Fanontanian’ny mpamaky
■ Moa ve ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 11:24 milaza fa hatsangan’i Jehovah amin’ny maty ireo mponina tany Sodoma sy Gomora izay naringany tamin’ny afo?
Ho famaliana amim-pahamarinana an’io fanontaniana io, tao anatin’ny taona maro, dia noheverinay ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 10:14, 15; 11:20-24; ary ao amin’ny Lioka 10:13-15. Ny fandinihana vao haingana an’io fanontaniana io dia nitarika anay hieritreritra fa tsy hoe tsy maintsy milaza akory ireo andininy ireo fa hisy ho avy ho an’ny mponina tany Sodoma sy Gomora. Alohan’ny hamakafakana andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly momba ny olona naringana tao amin’ireo tanàna ireo, dia aoka hojerentsika aloha izay nambaran’i Jesosy.
Rehefa tany Galilia i Jesosy, dia ‘niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo’. Telo tamin’izany no notononiny: “Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela (...) ireny. (...) ho moramora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita hianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka andro-any izy. (...) ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminao.” (Matio 11:20-24). Nanao fanambarana sahala amin’izany i Jesosy rehefa naniraka ireo mpianatra 12, avy eo dia ireo 70, hitory. — Matio 10:14, 15; Lioka 10:13-15.
Hatreo amin’ny 1964, dia nieritreritra izahay ny dikan’ireo andininy ireo dia hoe mendrika fandringanana mandrakizay ny mponin’i Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy. Tamin’ny 1964 sy tamin’ny 1965 anefa, ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia nampiseho mazava fa izay rehetra ao amin’ny Hadesy sy Sheola (ny fasana iombonan’ny olombelona), dia hivoaka avy ao noho ny fananganana ny maty ka rehefa avy eo dia ‘hotsaraina araka ny asany’. — Apokalypsy 20:13.
Nanao izao famakafakana izao koa ireny lahatsoratra ireny: ny andinin-teny ao amin’ny Matio 11:23 sy Lioka 10:15 dia samy manambara fa tsy hakarina hatrany an-danitra Kapernaomy fa haetry “hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita [hadesy, MN ]”, ka izany dia milaza fa haetry fara faharatsiny ny mponina ao aminy. Tao amin’io andinin-teny io ihany no niresahan’i Jesosy ny amin’ny tanàna tranain’i Tyro sy Sidona. Araka ny Ezekiela 32:21, 30 anefa dia nankany amin’ny Sheola ny mponin’i Sidona rehefa avy nomelohin’Andriamanitra (Isaia 23:1-9, 14-18; Ezekiela 27:2-8). Koa satria nampitahain’i Jesosy ny tanànan’i Tyro sy Sidona ary Sodoma, dia tokony ho tao amin’ny Sheola koa ny mponin’i Sodoma.
Ny fandinihana indray ny Matio 11:20-24 anefa dia nitarika anay hanontany tena raha ny amin’ny fitsarana mandrakizay sy ny amin’ny fananganana ny maty no noresahin’i Jesosy. Tian’i Jesosy habaribary indrindra fa tsy nihontsika aoka izany ny mponina tany Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy, ary tena tsy azo ninoana ny hiovany na dia amin’ny Andro Fitsarana aza. Tamin’ny filazana fa “ho moramora kokoa” ny ho amin’i Tyro sy Sidona ary ny amin’i Sodoma sy Gomora, dia nampiasa karazam-panitarana izy (fampitomboana natao hampisongadinana hevitra iray) tsy nataony horaisina amin’ny heviny ara-bakiteny, toy izany koa ny fanitarana hafa kely sasany, ka ireto misy ohatra vitsivitsy:
“Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ny lalàna”. “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” (Lioka 16:17; 21:33; Matio 5:18; jereo Hebreo 1:10-12). Fantatsika fa tsy ho levona na oviana na oviana ny lanitra sy ny tany ara-bakiteny (Salamo 78:69; 104:5; Mpitoriteny 1:4). Izao koa no nambaran’i Jesosy: “Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Marka 10:25). Mazava ho azy fa tsy te-hilaza akory izy hoe tsy hisy mpanan-karena ho tonga anankiray amin’ireo mpianany mihitsy; anisan’ny kristiana voahosotra ny mpanan-karena sasany tamin’ny taonjato voalohany (1 Tiomty 6:17-19). Tamin’ny fampiasana fanitarana, dia tian’i Jesosy ny hampiseho hoe ho sarotra tokoa amin’ny olona manan-karena iray ny hanome ho an’Andriamanitra, toerana alohan’ny harenany sy ny fiadanany manokana. — Lioka 12:15-21.
