Zava-miafina Tsy Azon’ny Kristiana Hazonina!
“Izaho niteny miharihary tamin’izao tontolo izao; (...) tsy nisy nolazaiko tao amin’ny takona”. — JAONA 18:20.
1, 2. Inona no dikan’ilay teny grika hoe my·steʹri·on araka ny ampiasana azy ao amin’ny Soratra Masina?
ILAY teny grika hoe my·steʹri·on dia nadika in-25 hoe “zava-miafina masina”, ary in-3 hoe “mistery” ao amin’ny New World Translation of the Holy Scriptures (Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao). Tsy maintsy ho zava-dehibe tokoa ny zava-miafina iray antsoina hoe masina! Na iza na iza manana tombontsoa hahafantatra zava-miafina toy izany dia tokony hahatsiaro tena ho nomem-boninahitra fatratra, satria nisaina ho mendrika ny hiara-manan-java-miafina amin’ilay Andriamanitra Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao.
2 Hamafisin’ny Expository Dictionary of Old and New Testament Words nataon’i Vine fa, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia dikan-teny mety kokoa ny hoe “zava-miafina masina” noho ny hoe “mistery”. Izao no lazainy momba ny my·steʹri·on: “Ao amin’ny [Soratra Grika Kristiana] izy io dia milaza, tsy ilay mistery (toy ilay teny ang[lisy]), fa ilay tsy fantatra raha tsy avy amin’ny fanambaran’Andriamanitra, noho ilay izy mihoatra ny efa fahaiza-mahataka-javatra voajanahary. Ary izy io dia ampahafantarina amin’ny fomba sy ny fotoana voatondron’Andriamanitra, sy ho an’ireo izay hazavain’ny Fanahiny ihany. Amin’ny heviny mahazatra, ny hoe mistery dia milaza an-kolaka fahalalana tsy nomena; ny heviny araka ny Soratra Masina dia hoe fahamarinana nambara. Noho izany, ireo fitenenana ampiarahina indrindra amin’ilay teny dia hoe ‘nampahafantarina’, ‘naharihary’, ‘nambara’, ‘notorina’, ‘takatra ny heviny’, ‘fizarana’. ”
3. Ahoana no tsy nitovian’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany tamin’ireo antokom-pivavahana mifono mistery sasany?
3 Asongadin’io fanazavana io ny tsy fitoviana lehibe teo amin’ireo antokom-pivavahana mifono mistery izay niroborobo tamin’ny taonjato voalohany, sy ilay kongregasiona kristiana vao niforona. Matetika no voafatotry ny voadin’ny fanginana ireo niditra ho mpikambana tao amin’ireo antokom-pivavahana niafina mba hiarovana ireo fampianarana ara-pivavahana, kanefa kosa ny Kristiana dia tsy mba nofeperana toy izany mihitsy. Marina fa ny apostoly Paoly dia niresaka momba ny ‘fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina masina’ ka niantso azy io hoe “fahendrena izay nafenina”, izany hoe, nafenina an’ireo “mpanapaka izao tontolo izao”. Tsy miafina amin’ireo Kristiana izy io. Nambara tamin’ireo Kristiana tamin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra izy io mba hahafahan’izy ireo mampahafantatra azy io amin’ny besinimaro. — 1 Korintiana 2:7-12; ampitahao amin’ny Ohabolana 1:20.
Fantatra ilay “zava-miafina masina”
4. Mifantoka amin’iza ilay “zava-miafina masina”, ary amin’ny fomba ahoana?
4 Mifantoka amin’i Jesosy Kristy ny “zava-miafina masina” izay an’i Jehovah. Nanoratra toy izao i Paoly: “Nampahafantarin[’i Jehovah] ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy”. (Efesiana 1:9, 10). Mbola namaritra tsara kokoa ny toetoetran’ilay “zava-miafina masina” mihitsy aza i Paoly rehefa nilaza fa ilaina ny “fahalalana araka ny marina ny zava-miafina masin’Andriamanitra, izany hoe i Kristy”. — Kolosiana 2:2, NW.
