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nilaza i Jesosy fa hitsara olona sasany izay nahavita “asa lehibe” tamin’ny anarany ho “mpanao meloka”, izy. (Matio 7:22, 23). Mifanohitra tanteraka amin’izany, fa niteny toy izao izy momba ny vehivavy mpitondratena iray izay nanome anjara vola kely dia kely tao amin’ny tempoly: “Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra (...) fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.” (Marka 12:41-44). Fitsarana miovaova ve izany? Tsy izany velively. Tamin’ireo tarehin-javatra roa ireo i Jesosy dia nampiseho taratry ny fomba fijerin’i Jehovah. (Jaona 8:16). Nahita ny antony nanosika tao ambadik’ireo asa izy, ary dia nitsara nifanaraka tamin’izany.
“Samy araka izay fahaizany avy”
16. Nahoana isika no tsy mila mampitaha foana ny asantsika amin’ny an’ny Kristiana hafa iray?
16 Raha araka ny tokony ho izy ny antony manosika antsika, dia tsy misy ilana hanaovana fampitahana tsy an-kijanona. Ohatra, tsy misy soa firy azo amin’ny fikelezana aina hifaninana handany eo amin’ny fanompoana habetsaham-potoana mitovy amin’izay ataon’ny Kristiana hafa iray na hifampitaha amin’ny zava-bitan’izy ireo eo amin’ny fitoriana. Nilaza i Jesosy ny mba hitiavana an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra sy ny sainao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra, dia ny anao — fa tsy ny an’olon-kafa. Tsy mitovy ny fahaizana sy ny tanjaka ary ny toe-javatra misy ny olona tsirairay. Raha mamela anao hanao izany ny tarehin-javatra misy anao, ny fitiavana dia hanosika anao handany fotoana betsaka eo amin’ny fanompoana — angamba mihitsy aza amin’ny maha-mpisava lalana manompo manontolo andro. Raha miady amin’ny aretina anefa ianao, ny fotoana laninao eo amin’ny fanompoana dia mety ho kely kokoa noho izay irinao hatao. Aza kivy. Tsy refesina amin’ny alalan’ny ora akory ny fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra. Noho ianao manana antony manosika madio, dia hanana antony hifaliana ianao. Nanoratra toy izao i Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa”. — Galatiana 6:4.
17. Amin’ny fomba fiteninao manokana, dia lazao fohy ny amin’ilay fanoharana momba ny talenta.
17 Diniho ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ny talenta, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 25:14-30. Ny lehilahy iray nadiva hiainga tany an-tany lavitra dia niantso ny mpanompony ary nanankina tamin’izy ireo ny fananany. “Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, — samy araka izay fahaizany avy”. Rehefa niverina mba handamina ny kaontiny teo amin’ireo mpanompony ilay tompo, dia inona no hitany? Ilay mpanompo nomena talenta dimy dia nahazo talenta dimy fanampiny. Toy izany koa fa ilay mpanompo nomena talenta roa dia nahazo talenta roa fanampiny. Ilay mpanompo izay nomena talenta iray dia nandevina azy io tao anaty tany ary tsy nanao na inona na inona mba hampitomboana ny harenan’ny tompony. Ahoana no fanombanan’ilay tompo ny tarehin-javatra?
18, 19. a) Nahoana ilay tompo no tsy nampitaha an’ilay mpanompo nomena talenta roa tamin’ilay mpanompo nomena talenta dimy? b) Inona no ampianarin’ilay fanoharana ny amin’ny talenta antsika momba ny fanaovana teny fiderana sy ny fampitahana? d) Nahoana ilay mpanompo fahatelo no nahazo didim-pitsarana ratsy?