Noho izany, rehefa nilaza i Jesosy fa ‘ho moramora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona’ dia tsy hoe tsy maintsy te-hilaza izy fa eo ireo tanàna ireo amin’ny Andro Fitsarana. Mety ho tiany fotsiny ny hampibaribary ny fahamelohana sy famafian-katoky ny mponina tany Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy, ny an’ny ankamaroany fara faharatsiny, satria nanaiky an’i Kristy ihany ny mponina sasany tany Kapernaomy (Marka 1:29-31; Lioka 4:38, 39). Nanda azy anefa ireo tanàna ireo tamin’ny fitambarany. Ny sasany tamin’ny mponina tao aminy koa aza, toy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, dia nety ho tonga hatramin’ny fanotana tamin’ny fanahy masina tsy ahazoana famelan-keloka, na dia ao amin’ny ‘fandehan-javatra ho avy’ aza. Mankany amin’ny Gehena ny olona toy izany. — Matio 12:31, 32; 23:33.
Ankoatra ny nambaran’i Jesosy ny amin’io raharaha io, Ezekiela 32:21, 30 dia mampahafantatra antsika fa ireo mpanompo sampy nonina tao amin’ny tanànan’i Tyro sy Sidona dia ao amin’ny Sheola, izany hoe mety hatsangana amin’ny maty. Fa ahoana ny amin’ny mponin’ny ‘tany Sodoma amin’ny Andro Fitsarana’? Ny nampitahan’i Jesosy an’i Sidona sy Sodoma akory tsy ampy hanaporofo fa hanana ho avy ireny olona ratsy fanahy ireny, izay naringan’Andriamanitra tamin’ny afo sy ny solifara. Aoka hojerentsika anefa izay mbola lazain’ny Baiboky koa ny amin’izany.
Misy heviny indrindra ny andinin-teny ao amin’ny Joda 7. Joda dia vao avy niresaka 1) ny amin’ny Isiraelita izay naringana noho ny tsy fahampiam-pinoany, ary 2) ny amin’ny anjely izay nanota ka ‘voahazona amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe’. Izao no nosoratany manaraka izany: “Toy izany koa, Sodoma sy Gomora (...) dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana [sazy ara-pitsarana, MN ] amin’ny afo maharitra mandrakizay.” Nampiharina tamin’ny fandravana mandrakizay ireo tanàna mihitsy io andinin-teny io, fa tsy tamin’ny an’ireo mponina tao aminy. Rehefa heverina amin’izay lazain’ny andininy faha-5 sy faha-6 amin’ny taratasin’i Joda anefa, dia azo inoana fa ny ankamaroan’ny olona dia hahita koa eo amin’ny andininy faha-7, sazy ara-pitsarana natao ho an’olona manokana. (Toy izany koa, dia takatra fa ireo fanomezan-tsiny voatantara ao amin’ny Matio 11:20-24 dia miantefa amin’olona fa tsy amim-bato na trano.) Rehefa heverina amin’izany endriny izany, ny ho dikan’ny Joda 7 dia hoe, araka ny didim-pitsarana azony, dia naringana mandrakizay ireo mponina ratsy fanahy tany Sodoma sy Gomoraa.
Etsy an-daniny koa, dia amim-pahalianana no hanamarihantsika fa imbetsaka ny Baiboly no mampifandray ny safodrano amin’ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora. Ao anatin’ny teny manodidina inona no anaovany izany?
