FANETREN-TENA
Toetran’ny olona tsy mirehareha na mieboebo na mizahozaho na mihevi-tena ho ambony. Tsy kileman-toetra ny fanetren-tena, fa toe-tsaina tian’i Jehovah kosa.
Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia avy amin’ny fototeny (ʽanah) midika hoe “ampahorina, aetry, ampijalina” ny hoe “fanetren-tena.” Teny maro avy amin’io fototeny io no nadika hoe “fanetren-tena”, “fandeferana”, “fahoriana”, sy ny toy izany. Misy ifandraisany amin’ny “fanetren-tena” koa ireto matoanteny hebreo roa ireto: Kanaʽ (a.b.t.: mandresy [ny tena ihany]) sy shafel (a.b.t.: ambany na lasa ambany). Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina kosa, dia ilay teny hoe tapeinôfrôsyne no adika hoe “fanetren-tena.” Avy amin’ny teny hoe tapeinôô, midika hoe “mahatonga ho ambany”, sy fren, midika hoe “ny saina”, izy io.
Lasa manetry tena ny olona rehefa misaintsaina izay lazain’ny Baiboly momba ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy amin’ny olona, ka miaina mifanaraka amin’izay ianarany avy amin’izany. Midika ara-bakiteny hoe “hitsakitsaho ny tenanao” ilay teny hebreo hoe hitrappes, izay adika hoe “manetre tena.” Mahalaza tsara an’ilay fihetsika noresahin’ilay lehilahy hendry nanoratra ny bokin’ny Ohabolana io teny hebreo io. Hoy mantsy izy: “Anaka, raha nanaiky hiantoka olona nisambo-bola ianao, ... raha voafandrik’izay nolazain’ny vavanao ... [dia] efa eo am-pelatanan’ilay olona ianao, ka izao no ataovy: Mandehana ka manetre tena [hitsakitsaho ny tenanao] eo anatrehany, ary iangavio fatratra izy. ... Afaho ny tenanao.” (Oh 6:1-5) Midika izany hoe aza be hambom-po, ekeo ny fahadisoanao, ahitsio izay tsy mety, ary mangataha famelana. Nanoro hevitra ny Kristianina i Jesosy mba hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitra, ka ho toy ny zaza. Nampirisihiny koa izy ireo mba hanompo ny rahalahiny, fa tsy hanambony tena.—Mt 18:4; 23:12.
Mety hanjary hanetry tena koa ny olona noho ny zavatra niainany, na noho izy nambanina. Nilaza tamin’ny Israelita i Jehovah hoe nampanetry tena azy ireo izy, rehefa nasainy nandeha tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona izy ireo mba hitsapana azy ireo sy hahalalana izay tao am-pony, ka hampahafantarana azy ireo fa “tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (De 8:2, 3) Azo antoka fa Israelita maro no nandray soa rehefa nandia an’izany zava-tsarotra izany, ka nanjary nanetry tena. (Ampit. Le 26:41; 2Ta 7:14; 12:6, 7.) Tsy maintsy hietry kosa amin’ny farany ny olona na firenena tsy mety manetry tena, na mandà ny famaizana natao hampanetry tena azy.—Oh 15:32, 33; Is 2:11; 5:15.
Toetra tian’Andriamanitra. Toetra tena sarobidy amin’i Jehovah ny fanetren-tena. Tsy voatery hanao zavatra ho an’ny olombelona izy, nefa noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa dia vonona hamindra fo sy hankasitraka an’izay manetry tena eo anatrehany izy. Asehon’ny olona manetry tena fa tsy matoky tena izy na mirehareha, fa miantehitra amin’Andriamanitra kosa ary te hanao ny sitrapony. Izao tokoa no nosoratan’i Jakoba sy Petera: “Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.”—Jk 4:6; 1Pe 5:5.