5. Inona no tafiditra amin’ny hoe “zava-miafina masina”?
5 Bebe kokoa anefa no tafiditra amin’izany, satria ilay “zava-miafina masina” dia zava-miafina manana lafiny maro. Izy io akory tsy ilay famantarana an’i Jesosy ho ilay Taranaka nampanantenaina na Mesia fotsiny. Tafiditra amin’izany koa ny anjara asa voatondro hataony ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany ny fitondram-panjakana iray any an-danitra, dia ilay Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra, araka ny nohazavain’i Jesosy mazava fony izy niteny toy izao tamin’ny mpianany: “Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina [masina, NW ] ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.” — Matio 13:11, izahay no manao sora-mandry.
6. a) Nahoana no mety ny ilazana fa “voàfina hatry ny fony fahagola” ilay “zava-miafina masina”? b) Ahoana no nanambarana azy io miandalana?
6 Fe-potoana lava be no tsy maintsy lany teo anelanelan’ilay nanononana voalohany ny fikasan’Andriamanitra hanome fototra ho an’ny Fanjakana Mesianika, sy ilay ‘hahatanterahan’ny zava-miafina masina’. (Apokalypsy 10:7; Genesisy 3:15). Ny fahatanterahan’izy io dia hitranga miaraka amin’ny fiorenan’ilay Fanjakana, araka ny porofoin’ny fampitahana ny Apokalypsy 10:7 sy ny 11:15. Raha ny marina, dia 4 000 taona teo ho eo no lasa nanomboka tamin’ilay nanomezana ny fampanantenana Fanjakana voalohany tao Edena, ka hatramin’ny nisehoan’ilay Mpanjaka Voatendry tamin’ny taona 29 am.f.i. Nisy 1 885 taona hafa lasa, talohan’ny niorenan’ilay Fanjakana tany an-danitra, tamin’ny 1914. Araka izany, dia nambara miandalana ilay “zava-miafina masina”, nandritra ny fe-potoana efa ho 6 000 taona. (Jereo ny pejy faha-16.) Marina tokoa ny an’i Paoly raha nilaza ny amin’ny “fampisehoana ny zava-niafina [masina, NW ], izay voàfina hatry ny fony fahagola, fa efa naseho ankehitriny”, izy. — Romana 16:25-27; Efesiana 3:4-11.
7. Nahoana isika no afaka matoky tanteraka ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina?
7 Mifanohitra amin’ny olombelona izay voafetra ny androm-piainany, i Jehovah dia tsy mahatsapa mihitsy hoe teren’ny fotoana izy ka hanambara ny zava-miafiny alohan’ny fotoana. Izany zava-misy izany dia tokony hisakana antsika tsy hanjary tsy hahandry rehefa misy fanontaniana ara-baiboly sasany izay tsy voazava amin’ny fomba mahafa-po antsika amin’izao fotoana izao. Nirahina hanome sakafo amin’ny fotoana mety ho an’ny ankohonana kristiana, ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina. Ny fiheveran-tena araka ny antonona asehon’io kilasy io dia misakana azy tsy ho sahisahy ratsy hialoha sy hanombantombana fahatany zavatra izay mbola tsy mazava. Miezaka mafy mba tsy hitompo teny fantatra ny kilasin’ny mpanompo. Tsy mampaninona azy ny miaiky fa amin’izao fotoana izao izy dia tsy afaka mamaly ny fanontaniana rehetra, amin’ny fitanana mazava tsara ao an-tsaina ny Ohabolana 4:18. Mampientana toy inona anefa ny mahafantatra fa, hanohy hanambara ireo zava-miafina momba ny fikasany i Jehovah, amin’ny fotoana mety aminy sy amin’ny fombany manokana! Tsy tokony hanjary tsy hahandry mihitsy isika raha ny amin’ny fandaharan’i Jehovah, ka hanandrana tsy amim-pahamalinana hialoha ilay Mpanambara zava-miafina. Manome toky toy inona moa ny mahafantatra fa tsy manao toy izany ilay fitaovana ampiasain’i Jehovah amin’izao andro izao! Sady mahatoky izy io no malina. — Matio 24:45, NW; 1 Korintiana 4:6.
Tsy maintsy lazaina ilay zava-miafina izay efa nambara!