18 Aoka aloha hodinihintsika ireo mpanompo izay nomena talenta dimy sy roa avy. Hoy ilay tompo tamin’ny tsirairay amin’ireo mpanompo ireo: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky”. Ho nilaza izany tamin’ilay mpanompo nomena talenta dimy ve izy raha tsy nahazo afa-tsy roa fotsiny izy io? Tsy azo inoana izany! Etsy an-danin’izany, dia tsy nilaza tamin’ilay mpanompo izay nahazo talenta roa izy hoe: ‘Nahoana ianao no tsy nahazo dimy? Jereo ny mpanompo namanao, ary ohatrinona no azony ho ahy!’ Tsia, tsy nanao fampitahana ilay tompo be fangorahana izay nampiseho an’i Jesosy. Nanome talenta ho an’ny tsirairay “samy araka izay fahaizany avy” izy, ary tsy nanantena ny hahazo, ho setrin’izany, na inona na inona mihoatra noho izay azon’ny tsirairay nomena. Samy nahazo teny fiderana nitovy ireo mpanompo roa lahy, satria samy niasa tamin’ny fanahiny manontolo ho an’ny tompony izy ireo. Samy afaka mianatra avy amin’izany isika rehetra.
19 Mazava ho azy fa tsy nomena teny fiderana ilay mpanompo fahatelo. Raha ny marina, dia natsipy tany amin’ny maizina tany ivelany izy. Noho izy tsy nahazo afa-tsy talenta iray, dia tsy ho nantenaina ny hamokarany betsaka toy ilay mpanompo nanana talenta dimy. Tsy nanandrana akory anefa izy! Ny didim-pitsarana ratsy azony tamin’ny farany dia noho ny toe-pony “ratsy sady malaina”, izay nampiseho tsy fahampiam-pitiavana an’ilay tompo.
20. Ahoana no iheveran’i Jehovah ny fetran’ny tenantsika?
20 Antenain’i Jehovah ny hitiavan’ny tsirairay amintsika azy amin’ny herintsika rehetra, kanefa dia manafana ny fo toy inona moa ny hoe “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika”! (Salamo 103:14). Milaza ny Ohabolana 21:2 fa i ‘Jehovah dia mandanja ny fo’ — fa tsy ny antontan’isa. Mahatakatra izay mety ho fetran’ny tenantsika tsy azontsika fehezina izy, na ara-bola izany, na ara-batana, na ara-pihetseham-po, na hafa. (Isaia 63:9). Amin’izay fotoana izay ihany anefa dia antenainy ny hanaovantsika izay farany azontsika atao amin’ny fananana rehetra mety hananantsika. Lavorary i Jehovah, kanefa rehefa mifampiraharaha amin’ireo mpivavaka aminy tsy lavorary izy, dia tsy mitaky fahalavorariana. Sady tsy hoe tsy mahalala ny antonona izy eo amin’ny fifampiraharahany no tsy hoe tsy mijery ny zava-misy eo amin’ny fanantenany zavatra.
21. Raha ny fitiavana no antony manosika eo amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra, dia vokatra tsara inona avy no hanaraka izany?
21 Ny fitiavana an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra dia “mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra”. (Marka 12:33). Raha atosiky ny fitiavana isika, dia hanao izay rehetra azontsika atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nanoratra i Petera fa “raha anananareo” ireo toetra araka an’Andriamanitra, anisan’izany ny fitiavana, “sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — 2 Petera 1:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ho Famerenana
◻ Inona no tokony ho hery manosika ao ambadiky ny fanompoantsika an’Andriamanitra?
◻ Ahoana no aneren’ny fitiavan’i Kristy antsika hanompo an’i Jehovah?
◻ Fiahiana fatratra ny amin’inona nahazo ny Fariseo no tsy maintsy halavirintsika?
◻ Nahoana no tsy mampiseho fahendrena ny tsy fitsaharana mampitaha ny fanompoantsika amin’ny an’ny Kristiana hafa iray?
[Sary, pejy 16]
Tsy mitovy ny fahaizana sy ny tanjaka ananan’ny isam-batan’olona ary ny toe-javatra misy azy