Na dia nahavita zavatra tena ratsy aza ny olona iray taloha, dia henoin’i Jehovah ny vavaka ataony, raha tena manetry tena eo anatrehany izy ka mitalaho famindram-po aminy. Nampiroborobo ny fivavahan-diso tao Joda, ohatra, i Manase Mpanjaka, ka notaominy ny mponin’i Joda sy Jerosalema mba “hanao ratsy mihoatra noho izay nataon’ireo firenena naringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely.” “Tena nanetry tena tokoa teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny razany” anefa i Manase, rehefa navelan’i Jehovah hoentin’ny mpanjakan’i Asyria ho babo. “Tsy nitsahatra nivavaka tamin’Andriamanitra izy. Dia nanaiky ny fiangaviany Andriamanitra, ka nihaino ny fitalahoany famindram-po, ary nampody azy tamin’ny fanjakany tany Jerosalema. Dia fantatr’i Manase fa i Jehovah no tena Andriamanitra.” Nanjary nanetry tena àry izy.—2Ta 33:9, 12, 13; ampit. 1Mp 21:27-29.
Ahazoana tari-dalana tsara. Afaka manantena ny hahazo tari-dalana avy amin’Andriamanitra ny olona manetry tena. Iray amin’ireny i Ezra. Vatan-dehilahy 1500, ankoatra ny mpisorona sy ny Netinima ary ny zaza amam-behivavy, no nentiny niala tany Babylona mba hiverina tany Jerosalema. Andraikitra navesatra tokoa izany. Nitondra volamena sy volafotsy be dia be koa izy ireo handravahana ny tempoly tany Jerosalema. Nila mpiaro àry izy ireo teny an-dalana, nefa i Ezra tsy te hangataka miaramila tamin’ny mpanjakan’i Persa. Ho niantehitra tamin’ny herin’olombelona mantsy izy raha nanao izany. Efa niteny tamin’ilay mpanjaka koa izy hoe: “Ny tanan’Andriamanitray dia momba an’izay rehetra mitady azy sy te hanao ny tsara.” Nasain’i Ezra nifady hanina àry ny olona ka hanetry tena eo anatrehan’i Jehovah. Nangataka ny fanampian’Andriamanitra izy ireo, ary nihaino azy ireo izy, ka niaro azy ireo tamin’izay fahavalo niafina mba hanafika azy ireo teny an-dalana. Tonga soa aman-tsara izy ireo, na dia nampidi-doza aza ny dia. (Ezr 8:1-14, 21-32) Nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra koa i Daniela mpaminany tamin’izy babo tany Babylona, ka niangavy an’Andriamanitra mba hanome azy tari-dalana sy hanampy azy hahazo ny hevitry ny teniny. Tena nankasitrahan’Andriamanitra izy noho izy nanetry tena, ka nisy anjely nirahina tany aminy, tao anatin’ny fahitana.—Da 10:12.
Hitarika ny olona hanao zavatra araka ny tokony ho izy ny fanetren-tena, sady hahazoany voninahitra. Andriamanitra mantsy no manandratra sy mampietry. (Sl 75:7) “Ny fireharehan’ny fon’ny olona mialoha ny fahalavoany, ary ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra.” (Oh 18:12; 22:4) Tsy hahazo voninahitra mihitsy àry ny olona, raha mirehareha mba hahazoana voninahitra. Izany no nanjo an’i Ozia mpanjakan’ny Joda. Nanjary sahisahy ratsy izy ka sahy nanao ny asan’ny mpisorona na dia tsy ara-dalàna aza izany. “Raha vao nahery ... izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra fahavoazana ho an’ny tenany izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra.” Tezitra mafy tamin’ireo mpisorona nanitsy azy izy, ary lasa boka. (2Ta 26:16-21) Tsy nanetry tena i Ozia ka nanao zavatra tsy nety, ary izany no nanimba ny fiainany.