8. Ahoana no ahafantarantsika fa tokony hampahafantarina ilay “zava-miafina masina”?
8 I Jehovah akory tsy nanambara ny ‘zava-miafiny masina’ tamin’ny Kristiana mba hihazonan’izy ireo azy io hiafina. Tokony hampahafantarina izy io, mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika napetrak’i Jesosy ho an’ireo mpanara-dia azy rehetra — fa tsy ho an’ny vitsivitsy monja anisan’ny klerjy. Toy izao izany: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 5:14-16; 28:19, 20.
9. Inona no manaporofo fa tsy revolisionera i Jesosy, araka ny lazain’ny sasany?
9 I Jesosy dia tsy nanam-pikasana revolisionera hamorona fikambanana miafina hisy ireo mpanara-dia azy, mba hanatratrarana zava-kendrena miafina. Ao amin’ilay bokiny hoe Early Christianity and Society, i Robert M. Grant, dia nanoratra toy izao momba ilay fiarovana an’ireo Kristiana tany am-boalohany nataon’i Justin Maritiora, mpiaro ny finoana tamin’ny taonjato faharoa: “Raha mpanao revolisiona ny Kristiana, dia ho nitoetra niafina izy ireo mba hanatratrarana ny tanjony.” Kanefa ahoana no ahafahan’ny Kristiana ‘hitoetra ho miafina’ no sady ho sahala amin’ny “tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra”? Tsy sahy nanafina ny hazavany tao ambany vata famarana izy ireo! Noho izany, dia tsy nisy tokony ho natahoran’ny fitondram-panjakana ny asan’izy ireo. Nanohy ny fanazavany toy izao io mpanoratra io: “Izy ireo no mpanampy tsara indrindra ny emperora teo amin’ny raharaha momba ny fandriampahalemana sy ny filaminana tsara.”
10. Nahoana ny Kristiana no tsy tokony hihazona ho tsiambaratelo ny momba azy ireo?
10 Tsy nirin’i Jesosy ny hihazonan’ireo mpianany ho tsiambaratelo ny momba azy ireo, izany hoe ny naha-mpikambana azy ireo tao amin’izay nolazaina fa antokom-pivavahana iray. (Asan’ny Apostoly 24:14; 28:22). Ny tsy famelana ny fahazavantsika hamirapiratra amin’izao andro izao dia sady tsy hampifaly an’i Kristy no tsy hampifaly ny Rainy, ilay Mpanambara zava-miafina, ary tsy hahasambatra antsika izany.
11, 12. a) Nahoana i Jehovah no maniry ny hampahafantarana ny Kristianisma? b) Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra mety?
11 ‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra’. (2 Petera 3:9; Ezekiela 18:23; 33:11; Asan’ny Apostoly 17:30). Ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no fototra iorenan’ny famelana ny fahotan’ireo olona mibebaka. Nanolotra ny tenany izy ho avotra ho an’ny rehetra — fa tsy ho an’ny vitsivitsy monja — mba “tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16). Iankinan’ny aina ny hanampiana ny olona hanao ireo dingana tena ilaina mba hamenoany fepetra, ka hitsarana azy ho ondry fa tsy osy, mandritra ilay fitsarana ho avy. — Matio 25:31-46.
12 Tsy tokony hafenina ny Kristianisma marina; tokony hampahafantarina amin’izay fomba mety rehetra azo atao, izy io. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no namela ny ohatra mety. Rehefa nanontanian’ny lohan’ny mpisorona momba ny mpianany sy ny fampianarany izy, dia nilaza hoe: “Izaho niteny miharihary tamin’izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ny synagoga sy ny kianjan’ny tempoly, izay iangonan’ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ny takona”. (Jaona 18:19, 20). Raha dinihina amin’io zava-nitranga tany aloha io, dia olona matahotra an’Andriamanitra iza no ho sahy hihazona ho tsiambaratelo izay nambaran’Andriamanitra fa tsy maintsy ampahafantarina ny besinimaro? Iza no ho sahy hanafina “ny fanalahidin’ny fahalalana” izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay? Ny fanaovana izany dia mahatonga ny tenany hitovy amin’ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana tamin’ny taonjato voalohany. — Lioka 11:52; Jaona 17:3.
