Ny Vavaka Ataon’iza no Mahazo Valiny?
I JEHOVAH dia Andriamanitra mamaly vavaka. Raha ny marina, ny Teniny, ny Baiboly, dia miantso azy hoe: “Mpihaino vavaka”. (Salamo 65:2). Vonona ny hamaly vavaka izy. Nefa, ny vavaka ataon’iza no tena valiany?
Mamaly ny vavaky ny olona ankasitrahany Andriamanitra. Manana fihetsika feno fanajana toy ny an’ilay mpanao salamo izay nilaza toy izao izy ireny: “Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an-ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona.” (Salamo 42:1, 2). Kanefa, inona no porofo manamarina fa mamaly ny vavaky ny mpivavaka marina aminy i Jehovah?
Porofo fa mamaly vavaka Andriamanitra
Ny Baiboly dia mirakitra fitantarana be dia be manaporofo fa mamaly ny vavaky ny mpanompony mahatoky i Jehovah. Ohatra, rehefa nangataka fanafahana i Josafata mpanjakan’ny Joda, dia namaly ny vavaka nataony Andriamanitra ary nanome fandresena azy tamin’ny fanaovana izay hifamelezan’ireo fahavalony. (2 Tantara 20:1-26). Rehefa niatrika hery ara-tafika nampihorohoro iray sahala amin’izany koa i Hezekia mpanjaka, dia nivavaka tamim-panetren-tena tamin’Andriamanitra izy mba hahazo fanampiana. Nahita ny famonjen’i Jehovah i Hezekia rehefa nahafaty Asyriana 185 000 tao anatin’ny indray alina monja ny anjelin’i Jehovah iray. — Isaia 37:14-20; 36-38.
Nahoana Andriamanitra no namaly izany vavaka izany? Tamin’ireo toe-javatra roa ireo, dia nitalaho ireo mpanjaka fa hisy vokany ratsy eo amin’ny anaran’i Jehovah ny fahareseny amin’ny ady. (2 Tantara 20:6-9; Isaia 37:17-20). Niahy ny amin’ny lazan’i Jehovah izy ireo. “Ny tena zava-kendren’ny ny vavaka”, hoy ny The International Standard Bible Encyclopedia, “dia tsy ny soa ho an’ilay mangataka fotsiny fa ny voninahitry ny anaran’Andriamanitra.” Noho izany, ny mpanompo mahatokin’i Jehovah dia afaka mahazo antoka fa hanampy azy izy “noho ny anarany”. Ny fitantarana manaporofo fa novaliana ny vavaka toy izany dia manome toky ny vahoakan’Andriamanitra fa mihaino ny vavak’izy ireo izy. — Salamo 91:14,15; 106:8; Ohabolana 18:10.
Na dia mahatafiditra ny anaran’i Jehovah aza anefa ny toe-javatra iray, dia Andriamanitra no manapa-kevitra raha hamaly na tsy hamaly vavaka sasany. Mety hanana antony ara-dalàna tsy hamaliana vavaka sasany izy. Raha mahatsapa isika fa tsy henoina ny vavaka ataontsika, dia tsara ny handinihana ny antony nety ho nahatonga izany.
Nahoana no tsy mahazo valiny ny vavaka sasany?
“Na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho”, hoy i Jehovah indray mandeha tamin’ny Isiraelita. Rehefa nampahafantatra ny antony izy, dia nanohy hoe: “Feno ran’olona ny tànanareo.” (Isaia 1:15). Ahoana no ahafahan’ny olona iray tsy miraharaha ny lalàn’i Jehovah hohenoiny ihany? Manome valiny mazava toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” — Ohabolana 28:9.
Manome antony hafa tsy ihainoana ny vavaka sasany ny Baiboly rehefa miteny hoe: “Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ny filanareo.” (Jakoba 4:3). Tsia, tsy hamaly ny fangatahana hanomezana fahafahampo ny fanirian-dratsy i Jehovah. Tsy maintsy tadidintsika koa fa tsy mandray baiko avy amin’olombelona Andriamanitra, raha azo atao ny milaza izany. Izy no Ilay manapa-kevitra ny amin’ny fomba hamaliany ny vavaka ataontsika.
Ny azo antoka fa hahazo valiny, dia ny vavaka atao amin’Andriamanitra avy amin’ny fo madio, miaraka amin’ny antony manosika araka ny mety, ary amin’ny fomba notondroiny, dia amin’ny alalan’i Kristy. (Jaona 14:6, 14). Nefa na dia ireo izay manao vavaka mahatanteraka ny fepetra toy izany aza indraindray dia mahatsapa fa tsy henoina. Nahoana Andriamanitra no tsy mamaly avy hatrany ny vavaky ny mpanompony sasany?