Manampy ao anatin’ny sarotra. Tena manampy hiatrika zava-tsarotra ny fanetren-tena. Io toetra io no manampy ny olona hizaka ny mafy sy hiaritra ary hanompo an’Andriamanitra foana. Tojo zava-tsarotra maro, ohatra, i Davida Mpanjaka, izay nataon’i Saoly haza lambo toy ny mpikomy. Tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy anefa i Davida, ary tsy nanandra-tena ho ambony noho ny voahosotr’i Jehovah. (1Sa 26:9, 11, 23) Nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra izy rehefa nananatra azy mafy dia mafy i Natana mpaminany, noho izy nijangajanga tamin’i Batseba, ka nanota tamin’i Jehovah. (2Sa 12:9-23) Tatỳ aoriana, dia nanozona an’i Davida ampahibemaso i Simey Benjaminita. Saika hamono an’i Simey àry i Abisay, miaramilan’i Davida, noho izy namingavinga ny mpanjaka. Nanetry tena anefa i Davida, ka hoy izy tamin’i Abisay: “Ny zanako naterako aza mifofo ny aiko, koa mainka fa izay Benjaminita! ... Angamba hijery ny mason’i Jehovah, dia hanao soa amiko indray i Jehovah, ka tsy hampanan-kery izao ozon’i Simey androany izao.” (2Sa 16:5-13) Nanisa ny vahoaka koa i Davida tatỳ aoriana, nefa tsy sitrak’i Jehovah izany. Hoy ny Baiboly: “Nanameloka an’i Davida anefa ny fony rehefa voaisany ny vahoaka. Koa hoy i Davida tamin’i Jehovah: ‘Tena nanao fahotana lehibe aho tamin’iny zavatra nataoko iny. ... Hadalana be mihitsy no nataoko.’” (2Sa 24:1, 10) Marina fa nosazina i Davida, nefa tsy nesorina tsy ho mpanjaka. Nanetry tena izy ka izany no tena nahatonga an’i Jehovah hankasitraka azy indray.
Toetran’Andriamanitra. Anisan’ny toetran’i Jehovah Andriamanitra ny fanetren-tena. Tsy midika izany hoe mila manaiky ny hafa izy na hoe ambany. Manetry tena kosa izy ka mamindra fo sy mangoraka an’ireo mpanota tsinontsinona. Manaiky hifandray amin’ny mpanota izy, ary nanome ny Zanany ho sorona noho ny fahotan’ny olombelona, ka izany dia efa fanetren-tena. Efa 6 000 taona teo ho eo izao no namelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy. Navelany hisy ny taranak’olombelona, na dia nanota aza i Adama razamben’izy ireo. Namindra fo tamin’ny taranak’i Adama àry izy noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, ka afaka ny hiaina mandrakizay izy ireo. (Ro 8:20, 21) Hita amin’izany rehetra izany fa manetry tena Andriamanitra. Manaporofo izany koa ireo toetrany tsara hafa.
Nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa i Davida Mpanjaka, ka tsapany fa manetry tena Andriamanitra. Nafahan’i Jehovah tamin’ny fahavalony rehetra, ohatra, izy ka nihira hoe: “Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao, ary ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.” (2Sa 22:36; Sl 18:35) Be voninahitra Andriamanitra, ary mipetraka eo amin’ny toerana avo any amin’ny lanitra ambony indrindra, nefa izao no lazaina momba azy: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, izay monina any amin’ny avo? Miondrika hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany izy, atsangany hiala amin’ny vovoka ny olona ambany, ary ny mahantra kosa asandrany avy ao anaty lavaka misy lavenona, mba hiara-mipetraka amin’ny olona ambony, dia ny olona ambony eo amin’ny vahoakany.”—Sl 113:5-8.
