15 Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka,+
Fa ny teny henjana kosa vao mainka mampahatezitra.+
2 Mahay mampiasa tsara ny fahalalana ananany ny lelan’ny hendry,+
Fa mamoaka hadalana kosa ny vavan’ny adala.
3 Mijery eny rehetra eny ny mason’i Jehovah,
Ka dinihiny daholo na ny ratsy toetra na ny tsara toetra.+
4 Hazon’aina ny tenin’ny olona tony,+
Fa mahakivy kosa ny teny mamitaka.
5 Tsy miraharaha ny anatry ny rainy ny tsisy saina,+
Fa manaiky hahitsy kosa ny malina.+
6 Misy harena be dia be ao an-tranon’ny olo-marina,
Fa mampidi-kizo ny ratsy fanahy kosa ny tombony azony.+
7 Mampiely fahalalana ny molotry ny hendry,+
Fa tsy mba hoatr’izany ny fon’ny adala.+
8 Maharikoriko an’i Jehovah ny sorona ataon’ny ratsy fanahy,+
Fa mahafinaritra azy kosa ny vavaky ny olona manao izay mahitsy.+
9 Maharikoriko an’i Jehovah ny fanaon’ny ratsy fanahy,+
Fa tiany kosa izay miezaka manao ny marina foana.+
10 Tsy tian’ny olona mivily lalana ny hoe ahitsy.+
Ho faty anefa izay mankahala fananarana.+
11 Na ny Fasana sy ny toerana mahalò ny nofo aza tsy misy miafina amin’i Jehovah,+
Koa mainka fa ny ao am-pon’ny olombelona!+
12 Tsy tian’ny mpanesoeso ny olona manitsy azy,+
Ary tsy hanontany ny hendry izy.+
13 Miramirana ny endrika rehefa falifaly ny fo,
Fa kivy kosa ny olona rehefa malahelo ny fony.+
14 Mitady fahalalana ny fon’ny mahira-tsaina,+
Fa hadalana kosa no ankafizin’ny vavan’ny tsisy saina.+
15 Manjombona foana ny andron’ny olona malahelo,+
Fa hoatran’ny manao fety foana kosa ny olona manana fo falifaly.+
16 Aleo tsy dia manana firy nefa matahotra an’i Jehovah,+
Toy izay manankarem-be nefa mitebiteby lava.+
17 Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana,+
Toy izay mihinana hena matavy ao anatin’ny fifankahalana.+
18 Mampisy ady izay mora tezitra,+
Fa mampitsahatra fifamaliana kosa ny olona tsy mora tezitra.+
19 Hoatran’ny hoe misy fefy tsilo ny lalan’ny kamo,+
Fa toy ny lalambe tsy misy mikitoantoana kosa ny lalan’ny olo-marina.+
20 Mampifaly ny rainy ny zanaka hendry,+
Fa ny adala kosa manao tsinontsinona ny reniny.+
21 Mahafaly ny tsy ampy saina ny hadalana,+
Fa mandeha mahitsy kosa ny olona mahay mandinika.+
22 Tsy tanteraka izay kasaina hatao raha tsy maka hevitra amin’olona,
Fa tanteraka kosa izany rehefa be dia be ny mpanoro hevitra.+
23 Faly ny olona rehefa mahay mamaly,+
Ary tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!+
24 Miaka-piakarana ny lalin-tsaina rehefa mandeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana,+
Mba tsy hidinany any amin’ny Fasana any ambany.+
25 Horavan’i Jehovah ny tranon’izay manambony tena,+
Fa harovany kosa ny faritry ny tanin’ny mpitondratena.+
26 Maharikoriko an’i Jehovah ny tetiky ny ratsy fanahy,+
Fa madio eo imasony kosa ny teny mahafinaritra.+
27 Mampidi-kizo ny ankohonany ny olona mitady tombony amin’ny tsy marina,+
Fa ho ela velona kosa izay tsy tia kolikoly.+
28 Mieritreritra tsara ny olo-marina vao mamaly,+
Fa mamoaka zava-dratsy kosa ny vavan’ny ratsy fanahy.
29 Lavitra ny ratsy fanahy i Jehovah,
Fa henoiny kosa ny vavaky ny olo-marina.+
30 Mahafaly ny fo ny endrika miramirana,
Ary mampahatanjaka ny taolana ny tatitra tsara.+
31 Ahazoana fiainana ny anatra, ka izay mihaino an’izany
Dia anisan’ny olona hendry.+
32 Manao tsinontsinona ny ainy izay tsy manaiky anatra,+
Fa lasa mahira-tsaina kosa izay mihaino anatra.+
33 Manampy ny olona hahazo fahendrena ny tahotra an’i Jehovah,+
Ary hahazo voninahitra izay manetry tena.+