Jehovah dia mahafantatra ny fotoana tsara indrindra hamaliana vavaka. Na dia mangataka bisikilety aza ny ankizilahy iray dia mety tsy hahazo iray ho azy ny rainy mandra-pahatongany ho ampy fahalehibeazana mba hitondra izany amin’ny fomba azo antoka. Marina koa izany raha ny amin’ny vavaka sasany ataon’ireo izay tia an’Andriamanitra. Noho ny fahafantarana izay tsara indrindra ho azy ireny, dia manome izay ilaina amin’ny fotoana mety indrindra izy.
Kanefa tsy mahazo izay zavatra rehetra mety hangatahiny ny mpanompon’i Jehovah. Noho izy ireo tsy tanteraka dia mety haniry zavatra sasany izay tsy tsara ho azy izy. Ny Rainy be fitiavana any an-danitra dia tsy hanome azy zavatra manimba, satria izy dia Mpanome ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Mitovy amin’izany koa, fa mety tsy hanome zavatra izay tsy tena ilaina, araka ny fomba fijeriny, Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 12:7-10.) Mamaly vavaka mifanaraka amin’ny sitrapony sy ny fikasany ho an’ny vahoakany izy. — 1 Jaona 5:14, 15.
‘Nohenoina tsara’ i Jesosy
Olona tia nivavaka i Jesosy Kristy. (Matio 6:9-13; Jaona 17:1-26). Nanana fatokiana feno izy fa hihaino sy hamaly ny vavaka ataony ny Rainy any an-danitra. Niteny toy izao i Jesosy indray mandeha: “Ray ô, (...) fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao.” (Jaona 11:41, 42). Nefa, moa ve i Jesosy tsy diso fanantenana teo amin’ny tena faran’ny fiainany teto an-tany? Moa ve izy tsy niantso hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” — Matio 27:46.
Rehefa niteny an’ireo i Jesosy, dia niharihary fa nahatanteraka faminaniana iray mahakasika ny fahafatesany izy. (Salamo 22:1). Amin’ny heviny iray manokana, dia te hilaza koa i Jesosy fa nanaisotra ny fiarovany i Jehovah ary namela ny Zanany hiharan’ny fahafatesana feno fangirifiriana sy mahamenatra, mba hitsapana ny fetran’ny tsy fivadihany. Ny fandinihana ireo fisehoan-javatra tamin’io faran’ny andro niainan’i Jesosy teto an-tany io dia mampiseho fa nihaino ny vavaka nataony i Jehovah.
Tamin’ny alina nisamborana azy, dia nivavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane i Jesosy. Intelo izy no nitaraina hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity.” (Matio 26:39, 42, 44). Tsy hoe nisalasala ny hanome ny ainy ho avotra ho an’ny taranak’olombelona mino akory i Jesosy. Tsia, fa toa nanahy mafy izy sao dia hanala baraka ny Ray malalany amin’ny fahafatesana eo amin’ny hazo fijaliana toy ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra voaozona. Nihaino ny vavak’i Jesosy ve i Jehovah?
Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly rehefa afaka taona maro tatỳ aoriana: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino [nohenoina tsara, NW] noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (Hebreo 5:7; Lioka 22:42, 44). Eny, tamin’ny alina nampahory nialoha ny nahafatesany, dia “nohenoina tsara” i Jesosy. Nefa tamin’ny fomba ahoana?
Jehovah dia naniraka anjely iray “niseho teo aminy [Jesosy] ka nampahery Azy”. (Lioka 22:43). Rehefa nampaherezina toy izany i Jesosy, dia afaka niatrika ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Toa nanome antoka azy i Jehovah tamin’izay fa tsy hitondra fanalam-baraka ho an’ny anaran’Andriamanitra ny fahafatesany teo amin’ny hazo fa, amin’ny farany, dia ho zavatra hampiasaina hanamarinana azy io mihitsy. Eny tokoa, ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana dia nanokatra lalana ho an’i Jiosy, izay voaozona teo ambanin’ny Lalàna raha tsy nisy izany, ho afaka tamin’ny fanamelohana ho faty. — Galatiana 3:11-13.
Rehefa afaka telo andro taorian’izay, dia nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty i Jehovah ary nanadio azy tamin’izay rehetra nety ho fiampangana ho niteny ratsy an’Andriamanitra, tamin’ny fanandratana azy ho any amin’ny toerana ambony any an-danitra. (Filipiana 2:7-11). Endrey izany fomba mahatalanjona namaliana ny vavaka nataon’i Jesosy mikasika “ity kapoaka ity”! Novaliana araka izay nitiavan’i Jehovah azy io vavaka io. Ary nahita fitahiana mahagaga i Jesosy satria nilaza toy izao tamin’ny Rainy any an-danitra izy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” — Lioka 22:42.