Manetry tena i Jesosy Kristy. I Jesosy Kristy no mpanompon’Andriamanitra nanetry tena indrindra teto an-tany, ary modely tena niavaka izy. Ny alina talohan’ny nahafatesany, dia nafatony teo amin’ny andilany ny servieta, ary nosasany sy nohamaininy ny tongotry ny apostoliny 12. Ny mpiasa an-trano sy ny mpanompo anefa no mpanao izany, raha ny marina. (Jn 13:2-5, 12-17) Hoy izy tamin’ny mpianany: “Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.” (Mt 23:12; Lk 14:11) Teo ny apostoly Petera tamin’io alina io, ary tadidiny io modely nomen’i Jesosy io, ka hitany fa tsy toy ny mpitari-bato vilam-bava i Jesosy. Nilaza toy izao tamin’ireo mpiray finoana taminy i Petera, tatỳ aoriana: “Aoka ianareo rehetra samy hitafy fanetren-tena eo amin’ny fifandraisanareo ... Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony.”—1Pe 5:5, 6.
Nampirisika ny Kristianina mba hanana toe-tsaina toy ny an’i Jesosy Kristy ny apostoly Paoly. Nohazavainy fa nitana toerana ambony io Zanak’Andriamanitra io talohan’ny naha olombelona azy, tamin’izy niaraka tamin’i Jehovah Rainy tany an-danitra. Nafoiny an-tsitrapo anefa ny zava-drehetra, ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona. Hoy ihany i Paoly: “Ary tsy izany ihany, fa rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona izy, dia nanetry tena ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” Nilaza koa i Jesosy fa hovalian-tsoa ny manetry tena. Voaporofo tsara fa marina izany raha ny fiainany no jerena. Izao mantsy no tohin’ny tenin’i Paoly: “Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra.”—Fi 2:5-11.
Mbola mahavariana koa fa na dia mitana toerana ambony toy izany aza i Kristy, ka mampiasa “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany (Mt 28:18; 6:10), dia mbola hanetry tena toy izany ihany izy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona. Milaza mantsy ny Soratra Masina hoe: “Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”—1Ko 15:28.
Hoy i Jesosy Kristy: “Malemy fanahy sy manetry tena aho.” (Mt 11:29) Rehefa nasehony tamin’ny mponin’i Jerosalema fa izy no Mpanjakan’izy ireo, dia nanatanteraka izao faminaniana momba azy izao izy: “Iny fa tonga atỳ aminao ny mpanjakanao. Olo-marina izy, sady voavonjy. Manetry tena izy, ary mitaingina ampondra, dia zanaky ny ampondravavy.” (Za 9:9; Jn 12:12-16) Efa manana toerana ambony any an-danitra izy rehefa hiady amin’ny fahavalon’Andriamanitra, ka homena azy izao baiko voalazan’ny faminaniana izao: “Mandrosoa amim-boninahitra ho amin’ny fandresena! Taingeno ny soavalinao mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana.” (Sl 45:4) Afaka mifaly àry ny olona manetry tena, na dia mety hoe ampijalina sy ampahorin’ny olona mieboebo sy mizahozaho aza. Mampahery azy ireo ireto teny ireto: “Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay mankatò ny didim-pitsarany. Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”—Ze 2:3.
Nampitandrina sy nampahery an’ireo manetry tena ny tenin’i Jehovah talohan’ny nandravana an’i Jerosalema, satria nilaza ny hiaro azy ireo izy rehefa tonga ny fotoana voatondrony. Hoy izy: “Hesoriko tsy ho eo aminao ireo mifaly sady mirehareha. Ary tsy hirehareha intsony eo amin’ny tendrombohitro masina ianao. Hamelako olona manetry tena sy tsy mieboebo eo aminao. Ary ny anaran’i Jehovah no hialofany.” (Ze 3:11, 12) Olona maro no ho voavonjy noho ny fanetren-tena, araka ny voalaza hoe: “Hovonjenao ny manetry tena, ary manohitra ny mpirehareha ny masonao, mba hampietrenao azy.” (2Sa 22:28) Azontsika antoka àry fa hovonjen’i Jesosy Kristy Mpanjaka ny vahoakany, izay manetry tena eo anatrehany sy eo anatrehan’i Jehovah Rainy, rehefa hitaingina ny soavaliny izy mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana.