13. Nahoana isika no tokony hitory isaky ny fahafahana rehetra?
13 Enga anie ka tsy hisy ho afaka hilaza fa nihazona ho tsiambaratelo ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, isika Vavolombelon’i Jehovah! Na ekena na lavina ilay hafatra, dia tsy maintsy fantarin’ny olona fa efa notorina izy io. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 2:5; 33:33.) Aoka àry isika hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hiresahana an’ilay hafatra momba ny fahamarinana amin’ny rehetra, na aiza na aiza sendra ihaonantsika amin’izy ireny.
Fanisiana masom-by ny valanoranon’i Satana
14. Nahoana isika no tokony tsy hisalasala ny hiseho an-karihary eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika?
14 Any amin’ny toerana maro, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manjary ifantohan’ny sain’ny fampitam-baovao bebe kokoa hatrany. Mitovy amin’izay nitranga tamin’ireo Kristiana tany am-boalohany, dia matetika izy ireo no aseho amin’ny fomba diso ary kilasina hitovy torosy amin’ireo antokom-pivavahana madinika mampiahiahy sy ireo fikambanana miafina. (Asan’ny Apostoly 28:22). Angamba ny fisehoantsika an-karihary eo amin’ny fitoriana no mahatonga antsika hiharam-panafihana kokoa? Azo antoka fa tsy ho fahendrena no sady tsy hifanaraka amin’ny torohevitr’i Jesosy ny hitsofohana ao amin’ny ady hevitra tsy ilaina. (Ohabolana 26:17; Matio 10:16). Na dia izany aza, dia tsy tokony hafenina ilay asa mahasoa ho fitoriana ilay Fanjakana sy ho fanampiana ny olona hanatsara ny fiainany. Manome voninahitra an’i Jehovah izany, manandratra azy, manintona ny saina ho aminy sy ho amin’ny Fanjakany efa miorina. Tato ho ato, tany Eoropa Atsinanana sy tany amin’ny tapany amin’i Afrika dia nahafa-po ny fandraisana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Anisan’ny nahatonga izany ny fahafahana hiseho an-karihary bebe kokoa eo amin’ny fitoriana ny fahamarinana ankehitriny.
15, 16. a) Zava-kendrena inona avy no tratra noho ny fisehoantsika an-karihary sy ny firoboroboantsika ara-panahy, kanefa antony mampanahy antsika ve izany? b) Nahoana i Jehovah no manisy masom-by eo amin’ny valanoranon’i Satana?
15 Marina fa ny fisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah an-karihary eo amin’ny fitoriana sy ny paradisa ara-panahy ananany ary ny firoboroboany — na eo amin’ireo olona ananany izany na eo amin’ny fananana ara-nofo — dia tsy takona afenina. Na dia manintona olona tso-po aza ireny anton-javatra ireny, dia mety hahatsiravina an’ireo mpanohitra kosa. (2 Korintiana 2:14-17). Raha ny marina, io firoboroboana io amin’ny farany no mety hanintona ireo tafik’i Satana mba hanafika ny vahoakan’Andriamanitra.
16 Tokony hampanahy antsika ve izany? Tsia, raha araka ny faminanian’i Jehovah hita ao amin’ny Ezekiela toko faha-38. Manambara mialoha izy io fa hitarika fanafihana ny vahoakan’Andriamanitra i Goga avy any Magoga, ilazana an’i Satana Devoly hatramin’ny nampietrena azy ho etỳ amin’ny manodidina ny tany, taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914. (Apokalypsy 12:7-9). Izao no lazain’i Jehovah amin’i Goga: “Hanao hoe [ianao]: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimànda; hankamin’izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy monina ao an-tanàna tsy misy mànda na hidy na vavahady izy rehetra, — mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin’ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ny foi-ben’ny tany.” (Ezekiela 38:11, 12). Asehon’ny andininy faha-4 anefa fa tsy mila matahotra io fanafihana io ny vahoakan’Andriamanitra, satria izany dia avy amin’izay hataon’i Jehovah. Nahoana anefa Andriamanitra no hamela ny hisian’ny fanafihana ny vahoakany amin’ny hery rehetra — eny, hanetsika izany fanafihana izany mihitsy aza? Eo amin’ny andininy faha-23 no amakiantsika ny valin-tenin’i Jehovah manao hoe: “Hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.”
17. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanafihan’i Goga efa antomotra?