Ny fomba famalian’i Jehovah vavaka amin’izao andro izao
Sahala amin’i Jesosy, ireo izay miezaka hampifaly an’i Jehovah amin’izao andro izao dia tokony hangataka mandrakariva izay hahatanterahan’ny sitrapon’i Jehovah. Ilain’izy ireo ny manana finoana fa hovalian’i Jehovah ny vavaka ataony amin’ny fomba hahitany soa be indrindra. Raha ny marina, dia ‘hanao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika’ izy. — Efesiana 3:20.
Ny vehivavy kristiana tanora iray izay niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny tsy mpino dia nahatsapa ny fahamarinan’io andinin-teny io. Tao amin’ny taratasy iray avy tamin’ny Fikambanana Watch Tower, dia nangatahina izy handinika amim-bavaka sao afaka manaiky fanendrena ho misionera manokana. Na dia ny hijanona ao an-trano hanampy ny ray aman-dreniny ho tonga kristiana aza no faniriany tamim-pahatsorana, dia nangataka toy izao tamin’Andriamanitra tao amin’ny vavaka izy: “Inona no sitraponao? Ny hanekeko ity fanasana ity ve na inona na inona fanoheran’ny ray aman-dreniko, sa ny hanampy ny ray aman-dreniko amin’ny fanohizana miara-mipetraka amin’izy ireo?” Isaky ny mivavaka izy, dia miteny aminy foana ny feon’ny fieritreretany mba hanaiky ilay fanasana. Nanapa-kevitra izy fa izay no valim-bavaka avy amin’i Jehovah.
Nanatanjaka an’io vehivavy io hitana ny fanapahan-keviny Andriamanitra. Rehefa nangataka hifindra ho any amin’ny nosy Awaji, any Japana izy, dia tezitra mafy ny ray aman-dreniny ary nanamafy ny fanoherany. Kanefa, noho izy tsy naharesy lahatra azy hanova ny toe-tsainy, dia nanapa-kevitra ny hianatra ny Baiboly ny reniny mba hahitana fotsiny ny antony nanaovan-janany fanapahan-kevitra toy izany. Rehefa afaka telo volana tatỳ aoriana, dia nitsidika azy ny ray aman-dreniny. Raha vao nahita ny fomba niahian’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa azy tsara fotsiny ny rainy, dia tohina lalina ary nitomany rehefa tsy nisy olona. Tsy ela izy dia nanomboka nianatra ny Baiboly koa. Tamin’ny farany, dia vita batisa ny ray aman-drenin’io vehivavy tanora io ary nanomboka nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana. Moa ve tsy nitahy tamin’ny fomba tondraka an’io vehivavy kristiana io i Jehovah?
Novaliana ny vavak’izy ireo
Tsaroanao ve ny tenin’ilay vehivavy resahina ao amin’ny fiandohan’ilay lahatsoratra teo aloha? Tsy nahatsapa mihitsy izy hoe novaliana ny vavaka nataony. Kanefa tatỳ aoriana dia takany fa namaly ny vavaka nataony Andriamanitra. Nitahiry an-tsoratra ny hevi-dehibe tao amin’ireo vavaka nataony izy. Indray andro izy dia namaky tao amin’ny kahieny fitanana an-tsoratra ary nahatsapa fa nihaino ny ankamaroan’ny vavaka nataony i Jehovah, na dia ireo izay hadinony mihitsy aza! Nahafantatra izy, araka izany, fa niahy azy i Jehovah ary namaly ny vavaka nataony tamim-pitiavana araka izay nitondra soa be indrindra ho azy.
Raha mahatsapa ianao fa tsy mahazo valiny ny vavaka ataonao, dia manontania tena hoe: ‘Manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka” ve aho? Raha tsia, moa ve aho eo am-panaovana dingana mba hianatra momba azy sy ho tonga iray amin’ireo mpanompony nanolo-tena?’ Mamaly ny vavak’ireo izay tia azy sy manao ny sitrapony izy. ‘Maharitra amin’ny vavaka’ izy ireny ary nohenoina tsara, sahala amin’i Jesosy. (Romana 12:12). Noho izany, dia ‘loary eo anatrehan’i Jehovah ny fonao’ ary manaova ny sitrapony. (Salamo 62:8). Amin’izay dia hohenoina ny vavaka ataonao.
Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro no mivavaka mba hahazo zavatra manokana. Eny, ary henoina ny vavak’izy ireny. Aoka hojerentsika ny antony ananantsika antoka fa hahazo valiny ny vavaka toy izany.