Mila manetry tena ny Kristianina. Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba hitafy ny toetra vaovao izay “havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy.” Hoy izy: “Koa mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po, satria olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina no tiana.” (Kl 3:10, 12) Nilaza izy fa modely momba ny fanetren-tena i Kristy. Nanariny àry ny Kristianina hoe: “Amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny [mpanompon’Andriamanitra] hafa ho ambony noho ny tenany.” (Fi 2:3) Niangavy toy izao koa izy: “Aoka ny fomba fihevitrareo ny hafa hitovy amin’ny fomba fihevitrareo ny tenanareo. Aza manambony tena fa mikatsaha zavatra tsotra. Aoka ianareo tsy hihevi-tena ho hendry.”—Ro 12:16.
Niresaka momba ny fanetren-tena koa i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Korinto. Hoy izy: “Fa na dia afaka adidy amin’ny olona rehetra aza aho, dia efa nataoko ho mpanompon’ny rehetra ny tenako, mba hahazoako olona maro araka izay azo atao. Koa tamin’ny Jiosy dia tonga Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy. Tamin’izay teo ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay teo ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy eo ambanin’ny lalàna aza, mba hahazoako izay eo ambanin’ny lalàna. Tamin’izay tsy manan-dalàna, dia tonga toy izay tsy manan-dalàna aho, na dia manana ny lalàn’Andriamanitra sy eo ambanin’ny lalàn’i Kristy aza aho, mba hahazoako izay tsy manan-dalàna. Tamin’ny malemy, dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy. Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.” (1Ko 9:19-22) Tsy ho vita izany raha tsy eo ny fanetren-tena.
Mampisy fihavanana. Mitandro fihavanana ny olona manetry tena. Tsy hiady amin’ny rahalahiny kristianina izy, na hanizingizina an’izay heveriny hoe “zony.” Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy hanao afa-tsy izay zavatra mampahery izy, na dia afaka manao ny zava-drehetra aza. Nilaza koa izy fa raha tsy mampilamina ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahiny ny zavatra ataony, dia aleony tsy manao izany.—Ro 14:19-21; 1Ko 8:9-13; 10:23-33.
Mila mamela ny helok’izay nanota tamintsika isika, hoy i Jesosy, mba hitandroana ny fihavanana. Tsy ho vitantsika anefa izany raha tsy manetry tena isika. (Mt 6:12-15; 18:21, 22) Mety hanafintohina olona koa isika. Ho hita àry amin’izay raha manetry tena isika, ka hankatò ilay baiko hoe hanatona an’ilay olona sy hiaiky ny fahadisoantsika ary hangata-pamelana. (Mt 5:23, 24) Mety hanatona antsika koa ilay olona tafintohina. Raha tsy manam-pitiavana sy raha tsy manetry tena isika, dia tsy hiaiky ny fahadisoantsika ary tsy hiezaka avy hatrany hamitram-pihavanana. (Mt 18:15; Lk 17:3; ampit. Le 6:1-7.) Marina fa mety ho menatra isika rehefa manetry tena toy izany, nefa hisy vokany tsara ny fiezahantsika hanetry tena, satria mampisy fihavanana eo amintsika samy isika sy eo anivon’ny fandaminana, ary izany no zava-dehibe kokoa. Hanampy antsika hanetry tena bebe kokoa ny fanaovana izany.