Raha namaly fanontaniana mahakasika “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” i Jesosy dia nanambara “ny farany” ho avy mbamin’ny “fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao”. (Matio 24:3, 14, 21.) Taorian’izany izy dia niresaka ny amin’ny “andron’i Noa” sy izay nitranga “tamin’ny andron’i Lota” mba hampisehoana hoe tamin’ny fomba ahoana no nisian’olona tsy nihevitra mihitsy ny fampitandremana ny amin’ny fandringanana ho avy. Hoy ny teny nanampin’i Jesosy: “Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.” (Lioka 17:26-30; jereo Matio 24:36-39). Moa ve i Jesosy nianina tamin’ny fanazavana toe-tsaina iray, sa kosa ny teny manodidina anomezany ireo ohatra ireo milaza fa niresaka ny amin’ny fitsarana farany izy?
Tatỳ aoriana i Petera dia niresaka ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy ny sazy hampiharin’Andriamanitra sy ny sazy hampiharin’Andriamanitra amin’ireo izay mendrika izany. Naka ohatra telo izy rehefa avy eo: ireo anjely izay nanota, izao tontolo izao taloha tamin’ny andron’i Noa, sy ny olona izay naringana tany Sodoma sy Gomora. Io toe-javatra farany io, hoy Petera amintsika, dia “fananarana ho an’izay ratsy fanahy ato aoriana”. (2 Petera 2:4-9.) Avy eo izy dia nampitaha ny fandringanana namely ny olona tamin’ny safodrano tamin’ny “andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy” ho avy, dia fandringanana hialoha ny fanorenana lanitra vaovao sy tany vaovao nampanantenain’Andriamanitra. — 2 Petera 3:5-13.
Moa ve ireo izay haringan’Andriamanitra amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ho toy izany foana? Izany tokoa no ahariharin’ny 2 Tesaloniana 1:6-9 amin’izao teny izao: “Fa zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana [fandringanana, MN ] mandrakizay, avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny.”
Mahaliana ny manamarika fa mitovy ny fehezanteny amin’io filazalazana io sy ny fitantaran’i Joda izay nitranga tany Sodoma. Ambonin’izany, ireo andinin-teny ao amin’ny Matio 25:31-46 (MN ) sy Apokalypsy 19:11-21 dia milaza fa “ny osy” hesorina amin’ny adin’Andriamanitra ho avy, dia ho any amin’ny “fanafoanana mandrakizay” ao amin’ny “farihy afo” izay mampiseho fandringanana tanterakab. — Apokalypsy 20:10, 14.
Noho izany, ankoatra ny andinin-teny ao amin’ny Joda 7, ny Baiboly dia mampiasa koa ny tanànan’i Sodoma sy Gomora mbamin’ny safodrano mba hanazavana ny fandringanana izay hamarana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Izay ringana tamin’ireny fitsarana taloha ireny àry dia toa ringana tanteraka. Mazava ho azy fa ho afaka hanamarina izany ny tsirairay avy amintsika, raha tsy mivadika amin’i Jehovah ao anatin’ny vanim-potoana ankehitriny. Amin’izany no hahafahantsika hiaina ao amin’izao tontolo izao vaovao sy hahita hoe iza no hatsangan’i Jehovah ary iza no tsy hatsangany. Fantatsika fa tanteraka ny fitsarany. Manome toky antsika amin’izany amin’izao teny izao Eliho: “Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.” — Joba 34:10, 12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ezekiela 16:53-55 dia manonona an’i “Sodoma sy ny zanani-vavy”, tsy mifandray amin’ny fananganana ny maty, fa amin’ny heviny ara-panoharana, mifandray amin’i Jerosalema sy ireo zanany vavy (jereo Apokalypsy 11:8). Jereo koa La Tour de Garde tamin’ny 1 oktobra 1952, pejy faha-293 sy 294.
b Jereo ny lahatsoratra hoe “Fanontanian’ny mpamaky” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 febroary 1988.