17 Araka izany, dia tsy miaina ao anatin’ny tahotra ny fanafihan’i Goga akory ny vahoakan’i Jehovah. Tsy andrin’izy ireo kosa aza io fahatanteraham-paminaniana fanampiny ao amin’ny Baiboly io. Mampientam-po toy inona moa ny mahafantatra fa manisika masom-by amin’ny valanoranon’i Satana ka mitarika azy sy ny tafiny ho amin’ny faharesena, i Jehovah amin’ny fanambinana sy amin’ny fitahiana ny fandaminany hita maso! — Ezekiela 38:4.
Bebe kokoa noho ny hatramin’izay!
18. a) Inona no manjary takatry ny olona maro izao, ary nahoana? b) Amin’ny ahoana ny fihetsika manoloana ny fitoriana ilay Fanjakana no antony manosika mahery?
18 Amin’ny andro ankehitriny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tena naneho an-karihary ny fiheviny miorina amin’ny Baiboly, na dia tsy be mpitia aza izany. Nandritra ny am-polony taona maro izy ireo dia nampitandrina ny amin’ny loza entin’ny fifohana sigara sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Nampitandrina koa izy ireo fa tsy mitsinjo lavitra ny fitaizan-janaka milefitra loatra, fa misy vokany ratsy ny fialam-boly heniky ny firaisana andrarana sy ny herisetra, ary koa fa mampidi-doza ny fampidiran-dra. Nanintona ny saina ho amin’ireo hevitra tsy mifanaraka ao amin’ny teôrian’ny evolisiona koa izy ireo. Olona maro kokoa hatrany izao no miteny hoe: “Tsy diso tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa dinihina.” Tsy ho afaka naneho fihetsika toy izany izy ireo raha tsy nampahafantatra an-karihary toy izany ny fihevitsika isika. Ary aza odian-tsy hita ny hoe, rehefa miteny toy izany izy ireo, dia efa eo an-dalam-pilazana hoe: “Mpandainga ianao ry Satana, fa i Jehovah tokoa no marina, rehefa dinihina.” Izany ka antony mahery manosika antsika hanohy hanaraka ny ohatr’i Jesosy, amin’ny firesahana ampahibemaso ny amin’ny teny fahamarinana! — Ohabolana 27:11.
19, 20. a) Fahatapahan-kevitra inona no nambaran’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1922, ary mbola mihatra ihany ve ireo teny ireo? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny “zava-miafina masina” izay an’i Jehovah?
19 Efa hatramin’ny ela no nahatakaran’ny vahoakan’i Jehovah ny adidiny amin’io lafiny io. Tamin’ny fivoriambe niavaka iray tamin’ny 1922, dia nampientana ny mpihaino azy tamin’ny fitenenana toy izao, i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay: “Aoka ianareo hahonon-tena, ho malina, harisika, ho sahy. Aoka ianareo ho vavolombelona mahatoky sy marina ho an’ny Tompo. Mandrosoa ho amin’ny ady mandra-pahafoanan’izay mety ho soritr’i Babylona. Ambarao hatraiza hatraiza ilay hafatra. Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa i Jehovah no Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ireo mpanjaka sy Tompon’ireo tompo. Itỳ no andro iray toa zato. Jereo fa manjaka ny Mpanjaka! Ianareo no masoivoho mpampahafantatra azy. Noho izany dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.”
20 Raha zava-dehibe ireo teny ireo tamin’ny 1922, dia vao mainka zava-dehibe lavitra izany 75 taona atỳ aoriana, rehefa akaiky kokoa ny fampisehoana an’i Kristy amin’ny maha-Mpitsara sy Mpamaly faty azy! Ilay hafatra momba ilay Fanjakan’i Jehovah efa miorina sy ilay paradisa ara-panahy ananan’ny vahoakan’Andriamanitra dia “zava-miafina masina” lehibe loatra tsotra izao ka tsy hay hazonina. Araka ny nolazain’i Jesosy mazava tsara, dia tsy maintsy ho vavolombelona ireo mpanara-dia azy, noho ny fanampian’ny fanahy masina. Izy ireo dia ho vavolombelona “hatramin’ny faran’ny tany” ny amin’ny anjara toerana fototra tanan’i Jesosy ao amin’ny fikasana mandrakizain’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 1:8; Efesiana 3:8-12). Raha ny marina, satria isika mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitra mampiseho zava-miafina, dia tsy sahy mihazona io tsiambaratelo io ho an’ny tenantsika isika!