Tena ilaina mba hampiray saina. Hanampy ny Kristianina ho afa-po amin’izay ananany ny fanetren-tena, ary hanampy azy ho faly foana sy hahay handanjalanja. Nampiasa fanoharana ny apostoly Paoly, ao amin’ny Korintianina Voalohany toko faha-12, mba hanazavana fa mifampiankina ny Kristianina rehetra eo anivon’ny fiangonana. Tsy ho afaka hanao izany anefa izy ireo raha tsy mankatò sy manetry tena ary manaiky ny lamina napetrak’Andriamanitra. Izao àry lazaina amin’ny rahalahy eo anivon’ny fiangonana: “Raha misy olona miezaka ho tonga mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy.” Ampitandremana anefa izy ireo sao fatra-paniry laza ka te hahazo toerana, ohatra hoe ho mpampianatra eo anivon’ny fiangonana. “Ho mafimafy kokoa” mantsy no ‘hitsarana ny mpampianatra.’—Jk 3:1; 1Ti 3:1.
Tokony hanaiky an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana ny olona rehetra, na lahy izy na vavy. Mila miandry an’i Jehovah koa izy ireo ny amin’izay fanendrena iriny ho azo, satria Andriamanitra no manandratra. (Sl 75:6, 7) Hoy ny Levita sasany taranak’i Kora: “Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitro, toy izay hiriaria ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.” (Sl 84:10) Tsy azo vetivety ny tena fanetren-tena toy izany. Tanisain’ny Soratra Masina ireo toetra takina amin’izay hotendrena ho mpiandraikitra, ary hazavainy fa tsy tokony hotendrena ny zazavao amin’ny finoana “sao izy hirehareha ka hihatra aminy koa ny fanamelohana azon’ny Devoly.”—1Ti 3:6.
Fanetren-tena sandoka. Asaina mitandrina ny Kristianina sao manetry tena izy mba ho fisehosehoana fotsiny. Mety ‘hieboebo tsy amin’antony noho ny fisainany araka ny nofo’ mantsy ny olona finaritra amin’ny fanetren-tena sarintsariny. Ny olona tena manetry tena kosa dia manaiky fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy midika hoe fihinanana sy fisotroana. Tsy mihevitra izy ireo fa miankina amin’ny zavatra haniny sy sotroiny na ny zavatra tsy haniny sy tsy sotroiny ny fahafahany hiditra ao amin’io Fanjakana io. Hazavain’ny Baiboly fa afaka mihinana na misotro na mifady sakafo sy zava-pisotro sasany ny olona iray, raha hitany hoe tokony hanao izany izy noho ny fahasalamany na noho ny fanajany ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. Mety hisy olona hieritreritra koa anefa hoe ny fankasitrahan’Andriamanitra azy dia miankina amin’izay haniny na sotroiny na kasihiny, na koa amin’ny fitandremany andro masina. Tsy fantatr’izy ireny anefa fa “toa fahendrena” fotsiny ny zavatra ataony, “ary maneho izany izy ireo amin’ny fanarahany fivavahana araka ny sitrapon’ny tenany ihany, sy amin’ny fanehoany fanetren-tena sarintsariny, ary ny fampijalian-tena. Tsy manampy eo amin’ny ady atao amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo mihitsy anefa izany.”—Kl 2:18, 23; Ro 14:17; Ga 3:10, 11.
Mety hieboebo ny olona maneho fanetren-tena sandoka. Mety hihevitra mantsy izy hoe ny ezaka nataony no nahatonga azy ho olo-marina na nahatratrarany ny tanjony. Tsy fantany anefa fa tsy azo fitahina i Jehovah, fa mahalala tsara hoe sarintsariny fotsiny ny fanetren-tenany. Raha lasa mieboebo àry izy, dia haetry ihany amin’ny farany, ary tsy ho tiany ny fomba hampietrena azy. Mety ho fandringanana mihitsy no ho vokany.—Oh 18:12; 29:23.
Miaiky fa voafetra ihany ny mety ho vita. Nadika koa hoe “manetry tena” ny teny hebreo hafa hoe tsana, ary tsy ampiasaina mihitsy amin’i Jehovah izy io. Matoanteny fototeny izy io, ary ao amin’ny Mika 6:8 ihany no ahitana azy. Ampiasaina izy io hilazana olona manaiky fa voafetra ihany ny mety ho vitany. Mpamari-toetra iray tarika aminy ny hoe tsanoa, ary ampifanoherina amin’ny hoe “manambony tena” izy io ao amin’ny Ohabolana 11:2. Misy manam-pahaizana mihevitra fa “mitandrina” na “malina” no hevitr’io fototeny io. Maro anefa no mandika azy io hoe “manetry tena.” Mimpirimpirina na manetry tena no dikan’ilay fototeny, hoy ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 857.
Eo anatrehan’Andriamanitra. Maro ny torohevitry ny Baiboly mampirisika ny olona hanetry tena, izany hoe hiaiky fa voafetra ihany ny mety ho vitany. ‘Izay manetry tena no hendry’, hoy ny Ohabolana 11:2, satria tsy ho afa-baraka toy ny olona manambony tena na mirehareha izy. Hendry izy satria manao izay ankasitrahan’i Jehovah. (Oh 3:5, 6; 8:13, 14) Tian’i Jehovah ny olona toy izany ka omeny fahendrena. Anisan’ny takin’i Jehovah amin’ireo te hahazo sitraka aminy ny hoe ‘manetry tena rehefa miara-mandeha aminy.’ (Mi 6:8) Midika izany fa fantatr’ilay olona ny toerana tanany eo anatrehan’i Jehovah, izany hoe miaiky izy fa mpanota, fa Andriamanitra kosa be voninahitra sy madio ary masina. Miaiky koa izy hoe noforonin’i Jehovah ka tsy maintsy miantehitra aminy sy manaiky hofeheziny. Tsy nanaiky an’izany anefa i Eva, fa nifidy ny hahaleo tena tanteraka ka hanapa-kevitra samirery. Raha nanetry tena i Eva, dia ho nesoriny tao an-tsainy ny faniriana ho lasa “tahaka an’Andriamanitra” ka “hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Ge 3:4, 5) Nampitandrina ny apostoly Paoly fa ratsy ny matoky tena loatra sy ny mirehareha, ka hoy izy: “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.”—Fi 2:12.
Inona no azo ireharehana? Ny olona mirehareha dia tsy manaiky hoe misy fetrany ihany ny mety ho vitany. Voalaza kosa anefa hoe: “Aoka ny vahiny no hidera anao fa tsy ny vavanao, ary ny hafa firenena fa tsy ny molotrao.” (Oh 27:2) Hoy i Jehovah: “Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, ary ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, ary ny manankarena tsy hirehareha amin’ny harenany. Fa izay mirehareha kosa dia aoka hirehareha amin’izao zavatra izao: Ny fahafantarany tsara ahy sy ny fahalalany hoe izaho no Jehovah, dia Ilay maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin’ny tany, satria toetra tena mahafinaritra ahy ireo.”—Je 9:23, 24; ampit. Oh 12:9; 16:18, 19.
Ireo manetry tena no nofidin’Andriamanitra. Nilaza tamin’ny Korintianina i Paoly fa sarobidy amin’Andriamanitra ny Kristianina tsy tia mirehareha. Nilaza koa izy fa nanetry tena teo anivon’ny fiangonana izy, ka azon’izy ireo tahafina. Hoy izy: “Hitanareo ny fiantsoany anareo, ry rahalahy, fa tsy maro ny hendry araka ny nofo nantsoina, tsy maro ny mahery, ary tsy maro ny avo razana. Fa Andriamanitra nifidy ny zavatra adala amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny olon-kendry. Ary Andriamanitra nifidy ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny zavatra mahery. Ary Andriamanitra nifidy ny zavatra ambany amin’izao tontolo izao sy ny zavatra hamavoina sy ny tsy misy, mba hanafoanany izay misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo imason’Andriamanitra ... araka ny voasoratra hoe: ‘Izay mirehareha, dia aoka ho i Jehovah no ho reharehany.’ Koa rehefa tonga teo aminareo aho, ry rahalahy, dia tsy tamin’ny teny sy fahendrena mampiaiky volana no nitoriako taminareo ny zava-miafina masin’Andriamanitra. Fa tapa-kevitra aho rehefa teo aminareo ny tsy hisarika ny sainareo afa-tsy ho amin’i Jesosy Kristy ihany, dia izy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana. Ary osa sy natahotra ary nangovitra be aho fony tonga teo aminareo. Ary tsy tamin’ny fampiasana tenim-pahendrena maharesy lahatra no nitenenako sy nitoriako, fa tamin’ny fampisehoana ny fiasan’ny fanahy masina sy ny hery, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra.”—1Ko 1:26–2:5.