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona ilay “zava-miafina masina”?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa tokony hambara izy io?
◻ Inona no manetsika ilay fanafihan’i Goga ny vahoakan’i Jehovah, ary ahoana no tokony hiheverantsika izany?
◻ Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona ny tsirairay amintsika?
[Efajoro, pejy 16]
“Zava-miafina Masina” Naseho Miandalana
◻ Taorian’ny 4026 al.f.i.: Nampanantena Andriamanitra fa hanangana Taranaka iray mba handringana an’i Satana. — Genesisy 3:15
◻ 1943 al.f.i.: Natao nanan-kery ilay fanekena abrahamika, izay nampanantena fa ho avy amin’ny alalan’i Abrahama ilay Taranaka. — Genesisy 12:1-7
◻ 1918 al.f.i.: Fahaterahan’i Isaka ho mpandova ilay fanekena. — Genesisy 17:19; 21:1-5
◻ 1761 al.f.i. tany ho any: Nohamafisin’i Jehovah fa ho avy amin’i Jakoba, zanak’i Isaka, ilay taranaka. — Genesisy 28:10-15
◻ 1711 al.f.i.: Nolazain’i Jakoba fa ho avy amin’ny alalan’i Joda zanany ilay Taranaka. — Genesisy 49:10
◻ 1070-1038 al.f.i.: Fantatr’i Davida Mpanjaka fa ho avy amin’ny taranany sy hanapaka mandrakizay amin’ny maha-Mpanjaka, ilay Taranaka. — 2 Samoela 7:13-16; Salamo 89:35, 36
◻ 29-33 am.f.i.: I Jesosy dia fantatra ho ilay Taranaka, ilay Mesia, ilay mpitsara ho avy, ilay Mpanjaka voatendry. — Jaona 1:17; 4:25, 26; Asan’ny Apostoly 10:42, 43; 2 Korintiana 1:20; 1 Timoty 3:16
◻ Nambaran’i Jesosy fa hanana mpiara-manapaka aminy sy mpiara-mitsara aminy izy, fa hanana olom-pehezina eto an-tany ilay Fanjakana any an-danitra, ary fa tsy maintsy ho mpitory ilay Fanjakana avokoa ireo mpanara-dia azy rehetra. — Matio 5:3-5; 6:10; 28:19, 20; Lioka 10:1-9; 12:32; 22:29, 30; Jaona 10:16; 14:2, 3
◻ Nambaran’i Jesosy fa haorina amin’ny fotoana voafaritra tsara iray ilay Fanjakana, araka ny porofoin’ireo zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao. — Matio 24:3-22; Lioka 21:24
◻ 36 am.f.i.: Fantatr’i Petera fa ho mpiara-mandova ilay Fanjakana koa ny tsy Jiosy. — Asan’ny Apostoly 10:30-48
◻ 55 am.f.i.: Nohazavain’i Paoly fa ireo mpiara-mandova ilay Fanjakana dia hatsangana ho amin’ny tsy fetezan-ko faty sy ny tsy fahalovana mandritra ny fanatrehan’i Kristy. — 1 Korintiana 15:51-54
◻ 96 am.f.i.: Nambaran’i Jesosy, izay efa nanapaka an’ireo voahosotra mpanara-dia azy, fa ho 144 000 ny isan’izy ireo farany. — Efesiana 5:32; Kolosiana 1:13-20; Apokalypsy 1:1; 14:1-3
◻ 1879 am.f.i.: Nanondro ny 1914 ho taona nisy heviny lehibe teo amin’ny fahatanterahan’ilay “zava-miafina masina” izay an’Andriamanitra, ny Zion’s Watch Tower
◻ 1925 am.f.i.: Nohazavain’ny Ny Tilikambo Fiambenana fa teraka tamin’ny 1914 ilay Fanjakana; tsy maintsy ambara ilay “zava-miafina masina” momba ilay Fanjakana. — Apokalypsy 12:1-5, 10, 17
[Sary, pejy 15]
Sahala amin’i Jesosy Mpitarika azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara ampahibemaso ny Fanjakan’i Jehovah