“Aza mihoatra noho izay voasoratra.” Nohamafisin’i Paoly tatỳ aoriana fa mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra ny olona rehetra, ka hanetry tena toy ny nataony. Nanjary nirehareha mantsy ny Korintianina noho ny fifandraisany tamin’ny olona sasany, toa an-dry Apolosy sy Paoly. Nilaza àry i Paoly hoe olona araka ny nofo izy ireo fa tsy araka ny fanahy matoa nanao izany. Hoy izy: “Milaza izany zavatra izany aho, ry rahalahy, ka ny tenako sy Apolosy no noraisiko ho ohatra mba hahasoa anareo, ka hianaranareo ilay fitsipika hoe: ‘Aza mihoatra noho izay voasoratra [izany hoe mihoatra noho izay voalazan’ny Soratra Masina hoe tokony hiheveranao ny hafa sy hiheveranao ny tenanao]’, mba tsy hisy hirehareha ianareo ka hihevitra ny iray ho tsara kokoa noho ny iray. Fa inona no mahatonga anao tsy hitovy amin’ny hafa? Inona tokoa moa no anananao izay tsy nomena anao? Koa raha nisy nanome ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatran’ny hoe tsy nisy nanome?” Tsy hanambony tena ireo mitadidy izany teny izany, sady tsy hirehareha noho ny zava-bitany na noho ny fifandraisany amin’ny hafa, na noho ny amin’ny fianakaviany, ny firazanany, ny volon-kodiny na ny fireneny, ny hatsaran-tarehiny, ny fahaizany, ny fahalalany, ny fahakingan-tsainy, sy ny toy izany.—1Ko 4:6, 7.
Nanaiky i Jesosy Kristy fa voafetra ihany ny fahefany. Modely faran’izay tsara i Jesosy Kristy tamin’io lafiny io. Nilaza tamin’ny mpianany, ohatra, izy fa tsy afaka nanao na inona na inona araka ny nahim-pony, fa izay hitany nataon’ny Rainy ihany no nataony. Nilaza koa izy fa ny Rainy dia lehibe noho izy. (Jn 5:19, 30; 14:28) Tsy nanaiky anaram-boninahitra tsy tokony ho azy izy. Izao no navaliny rehefa nisy olona ambony niantso azy hoe “Mpampianatra tsara”: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” (Lk 18:18, 19) Nilaza i Jesosy fa mpanompon’i Jehovah ny mpianany ka tsy tokony hirehareha noho ny zava-bitan’izy ireo eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra, na noho izy ireo sarobidy eo imason’Andriamanitra. Izao kosa no tokony holazain’izy ireo rehefa vitany izay rehetra nasaina nataony: “Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.”—Lk 17:10.
Ankoatra izany, dia ambony noho ny mpianany tsy lavorary i Jesosy Kristy Tompo satria lavorary sady nahazo fahefana lehibe avy tamin’ny Rainy. Nekeny foana anefa fa voafetra ihany ny zavatra mety ho vitan’ny mpianany. Nahay nandanjalanja àry izy rehefa nampiofana azy ireo, ary hainy tsara ny nifantina ny teny nolazainy. Tsy nilaza zavatra mbola tsy zakan’izy ireo izy.—Jn 16:12; ampit. Mt 11:28-30; 26:40, 41; jereo MAOTINA.